Mankalaza ny Andron'ny Fanafahana ny Karaiba

 Sary sasany tamin'ireo fankalazana ny Andron'ny Fanafahana tao Trinidad avy amin'ny sforzamedia, nahazoana alalana.

Ho an'ny firenena Karaiba maro, nankalazaina ho Andron'ny Fanafahana ny 1 Aogositra, izay manamarika ny tsingerintaonan'ny Lalàna Fanafoanana ny Fanandevozana tamin'ny taona 1833, izay nanokatra ny lalana ho amin'ny fiafaran'ny fanandevozana. Amin'ny fampiharana, ny ankamaroan'ny olona andevo dia notazonina ho “mpiofana” mba havotsotra tsikelikely, ka tamin'ny taona 1838 no nampiharina ny voalohany tamin'izany.

Amin'ny maha-firenena mahaleotena voalohany nanambara ny Andron'ny Famotsorana ho andro tsy fiasana ho an'ny daholobe tamin'ny 1 Aogositra 1985,  nitarika ny fankalazana ho hetsika fanao isan-taona i Trinidad sy Tobago. Ankehitriny, faritany maro hafa ao Karaiba (CARICOM) no mankalaza an'io fotoana io ho andro tsy fiasana ary namoaka hafatra avy amin'ny Ivon-toerana PJ Patterson ho Fisoloambava Karaiba Afrika hanomezam-boninahitra ny fahatsiarovan'ny taona 2024 ny fikambanam-paritra, 190 taona taorian'ny Fanambaram-pamotsorana, hoy izy, “Mbola mitoetra ny tarazon'ny fanjanahantany” amin'ny alàlan'ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny “hantsana eo amin'ny toe-karena politika iraisampirenena.”

Ankatoavin'ny fanambaràna koa fa “narehitry ny toe-tsaina tsy nilefitra nataon’ireo razambentsika ny dia mankany amin’ny fanafahana […] nahariharin’ny Revolisiona Haisiana”. Tamin'ny taona 1791, nanatontosa ny fikomian'andevo voalohany nahomby tany Karaiba ny Afrikana andevo, nanohitra ny tafik'i Napoleon Bonaparte any Frantsa, ary nampiany hoe: “[Izahay] dia [manameloka] ny sakana ivelany sy ny enta-mavesatra napetraka amin'ny rafitra ara-politikan'i Haïti izay nahatonga azy ho niteraka. ary mampitoetra ny fahantrana sy ny fahoriana ary ny fahasimban’ny fiaraha-monina ao amin’io firenena io”.

Raha misaintsaina momba ny “fahafahana amin'ny loza ateraky ny fanandevozana sy ny fanjanahantany” ny olom-pirenena Karaiba, dia nakan'ny fanambarana tsoa-kevitra hoe, “tsy maintsy manohy mianatra momba ny hoe iza isika, mba hahafahantsika manoritra hoavy mamirapiratra ho an'ny taranaka hoavy”.

Ao anatin'izany dingana izany, indro misy topimaso sasany amin'ireo fisaintsainana sy fankalazàna izay nozaraina tao amin'ny Instagram manerana ny faritra.

Ao Trinidad sy Tobago, navoakan’ny Loop News ny sarim-pampisehoana sy vavaka avy amin'ny “Freedom Morning Come (Tonga ny Maraim-pahafahana),” tantara an-tsehatra nosoratan'i Eintou Pearl Springer ary notontosain'ny Vondrona Idakeda. Naseho tamin'ny 6:00 maraina AST (UTC-4) teo anoloan'ny Tranoben'ny Tresor ao afovoan-tanànan'i Port of Espaina, izay nanambaràn'ny governora George Fitzgerald Hill ny fanafoanana ny fanandevozana tamin'ny 1 Aogositra 1838 ny fanatontosana.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Loop TT (@loopnewstt)

Nandefa ny sarin'ny andiana Moko Jumbies, olo-malaza manao lava tongotra amin'ny alalan'ny hazo (échasse) izay manana fiaviana Afrikana Andrefana, mamakivaky ny araben'ny renivohitr'i Trinidad i Sforzamedia, mpaka sary ao afovoan-tanàna ihany koa.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Sforza Media (@sforzamedia)

Nisy tarika Moko Jumbie iray koa nanao diabe, tamin'ity indray mitoraka ity, teo ambany fanevan'ny “The Merikins“, Afrikana nandevozina teo aloha izy ireo ary nahazo ny fahafahany, taorian'ny nidirany tao amin'ny Corps of Colonial Marines (Vondron-Tantsambo Mpanjanaka). Niady ho an'ny Anglisy nanohitra an'i Etazonia tamin'ny Ady tamin'ny taona 1812 izy ireo. Maherin'ny 700 tamin'izy ireo no nanorim-ponenana tao Trinidad tamin'ny taona 1816, saingy nanangana vondrom-piarahamonina tany amin'ireo nosy Karaiba hafa, toa an'i Jamaika sy Bahamas ihany koa izy ireo.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by MokoLoveTT🖤 (@mokolovett)

Nandritra izany fotoana izany, nizara ny antsipiriany avy amin'ny sary hosodoko lehibe iray izay iasany amin'izao fotoana izao ilay mpanakanto Trinidadiana Che Lovelace. Ho azy, ny sarin'ilay mpandihy falifaly dia manasongadina ny zava-misy fa “Amin'ny farany, ho antsika rehetra, andraikitra ny fahafahana … tokony hanao zavatra mahagaga miaraka amin'izany isika!”

 

View this post on Instagram

 

A post shared by che lovelace (@chelovelace)

Niaiky izany fotoana izany tao amin'ny kaontiny IG ny Praiminisitr'i Barbados Mia Mottley tamin'ny famoahana ny sarin'ny sarivongan'ny Fanafahana ao amin'ny firenena, izay maneho ny fahatapahan'ny gadran'ny fanandevozana amin'ny alalan'ny endriky ny “Bussa”, Afrikana Tandrefana nandevozina ary iray amin'ny teratany Barbados. mahery fo, izay nanampy tamin'ny fanombohana ny fikomiana hanoherana ny fanandevozana tao amin'ny nosy tamin'ny taona 1816:

Today, we remember and honour our ancestors’ courage and determination to break free and build towards a better future where there is fairness, equality and opportunity present for all.

Today, this resilience, courage and determination is in our DNA. And to that extent, we must continue to face this worlds current challenges with the same convictions that our ancestors held.

I say Happy Emancipation Day to all here in Barbados, across the Caribbean and throughout the world.

Androany, tsaroantsika sy omem-boninahitra ny herim-pon'ireo razambentsika sy ny fahavononantsika hanafaka sy hanorina hoavy tsaratsara kokoa izay misy ny rariny, ny fitoviana ary ny fahafahana ho an'ny rehetra.

Ankehitriny, dia ao anatin'ny ADN-ntsika io faharetana, herim-po ary fahavononana io. Ka tsy maintsy manohy miatrika ireo fanamby manerantany ankehitriny isika miaraka amin'ny faharesen-dahatra izay nananan'ireo razambentsika.

Koa miarahaba antsika rehetra eto Barbados nahatratra ny Andron'ny Fanafahana, manerana an'i Karaiba ary manerana izao tontolo izao.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Mia Amor Mottley (@mamottley)

Miakatra ny vondronosy, nizara horonantsary avy amin'ny lahatsariny YouTube  “Any amin'ny alan'ny Fahalalahana: ny Maroons Mpiady ao Dominika” notontosain'ilay mpahay tantara Lennox Honychurch ny Papillote Press. Ny Maroons dia taranaky ny Afrikana izay nandositra ny fanandevozana ary nanangana ny toeram-ponenany manokana, ka maro amin'izy ireo no mbola miroborobo ankehitriny.

Farany, tany Jamaika any avaratry ny vondronosy, nankalaza ny hetsika ny mpiserasera. Ny kaonty Instagram marcusgarveyinschools kosa namoaka ny sarin'ny pan-Afrikanista Marcus Garvey mahavariana nataon'ilay mpanakanto Prince Eric Nichols, ahitana ny teny malazan'i Garvey izay nalaza kokoa tamin'ny “Hira Fanavotana” an'i Bob Marley.

 

Jereo ao amin'ny Instagram ity lahatsoratra ity

 

Lahatsoratra nozarain'i Marcus Garvey ao amin'ny Schools Foundation Jamaica (@marcusgarveyinschools)

Mpisera IG teraka tao Jamaika @RaeChuck nametraka fanontaniana manohina ny fo: “Ahoana ny fanajanao ny fahafahanao?”

 

Jereo ao amin'ny Instagram ity lahatsoratra ity

 

Lahatsoratra nozarain'i Rae Chuck 🇯🇲🇨🇳🇹🇼 (@raes_tea)

It’s Emancipation day in Jamaica 🇯🇲, we are celebrating the end of slavery today and the freedom to choose our own fate. The freedom to rest, to love, to dream…

Yet freedom and emancipation goes so far beyond the breaking of chains.

We must ask ourselves:

What is freedom to us?
How do we embrace freedom daily?
How do we empower freedom for others?
How do we continue open our minds and hearts to new levels of freedom?

Andron'ny Famotsorana eto Jamaika izao, mankalaza ny fiafaran'ny fanandevozana isika androany sy ny fahafahana misafidy ny anjarantsika manokana. Ny fahafahana miala sasatra, mitia, manonofy…

Na izany aza, ny fahalalahana sy ny fanafahana dia mihoatra lavitra noho ny famotehana ny gadra.

Tsy maintsy manontany tena isika hoe:

Inona no atao hoe fahafahana ho antsika?
Ahoana no handraisantsika ny fahafahana isan'andro?
Ahoana no anomezantsika fahafahana ho an'ny hafa?
Ahoana no hanohizantsika manokatra ny saintsika sy ny fontsika amin'ny ambaratongan'ny fahafahana vaovao?

Anjaran'ny olom-pirenena Karaiba tsirairay ny mamaly an'io fanontaniana io ho an'ny tenany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.