Nanangana tantara ny ekipam-pirenen'i Ozbekistana amin'ny ady totohondry lehilahy tamin'ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2024 tany Paris tamin'ny nahazoana medaly volamena tamin'ny sokajy dimy amin'ny sokajin-danja valo, izay nanampy nankany amin'ny fahombiazana tsara indrindra teo amin'ny tantaran'ny ady totohondry olaimpika. Lasa tompondaka olaimpika avokoa ry Hasanboy Dusmatov (hatramin'ny 51 kg), Abdulmalik Khalokov (hatramin'ny 57 kg), Asadhudja Muidinhujaev (hatramin'ny 71 kg), Lazizbek Mullojonov (92 kg), Bakhodir Jalolov (mihoatra ny 92 kg). Nandrombaka volamena fanindroany tamin'ny lalao olaimpika i Dusmatov sy Zhalolov, nanamafy ny maha-olomanga azy ireo teo amin'ny tantaran'ny fanatanjahantena ao Ozbekistan.
Nanampy an'i Ozbekistan handrakitra ny fahombiazana tsara indrindra amin'ny lalao olaimpika ny zava-bitan'ireo Ozbekistana mpanao ady totohondry, izay nahazoany medaly volamena valo, volafotsy roa ary alimo telo ka nahazoany laharana faha-13 amin'ireo firenena 206 mpandray anjara. Tsy mahagaga an'ireo mpankafy ady totohondry ny zava-bita manan-tantaran'i Ozbekistan tany Paris. Hatramin'ny nahazoan'ny firenena ny fahaleovantena tamin'ny taona 1991, namirapiratra tamin'ny fifaninanana iraisampirenena lehibe hatrany ireo mpanao ady totohondry, ary nitombo ny fahombiazany tao anatin'ny 33 taona.
Ity misy lahatsary YouTube momba ny fisandratan'ny mpanao ady totohondry Ozbekistan.
Ohatra, laharana voalohany ny ekipan'i Ozbekistan amin'ny ady totohondry tamin'ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2016 tany Rio de Janeiro rehefa nahazo medaly volamena telo, volafotsy roa ary alimo telo. Ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin'ny ady totohondry 2023, natao tao Tashkent, renivohitr'i Ozbekistan, no nanambara mialoha ny fahombiazan'ireo Ozbeka mpanao ady totohondry tamin'ny lalao olaimpika tany Paris, rehefa nahazo medaly volamena dimy sy volafotsy roa ary alimo roa. Raha fanta-daza amin'ny ady totohondry Ozbeka amin'izao fotoana ny toa an'i Jalolov, Dusmatov, ary Tulkin Kilichev, mpanazatra ny ekipam-pirenena, dia misy olona iray izay tsy voajery matetika ny fandraisany anjara.
Efa naorin'ny faran'izay tsy noeritreretina mihitsy amin'ity andraikitra ity ny fototra fahombiazan'i Ozbekistan amin'izao fotoana izao amin'ny ady totohondry eran-tany, dia ilay Ozbekistan-Amerikana mpanao ady totohondry sady mpanazatra antsoina hoe Sydney Jackson. Teraka tamin'ny taona 1886 tao amin'ny fianakaviana jiosy-amerikana sarangan'ny mpiasa tao New York, i Jackson ary nandray anjara tamin'ny ady totohondry tamin'ny faha-12 taonany. Tompondaka nasionaly izy ary anisan'ny ekipam-pirenen'i Etazonia, zava-bita nahafahany nitety an'izao tontolo izao.
Tamin’ny taona 1914, fony tany Rosia i Jackson, izay nandehanany “nijery orsa nandeha teny an-dalambe”, dia nipoaka ny Ady Lehibe voalohany, ka tsy azo notanterahina ny niverina nody namakivaky an’i Eoropa. Ny hany lalana nody dia tamin'ny alalan'ny Afghanistana, ary, tamin'ny taona 1916 i Jackson tonga tao Tashkent, renivohitry ny Repoblika Sosialista Sovietika Ozbek, izay miray sisitany amin'i Afghanistan. Nijanona tany Ozbekistan i Jackson rehefa tsy nahazo vola avy amin'ny fianakaviany handehanana, niasa ho mpanjaitra tamin'ny voalohany ary avy eo niady tao anatin'ny Tafika Mena tamin'ny Ady An-trano Rosiana.
Niverina tany Tashkent izy tamin'ny taona 1921, ary nanomboka nanazatra ady totohondry tao amin'ny klioba fanatanjahan-tena iray tao an-toerana vao niorina. Io no klioba ady totohondry voalohany tao Ozbekistan. Tamin'io taona io ihany, nandritra ny fihaonany tamin'ny diplaomatin'i Etazonia tany Tashkent, izay nanome azy fahafahana hody any Etazonia no nilazan'i Jackson fa “tara loatra” ny hody ka nosafidìny ny hijanona, ary nilazany fa “voninahitra lehibe ny manompo” ireo olona ao amin’izay nisy azy.
Nanohy tamin'ny fampiofanana ankizy izy mandra-pahafatiny tamin’ny taona 1966. Tamin’ny taona 1957 i Jackson nahazo ny mari-boninahitra hoe “Mpanazatra Omem-boninahitra” an’ny Firaisana Sovietika. Ankizy an'arivony no nandalo tao amin'ny sekoliny fianarana ady totohondry, ary lasa tompon-daka eran-tany sy olaimpika ny sasany tamin'izy ireo, tsy lazaina intsony ireo mpanao ady totohondry am-polony nahazo ny tompondakam-pirenena.
Ity misy horonantsary fanadihadiana momba ny lova navelan'i Sydney Jackson.
Ny tantara mahatalanjon'i Jackson no vavolombelon'ny dindo navelan'olona iray amin'ny fanatanjahantena iray manontolo sy ireo andian-taranaka atleta maromaro. Namela marika tsy azo kosehina tamin'ny fanatanjahantena tao Ozbekistan izy ary nanampy tamin'ny fametrahana izay tsy isalasalana fa iray amin'ireo sekoly fianarana ady totohondry tsara indrindra eran-tany.