Ny alin'ny Alahady 18 Aogositra teo, nodimandry teo amin'ny faha-90 taonany i Dave Martins, ilay Goianey mpihira – mpandrindra sady mpitendry gitara nolalain'ny maro. Tato anatin'ny taona vitsy, nitolona tamin'ny fahaverezan-tsaina izy, na dia tsy naboraka aza ny antom-pahafatesany.
“Zazalahy tantsaha” i Martins, teraka sy lehibe tao amin'ny vohitr'i Hague ao amin'ny Faritra Fahatelo (Region Three) (Essequibo Islands–West Demerara), zanak'i Joseph sy Zepherina Martins. Fony 10 taona izy, nifindra nankany Vreed-en-Hoop ireo ray aman-dreniny. Rehefa avy nandalo ny sekoly ambaratonga voalohany, nandeha tao amin'ny Kôlejy St. Stanislaus tao Georgetown renivohitra. Mpiangaly mozika ny reniny, raha ny rainy kosa niompy tao amin'ny Renirano Pomeroon ao amin'ny Faritra Faharoa (Region Two) (Pomeroon–Supenaam). Nisy fiantraikany tamin'ny fihirany sy ny fanoratany tononkira ny “calypso” trinidadiàna sy ireo tantara reny teny an-dàlana niaraka tamin'ny rainy. Nolazainy tamin'ny “Guyana Chronicle” tamin'ny Aprily tamin'ny taona lasa fa ny calypso tamin'izany fotoana izany dia nanana “drama, fampangovitana, hatsikana, fahasahiana ary hery tao anatin'ny mozika.” Nambarany fa nihaino mozika calypso voarakitra tanaty rakipeo izy, ary io mozika io no niriany hatao,“fa amin'ny fomba fanaoko kosa.”
Nifindra nankany Kanadà ny fianakaviany, ka tany izy no nanorina ny Debonairs, tarikany voalohany, hamaliana dokambarotra ho ana tarika karaibiàna iray. Tamin'ny 1966, nanangana tarika iray vaovao izy, The Tradewinds, izay nahitàna mpikambana avy any amin'ireo nosy Cayman, Trinidad & Tobago, Grenada, ary Barbady. Iray tamin'ireo hira voalohan'ilay tarika ny “Honeymoon Couple,” lasa hira nalaza be tany Karaiba noho ny tonony feno fanahy sy misetrasetra. Hira mihoatra ny 100 no soratan'i Martins ho an'ilay tarika, izay mazàna miaty hatsikana sy singa maro mampirehareha ilay faritra. Farany dia lasa tompony sy nitantana klioba iray i Martins, antsoina hoe “We Place” tao afovoan-tanànan'i Toronto. Nandritra izany fotoana izany, nanao fitetezam-paritra betsaka tany Karaiba ilay tarika. Tao anatin'ny 30 taona (1966–1996), namoaka rakikira 17 ny The Tradewinds.
Tamin'ny 2022, notoloran'ny Oniversiten'i Goiana ny diplaoma mariboninahitra “Docteur en Lettres” i Martins, ary tao izy dia nanao asan'ny “Artist in Residence“. Taty aoriana i Martins dia nonina tany amin'ireo Nosy Cayman. Niaraka tamin'ny fihetsehampo ho an'ny teatra, niaka-tsehatra nanao hatsikana izy, nameno ny asany tamin'ny alàlan'ny hirany sy ny filalaovana gitara. Nanoratra seho an-tsehatra iray izy, mozika iray nomeny lohateny hoe “Raise Up” (Mijoroa) izy novokarina tao Goiana, ary izy koa dia mpanoratra tsanganana an-gazety ho an'ny Stabroek News. Toy ny “mpankafy ny fahatsoram-piainana” no namaritana azy teo amin'ny faha-90 taonany.
Tao anaty lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook post, izao no nozarain'ny vady navelan'i Martins:
“Fankasitrahana mandrakizay r'ilay silam-panahiko, noho ny nizarànao fitiavana tsy nisy tambiny, fanohanana nandritra ny dimiambinifolo taona, ary indrindra ny firehetampo nifampizaràna tamin'ny zavatra rehetra tamin'ireo Goianey.”
Ny zanany lahy, Tony Martins, nizara lafiny maro tamin'ny tantaran-drainy.
Marobe ireo fanomezam-boninahitra avy amina olomalaza sy andrim-panjakana noho ny nahalasànan'i Martins. Tao amin'ny pejiny Facebook, ny filohan'i Goiàna, Dr. Mohammed Irfaan Ali, dia nanome voninahitra an'i Martins:
Tena malahelo mafy aho mandre ny fahalasanan'ilay tena sary ahafantarana an'i Karaiba, Dave Martins, izay ny mozikany no fo mampitempo ny faritra misy antsika. Amin'ny naha-mpitarika ny The Tradewinds azy, azon'i Dave ny tena votoatin'ny toetsaina karaibiàna sy ny maripamantarana azy, tamin'ny fampifangaroana ireo gadona mahasarika tamina esoeso manindrona izay mipàka any anaty fo sy fanahintsika. Tsy hoe niantso antsika fotsiny hihomehy ny tenantsika ihany ny mozikany fa koa nandrisika antsika hijoro sy hirehareha amin'ireo lovantsika goianey sy karaibiàna…
Mihoatra lavitra noho ny maha-mozisiàna i Dave Martins; izy dia olona iray tena karaibiàna izay nisy fiantraikany hatrany ivelan'ny sisintany, nahakasika fiainan'olona maro tsy tambo ho isaina nanerana ny faritra. Tena tsapa be ny fahalasànany, tsy eto Goiàna ihany, fa manerana an'i Karaiba manontolo sy hatrany am-pielezana.
Isaky ny mandeha ny mozikany, na aiza na aiza misy anao, dia miteraka fihetsehampo lalina ahatsapàna fireharehana amin'ny maha-Karaibiàna ilay izy. Mifono ao anatin'ireo gadona sy rindra, dia mitondra ny tena maha-izy azy ny lova ifampizaràntsika, mampahatsiahy antsika hoe iza moa isika ary avy aiza. Ny mozikan'i Dave Martins dia nampifandray antsika tamin'ny fàka niaviantsika no sady mameno ao anatintsika ny fitiavana ny maripamantarana karaibiàna.
Ny filoha Ali koa dia nizara lahatsary iray ahitàna an'i Martins ao amin'ny Facebook, natolotry ny Guyana Newsroom.
Nanamarika i Aubrey Norton mpitarika ny mpanohitra hoe:
“Fatiantoka lehibe ho an'i Goiàna izao. Izy no iray tamin'ireo sary amantarana ny kolontsaintsika, ary iray amin'ireo lehilahy naka maro tamin'ny kolontsain'i Goiàna sy nametraka izany tao anatin'ny mozika ary na aiza na aiza alehanao eto amin'izao tontolo izao, afaka mamantatra ny tenanao amin'izany sy mirehareha amin'izany ianao. Io no hany fanantenako hoe mba ho afaka alaintsika misimisy kokoa avy aminy.
Goianey iray mpanao gazety no naneho hevitra tao amin'ny Twitter/X hoe midika inona ho azy ny mozika sy ireo hafatr'i Martins:
As a reporter in search of a way to capture the ironies of Guyanese entanglement with oil, and its history of resisting “outside faces from foreign places,” I found what I needed in calypsonian and wordsmith Dave Martins’ “Not a Blade of Grass.” RIP. https://t.co/cqkexEFppx
— Gaiutra Bahadur (@gbahadur) August 19, 2024
Amin'ny maha-mpanao gazety ahy mikaroka izay fomba hisamborana ny esoeson'ny fifamatopatoran'ny goianey amin'ny solika sy ny tantaram-piatrehany “ireo endrika tonga avy any ivelany,” Izay nilaiko dia hitako tao anatin'ilay “Not a Blade of Grass” an'ilay mpiangaly calypso sy mpanoratra, Dave Martins. Mandria am-piadanana. https://t.co/cqkexEFppx
— Gaiutra Bahadur (@gbahadur) 19 Aogositra 2024
Toy ny “hiram-pirenena tsy ôfisialy ho an'i Goiana” no namaritan'i Nigel Hughes, ilay filoha vao avy voafidy hitarika ny antoko pôlitika liberaly Alliance for Change” ilay hiran'i Martins hoe “Not a Blade of Grass” . Noraisim-peo tamin'ny 1970s tany ho any, hira malefaka nefa feno fitiavan-tnindrazana izy io, izay ahitàna ny toy izao ao anatin'ny tonony:
Vahoaka tia fahalemana isika
Mitolona ny tolona
Ary tsy mitady korontana
Fa manontany fotsiny!Saingy rehefa misy endrika ivelany
Avy amina toerana avy ivelany
Miresaka ny handrombaka fahefàna
Miverina an-tanàna isika
Ny fiverenana no mamarana hoe:
Na iray aza tsy misy tendrombohitra ho avelantsika
Na hazo iray aza tsy misy avelantsika …
Na singan'ahitra iray aza!
Tao anaty taratasy iray tamin'ny 20214 nalefa ho an'ny Stabroek News, Martins izy tenany no nanamarika fa ilay hira dia tsy hoe fotsiny valinkafatra ho an'ny fanirian'i Venezoelà ilay faritra ifandroritana ao Essequibo — izay mbola mitohy amin'izao andro izao — fa fanehoana fitiavana tsotra ny tanindrazany:
Mety hoe ady sisintany no nandrehitra an'izany, fa ny “Not a Blade of Grass” dia tranga iray fotsiny amin'ireo vahoaka Goianey maneho amin-kafanampo sy amim-pitiavana ny fitiavan-dry zareo an'i Goiana sy ireo zavatra an'ny Goianey. Tsy voalaza ao ny “sisintany” na ny “tafika” na ny “herisetra”. Tsy hita na aiza na aiza anatin'ilay tononkira ny hoe “Venezoelà”, na ny hoe “fifandonana” na “fifandirana”. Izany mihitsy, afaka ny ho sambany mandre io hira io ny olona iray tsy mahalàla akory ny toejavatra misy amin'i Venezoelà sy Goiàna, kanefa dia mandray azy tanteraka, na dia tsy mahafantatra ny sasantsasany amin'ireo fitenim-paritra ao anatiny aza — jamoon; kreketeh; guinep, sns…
Ao anatin'io fitantaràna mahatsikaiky io, Martins nilaza misimisy kokoa ny tantaran'ny fomba nanoratany ilay hira, izay nankatoavin'i Forbes Burnham, filoha tamin'izany fotoana izany, ary niteraka valin-kafatra nafonja avy amin'ny mpanatrika, na taiza izy na taiza no nilalao azy io niaraka tamin'ny tariny.
Tamin'ny 2016 no noraisam-peo ny dika iray nohavaozina tamin'ilay hira, nohirain'ilay Goianey mpihira, Juke Ross, ary novokarin'i Serani, Jamaikàna mpihira ‘dancehall’ no sady mpamokatra. Angamba izy io no taratry ny maha-zavadehibe ilay ady sisintany hatry ny ela amin'i Venezoelà, izay efa hatrany amin'ny taona 1841 no nanombohany fony ny firenena mbola zanatany britanika (Goiàna Britanika).
Nanomboka tamin'ny 2015, fony hita ny fisian'ny solika tany amorontsirak'i Essequibo, nanamafy ny maha-azy ilay faritra i Venezoelà, izay mandrafitra ny roa ampahatelon'ny velarantany manontolo ao Goiàna. Tamin'ny Desambra 2023, nisy fitsapankevi-bahoaka iray nanohana ny maha-tompon'ilay faritra an'i Venezoelà. Na nisy aza fihaonana tamin'io volana io ihany tao amin'ny nosy St. Vincent, ny Fanambaràn'i Argyle nifanaovan'ny firenena roa tonta, nifanekena hizotra amina famahàna olana am-pilaminana sy hanohy ireo fifampiresahana efa mandeha, dia tsy nahitàm-bokatra hatreto tamin'ny famahàna ny fifanenjanana misy amin'i Goiàna sy Venezoelà.
Mandritra izany fotoana izany, velona hatrany ny hiran'i Dave Martins. Ny fahasalanan'ilay mpihira dia tsy niteraka fotsiny fahatsapana ny lasa, fa koa manako miaraka amin'ireo vahoakan'i Goiàna rehefa mieritreritra ny hoavy tsy azony antoka ry zareo — indrindra fa toa nahazo fahefana indray ny filoha venezoeliàna, Nicolás Maduro, taorian'ireo fifidianana ankapobeny niteraka resabe, tamin'ny 28 Jolay.