Ity lahatsoratra ity dia naverin'ny Global Voices noraisina ao anatin'ny fifanaraham-piarahamiasa iray amin'ny www.icicongo.net. Ao amin'ny icicongo ny lahatsoratra niaingàna.
Ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC), mankahatra ny lojikan'ny fahalalàna ireo “sarintsarina sôsialista” ka milaza “ho mahay ny zavatra rehetra” amin'ny famenoana ny tambajotra sôsialy amin'ny fanehoankevitra mazàna tsy mitombina aroson-dry zareo .
Eny amin'ireo sehatry ny media sôsialy, miditra an-tsehatra amin'ny adihevitra ireo sasany mpampiasa aterineto satria milaza ho mahay ny zavatra rehetra. Fantatra amin'ny anarana hoe “nionsologues” izy ireny, entina anondroana ilay voambolana lingala hoe “nionso” izay midika hoe “rehetra”, ny « nionsologie » araka izany dia siansan'ireo izay mihevi-tena ho mahay ny zavatra rehetra. Ny habarirdc.net, sehatr”ireo Kôngôley biloagera, dia mamaritra toy izao ilay fomba filaza:
Izy io dia toetsain'ireo izay manambony tena ho manana zo haneho hevitra amin'ny zavatra rehetra, hanazava ny zavatra rehetra, na mampiseho fa mahavita ny zavatra rehetra ry zareo. Eny fa hatramin'ny fakàny sary an-tsaina izay any am-po tsy milaokan'ny tsikalam-pieritreretan'ireo tsy niloa-bava akory aza.
Ireny « nionsologues » ireny, izay indraindray antsoina ihany koa hoe « toutologues », dia mazàna no mifototra amin'ny zava-mampientanentam-po sy ireo vinavina mba hisehoana ho mahay kokoa na mahfantatra kokoa noho ny hafa.
Sady manampahaizana manokana momba ny viriosy, ny pôlitika ary ny ara-tafika
Nandritra ilay valanaretina Ebola fanimpolony tamin'ny 2022, ary koa nandritra ny valanaretina Covid 19, marobe ireo mpiondana aterineto no nijoro ho “manampahaizana manokana momba ny viriosy (virologues, épidémiologistes) na manampahaizana manokana amin'ny sehatry ny fitsaboana. Ankehitriny ireny lazaina ho manampahaizana manokana ireny dia misora-tena ho mpahay lalàna, manampahaizana manokana amin'ny paikady miaramila, fiarovana ary diplaomatika. Tsy misalasala velively ireny “intellectuels 2.0″ ireny manome ny fomba fijeriny, toy ny fanamarihana tao amin'ny tambajotra X, nataon'i Toussaint Tshilombo, lehilahy pôlitisiàna sady profesora any amin'ny Oniversite:
Anaty adihevitra iray momba ny nokleary, eo ry zareo ary milaza ho mahafanta-javatra momba izany. Raha resaka fanodinkodinana volam-bahoaka, hainy ny milaza aminao hoe iza no efa nanao izany hatry ny ela sy ny hoe iza no nividy inona tamin'ilay vola nahodina… Ndeha isika hanana fanetrentena tsy hampiseho hoe mahay ny zava-drehetra sy mahafehy ny zavatra rehetra. Ndeha isika hanaporofo fa haintsika ny mianatra avy amin'ny hafa tsy misy fiheveren-tena ho ambany. Fahendrena izany !
Matetika ireny « manampahaizana 2.0 » ireny no mandray anjara amina adihevitra mahakasika lohahevitra manahirana, amin'ny fampifangaroana ireo vaovao azo inoana sy ireo filaza mamitaka sy tsy mitombina. Indraindray ry zareo dia miantehitra amina loharano diso ary, araka izany, manaparitaka fakom-baovao mba hahazoana ‘Tia’ maro, fizaràna ary jery marobe.
Amin'io zotra io ihany, tohizan'ny profesora Toussaint Tshilombo, ao amin'ny kaontiny X :
La nionsologie prend de la place dans la twitosphere rdcongolaise par rapport à l’actualité immédiate dans le pays.
Ayons l’humilité de ne pas montrer que nous savons tout et maîtrisons tout.
Prouvons que nous pouvons apprendre des autres sans complexe d’infériorité. C’est sage.— Toussaint Tshilombo Send (@exxousia) June 27, 2020
Maka toerana eo amin'ny tontolon'ny fibitsihan-dry zareo Kôngôley ny “nionsologie” raha mitaha amin'ny vaovao avy hatrany ao amin'ny firenena.
Ndeha isika hanana fanetrentena tsy hampiseho hoe mahay ny zava-drehetra sy mahafehy ny zavatra rehetra.
Ndeha isika hanaporofo fa haintsika ny mianatra avy amin'ny hafa tsy misy fiheveren-tena ho ambany. Fahendrena izany !— Toussaint Tshilombo Send (@exxousia) 27 Jona 2020
Vakio: Hamaky inona, hanaraka an'iza mba hahafantarana ny vaovao sôsialy sy pôlitika ao RDC?
Mbola ao amin'ny tambajotra X hatrany, “nionsologue” iray mitondra ny anarana hoe Simaro Ngongo, ohatra, no namoaka fakàn-tàhaka iray manao hoe ” marary ny filohan'ny Repoblika ary maniry ny hisintaka amin'ny fitondràna” :
TRÈS #MALADE, FÉLIX @TSHISEKEDI ANNONCE À SA FAMILLE RESTREINTE SON INTENTION DE CÉDER LE POUVOIR À SON FRÈRE @JACQUESTSHISEKEDI. DEPUIS QUELQUES SEMAINES, TSHISEKEDI S’AFFICHE ASSIS ET AFFAIBLI. RONGÉ PAR UNE PATHOLOGIE AUX SYMPTÔMES D’UNE HERNIE DISCALE, TSHISEKEDI BOUDERAIT SON HOSPITALISATION IMMÉDIATE. DÉTAILS.
- Ceux qui sont reçus par FÉLIX TSHISEKEDI depuis quelques semaines ne parviennent pas à s’expliquer qu’un président friand des solennités, cérémonies et célébrations télévisuelles reçoive désormais ses visiteurs en étant en position préalablement assise.
- Les échos du dernier Conseil des Ministres pourraient être pris au sérieux lorsqu’il est rapporté que TSHISEKEDI aurait été le premier dans la salle où il à reçu et salué ses ministres toujours en position assise.
- Des indiscrétions confirment que FÉLIX TSHISEKEDI s’appuierait actuellement sur deux béquilles très solides. C’est la principale raison de la nervosité de @DENISE NYAKERU TSHISEKEDI qui verrait en @AUGUSTIN KABUYA un éventuel successeur robuste de son époux.
- Lors d’une réunion familiale très restreinte, FÉLIX TSHISEKEDI aurait levé l’option de céder le pouvoir à son frère JACQUES TSHISEKEDI, actuel patron de la sécurité du pays. FÉLIX qui devait quitter le pays en fin de semaine dernière, résisterait toujours à la recommandation de ses médecins suggérant une intervention chirurgicale très suivie en dehors du Congo.
- Il y a quelques mois, dans ses incantations prophétiques, le pasteur DENIS LESSIE (en exil aux États-Unis d’Amérique) avait prédit un empoisonnement possible de FÉLIX TSHISEKEDI et que cette intoxication pourrait provoquer une paralysie généralisée de l’individu.
- Le peuple congolais est invité à bien surveiller les faits et gestes de TSHISEKEDI afin de confirmer ou non ces informations de très haute confidentialité politique. « L’ÉTAT DE SANTÉ DE TSHISEKEDI EST PRÉOCCUPANT »
— Simaro Ngongo Case (@SimaroNgongoMba) July 18, 2024
#MARARY MAFY, NAMBARAN'I FÉLIX @TSHISEKEDI TAMIN'NY FIANAKAVIANY NY FANIRIANY HANOME NY FAHEFANA HO EO AN-TANAN'NY RAHALAHINY @JACQUESTSHISEKEDI. EFA HERINADRO VITSY I TSHISEKEDI NO MIPETRAKA ARY RERAKA REHEFA MISEHO OLONA. NOKIKISAN'NY ARETINA IRAY MANANA TRANGA HO TOY NY HERNIE DISCALE, MIDONGY NY FAMPIDIRANA HOPITALY AZY AVY HATRANY I TSHISEKEDI. NY ANTSIPIRIHANY.
- Tsy nisy tamin'ireo noraisin'i FÉLIX TSHISEKEDI nandritra ny herinandro maromaro no mba afaka manazava izay antony mahatonga ity filoha iray tia voninahitra, lanonana sy fankalazàna anaty fahitalavitra, ho lasa mandray ireo mpitsidika azy eo amin'ny toerana mipetraka efa voalamina mialoha.
- Tokony horaisina amin'ny fomba matotra ireo akon'ny filankevitry ny minisitra farany teo, rehefa azo ny tatitra, hoe i TSHISEKEDI no toa efa voalohany tao an'efitrano nandraisany sy niarahabàny ireo minisitra, mbola teo am-pipetrahana hatrany.
- Nisy ireo tsy nahatàm-bava nanamafy fa mitondra tehina mafy anankiroa ankehitriny i FÉLIX TSHISEKEDI. Izany no tena anton'ny mahaseriny an'i @DENISE NYAKERU TSHISEKEDI izay mahita an'i @AUGUSTIN KABUYA ho mety mpandimby goavana am-badiny.
- Nandritra ny fivoriana iray nataon'ny fianakaviana akaiky, toa navoitran'i FÉLIX TSHISEKEDI ny safidy hanome ny fahefana ho an'ny rahalahiny JACQUES TSHISEKEDI, lehiben'ny fiarovana ny firenena amin'izao fotoana izao. FÉLIX izay tokony nandao ny firenena tamin'ny herinandro lasa, fa toa hoe mandà foana ny torohevitry ny mpitsabo azy izay miteny aminy hiatrika fandidiana tsara fanarahamaso any ivelan'i Congo.
- Volana vitsy lasa izay, tanatin'ireo faminaniana ara-pivavahana nataony, nilaza i pastora DENIS LESSIE (an-tsesitany any Etazonia) ny amin'ny mety higadràn'i FÉLIX TSHISEKEDI ary mety hiteraka haleman'ny vatany manontolo ho an-drangahy io ny fahapoizinana.
- Asaina ny vahoaka kôngôley mba hanara-maso ny zavatra atao sy fihetsika ataon'i TSHISEKEDI mba hanamarinana na tsia ireo vaovao tena tsiambaratelo pôlitika avo dia avo ireo. « MAMPANAHY NY TOE-PAHASALAMAN'I TSHISEKEDI » pic.twitter.com/CmNhTeedVr
— Simaro Ngongo Case (@SimaroNgongoMba) 18 Jolay 2024
Tsy mitsitsy mihitsy ireo mpampiasa aterineto mametraka fanehoankevitra ao ambanin'io ranty io. Maneho hevitra i Freddy Kabey, mpandalina:
@SimaroNgongoMba Je suis content quand vous détaillez avec joie et sérieux votre idiotie à travers des mensonges qui ne tiennent mm pas debout. Que le #PR05 @fatshi13_ soit malade ou pas, sachez que c'est un humain et non un robot. Qu'il se soigner aujourd'hui ou à la fin de la…
— FREDDY KABEY W. MUTOMB (@LeContribuable_) July 18, 2024
@SimaroNgongoMba Faly aho rehefa amim-pahamatorana sy an-kafaliana ianareo no manome antsipirihany ny hadalànareo amin'ny alàlan'ny lainga tsy misy fotony. Na marary na tsia ny #PR05 @fatshi13_, fantaro fa olombelona izy fa tsy raboto akory. Na androany izy no hitsabo tena na rehefa tapitra ny…
— FREDDY KABEY W. MUTOMB (@LeContribuable_) 18 Jolay 2024
Eo ambanin'io ranty io ihany, kaonty iray hafa mitondra ny anarana hoe Kalumbu Jean Paul no manoratra:
Les infos des hommes malades de la RDC, FAKE NEWS.
AUJOURD'HUI LE CHEF DE L'ETAT A RENDU LES DERNIERS HOMMAGES À UN ANCIEN DÉPUTÉ NATIONAL, MINISTRE DE SPORT.alors on se demande d'où vient l'info de la maladie dont souffre le PR05?svp! Méfiez-vous des fakesnews !— Kalumbu jean paul (@Kalumbujeanpau1) July 18, 2024
Vaovao mikasika ireo lehilahy mararin'i RDC, FAKOM-BAOVAO.
ANDROANY, NANOME VONINAHITRA FARANY AN'ILAY SOLOMBAVAMBAHOAKA TALOHA, MINISITRY NY FANATANJAHANTENA NY FILOHA. Araka izany, mampanontany tena hoe avy aiza ireo vaovao momba ny aretina mahazo ny PR05? azafady! Mitandrema amin'ireo fakom-baovao !— Kalumbu jean paul (@Kalumbujeanpau1) 18 Jolay 2024
Paikady fandàvana hoy ireo “nionsologues”
Mitondra ny vahoaka ho amin'ny hadisoana ny fanaovana ho ara-dalàna ny lainga. Io trangan-javatra io dia fantatra amin'ny hoe dona Dunning-Kruger, antsoina ihany koa hoe “fahatokisantena tafahoatra”. Rafitra ara-tsaina izy io, izay ironan'ireo olona tsy dia alehany loatra ao anaty vondrona iray hanome lanja kokoa ny fahaizany ao anaty sehatra iray. Umberto Eco (1932-2016), Italiàna teôrisiàna, no manazava ny anjara toeran'ny tambajotra sôsialy izay manamafy io trangan-javatra io. Hoy izy :
Ny tambajotra sôsialy no nanome zo hiteny ho ana legionan'adala maro izay tany aloha tany, tsy niresaka raha tsy teny an-trano fisotroana ary tsy nitera-pahavoazana ho an'ny fiarahamonina. Tonga dia nampanginina avy hatrany ry zareo. Ankehitriny, manana zo hiteny ry zareo, mitovy amin'ny olona iray nahazo Loka Nobel.
Manoloana ireo « nionsologues », lasa sarotra ho an'ireo manampahaizana ny manao izay hampandrenesana ny feon-dry zareo. Izany dia lasa mitondra ho amina tsy fahatokisana faobe an-ireo manampahefana siantifika sy ireo mpanapa-kevitra pôlitika.