Issam Hani Hajjaj no nanoratra ity tantara ity ary navoaka voalohany tamin'ny fiteny arabo tao amin'ny UntoldMag ny 01 Aogositra 2024. Nadikan'i Walid El Houri ho amin'ny fiteny anglisy ary navoaka ato amin'ny Global Voices miaraka amin'ny fahazoandàlana.
Mbola fanamby mafy lavitra noho izay azonao eritreretina ny tena zavamisy ao Gaza. Tapa-bolana lasa izay, nisotro rano izay noheverina ho azo sotroina aho. Mbola marary matetika foana ny kiboko hatramin'izao, na dia androany aza. Noheverina ho azo sotroina ilay rano, toy ny maha-azo iainana ny ao Gaza.
Herinandro taorian'ny nanisahana anay niala ny hôpitaly eorôpeàna tao Gaza ho any amin'ny faritra fiahiana ny maha-olona ao Al-Mawasi — faritra iray ireharehan'i Israely amin'izao tontolo izao — dia kiakiakan'ankizy iray no nifohazako, “Darohan'i Amerika baomba nokleary i Palestina!”
Na ny tafika mpibodo avy ao Israely aza no midaroka an'i Palestina, miaraka amin'ny fanohanan'i Etazonia, dia nanontany tena aho hoe ahoana no niforonan'ny eritretitra tahàka izany tao an-tsain'io zaza io. Ahoana no nahavitàny namorona fehezanteny tahàka izany?
Al-Mawasi dia faritra iray midadasika ao Khan Yunis sy Rafah izay napetraky ny tafika israeliàna ho toy ny faritra atokana ho an'ireo olona afindra toerana alohan'ny hitsofohan-dry zareo any amin'ireo “gouvernorats”. Mifaneritery ireo tranolay eto, misoratra eny amin'ny sasany ny anaran'ireo firenena nanolotra azy. Isankarazany arakaraky ny bikany sy ny lamba nanjairana azy ny tranolay, ny sasany vita tamin'ny hoditra, ny hafa tamina akora hafa. Avy amin'ny Emirà Arabo Mitambatra, Arabia Saaodita ary Alemaina ny ankamaroan'ireo tranolay tena misongadina noho ny haben'izy ireny, arahan'ny tranolay pakistaney, fantatra amin'ny endrika jeometrikany sy ny lambany miavaka.
Ny vahoaka eto dia miaina fifindràn-toerana tsy tapaka, voatery miova toerana isaky ny manapa-kevitra ny hitsofoka anaty faritra iray vaovao ny tafika israeliàna, mamela isaky ny mihetsika dindom-piainana tsy manantsiny any aoriany.
Raha ny tena zavamisy, ny faritr'i Mawasi no lasa toerana tena mampidi-doza indrindra ao amin'ny lemak'i Gaza noho ireo daroka baomba miverimberina ataon'ny tafika israeliàna. Tsy tambo ho isaina ireo olona mamoy ny ainy anaty fotoana iray, tsy misy antony hafa ankoatra ny ataon'ny tafika.
Manomboka ny diaben'ny fifindràna rehefa ambaran'ny tafika ny famoahana olona avy amin'ny toerana iray. Mikorapaka mitady fiara hitatitra azy sy ny fanànany ny olona, ary ny fijalian'ny olona dia manomboka miaraka amin'ireo mpanararaotra ny ady izay mitaky volabe ho an'ny fitaterana. Tsy misy manan-tsafidy afa-tsy ny mandoa satria ny aina no lohalaharana.
Ravànao ny tranolainao, angoninao izay rehetra azonao raisina dia mifindra ianao mankany amina toerana iray vaovao azonao ananganana indray ilay tranolay. Vantany vao tonga any, trano fandroana no atombokao atsangana. Ny rano no tena zava-dehibe, araka izany, toerana akaiky loharano no tadiavin'ny olona.
Rehefa avy nahita toerana hananganana ny tranolay tao amin'ny faritr'i Mawasi, indrindra fa ao Asdaa City, dia nividy trano lay izahay ary nanangana an'iny niaraka tamin'ny fanampian'ilay mpivarotra. Ny ampitso, nandavaka boribory mirefy roa metatra ny halaliny mba hivarinan'ny rano avy ao an-trano fandroana. Nividy lafika vita simenitra mba ho fanambanin'ny trano fandroana, nitarika fantsona plastika hatreto amin'ilay lavaka ary dia vita ny asa fanangananay ny trano fandroana izay tonga dia amin'ny tokotany, fantatra amin'ny anarana hoe “Trano fandroana Arabo”. Kely ilay izy, faritra mihidy, mirefy 1,5 x 1,5 metatra, nohodidinina lamba na labasy.
Misy olona sasany mahavita manorina trano fandroana toy ny an'ny Tandrefana, indrindra fa any amin'ireo toby izay tohanan'ny antoko sasantsasany. Na izany aza, mety kokoa ho an'ny fifindrafindràna ilay trano fandroana arabo, noho izy tsy mampiasa rano be loatra ary mahasalama kokoa ho an'ny fijoron'ny vatana. Kanefa, io karazana trano fandroana io dia sarotra ho an'ny olona sasany toy ny raiko izay feno ratra ny tànany sy ny tongony, izay tokony hotsaboina any amin'ny hôpitaly.
Fahatapahana roa no mahazo ny tànana havian'ny raiko sy ny tongony havanana, izay samy nasiana vy amin'izao fotoana ao anatin'izy roa ireo. Nafoiny ihany koa ny masony havia, izay mahatonga ny fiainana ao anaty tranolay tsy ho zaka zakaina rehefa migaingaina ny masoandro, izay vao mainka manaratsy ny efa mahazo azy. Mila fandidiana maika anankitelo izy, saingy tsy misy olona mahita ny fijaliany ankoatra anay, ary na eo aza ny toejavatra faran'izay sarotra mahazo azy, tsy vitanay ny mitondra azy mivoaka an'i Gaza mba hotsaboina.
Mba hanànana faritra kely manokana ho an'ny tena, dia mihidy anaty labasy amin'ny zoro kelin'ilay tranolay ianao ary manokana toerana iray ho an'ny lakozia sy fanasàna lamba.
Ao amin'ny Asdaa City, samihafa amin'ny an'ireo faritra hafa ao Gaza ny fomba fanesorana ny fako. Mandavaka ny olona mba handevenany ny fakony, satria tsy afaka tonga any amin'ireny faritra ireny ireo kamiao mpaka fako ary tsy ho afaka hatao mihitsy ny hanorina toerana fanariana fako eto.
Rehefa antoandro dia tsy mampino fa mafana tsy laitra ao anaty tranolay ary mangatsiaka mamanala amin'ny alina. Mandritra ny andro, toa te-hiboridana izany ianao; nefa rehefa alina, mangovitra ao anaty bodofotsinao ao. Ny masoandro no mamoha anao rehefa maraina, tera-tsemboka, miaraka amin'ireo lalitra mimonomonona manodidina ny tavanao. Eny rehetra eny ny fasika — eny amin'ny vatanao, ny akanjonao, ary hatrany anaty sakafonao mihitsy aza.
Tany am-boalohany, tena nanempotra ny tsy fahazoana aina, fa zatra ihany nony farany. Ao amin'ilay faritra, misy lavadrano lehibe iray antsoina hoe “Al-Hawoz,” izay miantoka ny rano ho an'ilay faritra manontolo. Tonga avy amin'ny faritra samihafa ny olona mba hameno ny sininy, mitatitra azy ireny amina sarety tarihin'ampondra na baramba, na entina tànana amina halaviran-dàlana lavitra.
Raha momba ny rano fisotro, indraindray misy fiara tonga manome rano maimaimpoana, dia mihazakazaka mamonjy an'iny ny vahoaka, miady hahazo rano. Io no hany vintana hahazoana rano azo lazaina hoe fitsotro tsy andoavana 1 dôlara ny 10 litatra (2,6 galona). Anatin'izao hafanàna henjana be izao, ary miaraka amin'ny filàna rano mafy dia mafy, tsy ampy ny fatran-drano kely tahàka izany.
Marobe ny olona no tsy mahavita mamaly ny filàn-dry zareo andavanandro ary miezaka mivelona miaraka amin'izay kely ananany. Io toejavatra io dia manosika ny olona hisotro rano tsy tapaka, izay matetika miteraka aretin-kibo mangotika sy mivalana. Noho ny tsy fahampian'ny fikarakaràna araka ny tokony ho izy, tena mahavaky fo ny toejavatra mahazo azy ireo.
Vakio misimisy kokoa: Israel's war on Gaza (Adin'i Israely amin'i Gaza) [angl.]
Ho an'ny ankohonana iray toy ny ahy, misy olona valo, mila eo amin'ny 550 USD isambolana izahay ho an'ny sakafo fotsiny noho ny halafon'ny vidiny. vola fanampiny hafa no anaovana ireo filàna hafa, toy ny famahànana finday, fidirana aterineto, ary ireo hafa tsy tambo ho isaina. Teran'ny fiainana ianao hametraka ho laharam-pahamehana izay tena zavadehibe ho anao sy ny ankohonanao, mifanaraka amin'ny vola miditra aminao, nefa ianao tsy hahomby foana.
Marobe ireo olona very asa dia lasa mivaro-panànana. Ny varotra no asa mahazatra indrindra satria nijanona ny zavatra hafa rehetra — afa-tsy ny varotra entana ary ny fanararaotana mitady tombony noho ny ady. Na henjana toy ny inona aza ny fiainana ao Gaza aseho anaty fahitalavitra, mafy lavitra noho izay azon'ny tsirairay sainina ny tena zavamisy iainana.
Tapa-bolana lasa izay, nisotro rano aho ary dia mbola marary foana izao ny kiboko. Noheverina ho azo nosotroina ilay rano, tahaka ny niheverana koa hoe azo iainana ao Gaza