Enjehina noho ny ‘fanakorontanam-bahoaka’ ireo mpikatroka mpomba ny demaokrasia any Zimbaboe

Pikantsary ahitana ireo mpikatroka voasambotra tao amin'ny lahatsary YouTube, ‘Manao fisamborana i Zimbaboe | Mandany ny faran'ny herinandro any am-ponja ireo mpikatroka ” avy amin'ny SABC News. Fampiasana ara-drariny.

Any Zimbaboe, mpikatroka mpomba ny demôkrasia efatra — Robson Chere, Samuel Gwenzi, Vusumuzi Moyo, ary Nametai Kwekweza — no miatrika fiampangana ho nanakorontana taorian'ny fisamborana azy ireo tamin'ny 31 Jolay 2024, nandritra ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny fanagadrana ireo mpikatroka hafa tamin'ny faramparan'ny volana jona. Nilaza ihany koa izy ireo fa iharan'ny fampijaliana sy fandrahonana fanolanana nandritra ny famonjàna, araka ny tatitry ny Media Gambakwe sy ny loharanom-baovao hafa.

Notanana am-ponja voalohany tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-irenena Robert Mugabe ao Harare, nesorina an-keriny tamin'ny fiaramanidina handeha hamonjy ny fihaonamben'ny fiarahamonim-pirenena pan-Afrikanina ao amin'ny Riandranon'i Victoria ireo mpikatroka.

Nitatitra ny Federasiona Iraisampirenena Momba ny Zon'Olombelona fa “niseho teo anatrehan'ny Fitsarana tao Harare tao anaty fahosàna sy nijaly ireo mpikatroka efatra, ary araka ny filazan'ny mpisolovava azy, dia niharan'ny fampijaliana tamin'ny endrika daroka ara-batana, ary koa fampijaliana ara-tsaina sy ara-panahy nandritra ny fitazonana azy ireo izy ireo.”

Niaritra fitazonana am-ponja adiny valo izy ireo talohan’ny namindrana azy ireo teny amin’ny polisy. Nanameloka ny fanorisorenana, ny fandrahonana ary ny fanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny demokrasia ireo ny Kofi Annan Foundation, mandrisika ny manampahefana mba hanaja ny lalàna araka ny tokony ho izy.

Manahy mafy izahay amin'ny tatitra fa notanan'ny sampan-draharaham-piarovana ao Harare ilay nahazo ny Loka Demaokrasia NextGen Kofi Annan @namataik_. Miantso ny manampahefana Zimbaboeana izahay hanamarina ny misy azy ary hanazava ny fiampangana hanenjehana azy. Tsy misy…

Naneho ny ahiahiny lalina ny Orina Mpanasoa Kofi Annan tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny X (Twitter taloha) momba ity raharaha ity, indrindra fa nahazo ny Loka Demokrasia Kofi Annan NextGen i Namatai Kwekweza. Nitaky ny manampahefana Zimbaboeana izy ireo mba hanambara ny toerana misy azy sy hanazava ny fiampangana hanenjehana azy. Raha tsy misy ny fiampangana, manizingizina izy ireo fa tokony havoaka tsy misy hatak'andro avy hatrany i Namatai.

Nitatitra ny fampahalalam-baovao Afrikana Tatsimo SABC News fa namaly ny fanehoan-kevitra taorian'ny fihazonana azy ny Minisitry ny Atitany sy ny Lova Ara-Kolontsaina any Zimbaboe Kazembe Kazembe :

Let me categorically disabuse those missing misguided perception that the presence of international community in the country presents them an opportunity to inflict reputational damage on the country without consequence. The security cluster is aware of the secret meetings being held locally and outside the country by those seeking to unleash civil disobedience. We already know the personalities and the institutions which they front; we are also aware of those giving them logistical and financial support and have established their modus operandi.

Mamelà ahy handà an-kitsirano ireo fiheverana diso tafahoatra fa ny fisian'ny fianakaviambe iraisampirenena eto amin'ny firenena dia manome fahafahana azy ireo hanimba ny lazan'ny firenena tsy hisy fiantraikany.
Mahafantatra ny fivoriana miafina eo an-toerana sy any ivelan'ny firenena ataon'ireo mikasa ny hampisy ny tsy fankatoavana sivily ny vondrom-piarovana.  Efa fantatray ireo karazan'olona sy andrim-panjakana misolo-tena azy ireo; fantatray ihany koa ireo manome fanohanana ara-pitaovana sy ara-bola sy nametraka ny fomba fiasan'izy ireo.

Dr. Musa Kika, mpisolovava momba ny zon'olombelona sy ny lalàmpanorenana izay Tale Mpanatanteraka teo aloha tao amin'ny Forum ONG Zimbaboe momba ny Zon'Olombelona, ​nanazava tamin'ny Global Voices tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny WhatsApp fa “demokrasia ivelany fa mpamoritra i Zimbaboe ary mahazatra ny famoretana ny mpanohitra sy ny fikambanan'ny fiaraha-monina sivily noho ny asan'izy ireo.”

Nilaza ihany koa i Dr. Kika fa “be ahiahy” ny Filoha Emmerson Mnangagwa manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra manakiana ny fitondrana sy miaro ny demokrasia ka ireo mpikatroka efatra ireo no marika ho an'ireo tanora mavitrika mpanao fanentanana mpomba ny demokrasia. “Manana tahotra lalina ny fanjakana ary mieritreritra fa amin'ny alalan'ny fisamborana sy fiampangana ireo tanora mpitarika ireo, dia mandefa hafatra ho an'ny hafa izy ireo,” hoy izy.

Ny toe-draharaha ara-politika ao Zimbaboe amin'izao fotoana izao dia voamariky ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ​​ny hosoka amin'ny fifidianana, ary ny famoretana ireo tsy mitovy hevitra. Nandray ny fahefana i Mnangagwa tamin'ny volana Novambra 2017 taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila izay nanongana ny mpitarika ny fahaleovantena hatry ny ela sady filoha, Robert Mugabe. Mnangagwa no filoha fahatelo tao anatin'ny 44 taona nahazoan'ny firenena fahaleovantena. Na dia niady tamin'ny fitondran'i Mugabe aza ny olona, tsy nitondra  ny fanatsarana nantenain'ny maro ​​ny fitarihan'i Mnangagwa. Niatrika fanakianana ny governemantany noho ny tsy fahaiza-mitantana ara-toekarena, ny kolikoly ary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Na dia eo aza ny fampanantenana fanavaozana, mbola miharatsy ny toe-karena, amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana, ny tsy fisian'ny asa ary ny fahantrana miely patrana. Mbola mitohy ny disadisa ara-politika, indrindra eo amin'ny antokon'ny fitondrana ZANU-PF sy ny antokon'ny mpanohitra MDC Alliance, amin'ny fiampangana ny tsy fahatomombanan'ny fifidianana sy ny fanafoanana ny tsy fitovian-kevitra.

Araka ny voalazan'i Dr. Kika, manaraka akaiky ny ao Zimbaboe ny ampahany amin'ny fianakaviambe iraisampirenena, manentana fanavaozana ara-demôkratika sy ny fanajana ny zon'olombelona. Na izany aza, manohy manohana amin'ny famatsiana fitaovam-piadiana, fitaovana fanaraha-maso ireo mpiara-dia amin'i Zimbaboe, anisan'izany i Shina, Rosia, Iran, Afrika Atsimo, ary Belarosia, sy ny maha ara-dalàna ny fitondrana. Ho setrin'izany, omen'ny fitondrana tombontsoa amin'ny indostrian'ny fitrandrahana ao aminy ireo firenena ireo.

Nilaza i Dr. Kika fa ny andrim-panjakana, toy ny parlemanta, ny fitsarana ary ny sampan-draharaham-piarovana no mahita ny tenany ho voababo ary eo ambany fiahian'ny tombotsoan'ny mpanatanteraka:

 This explains why intelligence agents can easily act as they did on Namatai Kwekweza and others with impunity, and the justice system can be ordered to prosecute criminal cases we all know have no merit.  

Manazava ny antony ahafahan'ny sampam-pitsikilovana manao zavatra mora tahaka ny nataony an'i Namatai Kwekweza sy ireo hafa tao anaty tsimatimanota izany, ary azo baikoina ny rafi-pitsarana mba hanenjika ireo raharaha heloka bevava izay fantatsika rehetra fa tsy misy dikany.

Araka ny notaterin'ny AP news, hisy fihaonana an-tampon'ny Vondrona Fampandrosoana an'i Afrika Tatsimo (SADC)  hatao any Harare tamin'ny 17 aogositra. Mandritra io fihaonana an-tampony io, Zimbaboe no tokony handray ny filohan'ny SADC vondrona isam-paritra.

Ao anatin'izany toe-javatra izany, mametraka ny ahiahiny i Dr. Kika momba ireo “gadra politika maro, anisan'izany ireo mpitarika ambony ao amin'ny fanoherana izay niatrika fitsarana sy tsy nahazo fahafahana vonjimaika tamin'ny fomba heverin'ireo manam-pahaizana momba ny lalàna ho tsy ara-drariny”. Nanohy nanazava izy fa ny fiampangana momba ny fanakorontanam-bahoaka (fiampangana an'ireo mpikatroka efatra nigadra vao haingana) dia anisan'ny vondrom-piampangana ampiasain'ny fitondrana Zimbaboeana amin'ny fomba tafahoatra. Ny hafa kosa dia ny fanakorontanana ny daholobe, ny filazana lainga manohintohina ny fanjakana, ary ny fanaovana fivoriana tsy nahazoana alalana. Nanampy izy hoe:

Usually the trials are then prolonged in order to be costly, and they lead to no convictions, if they ever start at all. The intention of the state is not really to convict per se, but to simply punish activists through unwarranted detention. Others have been convicted and forced to launch appeal processes which then overturn the convictions.

Matetika halavaina avy eo ny fitsarana ela mba handaniana volabe, ary mitarika mankany amin'ny tsy fisian'ny fiampangana, na efa natomboka aza. Ny fikasan’ny fanjakana dia ny tsy hanameloka isaky ny tsirairay, fa hanasazy fotsiny ireo mpikatroka amin’ny alalan’ny fanagadrana tsy amin'ny antony. Ny hafa kosa nohelohina ary noterena hampiakatra ny raharaha izay manafoana ny fanamelohana azy avy eo.

Nanameloka ity fisamborana sy fanenjehana ity ny iraka diplaomatika any Zimbaboe sy ireo tompon'andraikitra manokana sasany ao amin'ny Firenena Mikambana, toy ny iraka manokana momba ny Fiarovana ny mpiaro ny zon'olombelona. Araka ny fanamarihan'i Dr. Kika:

“Azo inoana fa marina ny filazana fa nandray anjara tamin'ny famotsorana azy ireo rehefa nohazonina adiny valo teo am-pelatanan'ny polisy ny fanerena eo an-toerana sy iraisampirenena. Nanjavona tamin’ny fomba toy izany ny mpikatroka taloha, tsy hita intsony, na hita faty”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.