Nambaran'ny Komity Fanadihadiana ao Belarosia ny fanombohan'ny fitsarana manokana ilay mpanao hatsikana Belarosiana Vyacheslav Komissarenko, hoy ny tatitry ny Meduza. Monina any ivelany izy amin’izao fotoana izao.
Miatrika fiampangana ho manala baraka sy manimbazimba ny filoha Belarosiana Alyaksandr Alyaksandr Lukashenka.
Malaza ilay mpanao hatsikana amin'ny fanakianana mibaribary ny fitondrana Belarosiana sy ny mpitandro ny filaminana, indrindra taorian'ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2020. Manao izay hampihomehy amin'ny endrik'i Lukashanka sy ny fitondrany no ataony, manasongadina ny hadalan'izy ireo sy ny faharatsiany taiza. Noho ny fihamafisan'ny tsindry sy ny fandrahonana dia nandositra an'i Belarosia nankany Rosia i Komissarenko, ary nandao an'i Rosia taty aoriana tamin'ny taona 2022, natahotra ny mety ho fanenjehana ataon'ny mpitandro ny filaminana Belarosiana azy.
Heverina ihany koa i Komissarenko ho nampalaza ny sary-sy-soratra “Chyk-Chyryk” momba an'i Lukashenka. Indray mandeha, nandritra ny resaka nifanaovana tamin'ny mpanao hatsikana Ruslan Belyy, dia nivazivazy ry zareo fa i Alyaksandr Lukashenka no hany filoha tsy afaka miala sasatra satria firenena maro no tsy mamela azy hiditra any aminy. Tonga amin'ny fehezanteny mampihomehy momba ny tsy hamelana an'i Lukashenka hiditra tao anaty fiaramanidina izany, ary novaliany hoe: ‘Izay izany fa dia izaho ihany no hampisidina ny tenako! Chyk-Chyryk,’” hoy i Komissarenko nitantara indray, araka ny fomba fisiokan'ny fody iray, mba hilazana fa tsy afaka mandeha any amin’ny toerana iray i Lukashenka raha tsy mivadika ho vorona, satria tsy misy fiaramanidina mitondra azy.
Asehon'ny lahatsary eto ambany i Komissarenko miantso an'i Lukashenka ho chyk-cheryk sady mihomehy amin'ny tsy fahampian'ny fanabeazana azy sy ireo karazana fahalalàna na saina.
Tamin'ny Aprily 2023, nanambara i Komissarenko fa nolavin'i Alemaina ny visa-ny maha-olona. Nizara izany vaovao izany tao amin'ny fantsona YouTube-ny izay manana mpanaraka 1,43 tapitrisa izy. Hoy izy:
The German consul denied me a humanitarian visa because he doesn't believe it's unsafe for me to go to Russia or Belarus, and, in Spain, they didn't allow me to legalize my funds because, apparently, it's dirty money from dirty jokes
Nolavin'ny kaonsily alemà ahy ny visa maha-olona satria tsy mino izy fa tsy azo antoka ho ahy ny mandeha any Rosia na Belarosia, ary, any Espaina, tsy eken-dry zareo ho ara-dalàna ny volako satria, toa, vola maloto avy amin'ny vazivazy maloto izany.
Tamin'ny farany dia afa-nisitraka visa-n'olona manan-talenta ho any Etazonia i Komissarenko.
Teratanin'i Belarosia Komissarenko. Nilaza izy teo aloha fa tsy maintsy nandao an'i Rosia ho any Kyiv izy taorian'ny nametrahan'ny KGB azy tao anaty lisitry ny olona karohina. Araka ny filazany, “niantso sy nandefa hafatra an-tsoratra taminy” ny mpitandro ny filaminana Belarosiana.
Ny lahatsary eto ambany dia resadresaka nataon'i Komissarenko nifanaovana tamin'ilay mpanao gazety Rosiana malaza any an-tsesitany, Yuri Dud.
Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Yuri Dud, nanambara ihany koa izy fa mitady ny ray aman-dreniny ny mpitandro ny filaminana Belarosiana.