Efa ho iray volana taorian'ny lozam-piparitahan-tsolika nandrakotra ny faritanin'i Cavite sy Bataan any atsimo sy avaratry ny Faritry ny Renivohi-pirenen'i Filipina, mpanjono 50.000 farafahakeliny sy ny fianakaviany no mitolona mafy amin'ny fiantraikany.
Rendrika tamin'ny 25 Jolay teo ivelan'ny fari-dranon'i Bataan ny sambo mpitondra solika indostrialy 1,4 tapitrisa litatra. Roa andro taorian’izay, nisy fiara mpitatitra solika hafa nitondra gazoala 55.000 litatra koa nivadika tany Bataan. Tetsy an-danin’izany, nisy sambo mpitatitra solika fahatelo nilaozana tao amin’io faritany io ihany. Mety misy ifandraisany manokana amin'ny rivo-doza Carina (anarana iraisam-pirenena: Gaemi) ireo loza ireo, izay niteraka toe-dranomasina mampidi-doza sy orambe loatra tao amin'ny faritra.
Nandrakotra 84 kilometatra toradroa ny fiparitahan'ny solika ary tombanana ho nisy manana fiantraikany tamin'ny antsasaky ny helodranon'i Manila. Nambara ho anaty voina ny tanàna valo amorontsiraka ao Cavite.
Nitarika ezaka fanadiovana sy fizarana vonjy voina ny Sampan-draharaham-panjakana isankarazany. Nisy ny fandraràna (fihinanana) trondro tao Cavite izay nisy fiantraikany tamin’ny fiveloman’ny mpanjono efa ho 30.000.
Tamin’ny 18 aogositra lasa teo, nitatitra ny mpiambina ny morontsiraka fa solika 42 000 litatra ihany no azo.
Efa nesorina ny fandraràna trondro amin’ny ankamaroan’ny faritra saingy hatramin’ny 22 aogositra dia mbola sokajian’ny tompon’andraikitra ho tsy azo antoka hohanin’ny olona ny trondro azo amin’ny tanàna dimy ao Cavite. Nisy fiantraikany ratsy teo amin'ny famatsiana sakafo ho an'ny mpanjifa izany ary nahatonga ireo izay miasa amin'ny indostrian'ny jono ho tsy manana ny fivelomany voalohany.
Tezitra amin'ny famalian'ny governemanta “tsy araka ny tokony ho izy” ny mponina, ny mpanjono ary ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana. Ny vonjiranovaky no nanosika ireo vondrona isan-karazany eo an-toerana sy manerana ny firenena hirotsaka an-tsitrapo sy hizara fanampiana ho an'ireo vondrom-piarahamonina niharam-boina.
Nilaza ny (vondrona mpanjono) Pamalakaya Fisher Group tamin'ny resadresaka tamin'ny fampitam-baovao fa kely ny fanampiana tamin'ny fotoana nampiharana ny fandraràna trondro.
The relief assistance is not enough and it is not regular. If the fishing ban in the province will continue, the support to affected fishermen should be ensured as their source of income is only fishing.
Tsy ampy ny fanampiana ary tsy ara-potoana. Raha mbola mitohy ny fandraràna ny jono ety amin’ny faritany dia tokony ho azo antoka ny fanohanana ireo mpanjono tra-boina satria ny jono ihany no loharanom-bolany.
Noho ny fahabangana eo amin'ny lalàna dia tsy mety tanana ho tompon'andraikitra amin'ny fianahan'ny menaka ireo orinasa niantoka asa tamin'ireo sambo rendrika amin'izao fotoana. Nandritra ny fivorian'ny Antenimieran-doholona, nanamarika ny lesoka tamin'ny lalàna ny mpikatroka Greenpeace Jefferson Chua. Nanoro hevitra ireto manaraka ireto:
The government must call for accountability from the companies involved. It must compel the companies to come out in the open, take responsibility for the spill, compensate the communities and local governments for the ongoing damage to health, ecosystems, and livelihoods, and pay reparations for the knock-on effects of this disaster.
Tsy maintsy miantso tamberin’andraikitra amin’ireo orinasa voakasika ny fanjakana. Tsy maintsy manery ny orinasa hivoaka an-kalamanjana, handray ny andraikiny amin'ny fianahana, hanonitra amin'ny vondrom-piarahamonina sy ny governemanta eo an-toerana noho ny fahasimbana naterany amin'ny fahasalamana, amin'ny rohivoary ary amin'ny fivelomana, ary mandoa onitra noho ny voka-dratsin'ity loza ity.
Nanontanian'ny Mpisolovavan'ny Siansa sy ny Teknolojia ho an'ny Vahoaka (AGHAM) ny fanapahan-kevitry ny mpiandry ny morontsiraka hamela ireo sambo handeha na dia eo aza ny onjan-dranomasina nateraky ny rivo-doza Carina tamin'ny 25 Jolay “Maneho ny tsi-fahadiovampon'ny governemanta amin'ny fahamailoana isorohana voina izao,” hoy ny nambaran'ny fanambaràna.
Nosoritsoritan'ny Tambajotran'ny Fandaharanasa Fiarovana ara-tsakafo ao Filipina ny asa vonjiporitry ny governemanta ankapobeny ho “tsy nahavaha feno ny hamafin'ny toe-draharaha”.
What is needed is decisive and comprehensive action from the national government to effectively resolve the extensive ecological and social damage caused by the oil spill. This calls for not just immediate remediation efforts, but also measures that prioritize protection of the environment, food producers, and consumers.
Ilaina ny fandraisana fepetra hentitra sy feno avy amin'ny governemantam-pirenena mba hamahana amin'ny fomba mahomby ny fahasimbana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy vokatry ny fiparitahan'ny solika. Tsy ny ezaka fanarenana haingana ihany no itakiana izany, fa amin'ny fepetra manao ho laharam-pahamehana ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana, ny mpamokatra sakafo ary ny mpanjifa.
Nampitandreman‘i Gloria Estenzo Ramos avy ao amin'ny Oceana fiantraikany ratsy mitarazoka amin'ny fianahan'ny solika
Toxic oil spills in our oceans are like fires in our forests, leaving a path of destruction that brings decades of negative impacts. We know oil spills are a deathtrap for marine ecosystems, and have negative consequences on people, wildlife, and our environment. If the more than one million liters of oil onboard are not safely removed, the resulting spill could kill marine wildlife, destroy our mangroves, and put people’s health, food source, and livelihoods at risk.
Toy ny afo amin'ny alantsika ny fiparitahan'ny solika misy poizina any an-dranomasina, ka mametraka lalam-pandringanana izay mitondra voka-dratsy am-polony taona maro. Fantatsika fa fandrika mahafaty ho an'ny rohivoary an-dranomasina ny fiparitahan'ny solika, ary misy fiantraikany ratsy eo amin'ny olona, ny bibidia ary ny tontolo iainantsika. Raha tsy voaisotra amim-pahamailoana soa aman-tsara ny solika mihoatra ny iray tapitrisa litatra ao anaty sambo, dia mety hamono ny fiainana an-dranomasina ny fiparitahana vokatr'izany, hanimba ny ala honko, ary hampidi-doza amin'ny fahasalaman'ny olona, amin'ny loharanon-tsakafo ary amin'ny fivelomana.