Venezoelà, mihevaheva mifandanja amin'ny voka-pifidianana eny ambony mizàna ny habaka sivily ao an-toerana

Saripikan'ny sainam-pirenena venezoeliàna, an'i Joseph Remedor tao amin'ny Flickr. CC BY-SA 2.0.

 Laura Vidal no nanoratra ity tantara ity ho an'ny IFEX. Nokiraina sy naverin'ny Global Voices navoaka araka ny fifanarahana nifanaovan'ny media.

Niafara tamin'ny fanambaràna ôfisialy ny fandresen'i Nicolás Maduro ny fifidianana izay ho filoham-pirenena'i Venezoelà natao tamin'ny 28 Jolay. Na izany aza, ny avy amin'ny fanoherana, ireo fikambanana iraisampirenena marobe, ary ny sasany amin'ireo governemantam-paritra dia nametra-panontaniana momba ny maha-ara-drariny ireo vokatra, ka mitaky fijerena ifotony. Voaloton'ireo fanitsakitsahana ny zon'ny mpifidy, famoretana ny fahalalahana maneho hevitra, ary famerana mafy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ilay fifidianana.

Tena henjana ho an'ny fiarahamonina sivily ireo olana, satria eo ambany fitondràn'ny fitantanana vaovaon'i Maduro dia  tandindonin'ny ho fikatonana tanteraka ny habaka sivily. Miteraka ahiahy goavana ny fieritreretana ireo enina taona fanampiny, raha araka ireo fironana tato anatin'ny taona vitsivitsy, miaraka amin'ny fanakatonana onjampeo an-jatony, ny fanafihana gazety, ny famerana ny fidirana amin'ny aterineto, ary ireo famonjàna fahatany ny olomalaza avy amin'ny fanoherana sy ireo mpanao gazety.

Voakenda mafy ny tontolon'ny media talohan'ny fifidianana, nisy ny fanarahamaso nataon'ny governemanta sy ny fanivànan-tena izay lasa nanodinkodina ny fandrakofana tsy hanana ny endriky ny asa-gazety.  Voamarik'ireo mpanao gazety sy ireo vondrona mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, isan'izany ny Kaomity Mpiaro ny mpanao Gazety, mpikambana iray ao amin'ny IFEX, fa nanao fitantaràna nidadasika ny fampielezankevitr'i Maduro ireo TV sy onjam-peo saingy tsy niraharaha ny an'ny mpanohitra kosa. Voafetra ho an'ireo tranonkalam-baovao tsy miankina ihany ny vaovao momba ireo kandidà avy amin'ny mpanohitra, toa an'i  Edmundo González sy María Corina Machado, ilay mpitarika ny fanoherana, izay maro tamin'izy ireny no voasakana, sy ireo sehatra media sôsialy toy ny X (Twitter fahiny), Facebook, Instagram, YouTube, ary WhatsApp.

Tsy fahita firy teny anatin'ireo media mahazatra ny fisehoan'ireo pôlitisiàna avy amin'ny fanoherana. Ohatra, tamin'ny Aprily, rehefa niseho tao amin'ny Venevisión, fantsom-pahitalavitra ao an-toerana ny kandidà ho filoham-pirenena González, dia ny fanapahankevitr'ilay fantsona handefa ny tafa, fa tsy ny votoatin'ny drafitra pôlitikany, no tena nasian'ireo mpampiasa media sôsialy resaka misimisy kokoa.

Ilay fikambanana ao an-toerana, ny VE Sin Filtro, dia nitatitra fa ny  CANTV an'ny fanjakàna sy ireo hafa tsy miankina mpanome tolotra aterineto dia nibahana ireo vavahadim-baovao lehibe toy ny  TalCual, El Estímulo, Analítica, ary ny Runrunes, hatramin'ireo tranonkalan'ny ONG Medianálisis sy Observatorio de Internet VE Sin Filtro. 

Herinandro vitsy nialoha ny fifidianana dia nakatona ireo fandaharana anaty onjampeo nanasàna ireo kandidà avy amin'ny fanoherana. Ny ONG Laboratorio de Paz dia nitatitra fitomboan'ny fampidirana am-ponja ireo mpikambana avy amin'ny fanoherana, ny herisetra ataon'ny fanjakàna, ary ny fampiasàna tsy araka ny tokony ho izy ireo sehatra natao ho an'ny daholobe ho an'ireo fampielezankevitry ny mpomba ny “Chavista”. Raha kely indrindra dia nisy 76 ireo fisamborana fahatany nitranga tanatin'ny roa herinandro nialoha ny fifidianana.

Nitoetra tanaty fahamailoana hatrany ny fiarahamonina sivily, niaraka tamin'ireo fikambanana toy ny Espacio Público, mpikambana iray ao anatin'ny IFEX, nanao fandefasana nivantana, nanasongadinana ny sivana sy namoahana ireo tatitra momba ny toedraharaha. Na teo aza ireo fanamby, nisy ny ezaka natao hiantohana ny fahafahana mahazo vaovao, isan'izany ny fampiharana iray vaovao nataon'ny VE Sin Filtro hanampiana handinganana ireo sakana atao amin'ny haino-vaky-jery, indrindra fa ho an'ireo tsy manam-pahafahana hiditra VPNs.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.