Nanomboka tamin'ny 26 Jolay 2024, ao anatin'ireo Lalao Ôlaimpika 2024 atao ao Parisy, nihovitrovitra nanaraka ny gadon'ireo taranjam-pifaninanana ara-panatanjahantena samihafa izao tontolo izao. Manana atleta misolo tena azy tsara ny tanibe afrikàna, fa mba ho an'ny vahoaka afrikàna, dia ao koa ireo mpanao gazety mandrakotra manontolo ireo fifaninanana .
Vakio koa : Iza i Aya Nakamura, ilay mpanakanto nambara fa hanokatra ny Lalao Ôlaimpika Parisy 2024?
Hatry ny ela dia ireo mpanao gazety tsy afrikàna no tena mpandrakotra ny lalao ôlaimpika, noho ny antony ara-bola satria vitsy ireo media afrikàna no afaka nandefa mpanao gazety teny an-toerana mihoatra ny roa herinandro. Niavaka ny tamin'ity taona ity: ny kaomity mpikarakara ny Lalao Ôlaimpika 2024 ao Parisy, tamin'ny alàlan'ny tetikasa Paris Médias 2024 dia nanasa ireo mpanao gazety avy amin'ilay tanibe mba hahafahana manome ny fijery afrikàna momba ity seho erantany ity. Sambany teo amin'ny tantaran'ny Lalao Ôlaimpika io. Isanandro, ao anatin'ilay ampaham-pandaharana mitondra lohateny hoe Regards africains ao amin'ny onjampeo Radio France Internationale (RFI) dia marobe ireo Afrikàna mpanao gazety no miteny sy manome ny fahatsapàn'izy ireo mahakasika ireo endrika isankarazan'ny JO: ny fifangaroana kolontsaina, ny fari-piainana ao Parisy, ny fifandraisan'i Frantsa sy ny firenena niavian-dry zareo, ny fizotry ny JO, ny zavabitan'ireo Afrikàna atleta.
Tahotra ny sambany vao hivahiny sy ny fiainana lafo ao Parisy
Na dia nomen'ny kaomitin'ny JO fankatoavana aza, tsy nahazo toky loatra i Nesta Yamgoto, tsadiàna mpanao gazety ao amin'ny TchadInfos momba ny ho fidirany ao Frantsa, teo anelanelan'ny tahotra hoe ho ampodiana sy ny filonana anatin'ny fiainana andavanandro ao anaty kolontsaina iray samy maka ho azy kokoa. Hoy izy:
Sarotra mandrakariva ho an'ny Afrikàna iray ny manitsaka ny faritra frantsay, noho izy ireo mitaky antontan-taratasy marobe. Vantany vao tonga manoloana ny fadin-tseranana, dia hoy aho an'eritreritro hoe mety hiteny izao ilay rangahy ity fa misy taratasy tsy ampy. Nobanjininy aho, ary hoy aho tamin'ny tenako ihany “Fa inona marina no tena tadiaviny “. Toy ny hoe dimy minitra tao an-dohako ireo segondra vitsy ireo. Afaka fotoana vitsy, hoy izy tamiko “izay, afaka mandeha ianao”, nasiany fitomboka dia vita – oufff maivamaivana izay.
Somary hafahafa izany ny fahatsapàko satria tsy nisy an'ilay “bonjour-bonjour, comment vous allez“, tsy misy an'izany eto. Samy maka ho azy, samy mifantoka amin'izay ataony ny tsirairay. Mety handray metro mandritra ny 40mn ianao, saingy tsy afaka miteny na mifampiresaka amin'olona hafa. Mba te-hifanakalo aho, te-hiresaka ary hahafantatra ny fomba fiainan'ny olona eto. Saingy mba hahafantarana izany, tsy maintsy mifampiresaka amin'ny hafa ianao, nefa indrisy fa tsy izay no zavamisy, tsy nifampiresaka tamina Pariziàna X tahaka izany aho.
Kena-Did Ibrahim Houssein kosa, Djibotiàna mpanao gazety, izay nanam-bintana handray anjara tamin'ny lanonana fanokafana ho fanomezana voninahitra ireo mpanao gazety iraisampirenena dia nilaza tao amin'ny RFI momba ny fifandraisana misy eo amin'i Djibouti sy Frantsa:
(…)Manana fifandraisana am-pirahalahiana manan-tantara i Djibouti sy Frantsa, izay mihamatotra sy mihamafy arakaraky ny fotoana. Izaho mihevitra fa manana zavatra betsaka ifampizaràna ny vahoaka ao Djibouti sy ny Frantsay, ary marobe ny soatoavina iraisana. (…) Azo lazaina ho toy ny fifandraisam-pianakaviana ny an'i Djibouti sy Frantsa, avy amina fianakaviana iray ihany. Ary rehefa tonga ao Frantsa, fifaliana foana ny mifankahita amin'ny vahoaka frantsay.
Ny halafon'ny vidim-piainana mandritra ireo fifaninanana iraisampirenena no iray amin'ireo zavatra misongadina. Ny fari-piainana sy ny halafon'ny vidin'ny zavatra sasantsasany no iray amin'ireo endrika nahataitra an'i Michel Tobo Nkosi, Kôngôley mpanao gazety. Zendana izy hoe azo atao ny mivarotra kaskety tsotra misy ny maripamantarana ny JO amin'ny vidiny lafo dia lafo afaka anampiana ankohonana iray ho tafavoaka velona mandritra ny herinandro iray any amin'ny fireneny. Hoy izy :
Nahita kaskety aho, nopetahana fangon'ny JO Paris 2024 fotsiny teo amboniny, namidy 45 euros anefa, 45 euros izay mitovy amin'ny 190 000 francs kôngôley any amiko any Congo. Amin'io vola io, afaka mivelona mandritra ny herinandro ny ankohonana iray misy olona 3 na 4. Dia handany an'izany ho ana kaskety iray monja, tena nisy voatsindrona kely kosa na izany aza tao am-poko tao. Izaho, ohatra, manambady, raha ren'ny vadiko fa nandany 50 dôlara aho mba hividianana kaskety iray monja, tena lazaiko marina aminareo fa ho ratsy ny raharaha ao an-trano ao.
Fahitàna harena ara-kolontsaina goavana
Fantatra amin'ny lafiny fizahantany, ny fahitàna ny tanànan'i Parisy dia fotoana iray fanararaotra ho an'i Romance Vinakpon, ramatoa mpanao gazety avy any Benin, hijerena akaiky kokoa ireo tsy fitoviana ara-tsôsialy, fa koa ny harena ara-kolontsain'ilay tanàna.
Na dia mbola tsy nanana vintana ny ho any aza, rehefa ao Cotonou dia miresaka an'i Frantsa, tsy misaina afa-tsy Tour Eiffel, Arc de Triomphe, tsy mieritreritra afa-tsy ireo mozea goavana, kanefa eo koa ireo tena zavamisy, toy ny Château Rouge, ohatra, hitanao ireo toerana izay toy ny maha-te-hanontany tena anao raha toa ireny ka fonenana tsizarizary na “ghettos”. Ireny, ohatra, dia zavatra tsy hita any anaty tambajotra sôsialy.
Zavatra tsikaritra ho an'ilay mpanao gazety ihany koa ny hamaroan'ny maripamantarana:
(…)tena misy ny fahamaroana, eo amin'ny lokon-koditra, ny kolontsaina sy ny fomba fisaina ihany koa. Tsy nihevitra mihitsy ny hahita izany aho, saingy tsapako fa misy zom-pirenena marobe hafa, ary kolontsaina marobe hafa, tafahaona ao Parisy. Ho ahy, raha mahavita miara-mitoetra ireny olona rehetra ireny ary miaina miaraka, dia efa hafatra iray kosa izany, sy fomba iray hampivelarana ny tontolo, satria mitovy daholo isika…
Fanohanana ho an'ireo atleta tsy noraharahiana nandritra ny fanomanan-tenan'izy ireny
Anatin'io fivoriambe ara-panatanjahantena io, ny fepetram-panomanana tany alohan'ireo fifaninanana dia misy fiantraikany amin'ny zavabitan'ireo atleta, ary ireo avy any Afrika, na lahy na vavy, dia matetika no latsa-danja. Izany no ezahan'i Kiady Arivony Razafiarison, Malagasy mpanao gazety avy amin'ny 2424.mg. Teo amin'ny fandraisampeon'ny RFI, mihevitra izy fa ny tsy fahampian'ny fitaovana no nahatonga ny fireneny tsy mahavita intsony manondrotra ireo mpanao fanatanjahantena. Manazava izy :
Ao Madagasikara, tsy dia misy intsony famokarana atleta vaovao. Ny olana amin'izao fotoana izao ao Madagasikara dia ny tsy fahampian'ny fitsirihana ireo atleta tanora. Ankehitriny eo amin'ny atletisma, tsy manana intsony izahay, na dia ny tompondaka aza, amin'ny resaka vikin-dava, ny fitsambikinana miakatra, ny toraka lefona, izany rehetra izany. Azo lazaina ho toy ny nanjavona ilay taranja. Eo ihany koa ny tsy fahampiana fotodrafitrasa, izay tena manafay mafy ny fanomanana sy ny fivoaran'ireo Malagasy atleta. Ohatra, nisy an'i Jonathan Raharvel izay nanakiana ny fiomanany. Raha tokony hanoman-tena anaty dobo ôlaimpika, dia dobo mirefy 25 m no nanaovany fanomanana ny lalao. Nisy fiantraikany be tamin'ny zavabitany izany.
Tetsy ankilany, Salématou Sylla, gineàna mpanao gazety dia manararaotra ny fanatrehany ny JO mba ho tohana goavana iray ho an'ireo gineàna atleta mandritra ireo fifaninanana. Endrika iray heveriny fa tena zavadehibe satria, araka ny filazany, tsy tokony hohamaivanina ny fanohanana ara-tsaina mba hahafahana manohy, indrindra fa raha sanatria tsy nahomby:
Ny ankamaroany, rehefa nihintsana ry zareo, dia mitady ny handeha hody avy hatrany mba hanadinoana izay nitranga. Rehefa misy ny tsy fahatratrarana ny zavabita teo aloha, tena mafy izany ho an'ny maro. Izaho mahita fa zavadehibe matetika ny mamela an-jorony ny lafiny asa fanaovana gazety ary mipetraka ho toy ny zoky anabavy, fa koa Gineàna, satria solontenan'ny loko telo maha-gineàna koa ry zareo ireny, noho izany, ao anatin'izay lafiny izay, tokony ho eo ianao, miezaka ny mampiakatra ny herin-tsain-dry zareo mba tsy hiforitra anaty sy hikatona amin'ny tontolo.
Io irika ho afaka manao fandrakofana manokana nomena ireo mpanao gazety avy ao amin'ny tanibe io dia ahafahana manao vakiteny mampiaty ny zavamisy sy ireo fanamby manodidina ny fikarakaràna ireny fihaonambe ara-panatanjahantena ireny, indrindra fa ho an'ireo Afrikàna.