‘Tsy manana na inona na inona afa-tsy ny fonay sy ny sainay izahay’: Vietnamiana mpikatroka voaheloka higadra dimy taona

Anh Chi

Nguyen Chi Tuyen, fantatra amin'ny anarana hoe Anh Chi, niantsafa tamin'ny vondrona fiarahamonim-pirenena The 88 Project, mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices. Pikantsary avy amin'ny horonan-tsary “Mazava ny Hafatra avy any Vietnam manoloana ny fisamborana an'i Nguyen Chi Tuyen – Hosamborinay na iza na iza tianay hosamborina, na oviana na oviana” ao amin'ny Tetikasa 88. Fampiasana ara-drariny.

Voaheloka higadra dimy taona taorian'ny fitsarana naharitra adiny dimy izay nanameloka ho manao “fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana” ny mpikatroka Vietnamiana sady YouTuber malaza Nguyen Chi Tuyen, fantatra ihany koa amin'ny hoe Anh Chi.

Nosamborina tamin'ny 29 Febroary 2024 i Anh Chi, ary voampanga tamin'ny andininy faha-117 amin'ny fehezan-dalàna famaizana mandrara ny fanaovana, fitahirizana, na fanaparitahana vaovao manohitra ny fanjakana.

Malaza amin'ny lahatsariny YouTube manohana ny zo hanan-tany sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Anh Chi. Manana horonan-tsary 1.000 manana mpamandrika 60.000 ny fantsony YouTube AC Media. Ny fantsony YouTube faharoa, Anh Chi Rau Den, kosa ahitana horonan-tsary 1.600 manana mpamandrika 98.000. Manana mpanaraka maherin'ny 40.000 ny pejiny Facebook.

Nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2015 i Anh Chi, izay nanery tamim-pahombiazana ny governemanta hanafoana ny drafitrany momba ny fanapahana hazo 7.000 ao Hanoi. Ny taona manaraka izy nanatevin-daharana ny hetsi-panoherana manameloka ny fiantraikan'ny famonoana trondro vokatry ny fanariana fako avy amina orinasa fandrendreham-by.

Nanjary navitrika tamin'ny hetsika niampanga ny politikan'ny tsipi-panohizana sivy an'i Shina izy izay mandrakotra saika ny Ranomasin'i Shina Atsimo manontolo, anisan'izany ny rano ao anatin'ny fari-dranomasin'i Vietnam. Hatramin'ny nandràran'ny governemanta ny fivorian'ny olona mihoatra ny roa, dia nanangana klioba baolina kitra antsoina hoe No-U FC, izay manondro ny tsipika famaritana miendrika U navoakan'i Shina i Anh Chi sy ireo mpiara-miasa aminy.

Nanohana gadra politika i Anh Chi ary niaro ny fahalalahana maneho hevitra. Nisy fotoana izy namoaka taratasy misokatra miaro ny zon'olom-pirenena mitsikera ny fanararaotam-pahefana. “Ny hany zavatra nataonay dia ny manao zavatra mifanaraka amin'ny feon'ny fieritreretanay, milaza ny eritreritray, ny fanirianay, ny hetahetanay.”

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Mekong Review tamin'ny taona 2017, nanamafy ny andraikitry ny media sosialy amin'ny fanamafisana ny hafatry ny mpikatroka ao anatiny sy ivelan'i Vietnam i Anh Chi.

Social media is a very important tool for us. We have only that tool to express our opinions, to exchange ideas, to connect each other … without social media it would be a big challenge for us.

Now we have a live stream on Facebook, [which] can bring the news to everyone, not only in Vietnam but the world. This prevents [the authorities] from abusing their power. With live stream, we can keep a record [of] their crimes. So they’re scared.

The old generation of activists didn’t have social media, so they were killed easily without any notice or attention. But now … Vietnam is not an isolated island any more.

Fitaovana mana-danja ho anay ny media sosialy. Tsy manana afa-tsy io fitaovana io izahay hanehoana ny hevitray, hifanakalozan-kevitra, hifandraisana … raha tsy misy ny media sosialy dia ho fanamby lehibe ho anay izany.

Ankehitriny, manana mivantana ao amin'ny Facebook izahay, [izay] afaka mitondra ny vaovao ho an'ny rehetra, tsy ao Vietnam ihany fa manerana izao tontolo izao. Manakana [ny manampahefana] tsy hanampatra ny fahefany izany. Amin'ny alalan'ny fampitana mivantana, afaka mitahiry firaketana [ny] helok'izy ireo izahay. Ka matahotra ry zareo.

Tsy nanana tambajotra sosialy ny taranaka mpikatroka fahiny, ka dia novonoina mora foana tsy nisy filazana na fifantohana. Saingy ankehitriny… Tsy nosy mitoka-monina intsony i Vietnam.

Nanohitra ny famoretana izay tsy mitovy hevitra ao amin’ny firenena ihany koa izy.

[The Communist Party] have all the power in their hands. They have prisons, they have guns, policemen, army force, the court: they have everything. They have media. We have nothing except our hearts, and our minds. And we think it’s the right thing to do … that’s all.

Little by little, though, [my family members] get more and more information. They recognise that I am not alone. I am just in front, but there are many behind me. They can secretly support me. And little by little they understand what I am doing … and now I think they are more confident than some years ago.

Manana ny fahefana rehetra eo am-pelatanany [ny Antoko Komonista]. Manana fonja, manana basy, polisy, tafika, fitsarana: manana ny zava-drehetra. Manana haino aman-jery izy ireo. Tsy manana na inona na inona afa-tsy ny fonay sy ny sainay izahay. Ary mihevitra izahay fa izany no zavatra mety atao … izay ihany.

Fa niha-nahazo torohay tsikelikely anefa [ny fianakaviako]. Fantatr'izy ireo fa tsy irery aho. Izaho ihany no eo aloha, fa misy maro aoriako. Afaka manohana ahy mangingina ireo. Ary mihatakatr'izy ireo tsikelikely ny zavatra ataoko… ary ankehitriny heveriko fa matoky tena kokoa noho ny taona vitsivitsy lasa teo aloha ry zareo.

Nanamarika ny fahombiazan'ireo lahatsarin'i Anh Chi tao amin'ny YouTube ilay mpanao gazety Bennett Murray, lehiben'ny birao teo aloha ao amin'ny Deutsche Presse-Agentur (Sampan-draharahan'ny Gazety Alemana) ao Hanoi, tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny vondrona fiarahamonim-pirenena ny 88 Project tamin'ny volana Aogositra 2024:

I think he spoke to people on a very individual level, not just sort of trading stories and ideas with fellow travelers, but actually reaching out to people on social media and really talking to the people who …. people who have a need to hear sort of alternative takes on the way things are in Vietnam and of the Communist Party.

Heveriko fa olona tena tsirairay no niresahany, tsy nivarotra tantara sy hevitra tamin'ny mpiara-dia aminy fotsiny, fa tena nahatratra olona tao amin'ny media sosialy ary tena niresaka tamin'ireo olona izay…. olona izay mila mandre safidy hafa amin'ny fandehan'ny raharaha ao Vietnam sy ny Antoko Komonista.

Efa an-taonany maro i Anh Chi no tsy navitrika intsony tamin'ny fihetsiketsehana saingy tsy nahasakana ny fisamborana azy tamin'ny Febroary izany. Nilaza ny Tetikasa 88 fa nanamarika ny firongatry ny famoretana ataon'ny governemanta mikendry ireo mpanohitra ny fisamborana.

The timing of his arrest has baffled many and is the latest confirmation that no one is safe from Vietnam’s rolling crackdown on dissent. This latest crackdown is hallmarked by not only the persecution of anti-state dissidents, but also by the criminalization of policy activism and accompanying restrictions on civil society and foreign funding.

Nahakepoka ny maro ny fotoana nisamborana azy ary izany no fanamafisana farany fa tsy misy mahazo antoka ho afaka amin'ny firodan'ny famoretana ataon'i Vietnam amin'ny mpanohitra. Tsy vitan'ny fanenjehana ireo mpanohitra ny fanjakana ihany ity famoretana farany ity, fa fametrahana ho asan-jiolahy ny fikatrohana ara-politika sy ny fameperana atao amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny famatsiam-bola avy any ivelany.

Nasongadin'ilay vondrona fa nanomboka tamin'ny taona 2018-2023, olona 330 farafahakeliny no nosamborin‘ny [mg] manampahefana noho ny fiampangana ara-politika.

Taorian'ny fanamelohana an'i Anh Chi, nampitandrina ny amin'ny voka-dratsiny ilay gadra noho ny feon'ny fieritreretana teo aloha Le Anh Hung. Nilaza izany izy tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Radio Free Asia Vietnamiana, fampahalalam-baovao iray novatsian'ny governemantan'i Etazonia vola.

This is clearly an unjust sentence for someone who peacefully speaks out for the country’s progress.

Arrests and sentences like this will make people hesitant and afraid to speak up. No country or nation can grow or develop when its people have to live in fear.

Mazava ho azy fa sazy tsy ara-drariny ho an'ny olona miteny am-pilaminana ho amin'ny fandrosoan'ny firenena izany.

Hahatonga ny olona hisalasala sy hatahotra ny hiteny ny fisamborana sy ny sazy toy izany. Tsy misy tanindrazana na firenena afaka mitombo na mivoatra rehefa tsy maintsy miaina anaty tahotra ny mponina ao aminy.

Nanantitrantitra ny mpisolovavan'i Anh Chi fa tsy manan-tsiny ny arovany ary “tsy araka ny izy” ny fanamelohana. Eo am-pandinihana ny dingana manaraka ny ekipa mpahay lalàna ao aminy izay mety hanaovana fampakarana ny raharaha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.