Venezoela: Ny zavatra rehetra tokony ho fantatrao momba ny taratasy fitanana an-tsoratra sarobidy

Sarin'ireo taratasy fitanana an-tsoratra. Loharano: Ny kaontin'ny mpisolovava Angel Machado ao amin'ny X.

Asongadin'ny fandresena mampiady hevitra azon'i Nicolás Maduro manoloana an'i Edmundo González Urrutia tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tao Venezoela tamin'ny 28 Jolay ny fahafahan'ny angon-drakitra ho an'ny daholobe hanohana na handà amin'ny fomba ofisialy izay tena voka-pifidianana marina rehetra.

Nanomboka tamin'ny taona 2006, mifototra amin'ny mandeha ho azy ny rafi-pifidianana Venezoeliana: latsa-bato miafina amin'ny milina, fifindran'ny voka-pifidianana elektronika voavaky ao amin'ny vaomieram-pifidianana, ary ny famoahana ao amin'ny vavahadin-tranonkalan'ny Filan-kevim-pifidianana Nasionaly (CNE), andry mitantana ny fifidianana Venezoeliana.

Tsy mandeha araka ny lalàna anefa ny zava-drehetra. Andro maromaro taorian'ny 28 Jolay, niady hevitra tamin'ny nanomezan'ny CNE an'i Maduro ny fandresena ny mpanohitra — nisoloan'ny kandidà Edmundo González Urrutia sy María Corina Machado tena. Nandà koa ny governemanta Amerikana Latina avy amin'ny faritra samihafa amin'ny sehatra ara-politika, ny Carter Center (fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fifidianana any Venezoela tamin'ny fifidianana filoham-pirenena).

Samy mitaky ny mangarahara amin’ny voka-pifidianana sy ny famoahana ny taratasy fitanana an-tsoratra ôrizinaly izy rehetra ireo. Ireo no porofo fototra ilaina hanamafisana na hanoherana ny voka-pifidianana, araka ny lalàna Venezoelàna.

Nilaza tao amin'ny X (Twitter taloha) ny filohan'i Shily, Gabriel Boric hoe:

Tsy maintsy takatry ny fitondrana Maduro fa sarotra inoana ny vokatra avoakany. Mitaky ny mangarahara feno amin'ny antontan-taratasy sy ny fizotry ny raharaha ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena ary indrindra ny vahoaka Venezoelàna, anisan'izany ireo Venezoelàna an-tapitrisany any an-tsesitany, ary manantena ny fahamarinan'ny vokatra ireo mpanara-maso iraisampirenena tsy mifandray amin'ny governemanta.

Tsy hankasitraka izay vokatra tsy azo hamarinina izahay avy any Shily.

Ahoana no fomba fifidianan'ny Venezoelàna?

Araka ny lalàm-pifidianana Venezoeliana, mandatsa-bato amin'ny milina hita eo ambonin'ny latabatra na boaty napetraka any amin'ireo toerana nofidiana ho amin'izany ny mpifidy (sekoly na ivon-toeram-piarahamonina, ohatra). Tsy maintsy miaraka amin'ny kara-panondrom-pirenena na antontan-taratasy fanamarinana ny tena ny olona tsirairay voasoratra anarana ao amin'ny Rejisitry ny Fifidianana (tsy voatery mifidy) ary mandatsa-bato manokana ao amin'ny milina, izay manonta vatom-pifidianana na rosia apetraka ao anaty boaty mihidy.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by CNE (@cneesvenezuela)

Ny vatom-pifidianana avoakan'ny milina tsirairay sy apetraky ny mpifidy ao anaty boaty no ampahany amin'ny dingana iray antsoina hoe “fanamarinana olom-pirenena.” Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanokafana kisendrasendra boaty iray na maromaro isaky ny foibem-pifidianana. Na izany aza, ny taratasy fitanana an-tsoratra hitamaso no singa fototra amin'ny fanaraha-maso ny didim-pitsarana rehetra.

Inona no atao hoe taratasy fitanana an-tsoratra ary nahoana no zava-dehibe izany?

Amin'ny fiafaran'ny androm-pifidianana ao Venezoela, ny vondrona vavolombelona tsirairay dia tsy maintsy mahazo firaketana lavalava na horonana lavabe — fantatra amin'ny anarana hoe “chorizo” (“saosisy”) — atao pirinty amin'ny taratasy, ahitana ny vokatra manontolo isaky ny biraom-pifidianana.

Mamintina ny vato amin'ny fomba milamina avy amin'ny kandidà sy ny antoko politika ny taratasy fitanana an-tsoratra. Ny antontan-taratasy tsirairay dia manana famantarana tokana: kaody hash, kaody QR, miampy ny sonia elektronikan'ireo olona mifandray amin'ny mpifidy ao amin'ny biraom-pifidianana.

Screenshot of a tally sheet of the presidential election of July 28, 2024 on the Presidential Results 2024 portal.Pikantsarin'ny taratasin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 28 Jolay 2024 tao amin'ny vavahadin-tseraseran'ny Valin'ny Filoham-pirenena 2024.

Araka ny lalàm-pifidianana manankery ao Venezoelà, ireto mpisehatra manaraka tao amin'ny birao fandatsaham-bato ireto dia tsy maintsy mahazo kopia vita pirinty isaky ny taratasy fanisam-bato:

  1. Ireo antsoina hoe “vavolombelona an-databatra” an'ireo antoko samihafa mpifaninana (antsoina hoe Vavolombelona A sy B ao amin'ny rakitsoratra ohatra). Ny latabatra dia mety ahitana vavolombelona tsirairay manohana an'i Nicolás Maduro sy ny hafa manohana an'i Edmundo González Urrutia sy ireo kandidà hafa.
  2. Ireo mpikamban'ny birao fandatsaham-bato nataon'ny CNE atsapaka (nantsoina mialoha avy ao anatin'ny lisitry ny mpifidy) ary tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny milina sy ny antontan-taratasin'ny birao fandatsaham-bato.
  3. Ny mpikirakira na ny teknisianin’ny milim-pifidianana, notendren’ny CNE.
  4. Miaramila mpandray anjara ao amin'ny Drafitry ny Repoblika (miditra an-tsehatra amin'ny fifidianana Venezoeliana ny sampan-draharaha miaramila amin'ny fitazonana fitaovam-pifidianana).

Ny taratasy fanisam-bato no singa fototra amin'ny fanoherana ataon'ny kandidà. Namoaka ny fomba hanamarinana ny maha-azo itokiana ny rakitsoratra (antontan-taratasy) amin'ny fanazavany manokana ilay mpanao gazety Venezoeliana Eugenio Martínez, manampahaizana manokana momba ny fifidianana nandritra ny 20 taona mahery,:

Misy ny fahalianana amin'ny fihantsiana “ady momba ny taratasy fitanana an-tsoratra”. Eto aho dia mampiseho fanamarinana maromaro izay ahafahana mamantatra ny taratasy fanisam-bato tena marina amin'ny tsy ara-dalàna. Mazava ho azy fa raha ny TSJ/CNE no hanao izany, dia tsy maintsy misy mpanara-maso ny fifidianana sy teknisianina mahaleo tena.

Aiza ny taratasy fitanana an-tsoratra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ?

Nanomboka ny 28 jolay ka hatramin’ny daty nivoahan’ity lahatsoratra ity, nanjavona tao amin'ny aterineto ny tranokalan’ny CNE, tsy misy voka-pifidianana. Na dia teo aza izany, nahazo fankatoavana ofisialy avy amin'ny sampam-pifidianana ho mpandresy tamin'ny fifaninanana  i Nicolás Maduro.

Ny tranonkala ofisialin'ny CNE tsy mandeha amin'ny aterineto nanomboka ny ampitson'ny fifidianana filoham-pirenena. Pikantsary nanomboka tamin'ny 31 Jolay 2024, tamin'ny 11:00 alina. Ora Caracas.

Noho ny tsy fisian'ny angon-drakitra ofisialy, nanolotra ny taratasy fanisam-bato azon'ny vavolombelona avy amin'ny mpanohitra ny alin'ny Alatsinainy 29 Jolay ny fiaraha-mientan'ny kandidà Edmundo González Urrutia sy ny lehiben'ny mpanohitra María Corina Machado (antsoina hoe Comando Con Venezuela). Navoaka tao amin'ny vavahadin-tserasera mahaleo tena antsoina hoe “Vokam-pifidianana Filoham-pirenena 2024” izy ireo, misokatra amin'ny fakàn-kevitra amin'ny mpiserasera aterineto rehetra manana kara-panondro Venezoeliana.

Mampiasa fitaovana fijerena angon-drakitra avy amin'ny taratasy fanisam-bato nangonin'ny vavahadin-tserasera voalohany ny vavahadin-tserasera iray hafa avy amin'ny Comando Con Venzuela, antsoina hoe “ “Voka-pifidianana Miaraka amin'ny Vzla,” .

 

Screenshot of the website Resultados Presidenciales 2024 on August 1, 2024, 06:00 a.m. Caracas time. Pikantsarin'ny tranokala Resultados Presidenciales 2024 tamin'ny 1 Aogositra 2024, tamin'ny 06:00 maraina ora Caracas.

Namoaka ny taratasy fitanana an-tsoratra avy amin'ny kopia nangonin'ny vavolombelona tao amin'ny birao fandatsaham-bato ny antoko mpanohitra ary nangataka ny fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena fanampiny noho ny fahasarotana amin'ny fahazoana taratasy fanisam-bato tamin'ny latabatra sasany nandritra ny latsa-bato.

Taratasy fitanana an-tsoratra mivaingana mitovy amin'ny ao amin'ny nomerika. Sarin'ny vavolombelona ambony latabatra ho an'ny mpanohitra, nahazoana alalana.

Nampitahain'ny vavolombelon'ny olom-pirenena tamin'ireo izay natao nomerika tao amin'ireo tranonkala ireo ny taratasy fitanana an-tsoratr'izy ireo hitamaso mba hahazoana antoka fa marina ny isa. Avy eo dia navoakany tao amin'ny tambajotra sosialy izy ireo.

Mifanojo tanteraka amin'ny fanamarinan'ny olom-pirenena tao amin'ny birao fandatsaham-bato (1) Maduro 181 Edmundo 415, toy ny any Venezoelà rehetra ny tatitro, tsy mivadika intsony ny fironana.

Mivoatra ny fangaraharan'ny olom-pirenena

Mino i Gabriela Mesones Rojo, mpanao gazety sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices, fa manohana ny hetsika fanisam-bahoaka ataon'ny mpanohitra ny olom-pirenena Venezoelàna noho ny fipoiran'ny “kolontsain'ny famoahana malalaka” ny taratasy fitanana an-tsoratra. Hoy izy:

Como no hay una transparencia electoral, los ciudadanos decidieron: hagamos nosotros nuestra transparencia electoral.

Noho ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fifidianana, nanapa-kevitra ny olom-pirenena hoe: aleo ataontsika ny mangaraharan'ny fifidianana eto amintsika.

Hatramin'ny marainan'ny 1 aogositra 2024, tsy mbola an-tserasera ny tranokalan'ny Filankevitra Nasionalin'ny Fifidianana ao Venezoela, ary milaza ny hetsika ataon'ny mpanohitra fa efa manana rakitra 24.576 manerana ny firenena (81,85 isan-jaton'ny vato) izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.