Hetsika iray manan-tantara, Venezoeliàna niaraka niasa hampibaribary ny hosoka nataon'i Maduro tamin'ny fifidianana

Saripika avy amin'i Gabriela Mesones Rojo, 30 Jolay 2024, Caracas, Venezoelà. Fampiasàna sy fikiràna nahazoan'i Melissa Vida alàlana.

Nanomboka ny 29 Jolay ireo Venezoeliàna dia nameno ny arabe mba hanohitra ireo vokatra ôfisialy tamin'ilay fifidianana izay ho filoham-pirenena efa nandrasana hatry ny ela tao Venezoelà. Ny filoha amin'izao fotoana izao, Nicolás Maduro, no nomena indray fotoam-piasana fanintelony, ho hatramin'ny 2031. 

Ny 30 Jolay, nantsoin'ilay mpitarika ny fanoherana, María Corina Machado, ireo mpanao fihetsiketsehana mba hifamory nandritra ny fihaonambe am-pilaminana nataon'ny vahoaka ka hanehoana ireo voka-pifidianana vita printy maneho ny hosoka am-pifidianana nataon'i Maduro.

Xiomara Pacheco, mpampivelona, 52 taona, reny niteraka roa, dia niandry ny kabarin'i Machado sy González Urrutia tao amin'io fihaonambe io. Hoy izy mantsy ny Global Voices:

Está claro que no podemos confiar en los números compartidos por el CNE, porque está muy claro que Maduro simplemente ya no tiene ningún tipo de apoyo. ¿ Si no, por qué ocultarían las actas de votación? ¿ Si no, por qué el CNE violaría tantas leyes y tantos protocolos?

Mazava ho azy fa tsy azontsika atao ny hino ireo tarehimarika nozarain'ny CNE, satria mazava be fa tsy manana mpanohana tsotra izao intsony i Maduro. Raha tsy izany, inona no antony anafenany ny firaketana ny voka-pifidianana? Raha tsy izany, nahoana ny CNE no manitsakitsaka lalàna maro sy fenitra marobe?

Ilay Fihaonamben'ny vahoaka, 30 Jolay 2024. Saripika avy amin'i Gabriela Mesones Rojo, fampiasàna nahazoana alàlana.

Nifidy tamin'io fifidianana manan-danja io i Pacheco, fanantenana tokana no tao an-tsainy:

Mis dos hijos viven en el extranjero, también mis nietos, a los que ni siquiera he conocido porque nacieron fuera. Solo quiero que mi familia vuelva al país al que pertenecen.

Monina any ivelany ireo zanako roa, toy izany koa ireo zafikeliko, izay mbola tsy hitako mihitsy satria teraka tany ivelany. Tiako fotsiny ny hiverenan'ny fianakaviako amin'ny fireneny.

Ny fanoherana ara-pôlitika Venezoeliàna, tarihan'i María Corina Machado sy ilay mpifaninana ho filoham-pirenena, Edmundo González Urrutia, ary hatramin'ireo governemanta maro toy ny ao  Arzantina, Shily, Pero, Orogoay, Kôsta Rikà, Panamà, Goatemalà ary Brezila, dia nanohitra avy hatrany ireo vokatra navoakan'ny  Filankevitra Venezoeliàna misahana ny Fifidianana (CNE). Tanisain-dry zareo ireo elanelana lavitra be amin'ny tarehimariky ny CNE ary ny angondrakitra voavorin'ireo fanadihadiana tsy miankina sy ireo mpanaramaso ny fifidianana. Araka ny angondrakitra avy amin'ny mpanohitra, raha ny marina dia i  Edmundo González Urrutia no nandresy tamin'ny fifidianana, tamin'ny isam-bato avo roa heny amin'ny azon'i Maduro.

Ampangain'ny mpanohitra ho manakana ny fahafahana mahazo ny firaketana voka-pifidianana tany amina biraom-pifidianana marobe ireo ao amin'ny fitondràna. Na ry zareo, na ireo vavolombelona tsy mitanila dia samy tsy afaka nahazo ireo porofo vita printy izay takian'ny lalàna hanisàna sy hanamarinana latsabato.

Nanamarika ny androm-pifidianana ihany koa ireo tatitra milaza fisiana fandrahonana mpifidy ary hatramin'ny fanandramana handoro vatam-pifidianana sasantsasany teny an-tànan'ny mpitandro filaminana bôlivariàna. 

Niaraka niasa hamoaka valim-pifidianana

Ireo olompirenena mpanaramaso nanerana an'i Venezoelà dia nifampizara tamin'ny fomba ara-dalàna ny firaketana voka-pifidianana, satria hita tany amin'ireo biraom-pifidianana niisa 30.000 nanerana ny firenena ry zareo ireny. Nomena anarana hoe “Comanditos” ry zareo, rafitra iray natsangan'ny vovonan'ny mpanohitra Comando con Venezuela mba hampiroboroboana ny fangaraharàna sy ny fanamarinan'ny olompirenena mialoha ny fifidianana.

Tao amin'ny X (Twitter taloha) i Eugenio Martínez, Venezoeliàna mpanao gazety nanokan-tena ho an'ny fifidianana, dia nangataka tamin'ireo olompirenena mba hizara ireo saripika mirakitra voka-pifidianana ka hampitaha azy ireny amin'ny vokatra ôfisialy. An-jatony maro ireo mpanaramaso nameno ny X tamina  voka-pifidianana teo ambanin'ny tenifototra #buscatuacta (“jereo ny voka-pifidiananareo”).

Afaka manao faham-baovao iraisana avy amin'ireo fanamarinana nataonareo olompirenena momba ny tatitry ny fifidianana ve izahay? Raha nanapika sary ny fitànana an-tsoratra tao amin'ny biraom-pifidianana ianareo, ampitahao amin'izay navoaka ao amin'ny tranonkala fanapariahana.

Maro tamin'ireny firaketana an-tsoratra ireny ihany koa no nalefa tany amin'ny Comando con Venezuela. Tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, 80 isanjaton'ireo vokatra no azon'ny mpanohitra, izay navoakan-dry zareo ety an-tambanjotra.

Raha ny marina, raha mbola mikatona ny tranonkalan'ny CNE amin'izao fotoana anoratana izao, noho ny filazàna fa hoe nisy  nanafika an-tserasera, ny tarik'i Machado kosa nahaforona tranonkala iray izay ahafahan'ireo rehetra nandatsa-bato tamin'ny fifidianana mijery ny firaketana an-tsoratra sy ny fitambaran'isa voaangon'ny Comanditos ary azon'ny rehetra jerena.

Ny alin'ny 30 Jolay, nanao veladresaka ho an'ny gazety i  Machado sy González ka tamin'izany izy ireo no nanolotra io tranonkala io, nanaporofoana fa nandresy i González. Machado — pôlitisiàna iray malaza izay nosakanana tsy ho afaka mirotsaka ho filoha — dia nilaza hoe

Venezuela tiene un nuevo presidente electo y es Edmundo González Urrutia. ¡Ganamos! Y todo el mundo lo sabe. (…)Y toda esta información coincide en que Edmundo obtuvo el 70% de los votos de esta elección. Y Maduro el 30% de los votos. Es la elección presidencial con la mayor diferencia de la historia.

Manana filoha vaovao voafidy i Venezoelà, dia i Edmundo González Urrutia. Nandresy isika! Ary fantatry ny olona rehetra izany (…) Ary ireo vaovao ireo dia mifanojo amin'ny zavanisy hoe nahazo ny 70% tamin'ny vatom-pifidianana i Edmundo tamin'io fifidianana io. Ary 30 isanjato ny an'i Maduro. Ity no fifidianana ho filoham-pirenena nahitàna elanelan'isa goavana indrindra teo amin'ny tantara.

Tao anaty bitsika iray i Eugenio Martínez, mpanao  gazety, no nanazava hoe:

La oposición acaba de hacer en 24 horas, algo que el CNE lleva años diciendo que no es posible técnicamente. Un site para consultar los resultados por mesa y ademas tener la imagen del acta de la mesa.

Tao anatin'ny 24 ora monja ny avy amin'ny fanoherana dia nahavita ny zavatra iray izay nambaran'ny CNE an-taona maro fa tsy ho azo atao raha ny ara-teknika: tranonkala iray hijerena ny tabilaon'ireo voka-pifidianana sy ny sarin'ireo antontan-taratasy firaketana.

Sambany teo amin'ny tantaran'i Venezoelà no nisy kandidà mpanohitra nahazo firaketana an-tsoratra marobe. Ho an'ny maro, asehon'io ny trangana hosoka marobe mahamenatra nataon'i Maduro, anisan'izany ireo mpanaramaso iraisampirenena toa an'i Carter Center

María Corina Machado tao amin'ny Antenimieram-Pirenena tamin'ny 30 Jolay 2024. Saripika an'i Gabriela Mesones Rojo, nahazoana alàlana

Fihetsiketsehana tampoka sy firongatry ny famoretana

Vetivety ireo hetsipanoherana dia niparitaka nanerana an'i Caracs renivohitra sy tany amin'ireo faritra hafa, indrindra fa tany amin'ireo faritra kely fidirambola sy misy sarangan'ny mpiasa izay ara-tantara dia nanjakan'ny Chavismo.
Nanomboka nanao diabe ny vahoaka, nikiakiaka nanohitra an'i Maduro, ary nosimbàn'ireo mpanao hetsika nisaron-tava ireo afisy fampielezankevitra nihantona tamin'ny andrin-jiro sy ny rindrina.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Caracas Chronicles (@caracaschron)

Ny famoretana hatrany no fitaovana matanjaka eo an-tànan'ny governemanta, ary miely ao amin'ny tambajotra sôsialy ireo tatitra momba ny herisetran'ny pôlisy sy ny famoretana ataon'ny fanjakàna. Olona mihoatra ny 700 no nosamborina raha ny nolazain'ny governemantan'i  Maduro, fa ireo ONG mpiaro zon'olombelona kosa naharakitra fahafatesana 14 tao anatin'ny andro roa voalohany tamin'ireo hetsipanoherana.

Nalaina an-kery ihany koa ireo olo-malazan'ny mpanohitra. Tsikaritry ny olompirenena ny fisiana SUV iray nisambotra sy nitondra i Freddy Superlano, ilay mpandrindra nasiônalin'ny antoko  Voluntad Popular, ny mpamiliny ary hafa mpikatroka avy amin'ny mpanohitra. Lazain'ny Voluntad Popular fa, araka ny loharano akaiky ny fitondràna, nampijaliana i Freddy Superlano mba “hanaiky sarintsarim-pibabohana firaisana tsikombakomba sandoka.”

Mbola ho avy ny famoretana sy fanagadràna bebe kokoa, satria ezahan'i Maduro ny hiantoka ny fepotoam-piasàny amin'ny tsy fitondrana, na izay aza, ireo porofo manamarina ny lazaina fa fandreseny. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.