Naaton'i Azerbaijan ny mariazy mandritra ny COP29

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Navoaka voalohany tao amin'ny Meydan TV ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panitsiana noho ny fifanaraham-piarahamiasa ara-botoaty.

Tsy maintsy miandry ny fahavitan'ny COP29 ny mpivady any Azerbaijan vao afaka manao mariazy, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao ao an-toerana. Hotontosaina ao Baku, renivohitr'i Azerbaijan amin'ity taona ity ny fivoriana faha-29 amin'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovan'ny Toetr'andro (COP29) eo anelanelan'ny 11–22 Novambra.

Niresaka tamin'ireo hotely maromaro fanaovana mariazy ny Meydan TV mba hanamarina raha marina tokoa ilay famerana. Ary tena izany tokoa. Hotely maromaro fampakaram-bady no nanamafy tamin'ny fahitalavitra Meydan fa nasaina nandà ny famandrihan-toerana manomboka ny 8–22 Novambra izy ireo mba hifantohana amin'ny fandraisana tsara ireo vahiny iraisampirenena hoavy sy hisorohana ny fitohanan'ny fifamoivoizana.

Nilaza ireo mpahay toekarena nitafatafa tamin'ny Meydan TV, fa tokony hanonitra ireo hotely mpandray fampakaram-bady ny fanjakana ary hanalefaka ny hetra. Hoy i Natig Jafarli tamin'ny fahitalavitra Meydan nandritra ny tafatafa:

The state should offer compensation for the 14 days of lost revenues because those who work there are daily workers. Their situation is going to be tough, if they wont be working for half of the month. Sadly, I don't think the managers will be making such requests, given that the ownership of these halls belong to officials.

Tokony hanome tambin-karama ho an’ny 14 andro tsy misy fidiram-bola ny fanjakana satria mpiasa isan’andro ireo miasa ao. Ho henjana ny toe-javatra iainan’izy ireo, raha tsy miasa mandritra ny tapa-bolana izy ireo. Mampalahelo, tsy mino aho fa hanao fangatahana toy izany ny mpitantana, satria manampahefana no tompon’ireo hotely ireo.

Nilaza ihany koa i Jafarli fa “manana zo hitaky onitra ny hotely fandraisana fampakaram-bady. Tsy ny resaka tombontsoan’ny hetra ihany anefa no vahaolana. Tokony handoa ny vola tokony hiditra amin’izy ireo koa ny fanjakana.”

Mahita ity fanapahan-kevitra vao haingana ity avy amin'ny fomba fijerin'ny fahaiza-manao ilay manam-pahaizana momba ny fambolena Vahid Maharramli, amin'ny filazana fa voafetra ny fahafahan'ny firenena manao hetsika maneran-tany amin'ny ambaratonga toy izany ary vokatr'izany, manimba ny fiveloman'ny olona. Nanontany izy hoe nahoana i Azerbaijan no tsy maintsy nampiantrano hetsika toy izany tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny MedanTV:

There are already a number of restrictions introduced as a result of COP29. Why aren't we allowed to live our lives normally? Every time, Azerbaijan holds an international event, there are restrictions being introduced. Stopping the work of wedding halls, does not only impact their owners, but also the people employed there.

Efa misy fameperana maromaro nampidirina vokatry ny COP29. Nahoana izahay no tsy avela hiaina araka ny tokony ho izy amin'ny fiainanay? Isaky ny manao hetsika iraisam-pirenena i Azerbaijan, dia misy fameperana apetraka. Ny fampitsaharana ny asan'ny hotely fampakaram-bady, dia tsy misy fiantraikany amin'ny tompony ihany, fa amin'ny olona miasa ao koa.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Abzas Media, nilaza ilay mpisolovava Asabali Mustafayev fa satria tsy manana lalàna mifandraika amin'ny fitantanana ny toe-javatra toy izany i Azerbaijan, “tsy fantatra mazava izay karazana dingana tokony horaisina [ho an'ny orinasa voakasika]. Nandritra ny valan'aretina, nilaza tamin'ny olona ny governemanta mba hijanona ao an-trano ary nanome onitra ho an'ny tsirairay sy ny orinasa.” Ny fametrahana fameperana mandritra ny COP29 izay miantraika mivantana amin'ny orinasa, dia tokony hanana fepetra mitovy amin'izany, hoy i Mustafayev.

Tsy mbola nisy ny fanambaràna ofisialy avy amin’ireo andrim-panjakana voakasika momba ny mety ho fanonerana.

Ny fiakaran'ny vidin-javatra sy ny fidangan'ny vidim-piainana

Tamin'ny faran'ny volana Jona, nahita fiakaran'ny vidin'ny lasantsy, ny gazoala,  ny fitateram-bahoaka ary ny fitaterana fako ao an-tokantrano ny firenena. Araka ny nambaran’ny Filankevitry ny Vidin-javatra, sampan-draharaham-panjakana miandraikitra ny fametrahana ny vidin-javatra eto an-toerana, ho an'ny tontolo iainana no anton'ny fanapahan-kevitra hampiakatra ny vidin-tsolika noho ny fiantraikan’ny gazoala amin’ny tontolo iainana. Ny mifanohitra amin'izany anefa no heverin'ireo manam-pahaizana izay milaza fa ny fampiakaram-bidy dia fikasan'ny governemanta hanonitra ny fihenan'ny vidin'ny solika sy ny etona amin'ny alàlan'ny fampiakarana ny vidiny no sady manafina ireo fampiakarambidy ireo ho famahana ny “olana ara-tontolo iainana”. Mandritra izany fotoana izany, ao anatin'ny fanavaozana faobe ny renivohitra Baku noho ny fiatrehan'ny mponina ao an-tanàna ny hafanana mahamay, ny fitohanan'ny fifamoivoizana noho ny fanakatonana ny lalana, ary ny vovoka ateraky ny fanamboarana.

Naminavina ireo manampahaizana tsy miankina fa hiakatra ny vidin’ny sakafo fototra, rehefa nampiakatra ny vidin-tsolika ny fanjakana. Ka niakatra tokoa izany. Nilaza, ohatra, ny mpamboly fa misy fiantraikany amin’ny zavatra rehetra manomboka amin’ny asa sy ny fitaterana ka hatramin’ny fijinjana ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Maharramli, manam-pahaizana momba ny fambolena, maminavina fa nitombo 60 tapitrisa AZN ny sanda (aloan'ny) tantsaha (eo ho eo amin'ny 35,2 arivo dolara amerikana) raha jerena ny angon-drakitra navoakan'ny Komitin'ny Antontanisan'ny Fanjakana, izay hitarika ny fiakaran'ny vidin'ny entana sy ny vokatra rehetra amin'ny volana ho avy.

Tamin’ny 11 Jolay, nitatitra ny fiakaram-bidin'ny foto-tsakafo toy ny lafarinina, paty, hena mena, atody sy menaka oliva, voankazo ary legioma ihany koa ny Komitin’ny Antontan’Isam-panjakana.

Ireo mpahay toekarena tsy miankina hafa toa an'i Rovshan Aghayev ihany koa maminavina ny fisondrotry ny vidim-piainana vokatry ny fiakarana vao haingana. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Meydan TV, nilaza i Aghayev fa raha jerena ny vola lany isam-bolana amin'ny fitateram-bahoaka sy ny lasantsy izay mihoatra ny 10 isanjato, dia tokony andrasana ny fisondrotry ny vidim-piainana iray isanjato amin'ny fararano. Tombanan'ny Banky Foiben'i Azerbaijan ho 1,5 isanjato ny fisondrotry ny vidim-piainana vokatry ny fiakaram-bidy.

Manantena fiakaram-bidin'ny kojakoja an-tokantrano ihany koa i Natig Jafarli. “Mitombo ny fandaniana, mihena ny vola miditra, ary santatra ihany izany. Hiakatra ihany koa ny vidin'ny kojakoja ao an-tokantrano, ary amin'ny taona 2025, ho very lanja ny manat, ”hoy i Jafarli tamin'ny Meydan TV.

Nialoha ny COP29, nandalo fanamboarana sy fanavaozana goavana i Baku renivohitra. Nitaraina noho ny fitohanan'ny fiara ireo mponina niresaka tamin'ny Global Voices ary nanova ny làlan'ny fitateram-bahoaka izay manao ny dia mahazatra ho indroa mihoatra raha tsy intelo ny halavany. Nilaza ilay mpahay toekarena Natig Jafarli tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Meydan TV fa eo amin'ny AZN 470 tapitrisa (277 tapitrisa dolara eo ho eo) no natokana ho an'ny asa fanavaozana manerana ny tanàna nialoha COP29. “Mampiseho ireo asa ireo fa miahy bebe kokoa mba hampiaky ireo vahiny iraisampirenena ity governemanta ity, fa tsy ny hampiaiky volana ny olom-pireneny,” hoy i Jafarli tamin'ny Meydan TV. Tsy nambaran’ny tompon’andraiki-panjakana sy ny komity mpikarakara tamin’ny fomba ofisialy ny fitambaran’ny tetibola natokana ho an’ireo tetik’asa fanavaozana ireo na ny famatsiam-bolan'ny hetsika manontolo.

Tombanan'ny manam-pahaizana sasany ny fandaniana ankolaka ho an'ny COP29 fa mihoatra ny 1 lavitrisa USD, ao anatin'izany ny fandaniana amin'ny fotodrafitrasa, hotely, fitaterana, fampitaovana, fifandraisana ary fiarovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.