Raha manatona ny tsingerintaona nahatsiravina voalohany tamin'ny tondra-dranon'i Derna i Libya, dia nisy riaka sy tondra-drano vaovao namely ny tanàna atsimo atsinanana ao Kufra izay niteraka fahavoazana be sy namerina tahotra sy fahatsiarovana mampahory tamin'ny voina tamin'ny herintaona izay namoizana ain'olona an'arivony tany amin'ny morontsiraka avaratra atsinanana tao tanànan’i Derna ka namela ny firenena ho ao anaty fisaonana.
Tamin'ny 11 Aogositra, namely ny faritra Kufra ny rotsak'orana nivatravatra tsy araka ny mahazatra. Nanombana ny Fahefam-Pirenena Misahana ny Toetrandro fa nahazoana orana 46mm tao anatin'ny adiny iray — 51mm ao anatin'ny 24ora — ny betsaka indrindra hatramin'ny taona 1952. Araka ny filazan'ny Fikambanana Iraisampirenena Misahana ny Fifindramonina, farafahakeliny 3000 ny olona nafindra toerana noho ny tondra-drano, izay niteraka fahasimbana tamin'ny serivisy, fotodrafitrasa, ary trano ao amin'ny faritra voakasika. Olona efatra manana zom-pirenena Tshadiana no voalaza fa maty, raha niparitaka anjotra kosa ny lahatsarin‘ny fandaozan'ny Fikambanana Volantsinana mena ny hopitaly tao an-tanàna.
Mbola tsy nanadino ny tondra-drano tamin'ny herintaona ny olona, ary vao mainka namàka fahatsapana ho lalina kokoa tsapa manerana ny firenena ny zava-misy tao Kufra.
اجتاحت سيول جارفة #مدينة_الكفرة الليبية، إثر الأمطار الغزيرة، مخلّفة أضرارا كبيرة في الممتلكات وسط انتشار مخاوف من تكرار كا*رثة فيضانات درنة.#شو_صار #ليبيا #كوارث_طبيعية #سيول_جارفة #أمطار_غزيرة #فيضانات #منوعات pic.twitter.com/wDm94c8WhK
— شو صار (@shusar279) August 12, 2024
Namafa ny tanànan'i Kufra Libyana ny riaka, taorian'ny oram-be, niteraka fahasimbana goavana tamin'ny fananana ka niteraka tahotra hiverenan'ny voina toy ny tondra-dranon'i Derna.
Tamin'ny 11 Septambra 2023, taorian'ny oram-be, tohodrano roa tao amin'ny faritr'i Derna no nirodana, nibosesika namakivaky ny tanàna teo akaiky teo ny onjan-drano, ka nandrava ny zavatra rehetra nandalovany. Herintaona aty aoriana, mbola tsy fantatra mazava ny isan'ny maty, ka ny loharanom-baovao samihafa no manombatombana ny isa eo anelanelan'ny 6000 ka hatramin'ny 20.000 raha anisany ireo tsy hita hatramin'izao.
Krizy vokatry ny nataon'olombelona sy ny toetrandro
Fampahatsiahivana ny fiantraikan‘ny krizy amin'ny toetr'andro sy ny fitomboan'ny fisehoan-javatra mahery vaika amin'ny toetr'andro, anisan'izany ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany ireny tondra-drano manimba ireny. Imbetsaka ny manam-pahaizana no nampitandrina fa miha-matetika ny fisehoan-javatra toy izany noho ny fiakaran’ny maripana maneran-tany. Na izany aza, tsy vokatra voajanahary fotsiny ireo loza ireo; tena nanampy trotraka ny fiantraikany ny nataon'olombelona, anisan'izany ny fifandonana, ny kolikoly, ny tsi-fikojakojana ny fotodrafitrasa, ary ny tsy fahampian'ny fandrindrana ny tanàna.
Nanambara ny tatitra nataon'ny vondrona World Weather Attribution fa nampitombo be ny rotsak'orana any Libya ny krizin'ny toetr'andro vokatry ny nataon'olombelona, ka mety ho avo 50 heny ny herijika hitrangan'ny toetr'andro mahery vaika toy izany. Nasongadin'ny famakafakana ihany koa fa mety nanamaivana ny fiantraikan'ny loza ny fiomanana tsara kokoa sy ny fotodrafitrasa tsara kokoa, na dia nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fanamafisana ny rivo-doza aza ny krizy amin'ny toetr'andro izay mety hahavoa an'i Libya indray mandeha isaky ny 300 ka hatramin'ny 600 taona.
Taorian'ny tondra-drano tao Derna, fantatra tamin'ny fanadihadiana fa vokatry ny anton-javatra maromaro, anisan'izany ny kolikoly, ny tsy fitandremana ary ny tsy fisian'ny fanaraha-maso no nampirodana ny tohodrano. Na dia misy aza ny famatsiam-bola ho amin’ny fikojakojana ny tohodrano, dia tsy nisy asa lehibe vita, ka nahatonga ny fotodrafitrasa ho tandindonin-doza. Nitarika ho amin’ny fisamborana sy fanamelohana higadra sivy ka hatramin’ny 27 taona an-tranomaizina tompon’andraikitra 12, tamin'ny 28 jolay tamin’ity taona ity izany. Ao amin’ny sampandraharahan’ny harena an-kibon’ny tany sy ny tohodrano ny ankamaroan’izy ireo, ahitana ny lehiben’ny Tahirim-bola Fanarenana an'i Derna sy ny mpikambana ao amin’ny komity ara-bola misahana ny fanatanterahana ny drafitrasa fanarenana azy.
بعد أسبوعٍ على الإعصار «دانيال» والفيضان الذي تلاه، اقتحم وأحرق أهالي بلدة #درنة الليبية منزل عميد البلدية عبد المنعم الغيثي، ليلاً، بعد نهارٍ شهد تجمّعات وتظاهرات تُطالب بإسقاط البرلمان ورئيسه #عقيلة_صالح.
تلا المتظاهرون بياناً باسم «سكّان درنة» خلال وقفتهم أمام المسجد الكبير،… pic.twitter.com/eS7VZiW9vE
— Megaphone (@megaphone_news) September 19, 2023
Herinandro taorian'ny nandalovan'ny Rivo-doza Daniel sy ny tondra-drano nanaraka izany, nanafika sy nandoro, tamin'ny alina, ny tranon'ny ben'ny tanàna, Abdul Moneim Al-Ghaithi, ny mponin'ny tanànan'i Derna Libyana ny ampitson'ny andro nivoriana sy nihetsiketsehana nitaky ny fanonganana ny parlemanta sy ny mpitondrateniny, Aguila Saleh.
Namaky fanambaràna tamin'ny anaran'ireo “mponin'i Derna” ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ny fijoroan'izy ireo teo anoloan'ny Grand Mosque, nitaky ny fanafainganana ny valin'ny fanadihadiana sy ny fitazonana ho tompon'andraikitra “izay rehetra nandray anjara tamin'ny tsy fitandremana na halatra nitarika ho amin'izao voina izao”, ankoatra ny fandravàna ny filankevitry ny tanàna sy ny fanadihadiana ny tetibolany teo aloha. Nivaly ny fitakiana farany, satria nanapa-kevitra ny handrava ny filankevitra monisipaly ao Derna i Osama Hammad, lehiben’ny governemanta atsinanana.
Mbola miharihary hatramin’izao ny vokatry ny tondra-drano, satria nahitana fahafatesan’olona 3.338 teo ho eo ny fanambaràna ofisialy farany, izay heverina mbola hitombo isa. Mbola mitohy ny fikarohana ireo olona an’arivony nanjavona, miampy ny fampitandreman'ny Firenena Mikambana amin'ny fiparitahan’ny aretina vaovao any amin’ny faritra voakasika.
Notaterin‘ny Amnesty fa na ny Governemantan'ny Firaisankinam-pirenena (GNU) miorina ao Tripoli na ny Tafika Arabo Libyana (LAAF), izay nifehy ireo faritra niharan'ny tondra-drano tamin'ny taona 2023, dia samy tsy ampy fampitandremana na nanao hetsika fanalefahana ny vokatry ny voina nialoha ny rivo-doza Daniel, izay nitarika ny fahavakisan'ireo tohodrano.
Vakio bebe kokoa: Floods and flooding ‘will be part of our lives,’ says Brazilian architect and urbanist (‘Ho ao anaty fiainantsika’ ny tondra-drano sy ny fihoaran-drano, hoy ny Breziliana mpanao mari-trano sy tanàndehibe)
Mbola misalasala ny Libyana maro amin'ny tamberin'andraikitra marina an'ireo tompon'andraikitra, indrindra fa ireo mpisehatra ara-miaramila sy ara-politika matanjaka mandositra fanadihadiana.
Tsy azo tsinontsinoavina koa ny anjara toeran'ny fifandonana ao Libya. Nanimba ny fotodrafitrasa teo amin'ny firenena ny ady ary nampizarazara, manasarotra ny fametrahana paikady mahomby amin'ny fiomanana amin'ny loza sy ny ezaka vonjy taitra, ka mahatonga ny vondrom-piarahamonina maro ho mora tratran'ny voina voajanahary.