Fitsipika fakana lisansa media sosialin'i Malayzia: fiarovana anjotra sa sivana?

Malaysia internet users

Manome antoka ny manampahefana Malayziana fa tsy ho tratran'ny fakàna lisansa ny mpisera aterineto. Saripika avy amin'i Zahirulnukman. Loharanom-baovao: Wikipedia. CC BY-SA 3.0

Navoakan'i Malezia ny antsipirihan-dalàna vaovao izay mitaky ny media sosialy sy ny tolotra fandefasana hafatra an'aterineto manana mpisera voasoratra anarana valo tapitrisa farafahakeliny mba hangataka lisansa. Nilaza ny governemanta fa natao hanakanana ny fanimbàna an-tserasera izany, saingy manahy ireo mpitsikera fa mety hanimba ny fahalalahana maneho hevitra izany.

Navoaka tamin'ny 1 aogositra ny didy, saingy manana hatramin'ny Janoary 2025 ny orinasa hanaja ny fepetra. Raha jerena amin'ireo tarehimariky ny sehatra anjotra voalohany  manana mpisera 8 tapitrisa farafahakeliny ao Malezia, hihatra amin'ny Facebook, Facebook Messenger, Instagram, TikTok, WhatsApp, Telegram, WeChat, X (Twitter taloha) ary YouTube ny didy. Manankery herintaona ny lisansa ary mila havaozina isan-taona.

Araka ny fanambaràna an-gazety avy amin'ny Vaomieran'ny Fifandraisana sy ny Multimedia Malayziana (MCMC), tanjon'ny governemanta ny “hanangana tontolo an'aterineto azo antoka kokoa ho an'ny Maleziana rehetra, indrindra fa ny ankizy sy ireo marefo amin'ny fanimbàna anjotra.” Natao hisorohana ny tsindry bokotra anjotra, ny fisolokiana anjotra, ary ny asan'ireo tendan-kanina ara-nofo izy ity. Nomen'ny MCMC toky ireo mpisera aterineto fa hahazo tombony amin'ity fitsipika vaovao ity ry zareo:

MCMC reiterates that end users of the said service providers will not be affected by this regulatory framework and only service providers.

Users on the other hand will benefit from enhanced security features and a better user experience as a result of service providers’ proactive compliance with Malaysian laws. Users can expect a safer online environment and clearer channels of complaint regarding online harm.

Manamafy indray ny MCMC fa tsy hisy fiantraikany amin'ireo mpanjifan'ireo mpanome tolotra ity rafi-dalàna ity fa amin'ireo mpanome tolotra ihany.

Hahazo tombony amin'ny fanatsarana ny fiarovana sy ny fampiasana azy tsara kokoa ireo mpisera etsy ankilany noho ny fanarahana mavitrika ny lalàna Malayziana ataon'ireo mpanome tolotra. Afaka manantena tontolo an-tserasera azo antoka kokoa sy fantsom-pitarainana mazava kokoa momba ny fanimbàna anjotra ny mpisera.

Mety hosazina amin'ny sazy ara-pitantanana ireo orinasa nahazo alalana izay tsy manaraka ny lalàna eo an-toerana sy didy fampiatoana ary mety atahorana hofoanana ny fisoratana anarana.

Nanamarika ny Minisitry ny Serasera Fahmi Fadzil fa efa naneho fahalianana amin'ny lalànan'ny lisansa amin'ny media sosialy ao Malezia ireo firenena toa an'i Royaume-Uni sy Singapaoro. Hoy izy tamin'ny media:

We might be the first mover on this issue because on average, many governments around the world feel that these big technology companies can no longer do as they please to accumulate wealth and not follow rules and laws… those days will soon be over.

Mety ho isika no voalohany mihetsika amin'ity olana ity satria amin'ny ankapobeny, governemanta maro eran'izao tontolo izao no mahatsapa fa tsy afaka manao araka izay tiany intsony ireo orinasan-teknolojia lehibe ireo mba hanangonana harena sy tsy hanaraka ny lalàna sy fitsipika… ho tapitra tsy ho ela ny andro.

Saingy niangavy tamin'ny manampahefana mba tsy hanao “fanapahan-kevitra maimaika” indrindra fa ilay fitsipika vaovao “heverina ho toy ny fikasana mivantana hanaraha-maso ireo sehatra media sosialy” ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena, ARTICLE 19, sy ny Foibe momba ny asa fanaovan-gazety mahaleotena. Nampitandrina izy ireo fa ny fepetra takiana hanavaozana ny fahazoan-dàlana dia mety hitarika ireo sehatra “ho mpankatò kokoa sy hanaiky bebe kokoa ny fangatahana fanesorana avy amin'ny governemanta fa tsy hifantoka amin'ny fanitsiana votoaty mahomby sy ara-potoana.” Tsy ny fitsipika momba ny fanomezan-dàlana, fa soso-kevitr'izy ireo ny hananganana “ filankevitry ny media sosialy izay hampiroborobo ny rafi-pitantanana mahaleotena ahitana mpandray anjara maro” sy ny fananganana “komity mahaleo tena handinika ny fototry ny teny fankahalana sy ny tsindry anjotra, ary ny fampandrosoana mifandraika amin'izany.”

Nampahatsiahy ny governemanta i Zaid Malek, talen'ny Lawyers for Liberty, fa “azo ekena ny fametrahana fitsipika, fa tsy ny fandrahonana ireo mpamatsy media sosialy amin'ny alalan'ny tetikasa fanomezana alalana izay manome fahefana ny governemanta hanakatona azy ireo.” Nanampy izy fa:

Licensing of social media platforms is unnecessary, high-handed and poses a serious danger to our democratic right to criticise or question the Government. It should be remembered that this government already has a track record of forcing the removal of critical political content by making requests to social media operators.

Tsy voatery ilaina ny fahazoan-dàlana amin'ny sehatra media sosialy, tsirefesimandidy ary mampidi-doza lehibe amin'ny zontsika demokratika hitsikera na hanontany ny Governemanta. Tokony tsiahivina fa efa manana ny maha izy azy ity governemanta ity amin'ny fanerena ny fanesorana ireo votoaty politika manakiana amin'ny alalan'ny fangatahana amin'ireo mpandraharahan'ny media sosialy.

Naneho ny ahiahiny amin'ny tena antony manetsika ireo tompon'andraikitra amin'ny fitakiana ireo orinasa hangataka fahazoan-dàlana ny mpikambana iray hafa ao amin'ny vondrona:

Ahoana no tanjona ara-drarin'ny lalànan'ny fanomezana lisansa amin'ny media sosialy izany?

Raha heverinao fa tsara izany dia tsy omenao lanja ny fahalalahana miteny / maneho hevitra.

Manahy ny Bersih, firaisankinan'ny vondrona manosika ny fanavaozana eo amin'ny fitantanana, fa “mety ho ampiasaina amin'ny fomba ratsy ho rafitra ara-dalàna hanakanana ny fahalalahana miteny” ny fahazoan-dàlana satria mbola manan-kery ny “lalàna manasazy” toy ny Lalànan'ny Fifandraisana sy Multimedia 1998.

Raha nampanantena ny hanavao sy hanova ny “lalàna hentitra” ny governemanta amin'izao fotoana tamin'ny voalohany, hatramin'izao aloha dia tsy nahavita [mg] nandray fepetra mivaingana sy tapa-kevitra momba izany fanoloran-tena izany.

Nandritra izany fotoana izany, nametraka fisalasalana ny mpiserasera sasany amin'ny hahombiazan'ny fanomezan-dàlana hampitsahatra ny fisolokiana satria tsy nanakana ny fielezan'ny heloka anjotra ny fitakiana hanoratana anarana ny finday. Miahiahy ny sasany fa ny hampanginana ny tsy fitovian-kevitra no tena tanjon’ny tompon’andraikitra,

Nanantitrantitra ny Dr Ngo Sheau Shi, mpampianatra ambony ao amin'ny Sekolin'ny Fifandraisana ao amin'ny Universiti Sains Malaysia, fa ilaina ny fifandanjana amin'ny fampiharana ny lalànan'ny lisansa.

While lauding this development, I believe it is crucial to raise awareness of the delicate balance between regulatory efforts and the preservation of freedom of expression within the online ecosystem.

This balance can be struck by specifying clear, narrow definitions of prohibited content, based on internationally recognised human rights standards. Any restrictions should be necessary, proportionate and the least intrusive means available to achieve the objectives of the law.

This framework must clearly distinguish between content that is genuinely harmful and content that constitutes legitimate expressions of opinion, critique and dissent, especially when directed towards authorities and power structures.

Raha midera an'io fivoarana io aho, mino aho fa zava-dehibe ny fanairana amin'ny fandanjalanjana saro-pady eo amin'ny ezaka hampanara-dalàna sy ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra ao anatin'ny rohivoary anjotra.

Azo atao amin'ny famaritana mazava sy tery ny votoaty voarara, mifototra amin'ny fenitry ny zon'olombelona eken'ny iraisam-pirenena ity fifandanjana ity. Ny fameperana rehetra dia tokony ho ilaina, mifandanja ary fitaovana faran'izay tsy manelingelina indrindra mba hanatrarana ny tanjon'ny lalàna.

Tsy maintsy manavaka mazava tsara ny votoaty tena manimba sy ireo votoaty maneho hevitra ara-drariny, manakianana sy tsy mitovy hevitra ity rafitra ity, indrindra rehefa mitodika any amin'ny manampahefana sy ny rafi-pahefana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.