Tapitra ny Lalao Ôlaimpika 2024, ary satria mihalefy ny fientanentanana ary tafapetraka ambany ireo vovoka tamin'ilay fifaninanana nahafinaritra sy tsy nampoizina tao Parisy, izao no fotoana tsara indrindra hisaintsainana sy hankalazàna ireo fotoana nisongadina indrindra ho an'ireo Afrikàna atleta. Ireny fotoana ireny, tsy hoe fotsiny manasongadina ireo zavabita miavaka ho an'ilay tanibe, fa koa mampiseho ny talenta sy ny fahavononana izay namaritra ny fisian'i Afrika tamin'ireo Lalao.
Beatrice Chebet – Kenya
Nanamarika ny tantara tao Parisy i Beatrice Chebet, 24 taona, tamin'ny fandraisany anjara voalohany tamin'ny Lalao Ôlaimpika, tamin'ny nandrombahany nisesy ny volamena tamin'ny hazakazaka 5.000 m sy 10.000 m. Nanamafy ny toerany ao anatin'ny tantaran'ny atletisma ao Kenya io zavabitany niavaka io, ary miaraka amin'izany, izy ihany koa no lasa vehivavy fahatelo teo amin'ny tantara nandresy in-droa tanatina hetsika Lalao Ôlaimpika iray.
Norombahan'i Chebet tamin'ny fotoana 14:28.56 ny medaly volamena tamin'ny hazakazaka 5.000 m. Tao anatin'ilay hazakazaka efa nandrasan'ny maro fatratra, resiny ilay tompondaka erantany teo aloha, Sifan Hassan, sy Faith Kipyegon, ary ilay nitazona ny fotoana tsara indrindra erantany Gudaf Tsegay.
Nandritra ny ampahany betsaka tamin'ny hazakazaka dia nijanona teny anivon'ireo andiany hatrany i Chebet, saingy rehefa naka ny fitarihana i Kipyegon, narahan'i Chebet akaiky, nosongonany tao anatin'ny zato metatra vitsy farany ka nahalasa azy ho ny tompondaka ôlaimpika.
Araka ny lazain'ny “Kenyans.co news”, natolotr'i Chebet ho an'ny Keniàna rehetra ny fandresena azony, tamin'ny filazàny hoe “Atolotro ho an'ny Keniàna rehetra ity medaly ity. Tiako ny handre ny fireneko feno fireharehàna. Ho anareo iny, tao an-tsaiko sy tao am-poko ianareo teny amin'ireo fihodinana rehetra. Mety hoe nanoratra ny tantara aho, saingy handry amim-pahatoniana aho mahafantatra hoe ny Keniàna rehetra no hisitraka / hankafy ny faran'ny herinandro.”
Faith Kipyegon – Kenya
Fotoana iray hafa manantantara ny fandresena niezinezina azon'i Faith Kipyegon tamin'ny 1.500 m, izay nahazoany ny volamenany fanintelony nisesy, lasa ho ny atleta voalohany nahavita an'io zavabita io, lahy na vavy, tamin'ilay hetsika.
Kipyegon, efa noeritreretina ho iray amin'ireo tsara indrindra amin'ny mpihazakazaka lavitr'ezaka erantany, no mitazona ny zavabita tsara indrindra erantany tamin'ny 1.500 m sy ny lalao “one-mile”. Ranty iray tao amin'ny Instagram no nizaràny ny reharehany sy ny fankasitrahany:
View this post on Instagram
Emmanuel Wanyonyi – Kenya
Lalao famarànana tery dia tery no nifanatrehany tamin'i Marco Arop avy any Kanadà, i Emmanuel Wanyonyi, 20 taona avy any Kenya, no nandrombaka ny medaly volamena ôlaimpika tamin'ny hazakazaka 800m ho an'ny lehilahy toa amin'ny JO Parisy 2024. Izy no mpihazakazaka tanora indrindra hatreto nahazo tamin'io sokajy io, tamin'io fandraisany anjara voalohany tamin'ny Lalao Ôlaimpika io.
1:41.19 no fotoana vitan'i Wanyonyi, fotoana fahatelo haingana indrindra teo amin'ny tantara, elanelana 0,2 segondra monja amin'ny zavabita tsara indrindra erantany teo an-tànan'i David Rudisha tamin'ny fe-potoana 1:40.91 nandritra ireo Lalao Ôlaimpika 2012 tao Lôndôna. Fandresena azony tao anaty fifaninanana henjana niarahany tamin'i Arop, izay nahazo ny medaly volafotsy tamin'ny fe-potoana 1:41.20, zavabita tsara indrindra ho an'ilay tanibe, sy i Djamel Sedjati avy any Alzeria, izay nahazo ny medaly alimo tamin'ny fe-potoana 1:41.50.
Joshua Cheptegei – Ogandà
Ezaka natao nandritra ny androm-piainana no nomen'i Joshua Cheptegei, nahatonga an'i Ogandà hirehareha tamin'ny fahazoana medaly volamena tamin'ny 10.000 m nandritra ireo Lalao Ôlaimpika 2024 tao Parisy, tamin'ny fe-potoana tsara indrindra 26 minitra sy 43,14 segondra, nanamontsana ny zavabita ôlaimpika tsara indrindra teo aloha nataon'i Kenenisa Bekele, ilay tompon'ny zavabita tsara indrindra erantany tamin'io halavirana io.
Araka ny nomarihan'ny World Athletics, fampisehoana nampientam-po no natolotr'i Cheptegei tamin'ny nanombohany ny fanafihany niala avy any amin'ny 600 metatra, nanitsaka ny tsipika farany tamin'ny fotoana 26:43.14. Io no nanamontsana ilay zavabita tsara indrindra erantany efa 16 taona lasa izay, vitan'i Kenenisa Bekele.
Letsile Tebogo – Bôtsoanà
Nanamarika ny tantara i Letsile Tebogo, 21 taona, tamin'ny naha-atleta voalohany azy avy any Bôtsoanà nahazo medaly volamena tamina Lalao Ôlaimpika. Ny nandreseny tamin'ny hazakazaka 200m tao anatin'ny 19,46 segondra no nahavitàny io zavabita io, firaketana vaovao ho an'ny Afrikàna.
Toy ny main'ny herinaratra ireo vahoaka tao amin'ny Stade de France tamin'ny 8 Aogositra nanoloana ny zavabitan'i Tebogo satria resiny i Noah Lyles, ilay nandrandrain'ny rehetra talohan'ny hazakazaka,tamin'ny fandàvany ilay sprint avo roa heny nokatsahany fatratra. Teto, tsy nahavita nanaraka ny fahainganam-pandehan'i Tebogo i Lyles, izay nandresy tamin'ny 100m ôlaimpika andro vitsy talohan'io, ary tafiditra laharana fahatelo. Medaly alimo no azon'i Lyles tamin'ny fe-potoana 19,70 segondra, taorian'ilay Amerikàna mpihazakazaka mpiray tanindrazana aminy Kenneth Bednarek, izay tafiditra laharana faharoa tamin'ny fe-potoana 19,62 segondra.
Nahazo medaly volafotsy koa i Tebogo tamin'ny hazakazaka mifampitohy sokajy lehilahy 4×400 m.
Ho fanomezana voninahitra ny fandresena azon'i Tebogo, ny filohan'i Botswana, Mokgweetsi Masisi, dia nanambara andro iray ho fitsaharana ho an'ny rehetra, ary araka ny nomarihan'ny “Africa Facts Zone”, dia olompirenena 30.000 avy ao Bôtsoana no nameno ny kianjam-pirenen-dry zareo mba hiarahaba ny fiverenany an-tanindrazana.
Tamirat Tola – Etiopia
Nanoratra ny tantara i Tamirat Tola nandritra ny Lalao Ôlaimpika 2024 tao Parisy tamin'ny nahalasa azy ho ny Etiopiàna voalohany nandrombaka medaly volamena tamin'ny hazakaazaka lavitr'ezaka sokajy lehilahy hatramin'ny taona 2000.
Araka ny voalazan'ny “World Athletics”, Tola, farany natsofoka ho ao anatin'ny tarika etiopiàna, no nahazo ny anaram-boninahitra tamin'ny hazakazaka lavitr'ezaka, fotoana ôlaimpika tsara indrindra 2:06:26. Tao anaty hafanàna nigaingaina ary hamandoana tafahoatra teny amin'ny làlana sarotra sy be havoana no nahazoany io fandresena niavaka io, raha i Bashir Abdi avy any Belzika kosa no nandrombaka ny medaly volafotsy tamin'ny fotoana 2:06:47.
Tarika lehilahy mpanao hazakazaka mifampitohy avy any Afrika Atsimo
Tsy ho feno ity lisitra ity raha tsy lazaina ny amin'ny tarika lehilahy avy any Afrika Atsimo, mpanao hazakazaka mifampitohy 4×100 m, nahitàna an'i Akani Simbine, Bradley Nkoana, Bayanda Walaza, ary Shaun Maswanganyi.
Tao amin'ireo Lalao 2024 tao Parisy, azon'ny tarika lehilahy mpanao hazakazaka mifampitohy 4x100m ny medaly ôlaimpika voalohany ho an-dry zareo tamin'io hetsika io. Azon-dry zareo ny medaly volafotsy, tonga taorian'i Kanadà. Akani Simbine no namarana ny hazakazaka ary nahavita nisongona mpifaninana marobe mba hahazoana ny toerana faharoa ho an'ny tarika.
Raha mitaha amin'ireo firenena afrikàna hafa, i Kenya no mitana ny laharana voalohany tao anatin'ny fàfan'ny fahazoana medalin'ny Lalao Ôlaimpika 2024 tao Parisy, nahazo medaly 11 (4 volamena, 2 volafotsy, 5 alimo), arahan'i Afrika Atsimo nahazo medaly 5 (1 volamena, 3 volafotsy ary 2 alimo). Etiopia, Ejipta ary Bôtsoana dia samy nipoitra niaraka tamina medaly 4, 3 sy 2 tsirairay avy.
Ireny fotoana niavaka ireny dia porofon'ny dindo tsy mitsaha-mitombon'i Afrika amin'ny sehatry ny fanatanjahantena erantany, ary mandritra ireo taona marobe ho avy izy ireny dia mbola ho ankalazaina ho toy ny mariky ny fiaretana, ny talenta ary ny rehareham-pirenena. Arakaraky ny fandrosoan'ny afo ôlaimpika, hitohy hiredareda ny lova napetrak'ireny atleta ireny, hanainga fanahy ireo taranaka hoavy mba hanatratra ny fahalehibeazana.