Taorian'ny fahavitan'ny kaoferansan'ny SIDS4 tany Antigua & Barbuda, mitolona ny hihazonana ny satany ‘maningana’ ao amin'ny Firenena Mikambana ny ‘nosy madinika’
Avy amin'i Stefanie Lauchman
Navoaka voalohany tao amin'ny Tambajotram-baovao Cari-Bois Environmental ity tantara ity. Mivoaka ity dika nasiam-panovana etsy ambany ity ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Efa ho telo volana lasa izay, tamin’ny 30 Mey, no nifarana tany Antigua sy Barbuda, ny fihaonambe fahaefatra ao amin’ny Nosy An-dalampandrosoana (SIDS4). Nanomboka teo ireo mpandray anjara nanolo-tena [mg] hanao ny ezaka hisolovava amin'ny fanantenana hiantohana ny hanasokajiana ireo Vondronosy madinika Andalam-Pandrosoana SIDS ho “tranga manokana” amin'ny fampandrosoana lovainjafy, fanondroana azony tamin'ny taona 1992, nandritra ny fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana tao Rio de Janeiro, Brezila, tamin'io taona io.
Ankatoavin'ny fanasokajiana fa mety hisy fiantraikany amin'ny SIDS ny fandrahonana ara-tontolo iainana toy ny fiovaovan'ny toetr'andro, saingy tsy ireo firenena ireo mihitsy no nahatonga ny fandrahonana toy izany. Araka izany, amboarin'izany fanondroana izany ihany koa ny lalana hihazonana ny firenena mandroso ho tompon'andraikitra amin'ny nataony tamin'ny krizin'ny toetr'andro ary, ho setrin'izany, mandray andraikitra amin'ny fampihenana ny faharefoan'ny SIDS ka hanatsara ny fahatezan'ireo SIDS ireo.
Nanomboka tamin'izany fotoana izany, na izany aza, tsy te-hihevitra amin'izay hitan'ny SIDS amin'izao fotoana ho tolona mangina hiarovana ny fanondroana azy ireo ny firenena sasany ao amin'ny “Global North” (firenena matanjaka ao amin'ny ilabolantany avaratra). Nilaza i Nicole Leotaud — izay nanasongadina hatrany ny lohahevitra tao amin'ny fihaonamben'ny SIDS4 tamin'ity taona ity — talen'ny Ivotoeran'ny Harena Voajanaharin'i Karaiba (CANARI), fa mandiso fanantenana ny “fanosehana” hampihemotra ny hevitra hoe tsy mila fanampiana manokana ho fampandrosoana maharitra ny SIDS.
Nomarihany ihany koa fa mbola zava-dehibe hodinihina ny faharefoana mitarika mankany amin'ny fanondroana ny “tranga manokana” ho an'ny SIDS – ny habeny ara-jeografika sy ny toekareny – ary nohazavainy hoe: “Tsy izahay no nanangana ireo olana ireo fa tena manelingelina ny fivoaranay io.” Ny olana miharihary indrindra, hoy hatrany i Leotaud, dia ny fiovaovan'ny toetr'andro, izay tsy ny SIDS no mpiteraka ireo etona mpangeja hafanana: “Na izany aza, ny SIDS no lohalaharana, ary iray amin'ireo vondrona marefo indrindra izahay.”
Raha nankatoavina tao amin'ny SIDS4 ny drafitry ny hetsika 10 taona mitondra ny lohateny hoe “The Antigua and Barbuda Agenda (ABAS) for SIDS” dia nanamafy i Leotaud fa tsy maintsy omena fanohanana ny Nosy Madinidinika toa an'i Karaiba, na dia ry zareo aza no mitarika ny paikadim-pampandrosoana lovainjafiny. Talohan'ny fihaonambe, nikarakara fihaonana an-tampony mialoha ho an'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena ny CANARI mba hahazoana antoka fa mirotsaka tokoa mandray anjara amin'ny hetsika voasoritra ao amin'ny antontan-taratasy ABAS ry zareo.
Tezitra tamin'ny “fanoherana” atrehin'ny SIDS ny minisitry ny Fanajariana ny Tontolo Iainana sy ny Tontolo Iainana Marciano Dasai avy ao Suriname. Mino izy fa ampy ny porofo hanohanana ny “tranga manokana” momba ny satan'ny fampandrosoana lovainjafy — ho an'i Suriname sy ireo nosy kely hafa. Avy amin'ny hain-tany faran'izay mafy ka hatramin'ny tondra-drano nandravarava, nilaza i Dasai fa niharihary tato ho ato ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro any Suriname .
Suriname no firenena be ala indrindra eran'izao tontolo izao ary mandray anjara betsaka amin'ny fitahirizana karbôna avoakan'Ilabolantany Avaratra nandritra ny taonjato maro.
Nilaza i James Ellsmoor, mpanorina sady talen'ny fakàna hevitra momba ny tontolo iainana iraisam-pirenena sady mpanolotsainan'ny orinasa Island Innovation, izay nanampy ny SIDS tamin'ny ezaka fampandrosoana lovainjafy nandritra ny taona maro, fa zava-dehibe ho azy ireo ny mitazona ny satany manokana.
Na dia azo heverina ho azoazo ihany aza ny fidiram-bolan'ny SIDS sasany, dia nanamafy i Ellsmoor fa marefo izy ireo noho ny habeny kely ara-jeografika, satria mety ho levon'ny toetr'andro iray toy ny rivo-doza iray ny harin-karena faobe-(PIB)-n'ny firenena iray manontolo : ” Tokony hoheverina izany izany faharefoana izany, satria tena hafa sy tsy manam-paharoa ny zava-misy amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ho an’ny SIDS.
Nampitandrina ihany koa i Ellsmoor fa misy ny fanamby amin'ny fampiasana ny harin-karena isan'olona ho fandrefesana ny fampandrosoana sy ny fahafaha-miroso, indrindra amin'ny fijerena ny zava-misy eny an-kianja any amin'ireo firenena nosy kely andalam-pandrosoana. Afaka mampakatra harin-karena faobe, ohatra, ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray ao anatin'ny indostrian'ny fizahan-tany matanjaka, saingy mety tsy tafaverina ao amin'ny toe-karena eo an-toerana hatrany ny vola miditra ka hanampy ny olom-pirenena.
Iray amin’ny nivoaka tamin’ny fihaonamben’ny SIDS4 ka mampavitrika anefa ny fomba niraisan’ny firaisamonim-pirenena tamin’ny fisoloambavany. Nandritra ny fihaonambe, nanolo-tena hiantoka ireo vondrona ireo — izay nanantitrantitra ny andraikiny amin'ny famolavolana politika sy amin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka mba hanamafisana ny fandaharam-pampandrosoana lovainjafy — fa ho re ny feon'izy ireo, ary hoheverina ny fandraisany anjara momba ny filan'ny SIDS.
Raha mbola mitaky amin'ny Ilabolantany Avaratra ny SIDS handraisan'ireo ny andraikiny manoloana ny loza mitatao amin'ny toetr'andro atrehintsika rehetra, dia hita mazava fa mbola hitohy ny fanosehana hampihemotra ny “tranga manokana” hahazoana fanondroana fampandrosoana lovainjafy. “Soa ihany,” hoy i Ellsmoor, “Mahery ny feon'ny fihaonambe SIDS4 hisoloana vava ho an'ny filana manokan'ny SIDS.”