MIVANTANA amin'ny 27 Aogositra: Fahaiza-mamaky teny torohay sy Media amin'ny fitenim-paritr'i Eoropa

Miaraha aminay amin'ny YouTube Live amin'ny 27 aogositra 2024, amin'ny 11 am UTC (2 pm Madagasikara) hiresaka media sy fahaiza-mamaky teny torohay ho an'ny vondrom-pitenim-paritra eoropeana.

Nahafahan'ireo mpitenim-paritra ao Eoropa maro hanangana, hizara ary hanjifa media amin'ny fitenin-drazany na fiteny novolainy ny aterineto.

Na izany aza, mbola mihevitra ny sasany fa mbola tsy voajery araka ny tokony ho izy ihany ireo fiteny ireo ary mbola tsy mora azo na mora takarina loatra ny loharano sy fitaovana amin'ny fahaiza-mamaky teny media sy torohay amin'ireny fiteny ireny. Tena zavadehibe ireny loharano sy fitaovana ireny ahafahana mamela ny mpiteny hirotsaka ao anatin'izao riakam-baovao izao.

Miaraka amin'io ihany, misy ihany koa fomba fitantarana mamolavola ny lahateny ampahibemaso momba ireo lanonana mitranga eo amin'ny sehatra ao an-toerana, manerana ny firenena, na manerantany mila fifantohana fanampiny. Kinendrin'ity fotoana GV Insights ity ny hanavatsava hijery ny rohivoarim-pampitam-baovao amin'ny fiteny Basque, Frison, ary Irlandey, amin'ny alalan'ny fijerin'ireo mpikatroky ny fiteny sy matihanin'ny fampitam-baovao izay hanampy amin'ny fandikana eo noho eo mandeha miara-dalana (mirazotra), misara-dalana na mameno ny endritanim-pampitam-baovao ao amin'ireo fiteny manjakazaka, sy ireo fomba fiteny maka toerana amin'ireo rohivoary anankiroa ireo.

Maimaimpoana ny fotoana ary azon'ny rehetra idirana. Misorata anarana eto ambany raha te-handray ny fampahatsiarovana momba ny lanonana ianao:

Misorata anarana maimaimpoana ao amin'ny Eventbrite

Mpanentana amin'ny lanonana, iarahan'ny Civic Media Observatory ao amin'ny Global Voices sy ny Rising Voices i Giovana Fleck, mpitarika ny Civic Media Observatory ao amin'ny Global Voices, ary ahitana ireto nasaina manaraka ireto:

Manantena anareo izahay hanatevin-daharana amin'ny Talata 27 Aogositra amin'ny 11 am UTC (tsindrio eto hamadihana azy ho amin'ny hasin'ora misy anao).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.