Mpikarakara ny ‘Walk for Justice’ (Diabe ho an'ny Rariny), nametraka fitoriana pôlisy ao Malezia

TBH-ADA

Mpikambana ao amin'ny Fikambanana Teoh Beng Hock ho Fampandrosoana ny Demaokrasia, niatrika ireo pôlisy teo akaikin'ny antenimiera tao Malezia. Izy ireto dia mitaky ny rariny ho an'i Teoh Beng Hock izay maty tamin'ny 2009 rehefa nohadihadian'ny manampahefana. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny KiniTV. Fampiasàna ara-drariny.

Takian'ireo mpikambana avy amin'ny fikambanana Teoh Beng Hock ho fampandrosoana ny demaokrasia (TBH-ADA) ny hisiana fanadihadiana iray tsy miankina momba ilay lazaina fa fampiasàna hery tafahoatra nataon'ny pôlisy nanoherany ilay “Walk for Justice” nokarakarain'ny vondrona tamin'ny 15 Jolay teo akaikin'ny tranoben'ny antenimiera ao Malezia.

Tamin'ny voalohany dia nosakanan'ny pôlisy ireo mpikambana avy amin'ny TBH-ADA mba tsy ho afaka mametraka taratasy natao ho an'ny praiminisitra no sady nobahanany teo akaikin'ny vavahadin'ny antenimiera.

Ny TBH-ADA dia mitady ny rariny noho ny fahafatesan'i Teoh Beng Hock izay hita faty ny 16 Jolay 2009, taorian'ny nakàna am-bavany azy nandritry ny alina tao amin'ny foiben'ny  Selangor Malaysia Anti-Corruption Commission (MACC). Tamin'izany fotoana izany, Teoh Beng Hock, 30 taona, dia mpanampy tao amin'ny pôlitisiàna iray izay nanaovana fanadihadiana noho ny resaka kolikoly. Niteraka hatezerana sy lasa mariky ny fanararaotam-pahefana ataon'ny governemanta amin'ireo mpanakiana sy heveriny ho mpifaninana amin'ny antokon'ny mpitondra ny fahafatesany.

Tamin'ny 2011, nambaran'ireo manampahefana fa famonoantena no nahafaty azy. Taona telo taty aoriana, ny Fitsaràna mpandrava didy dia namoaka didy fa nahitàna ratra maro nataon'olon-tsy fantatra izy. Tamin'ny taona lasa, nangataka tamin'ny governemanta ny fianakaviany mba hamerina hanokatra ny fanadihadiana ilay tranga ary hanenjika ireo izay tomponandraikitra tamin'ny famonoana azy. Voalahatra ho ny 29 Jolay ny fotoam-pitsaràna manaraka ho an'io raharaha io.

Ny filohan'ny TBH-ADA, Ng Yap Hwa no nitantara ny fifanatrehana farany indrindra teo amin'ny vondrona sy ny pôlisy:

Teo am-pibahanana ireo mpikambana avy amin'ny “Walk for Justice” tsy hiditra ny vavahady lehiben'ny antenimiera, marobe ireo mpandray anjara no voabeda, natosiky ny pôlisy ary lavo tamin'ny tany, ary Teoh Lee Lan [anabavin'i Teoh Beng Hock] ihany koa dia voatosika tamin'ny tany ary nidradradradra noho ny fanaintainana.

Vehivavy iray hafa mpikambana ao anatin'ny kaomity mpikarakara no norohitin'ny pôlisy tamin'ny vozon'akanjony, ary na dia voafatotra aza ny tendany, tsy navelan-dry zareo nandritra ny fotoana ela izy. Tapaka vokatr'izany ny rojo teny an-tendany ary namela diany tamin'ny tenda.

Naratra nandritra io tranga io ny havana akaiky an'i Teoh Beng Hock, araka ny asehon'ny lahatsary iray nalefa tao amin'ny X (Twitter):

Nenjehana sy nosamborin'ny pôlisy ireo mpikambana avy amin'ny Fikambanana Teoh Beng Hock raha niezaka ny hametraka taratasy (memorandum) iray.

Araka ny voalazan'i Bersih, tsy neken'ny pôlisy ny hanome alàlana ilay fanaterana tartasy ho eo anatrehan'ny antenimiera ary nenjehina ireo mpikatroka ka niafara tamin'ny fianjeràn'ny anabavin'i Beng Hock. 🧵1 https://t.co/q5X1r4Sjtj pic.twitter.com/ua6f0DbPBR

— BFM News (@NewsBFM) 15 Jolay 2024

Niaiky ny zava-nitranga ny praiminisitra ao Malezia, Anwar Ibrahim, ary nanome toky fa hiresaka amin'ny fianakavian'Itpkl Teoh Beng Hock.

Saya ambil maklum insiden yang berlaku di luar Parlimen hari ini melibatkan keluarga mendiang Teoh Beng Hock.

Saya beri jaminan akan berjumpa dengan mereka dalam masa terdekat dan meneliti memorandum tuntutan.#MalaysiaMADANI

==========

Fantatro ny zava-nitranga izay… https://t.co/7MW5EofxK0

— Anwar Ibrahim (@anwaribrahim) 15 Jolay 2024

Voalazan'ireo tatitra fa ny 1 Aogositra no hatao ilay fihaonana. Anwar, izay mpitarika ny fanoherana tamin'ny 2009, dia niatrika ihany koa ny sotasota avy amin'ny fanjakàna fony izy tany am-ponja. Ny filoha lefitry ny  TBH-ADA, Kenneth Cheng, dia nampahatsiahy an'i Anwar ireo  fampanantenàny hanome rariny an'i Teoh Beng Hock:

…tsy namoaha na iraimbilanja akory aza avy ao amin'ny tahiriny ny governemanta ho an'ireo toky nomenao tany am-boalohany hikatsaka ny rariny ho an'i  Teoh Beng Hock. Ary ny endrik'ilay fanomezantoky dia tsy nampihontsona akory ireo toejavatra miovaova. Ary tratr'izany koa ny kabinetranao avy amin'ny PH [fiarahamitantana Pakatan Harapan eo amin'ny fitondrana ] izay ahafahana mora foana manome mamaly ny fangatahanay amin'ny alàlan'ny diam-penina tokana monja satria ianao izao no governemanta.

Nokianin'ireo vondrona avy amin'ny fiarahamonina sivily ireo fihetsiky ny pôlisy, isan'izany ny fandrahonany hampiantso ireo mpikarakara ny “Walk for Justice”. Ohatra, ny ONG ao an-toerana, ny Agora Society dia nampahatsiahy ny pôlisy mba hifantoka kokoa amin'ny fitadiavana ireo namono an'i Teoh Beng Hock. “Takian'ny Agora Society ny hanokanan'ny pôlisy fotoana ny hery hitadiavana ny marina momba izay nahafaty an'i Teoh Beng Hock, sy hahitàna ary hanenjehana ireo ahiahiana izay tokony ho tazonina ho tomponandraikitra manoloana ny lalàna,” hoy izy ao anaty fanambaràna iray.

Nanoratra taratasy iray ny mpanorina ny Agora Society, Lim Chee Han, ho an'i Teoh Beng Hock hanomezany toky azy hoe mitohy miady mitady ny rariny ireo vondrona mpiaro zon'olombelona, na toa adinon'ireo pôlitisiàna fahiny aza ny raharaha momba azy.

Aza manahy. Tsy toa an'ireo pôlitisiàna sasany ao anatin'ny antokon'ny mpitondra, tsy ho adinonay velively ianao ary hotohizanay ny tolona ho anao, Ok? Mbola maro aminay ao anatin'ny fiarahamonina sivily no miaraka aminao.

Nalini Elumalai, mpitantana ny fandaharanasa ao Malezia ao amin'ny ARTICLE 19, fikambanana iraisampirenena manara-maso ny zon'olombelona, dia nanoritsoritra ilay fanembantsembanana nataon'ny pôlisy nandritra ilay diabe ho toy ny “zavatra tsy azo hamarinina sy tsy matianina.” Hoy izy nanampy:

Ny fanembantsembanana sy filam-baniny natao an'ireo mpikatroka am-pilaminan, nitarika ho amin'ny fandratràna ara-batana, dia tsy azo ekena ary manamarina ny filàna fanadihadiana tsy misy hatak'andro sy fampandraisana andraikitra. Tokony hatsahatry ny pôlisy izay rehetra tetikady mahery setra ary hajanony ny fanaovana lasibatra ireo mpanao hetsipanoherana am-pilaminana sy mpanakiana ny governemanta.

Nasongadin'i Mariam Mokhtar, mpanoratra, ny lanjan'ny fahatsiarovana an'i Teoh Beng Hock sy ny filàna manohana ilay fitakiana ny rariny.

Raha raharaha iray ankalazaina be amin'ny media no lasibatry ny fomba fiasa kitoatoa, maro hafa firifiry no tsy hanjary noho ireo rafitra io?

Najaina nandritra ny fanadihadiana ve ireo fenitra fanatanterahana asa? Ny tsy fahavitàna miantoka ireo fenitra ambony ara-pitondrantena, ara-maoraly, ny foto-pitsipiky ny asa ary ny fomba fiasa dia manimba ny maoralin'ny mpiasa.

Ohatra iray amin'ny tsy fahaiza-mitantana goavana ny fahafatesan'i Teoh sy ny fanadihadiana. Tsy maintsy mijoro sy miampanga ny tsy rariny isika, ary tsy miala vehana mihitsy raha tsy azontsika ny valiny. Amin'izay fotoana izay ihany i Malezia vao ho lasa toerana izay mendrika hiainan'ireo zanaka sy zafikelintsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.