Mety ho asesika ao an-dohan'ireo mpianatra ambaratonga faharoa any Hong Kong ny “Fisainana Xi Jinping”

Foaran'ny boky 2022 tao Hong Kong. Saripika: Peter Lee/HKFP.

Tamin'ny 1 Aogositra 2024 ity tatitra ity no navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP). Dika iray nasiam-panovàna no avoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.

Mety ho ampianarina an'ireo mpianatry ny ambaratonga faharoa ato ho ato ny ideôlôjia pôlitikan'ilay shinoa mpitarika, Xi Jinping , araka ny sosokevitry ny fandaharam-pianarana ho an'ny taranja vaovao “Zom-pirenena, Toekarena ary Fiarahamonina”.

Ilay taranja vaovao izay ho atsofoka amin'ireo mpianatry ny taona voalohan'ny ambaratonga faharoa rehefa hanomboka ny taom-pianarana amin'ny volana ho avy io, dia hanasongadina ny fampianarana momba ny fiarovam-pirenena sy ny  maripamantarana nasiônaly. Ny Alarobia teo no navoakan'ny Biraon'ny Fanabeazana ireo taridàlana momba ilay taranja, tamin'ny filazàna fa tokony ho hita ao anatin'izy io ny votoaty mifandraika amin'ny fanabeazana tia tanindrazana. Mivaky toy izao ilay antontan-kevitra:

[Ny Fanabeazana Tia Tanindrazana dia] manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fandrosoan'ny firenentsika sy ny lanjan'ny fifandraisana akaiky eo amin'ny Tanibe sy Hong Kong ho amin'ny fampandrosoana ny fiarahamonintsika, mikolokolo araka izany ny fahatsapàn'ireo mpianatra ny lanjan'ny fisiana ao anaty firenena, ny fitiavana ny firenena ary ny fahatsapàna ny marika maha-firenena azy.

Raha nitanisa ny lalàna momba ny fanabeazana ao Shina, izay nanan-kery nanomboka ny 1 Janoary ary ampiharina any Hong Kong sy Macau sy ao amin'ny tanibe Shina, dia “ohatra” dimy no omen'ilay taridàlana momba ireo lohahevitra ho ampahan'ny fanabeazana tia tanindrazana natao hianaran'ny mpianatra. Isan'ireny ny: Fisainana Xi Jinping momba ny Sôsialisma manana Toetra Mampiavaka ny Shinoa ho an'ny Vanim-Potoana Vaovao, fantatra be amin'ny hoe Ny Fisainana Xi Jinping;  Sôsialisma manana Toetra Mampiavaka ny Shinoa; ary filaminam-pirenena sy ny fiarovam-pirenena.

Ny Fisainana Xi Jinping dia atolotra ho an'ireo mpianatra amin'ny taona fahatelo eny amin'ny ambaratonga faharoa ho toy ny ampahan-taranja antsoina hoe “Ny Rafitra Pôlitikan'ny Firenentsika sy ny Fandraisany Anjara amin'ny Raharaha Iraisampirenena.”

Isan'ny fampielezankevitra ideôlôjikan'i Xi ny fampiroboroboana ny fanabeazana tia tanindrazana, satria katsahany ny hampiray sy hanabe ireo mpikambana ao anatin'ny Antoko Kaominista shinoa hifanaraka amin'ny fotopampianarany.

Tamin'ny Alakamisy, rehefa nanontaniana momba izay tokony hianaran'ireo mpianatra ao anatin'ilay Fisainan'i Xi Jinping,  Ranny Yau, talen'ny Kôlejin'ireo tale ao amin'ny  TWGHs Kap Yan no sady filohan'ny kaomity iray misahana ny fandinihana ilay taranja vaovao, dia nilaza tamin'ny Ming Pao fa mila mahafantatra misimisy kokoa momba an'i Shina ireo zandry mpianatra eny amin'ny ambaratonga faharoa.

“Tsy ilaina ny manavaka sy manasongadina ny votoaty sasany izay mety hanelingelina ireo mpampianatra,” hoy i Yau tamin'ny fiteny kantôney.

Nanomboka tamin'ny 2021 ny Fisainana Xi Jinping no natsofoka tao anatin'ny fandaharam-pianaran'ny ambaratonga fototra hatrany amin'ny fampianarana ambony tao amin'ny tanibe Shina.

Nambaran'ny governemanta fa izy io no hasolo ny Fiainana sy Fiarahamonina miaraka amina taranja iray vaovao tamin'ny 2022, nomena anarana hoe Zom-pirenena, Toekarena ary Fiarahamonina.

Tsy hita ao anatin'ny antontan-kevitra iray momba ilay taranja Zom-pirenena, Toekarena ary Fiarahamonina, nozarain'ny Biraon'ny Fanabeazana tamin'ny Ôktôbra 2022 ny tanjom-panabeazana, anisan'izany ny tao anatin'ny fandaharam-pianarana Fiainana sy Fiarahamonina: “hahatakatra, hankasitraka, hanaja ary hisaintsaina ireo soatoavina ary ny fitondrantena izay fototra ijoroan'ny fiarahamonina eo an-toerana, isan'izany ny zo sy andraikitra, ny fahalalahana, ny tany tàn-dalàna, ny rariny ara-tsôsialy ary ny demaokrasia.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.