Hirika tsy fahita firy ho ana Afrikàna iray mpanao gazety izany hoe hanao fandrakofana ny Lalao Ôlaimpika izany, tafa niarahana tamin'i Daniel Dodjagni

Daniel Dodjagni, Tôgôley mpanao gazety. Saripika nahazoana alàlana

Noho ny hetsika iray nataon'ny CFI Médias izay masoivoho frantsay iray ho fampiroboroboana ny media, marobe ireo Afrikàna mpanao gazety no tonga manatrika ny Lalao Ôlaimpika ao Parisy ary afaka manolotra, araka izany, ny fomba fijery afrikàna sy samihafa kokoa momba ny tranga iray izay sady ara-panatanjahantena no ara-pôlitika.

Vakio: Fijerin'ireo Afrikàna mpanao gazety ny Lalao Ôlaimpika Parisy 2024

Tonga mandray anjara amin'ireo Lalao Ôlaimpika ao Prisy i Togo, miaraka amina atleta 5 mitsinjara ho anaty taranja efatra: Akoko Komlanvi amin'ny voy làkana, Jordano Daou sy Adèle Gaïtou samy amin'ny lomano, Naomi Akakpo amin'ny atletisma, ary Eloi Adjavon amin'ny “triathlon”.  Tsy nahazo na dia medaly iray aza ilay firenena satria nihintsana nandritra ny fifaninanana ireo atleta ireo, izay tsy nahasakana ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, anefa, mba hanaraka akaiky ny vaovao momba ireo Lalao.

Ho an'ny fandraisany anjara voalohany amin'ireo Lalao Ôlaimpika, ilay Tôgôley mpanao gazety, Daniel Dodjagni, mpanao gazety avy amin'ny Gakogoe.t, no manazava amin'ny Global Voices ny tombony entin'ny fanotronany JO amin'ny asany, ny fifandraisany amin'ireo Tôgôley atleta sy ny hoavin'ny fanatanjahantena tôgôley amin'ny ankapobeny.

Jean Sovon (JS): Ahoana no fomba nataonao mba ho isan'ireo Afrikàna mpanao gazety hanatrika ny JO ao Parisy?

Daniel Dodjagni (DD): Niainga avy amin'ny tetikasan'ny CFI Média, masoivoho frantsay iray ho fampiroboroboana ny media izay nandefa antso firotsahana, tamin'ny alàlan'ny Kaomity Ôlaimpika Nasiônaly (CNO) tany amin'ireo firenena mampiasa sy/na miteny frantsay ao Afrika. Ny CNO ao Togo no nanomboka io dingana io, izay nandraisako anjara tamin'ny Novembra 2023. Taorian'ny fandinihana antontan-taratasy, telo izahay no voatazona. Soa ihany fa voafantina aho  taorian'ny fifaninanana iray natao. Momba ny tohiny indray, nanaraka fiofànana izahay.

Ary rehefa CNO ianao, nefa tsy manana atleta miisa 50 voafantina farafahakeliny, dia tsy manana zo afa-tsy mpanao gazety iray homena alàlana. Tsy manana afa-tsy 5 i Tôgô, ary tsy misy afa-tsy toerana iray ho an'ny mpanao gazety, izay lasa taty amiko. Nataon'ny CNO Togo izay rehetra azony natao mba hahazoako fankatoavana, dia nahazo fankatoavana aho, izay nahafahako nanao ny dia, tonga eto sy mahita ireo Lalao Ôlaimpika any amin'ireo toerana samihafa azoko aleha.

JS: Inona no zavatra niainanao amin'ny maha-Afrikàna mpanao gazety ara-panatanjahantena anao mampita ireo JO?

DD: Traikefa iray miavaka iainana io amin'ny maha-mpanao gazety. Tsoriko aminao fa tena mahasoa ilay izy. Manampy anao hahatakatra zavatra marobe. Mihaona amina mpanao gazety marobe ianao, izay nohenoinao avy lavitra, olona tsy nosaintsaininao velively hihaonana mandritra ny androm-piainanao. Betsaka ny zavatra azo tamin'ny alàlan'ireny fihaonana ireny.

Tsara rindra ny fitsidihana ireo toerana samihafa. Mampitombo anao amin'ny maha-mpanao gazety anao izany. Izany rehetra izany no mitambatra ho fiofanana ahafahanao mivoatra ao anatin'ilay ataonao ho asa. Betsaka ireo mpanao gazety namana tonga avy amina firenena hafa, Côte d'Ivoire, Borkina, Mali, Bénin, Guinée,  RDC, ary Madagasikara. Samy manana ny fomba fiasany daholo ny tsirairay.

Ny ekipam-panabeazana najoron'ny CFI Média niaraka tamin'ireo mpanao gazety malaza toa an'i Noël Kokou Tadegnon, Franck Simon izay fantatr'ireo Afrikàna maro tamin'ny alàlan'ny  Canal+ sy i Sylvie Larrière izay iray tamin'ireo mpampiofana amin'ny asa fanaovana gazety, no nahafahanay nianatra tsy tapaka. Tena mitondra soa ho anay izany ary maka lesona avy amin'io traikefa io izahay.

JS: Mifantoka amin'ireo Afrikàna atleta ve ny asa ataonao?

DD: Amin'ny ankapobeny, ireo Afrikàna atleta no tena ifantohana betsaka amin'ny asanay satria ho an'ny media afrikàna no andrakofanay ny JO. Araka izany, mifantoka kokoa amin'ny zavabitan'ireo atleta avy amin'ny firenenay, fa atsofokay ao koa ny an'ireo atleta avy amin'ireo firenena afrikàna hafa, na miteny frantsay, na pôrtiogey, na anglisy izy ireny.

Fa miasa ihany koa izahay mijery ireo atleta manam-piaviana afrikàna nefa misolo tena firenena hafa. Azoko tanisaina i Félix Auger-Aliassime, Kanadiàna mpilalao tenisy fa manam-piaviana tôgôley, sy Clarisse Agbedjinou, vehivavy tôgôley mpilalao judo ao Frantsa.

Sarin'i Daniel Dodjagni

JS: Ahoana no fahitànao ny zavabitan'ireo Tôgôley atleta tonga nanao Lalao Ôlaimpika?

DD: Mifandray tsara amin'ireo atletanay aho, amin'ny ampahany dia noho ny CNO Togo izay nanampy betsaka ahy hihaona tamin-dry zareo sy hitafa tamin-dry zareo ireny. Afaka nahazo izay tena ilaina aho mba hanoratako ny lahatsoratro.

Marina fa aloha be tany amin'ny fifaninanana nandraisan'izy ireo anjara no nihintsana ireo atletanay, fa ny JO, tena avo lenta kosa aloha e, ifangaroan'ireo goavan'ny fanatanjahantena erantany. Araka izany dia tena sarotra ny hakàna medaly. Rehefa mahita atleta iray mahazo medaly volamena ianao, tsy maintsy midera azy, satria tsy maintsy miasa mafy vao afaka ny ho tonga amin'izany haavo mahazo medaly izany. Tena tsy mora velively.

Ananan'ireo atletanay izay faniriana handresy sy ho lasa lavitra izay, saingy tsy maintsy miasa ireo manampahefana any aminay mba hahatratraranay ny lentan'ny medaly. Fahiny izahay dia efa nahazo medaly iray tamin'ny alàlan'i Benjamin Boukpeti tamin'ny sokajy Canoe Kayak nandritra ny JO Pékin – 2008, saingy tsara ny manamarika fa mipetraka any Frantsa izy, toerana ahafahany manoman-tena tsara araka ny tokony ho izy.

Izaho mihevitra fa vao sambany no nandray anjara tamina JO ireo Tôgôley atelta rehetra ireo. Ho araraotin-dry zareo  izany traikefa izany mba hahafahana manao tsara kokoa amin'ireo taona hoavy satria tena mbola tanora tokoa ry zareo, manodidina ny faha-roapolo taonany. Mbola manana fotoana hianarana izy ireo. Angamba hanao tsaratsara kokoa any Los Angeles amin'ny 2028.

Vakio koa : Iza i Aya Nakamura, ilay mpanakanto nambara fa hanokatra ny Lalao Ôlaimpika Parisy 2024?

JS: Hita fa lafobe be ny zo hampita ireo JO, misy fanalefahana ve ho an'ireo fantsona afrikàna?

DD: Tsy manam-pahafahana loatra ireo fantsom-pahitalavitra any aminay. Raha tianao ho azo ireo fifaninanana JO rehetra, tsy maintsy mamoaka vola be. Nefa, raha ny fantatro, manome mandrakariva tolotra manokana ny Kaomity Ôlaimpika Iraisampirenena, arakaraka ny fahafahan'ireo media tsirairay.

Mihevitra aho izao fa tsy orinasa miditra amin'ny resaka sôsialy ny CIO. Vola daholo vao mihetsika amin'izao fotoana izao. Raha tsy ananan'ny media iray ny fahafahana hampita, tsy voatery izy handefa ireo JO. Rehefa hoe media izay no anaranao, dia afaka koa ianao manana mpanao dokambarotra izay afaka mividy ho anao ireo zo amin'ireny fampitàna ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.