Ny fomba fanomezan'i Barbados voninahitra ireo zokiolona feno zato taona ao aminy
Tahaka ny ntaolo be amin'izao vanim-potoana mihanomerika izao izany mamoaka hajiam-paositra izany; tsy voatery ilaina, eny fa — saingy efa nanao ny asany iankinan'ny ain-dehibe teo amin'ny fifandraisan'olombelona io tena teknolojia io. Mety mbola handresy lahatra ny nosy Karaiba any Barbados fa mbola izany izy io. Ao anatin'ny fiainana andavanandro ny fampiasana hajia ho an'ny maro ao amin'ny nosy, fa mihoatra noho izany, nisongadina ny hajia mipitrapitra kely ho fomba azo tsapain-tanana hanomezam-boninahitra ny olom-pirenena mendrika nahavita be teo amin'ny sehatry ny firenena – afa-tsy hoe manana zavatra miavaka iray iraisana izy ireo – mihoatra ny zato taona ry zareo.
6. When you reach 100 years old in Barbados, you get a stamp in your honour. Lovely. pic.twitter.com/VkuJqbZeB7
— Wolf of X (@tradingMaxiSL) August 8, 2024
6. Rehefa mahatratra 100 taona ianao eto Barbados dia mahazo hajia ho fanomezam-boninahitra anao. Maha-te-ho-tia.
Famoahana hajia ireo feno zato taona
Nanomboka izany rehetra izany rehefa nasehon'ny fanisam-bahoaka manerana ny firenena tamin'ny taona 2016 fa mahatratra 114 ny isan'ireo mihoatra ny zato taona ao amin'ny nosy tamin'izany fotoana izany, ary maro ireo efa manakaiky ny faha-100 taonany. Mametraka an'i Barbados ho firenena faharoa be olona mihoatra ny zato taona eto ambonin'ny tany izany raha ataha amin'ny isan'ny mponina, fiavahana manokana ampy hiantohana ny famoahana hajia fahatsiarovana notontosaina tamin'io taona io, izay nanamarika ihany koa ny faha-50 taonan'ny fahaleovantenan'ny nosy tamin'i Grande-Bretagne.
Mety tsara antsoina hoe “Centenarians of Barbados” izy io, ary ahitana amboaran-kajia 20, sy taratasy fahatsiarovana sy fonon'ny andro voalohany namoahana azy, sady izy ihany koa no voalohany (sy betsaka indrindra!) tamin'ny karazany navoakan'ny Barbados Postal Service. Araka ny filazan'ny Sampan-draharahan'ny Fampahalalam-baovaon'ny Governemanta (GIS) ao amin'ny firenena, namidin'ny paositra manerana ny firenena tamin'ny 9 Martsa 2017 izy io (na dia nisy loharanom-baovao maro hafa aza milaza ny datin'ny famoahana ho 8 Desambra 2016) ary azo novidìna ao anatin'ny herintaona ny hajia. Misanda BBD 65 cents (US 33 cents) ny hajia tsirairay ao anatin'ilay amboarany.
Notsongaina haneho sehatra samihafa fiaviana sy asa ireo karazana 27 nofinidy. 100 taona ny roapolo amin'ireo, raha nomena anarana hoe super (na semi-super) centenarians kosa ireo 105 ka hatramin'ny 110 taona na mihoatra.
Nandahatra ireo amboara ho amidy indray ao amin'ny tranonkala toy ny eBay ireo mpanangona hajia.
Famangiana aniversera
Araka ny notaterin‘ny bilaogy Repeating Islands tamin'ny taona 2010, anefa, manondro lahatsoratra iray ao amin'ny New York Times, dia manana tarazo hatry ny ela i Barbados manandratra ny zokiolona ary mahatonga azy ireo hahatsapa ho miavaka sy tsy voahikilika:
In New York, the ceremonial duties of the consul general of Barbados is a custom rooted in the colonial history of that island nation. When a Barbadian turns 100, the consul attends the birthday party, and each subsequent one, bearing flowers and a proclamation celebrating the person’s life and longevity.
Ao New York, fomba amam-panao miorim-paka amin'ny tantaram-panjanahantanin'io nosy Barbados io ny andraikitry ny kaonsily jeneraliny. Rehefa feno 100 taona ny Barbadiana iray ary isaky ny mitombo taona tsirairay, dia manatrika ny lanonana aniversera ny kaonsily, dia mitondra voninkazo sy fanambaràna mankalaza ny androm-piainan'ilay olona sy ny halavan'androm-piainany.
Ireo fitsidihan'ny kaonsily ireo, izay nanomboka tamin'ny taona 2004, no “mitaratra ny tarazon'i Barbados, iantsoan'ny governora jeneraly, izay lehiben'ny fanjakana ny mponina amin'ny faha-100 taonany, ary avy eo isaky ny tsingerintaona manomboka amin'ny faha-105. ” Raha naniry koa ilay zato taona, dia afaka nangataka karatra fiarahabana avy amin'ny Mpanjakavavy Elizabeth II nanjaka tamin'izany koa ny governora tamin'izany fotoana izany.
Nitondra an'i Barbados i Grande-Bretagne mandra-pahatonga ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1966. Tamin'ny Desambra 2021, herintaona latsaka talohan'ny nahafatesan‘i Elizabeth II, dia lasa repoblika i Barbados, ka nosoloin'ny filoham-panjakana voalohany teo an-toerana ny Fanjakana Mitambatra sy ny Commonwealth .
Arisiva anjotra
Telo taona taorian'ny nivoahan'ny hajia zato taona no nivoahan'ny tranonkala iray ho fanomezam-boninahitra azy ireo. Antsoina hoe “mpanorina fototra”, ilay tranonkala – novolavolain'ny Komitim-pirenena misahana beantitra teo aloha, ny Mozean'i Barbados sy ny Fikambanana misahana tantara ary ny GIS — manome voninahitra ny fiainan'ireo zokiolona sy ny lova navelany amin'ny alàlan'ireo arisiva nomerika azo idirana izay ahitana sary, horonan-tsary sy fitantara.
Avy eo nanazava ny Minisitry ny Fanomezan-danja ny Vahoaka sy ny Raharahan'ireo Zokiolona Cynthia Forde hoe: “Nanolotra ny fanorenana ny fiovana mahatalanjona hitantsika teto amin'ity nosy ity ny asan-dry zareo sady misitraka izany ny maro amintsika, tsy nieritreritra akory ny fomba nahatongavantsika teto.”
Any amin'ny faritra izay mety ho antitra, ary matetika tsy hajaina na iharan'ny herisetra ireo mponina marefo, mety ho dingana iray hanovàna fitantarana ny ezak'i Barbados hanome voninahitra ireo zokiolona. Araka ny filazan'i Forde, “Tsy izany intsony ny fanilikilihana mifandraika amin'ny hopitalin'ny antitraho trano fiantrana. Voakarakara tsara izy ireo, mitsidika azy ireo ny mpiasa sy vondrona tena tsara mba hahazoana antoka fa tsara fiainana ny fahanterana.”
Zava-mampanahy
Mampanahy anefa ny fanararaotana ny zokiolona. Tamin'ny taona 2021, i Forde tenany mihitsy no nanentana ny olom-pirenena hiteny raha toa ka vavolombelon‘ny fanararaotana ny zokiolona izy ireo, ary tamin'ny taona 2023 dia nisolovava ireo zokiolona niharan'ny fanararaotana izy mba hahazoan'ireo ny rariny.
Niantso hisìn'ny lalàna hiarovana ny zokiolona ny Fikambanan'ny olona misotroronono ao Barbados (BARP). Hampihatra ny “fenitry ny fikarakaràna […] mba hisorohana sy hiadiana amin’ny fanararaotana ny zokiolona” izany. Araka ny volavolan-dalàna momba ny zokiolona taona 2022, izay rehetra voaheloka noho ny fihoara-pahefana amin'ny zokiolona dia mety handoa lamandy BBD 25,000 (12.500 dolara amerikana), na higadra hatramin'ny 10 taona, na izy roa mitambatra. Na izany aza, mbola tsy lany ny volavolan-dalàna, fa milaza ny BARP fa “tapa-kevitra ny hahita io lalàna io ho lany amin'ny 2024″.
Araka ny filazan'ny fikambanana dia nitombo ny fihoaram-pefy natao tamin'ireo beantitra nanomboka tamin'ny taona 2020, rehefa nahazo ny tranga voalohany tamin'ny COVID-19 ny nosy. Nandrisika fanabeazana sy fampiofanana ho an'ny mpikarakara koa ny fikambanana, “mba hahafahan'izy ireo miasa sy mitazona ny fenitra ara-dalàna.”
Tsy isalasalàna ny fanamby fa manerantany, nanosika ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2011 hanendry ny 15 Jona ho Andro maneran-tany hanairana manoloana ny fanararaotana ny zokiolona, fa any Barbados kosa, “amin'ny fitomboan'isan'ny zokiolona tsy misy tahaka izany sy ny isa maningan'ireo mihoatra ny zato taona” araka ny filazan'ny matoandahatsoratry ny Mpisolovava iray, “tsy maintsy atao ambony ao amin'ny tetikasantsika ny fiantohana ny fikarakarana ireo zokiolona ao anatin'ny takarivany, ny fanajana, ny fankalazana ary indrindra ny fiarovana azy ireo.”
Tsy isalasalàna ny fahatrarana ny 100 taona fa dingana iray miavaka, ary na dia maro aza ny fanamby, dia nahomby i Barbados ny hankatoa izany. Aseho matetika amin'ny fampitam-baovao ireo zato taona vaovao, ary manapika sary amim-pahombiazana ao amin'ny mombamomba ireo olona ny herim-panahiny sy ny fahendreny ny ao amin'ny arisiva anjotra, sady mankatoa ny anjara asa lehibe ataon'ireo mpikarakara. Ho an'ny zokiolona mahatsapa ny fitiavana sy manaja ireo fihetsika ireo eo amin'ny fiainany andavanandro, na dia mety ho dingana manaraka ny hajia mariky ny fankatoavam-pirenena aza, ny lalàna — sy ny fanabeazana —.
Tamin'ny 10 aogositra, nitatitra ny Barbados Today fa nametraka ny Politikam-pirenena momba ny Fahanterana ho an'ny taona 2023-2028 teo anoloan'ny Parlemanta ny Minisitry ny Raharahan-Jokiolona Kirk Humphrey ao amin'ny firenena, izay nampanantenàny fa tsy ho “taratasy mipetraka eo amin'ny talantalana sy manangona vovoka”. Mahasahana ny zavatra rehetra ny politika manomboka amin'ny fikarakarana ny fiaraha-monina sy ny serivisim-pahasalamana, ny filaminana ara-bola sy ny fanararaotana ny zokiolona.