Ramatoa iray fantatra amin'ny hoe Dilruba Y, no nosamborina tao amin'ny faritanin'i Izmir, Tiorkia, taorian'ny nanakianany ny safidin'ny governemanta hisakana ny Instagram nandritra ny tafa an'arabe nifanaovana tamin'ny Tuylu Mikrofon (fandraisampeo volovoloina), ilay fantsona Youtube malaza ao an-toerana. Nampangaina izy ho “naniratsira ny filoha,” sy “”nandrisika fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka”, vesatra roa mahazatra anenjehan‘ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera tato anatin'ny taona vitsivitsy.
Ny 2 Aogositra, nobahanana ny fidirana Instagram tao Tiorkia, taorian'ny nanakianan'i Fahrettin Altun, tomponandraikitra ofisialy avy amin'ny fifandraisan-davitra tiorka, ilay vovonana noho ny nanivànany ireo hafatra fiaraha-miory tamin'ny nahafatesan'i Ismail Haniyeh, mpitantana ambony tao amin'ny Hamas — vondrona mpanohitra islamika iray izay mitantana ny faritany palestiniàna ao Gaza. Ora maro taorian'ilay fibahanana, nolazain’ny manampahefana iray izay niteny tamin'ny sehatra Medyascope fa tsy ireo fanamarihana nataon'i Altun no tena anton'ny nibahanana ilay vovonana. Nolazain-dry zareo fa efa ela ilay fanapahankevitra no tokony nivoaka, noho ny tsy nahavitàn'ilay vovonana namaly ireo fanontanian'ny fanjakàna nahakasika teboka maro, indrindra fa ireo fandikàna lalàna manohintohina ny fiarovam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka, ny fanararaotana ankizy, ny fandrisihana famonoantena, ireo filokàna tsy ara-dalàna, sns….
Ny 10 Aogositra, niverina ny fahafahana miditra amin'ilay vovonana, taorian'ny herinandro lavabe nifampiresahan'ny Meta tamin'ireo manampahefana Tiorka, araka ny tatitry ny media ao an-toerana.
Tafa an'arabe
Tato anatin'ny taona vitsivitsy dia nahazo laza tao Tiorkia ireo tafa an'arabe, indrindra fa rehefa lasa nanjakan'ireo fampahalalam-baovao mpomba ny governemanta ny media nahazatra ary matetika no fehezin'ny fanjakana. Izy ireny no iray amin'ireo sisa tavela ka mba azon'ny olompirenena izaràna ny alahelony sy milaza izay ao an-tsain-dry zareo, ka matetika ny vahoaka no manakiana ny governemanta amperinasa any anatin'ireny tafa ireny. Araka izany, efa hatry ny ela ny RTUK — lehiben'ny sivana ao Tiorkia — no naneho ny tsy hafaliany amin'izy ireny. Tena vao haingana mihitsy, hita taratra io tamin'ny fibahanana ny Instagram. Tamin'izay fotoana izay, ny lehiben'ny Filankevitra Faratampon'ny Onjampeo sy Fahitalavitra (RTÜK), Ebubekir Şahin dia nilaza tao anaty bitsika iray fa tsy nankasitrahan'ilay andrim-panjakana ireo tafa an'arabe satria loharanon'ny fandisoana vaovao izy ireny. “Ampiasaina hitaomana ny vahoaka ny teknikam-panadihadiana feno fitaka tahaka izany,” hoy ny nosoratan'i Şahin.
Tato anatin'ny taona vitsy, nomena fahefana goavana ny RTUK hifehezany ny votoatin'ny media an-tambajotra. Tsy dia nahazatra io hetsika io, indrindra fa mihoatra ny 90 isanjaton'ireo media nahazatra dia ana orinasa mpomba ny governemanta avokoa.
Araka ny tatitra farany momba ny Sivana anaty Aterineto vokarin'ny vovonana Free Web Turkey, “voabahana tao Tiorkia ny fidirana ho amina rohy niisa 219.059, isan'izany ireo anaran-tsehatra niisa 197.907 tamin'ny 2023. Raha nisy 14.680 ireo vaovao voabahana, ny tena vaovao nosakanana dia izay momba ny kolikoly sy tsy fanarahan-dalàna.” Ho fanampin'ireny, araka ny lazain'ny vokatr'ilay tatitra, nisy lahatsoratra 5.641 ary kaonty 743 tao amin'ny media sôsialy no nesorina ihany koa na noraràna.
Manana tantara lavabe sy fombandrazana amin'ny fanakànana votoaty na fanelingelenana fidirana aterineto i Tiorkia. Ny akaiky indrindra, tamin'ny 12 Jolay, nobahanana ny fidirana tamin'ny vovonana WattPad, tsy nisy filazàna izay anton'ny fibahanana. Tamin'ny Desambra 2023, nametraka fandraràna ihany koa ny governemanta ho an'ny fidirana tamin'ireo mpanome tolotra VPN niisa 16. Voalahatra ho firenena”tsy misy fahalalahana” ao anatin'ny tatitra isantaona momba ny Fahalalahan'ny Aterineto ilay firenena, tatitra navoakan'ny Freedom House. Mitàna ny laharana faha-158 ain'ireo firenena 180 ihany koa ilay firenena ao anatin'ny tondro farany momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety navoakan'ny Reporters Without Borders (RSF).
Faniratsiràna ny filoha
Araka ny lazain'ny Dogruluk Payi, vovonana tiorka iray mpanamarina zava-nitranga, tamin'ny 2022 dia 16.753 ny fitambaran'ny isan'ireo olona nampangaina ho “naniratsira ny filoha”. Ankizy ny 1.377 tamin'izy ireny.
Araka ny Andininy faha-299 ao amin'ny Didy Famaizana Tiorka, tsy mifanaraka amin'ny lalàna ny maniratsira ny filoha. Izay voampanga dia mety hiatrika hatramin'ny 4 taona an-tranomaizina. Ny Andininy faha-301 amin'ny Didy Famaizana dia manameloka “ny fanambaniana ny firenena tiorka, ny fanjakan'ny Repoblika Tiorka, [ary] ireo Rantsana sy Andrim-panjakana.” Hatramin'ny nandaniana azy tamin'ny 2014, notaterin'ny Freedom House fa olona manodidina ny “100.000 any ho any no nampangaina ho nanàla baraka ny filoha” ary nanitsakitsaka ny Andininy faha-299 ao anatin'ny Didy Famaizana, andàlana iray izay tsy dia nampiasaina firy talohan'ny naha-filoha an'i Recep Tayyip Erdoğan tamin'ny 2014, araka ny tatitra 2018 avy amin'ny Human Rights Watch.
Mpianatra, mpanakanto, mpanao gazety, mpisolovava, ary olompirenena tsotra ireo nenjehina na niatrika fitsaràna noho ny fanitsakitsahana io Andininy io. Araka ny lazain'ny ministeran'ny fitsaràna, ny fitaleavana foibe mitahiry ny antontanisa sy ny angondrakitra momba ny heloka bevava, dia olona 36.000 no nanaovana fanadihadiana noho ny filazàna azy ireo ho naniratsira ny filoha tamin'ny 2019 ary 31.297 tamin'ny 2020. Raha ampitahaina, olona efatra monja no nohadihadiana araka io andininy io tamin'ny 2010. Tamin'ny Ôktôbra 2021, ny fitsaràna eorôpeàna misahana ny zon'olombelona dia namoaka didy fa ny dingana fanenjehana heloka bevava napetraka teo ambain'ilay andininy fha-299 dia manitsakitsaka ny Andininy faha-10 momba ny Fahalalahana maneho hevitra amin'ny Fifanarahana Eorôpeàna momba ny Zon'Olombelona.
Tamin'ny May 2024, nisy vondrona iray nahitàna ireo mpianatry ny anjerimanontolo nentina niatrika fitsaràna noho ny vesatra nitovitovy tamin'izany vokatry ny sary iray novokarina tamin'ny alàlan'ny AI nanehoana ny filoha Erdoğan nitazona hosodoko iray maneho ny fandringanana naterak'ilay horohorontany nandravarava tamin'ny 6 Febroary, narahana teny hoe “Masterpiece” misoratra eo amboniny. Nandritra ny fihainoana azy ireo, nolazain'ny mpampanoa lalàna fa ilay sary dia “famelezana ankitsirano ny voninahitra sy ny hajan'ny filoha”. Taorian'ilay vaovao momba ny horohorontany tamin'ny Febroary 2023, tapaka nandritra ny fotoana voafetra ny fahafahana niditra Twitter sy TikTok. Ny fanjakana koa dia nitazona sy nampiditra dingana fanenjehana noho ny heloka bevava ho an'ireo mpampiasa media sôsialy izay nanakiana ny valinkafatry ny fitondràna tamin'ilay horohorontany.
Tamin'ny Aprily 2023, i Mahir Akkoyun mpanao tefiendrika dia notànana noho ny nanombohany fampielezankevitra iray nampiasàny sticker talohan'ireo fifidianana ankapobeny tamin'ny May tao Tiorkia, nataony hanairana ny saina momba ireo pôlitika ara-toekarena mahabe resaka napetraky ny filoha Erdoğan. Satria nanomboka nahazo vàhana teny amin'ireo vovonana tao amin'ny media sôsialy ireo stickers ary nampiasaina nanerana ireo tanandehbe tiorka sy tany amin'ny faritàny, Akkoyun nibitsika fa izy dia nosamborina satria nolazaina ho naniratsira ny filoha, nanelingelina ny fifidianana, ary nanely tsaho tsy marina. Taorian'ny ora maro nakàna am-bavany azy, navotsotra i Akkoyun.
Rehefa voan'ny COVID-19 i Erdoğan tamin'ny Febroary 2022, 36 raha kely indrindra ireo fanadihadiana natomboka nanenjehana ireo mpampiasa media sôsialy izay nampiseho hafaliana tafahoatra nanodidina ilay vaovao. Isan'ireny i Derya Büyükuncu, mpilomano ôlaimpika fahiny. “Voan'ny COVID-19 izy ary mila vavaka. Mivavaka izahay, aza manahy. Efa nanomboka nanamboatra tavoara halva miisa 20 aho. Hozaraiko amin'ny mpiray vodirindrina rehetra rehefa tonga ny fotoana,” hoy ny bitsika avy amin'i Büyükuncu taorian'ilay vaovao. Ho an'ireo izay tsy mahafantatra loatra ny halva, ankoatry ny maha-vatomamy malaza azy, nokarakaraina avy amin'ny lafarinina sy semolina (semoule), dibera ary tantely, dia aroso ihany koa izy io mandritra ny lanonam-pandevenana. Avy eo ilay atleta dia nampangaina ho “naniratsira ny filoha” ary navoaka ny didy iray fampisamborana azy noho ny filazàna izany ho faniriana ankolaka ny hahafatesan'ny filoha hoy ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana, ka noho izany dia heloka bevava. Naato tanteraka tsy ho isan'ny ao anatin'ny federasônan'ny lomano ao Tiorkia ihany koa ilay mpilomano.
Na izany aza, mandeha zotra tokana ity fandraràna mifototra amin'ny faniratsiràna ity. Nandritra ny fotoana fitondràn'ny antokon'ny mpitondra dia efa im-betsaka ireo manampahefana ao anivon'ny governemanta no nanevateva ny vahoaka, nilaza ny olompirenena ho “riffraff,” “jiolahy,” “mpampihorohoro,” “mpivarotena,” sy ny sisa. Ny akaiky indrindra dia teny fanivaivàna foko iray nataony an'ireo mpitsikera an'ilay fandraràna ny Instagram sy ny fanapahankevitry ny governemanta hanambara andro iray ho fisaonana an'i Ismail Haniyeh, tamin'ny niantsoana azy ireo ho “mainty mpiasa an-trano” manana “toetra ratsy,” fampahatsiahivana an'ilay kabary malazan'i Malcolm X, ary mitarika hoe mpamadika ny fireneny amin'ny fanomezana vàhana ireo goavan'ny teknôlôjia ireo izay rehetra nanakiana ilay fandraràna.