Aostraliàna mpanao gazety, mitokona mitaky fepetram-piasàna sy karama tsaratsara kokoa

Nine Publishing journalists on strike

Mpanao gazety avy amin'ny Nine Publishing nampiato ny fitokonany tamin'ny 31 Jolay rehefa nahavita nametraka tamim-pahombiazana ny fitakian-dry zareo karama tsaratsara kokoa, asa tsara antoka, ary fahasamihafàna ao anatin'ny efitranom-baovao. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny withMEAA. Fampiasàna ara-drariny.

An-jatony ireo mpanao gazety avy ao amin'ny Nine Publishing ao Aostralia no namarana ilay fitokonana dimy andro nataon-dry zareo ary niverina niasa tamin'ny 31 Jolay rehefa nahavita nampanaiky ireo mpitantana mba hanome azy ireo fepetram-piasàna tsara kokoa ho an'ireo mpiasa ao aminy.

Ny 26 Jolay no nanomboka ny fitokonana nataon'ireo mpikambana avy ao amin'ny The Sydney Morning Herald, The Age, The Australian Financial Review, Brisbane Times, ary ny WAtoday izay nikarakara fifamoriana teo ivelan'ny biraon-dry zareo tao  Melbourne, Sydney, Brisbane ary Perth. Samy ao anatin'ny orinasa Nine avokoa ireo gazety ireo.

Efa am-bolana maro ireo solontenan'ny sendikà sy ny mpitantana ny Nine Entertainment no nifampidinika mba hahatongavana amina fifanarahana iray vita iray andro. Iray tamin'ireo teboka lehibe notakiana ny momba ny fanondrotana karama, izay “somary mihoatra kely ny findangan'ny vidim-piainana” — indrindra moa fa efa neken'ireo mpiasa ny tsy fikitihana karama nandritra ny fisian'ny valanaretina — ary koa ny fangaraharàn'ny tahan'ny karama omena ireo mpiasa tena.

Nanapa-kevitra ireo mpiasa ny hanomboka hetsika fitakiana tamin'ny alàlan'ireo sendikà ao amin-dry zareo, mba ho setrin'ny  “tolotra tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy” avy amin'ireo mpitantana. Nandritra ny fifampiresahana, ny mpitantana koa dia nanambara fa manodidina ny 90 eo no asa mety hofoanana noho ny fahaterena ara-bola. Ny sendikà dia nampahatsiahy ny orinasa fa “tsy misy vokatra ara-bola ho azo raha tsy eo ny asa fanaovana gazety matanjaka.”

Notakian'ireo mpitokona ny hanomezana “karama ara-drariny, asa tsara antoka, fahamaroam-pijery ao amin'ny efitrano famoaham-baovao, fiarovana manoloana ny Artificial Intelligence (AI), zo tsara kokoa ho an'ireo mpiasa tena, ary ny hiarovana ny asa fanaovana gazety.” Naneho ny “fahadisoam-panantenany lalina” ny mpitantana noho ilay hetsika nifanojo tamin'ny fandrakofana ireo Lalao Ôlaimpika Parisy 2024, ary nentaniny ny sendikà mba hanohy ny famerenana ny fifampidinihiana indray.

Taorian'ny dimy andro nanoherana sy nahazoany fanohanana avy amin'ireo mpiara-mitan-tsoroka isankarazany, ilay fitokonana dia niafara tamin'ny faneken'ny mpitantana “handoa fisondrotana ambonin'ny sondrobidim-piainana, ny fampiasàna AI manaraka ny foto-pitsipika, fanolorantena hanao tatitra momba ny fahasamihafàna ao amin'ny toeram-piasàna, ary fifanekena iray hifampiraharaha hisiana karama ara-drariny ho an'ireo mpiasa tena.”

Michelle Rae, tale mpisolo toerana ao amin'ny Media, Entertainment and Arts Alliance (MEAA Media) dia nidera ireo mpikambana ao amin'ny sendikà noho ny fanolorantenan'izy ireo tsy azo nohozongozonina ho fanamafisana ny zon-dry zareo.

Tokony ho feno rehareha ireo mpikambana ao aminay hoe ny firasankinan'ny tsirairay sy ny fanolorantenany ho an'ny anjara toerany anatin'ny asa fanaovana gazety ho an'ny tombontsoam-bahoaka no nahazoana io vokatra io.

Nijoro izy ireo hiaro ny asa fanaovana gazety tsara kalitao teny anatin'ireo soratra asosan'izy ireo, ary dia mivoaka mazava izany avy amin'ny fanohanana mafonjan'ny vahoaka ho an'ireo mpanao gazety nandritra ny fitokonana, hoe irian'ny mpamaky ny hahita asa fanaovana gazety tsara kalitao sy ny hoe tokony hitady lasitra fandraharahàna vaovao ny filankevi-pitantanan'ireo orinasa media.

Nandritra ny fitokonana, naneho firaisankina tamin'ireo mpanao gazetin'ny Nine ny kaomity avy amin'ny Guardian Australia House :

Na nisy aza ny valanaretina henjana nanerana ny tany sy ny halafon'ny fiainana, tao anatina sehatra indostrialy iray miha-tsy marin-toerana hatrany hatrany, dia niasa mafy ireo mpanao gazety. Tsy maneho ny maha-tomponandraikitra no sady tsy misy fanajàna ny fanasaziana ny olona tena ianteheran'ny orinasa mba hampahomby ny fikatsahany tombontsoa.

Tamin'ny fanombohan'ny fitokonana dia nivoaka ny efitrano famoaham-baovao ireo mpiasan'ny The Sydney Morning Herald :

Diabe fanohanana ny #AzaKitihanaNyAsaFanaovanaGazety io pic.twitter.com/cRAIrA2x8m

— Anthony Segaert (@anthonysegaert) 26 Jolay 2024

Asehon'ity sariitatra ity ny fanohanan'ireo mpanao gazety nàmany an'ireo mpiasa mitokona avy ao amin'ny Nine:

Ny sariitatra rahampitso avy amin'i @theage @smh , ho firaisankina amin'ireo mpiray asa avy ao amin'ny Nine Publishing manao fitokonana. #MEAAmedia #AzaKitihanaNyAsaFanaovanaGazety pic.twitter.com/fS6JRcyczf

— MattGolding Cartoons (@GoldingCartoons) 29 Jolay 2024

Niaraka niasa ho fampandrosoana ny fiarovana ireo mpanoratra miasa tena ilay sendikà. Nanjohy ilay fijoroana nitokonana ihany koa ry zareo hitakiana karama tsaratsara kokoa:

Mijoro miaraka amin'ireo mpanao gazetin'ny Nine Publishing ireo mpiasa tena ao amin'ny #MEAAmedia mitokona mitaky ny hisiana asa fanaovana gazety tsara kalitao. #AzaKitihanaNyAsaFanaovanaGazety pic.twitter.com/jZaDnZD6Jc

— MEAA (@withMEAA) 26 Jolay 2024

Nampiasain'ireo mpanao gazety nanao fitokonana ny tenifototra tao amin'ny X (Twitter) hoe #DontTorchJournalism (#AzaKitihanaNyAsaFanaovanaGazetytao amin'ny media sôsialy mba hizaràna ny vaovao sy hahazoana fanohanana .

Tito Ambyo, filoha lefitra faharoa ao amin'ny Melbourne Press Club, dia namaly ireo kiana tamin'ny hoe mahadona ny fandrakofana ny lalao ôlaimpika atao ao Parisy amin'izao fotoana izao ilay fitokonana. Hoy ny nosoratany tao amin'ny Crikey:

Inona no manandanja indrindra: tapa-bolana hanaovana fandrakofana ireo lalao ve sa ny hoavin'ny asa natokana hanomezana vaovao ny vahoaka ary hitazonana ny fanjakana ho tomponandraikitra?

Tena ain-dehibe ny hampahatsiahivana hoe ireo mpanao gazety dia tsy manana adidy ara-môraly hanao ho laharam-pahamehana ireo mpihaino azy manoloana ny fepetra iasàn-dry zareo. Zon'izy ireo ny manao hetsipanoherana, ary ny hetsipanoherana dia natao hanozongozonan-javatra.

Tamin'ny fanamafisana fa hitohy ny fampielezan-kevitra hisiana asa fanaovana gazety misy dikany no nankalazàn'ny MEAA ny fahombiazan'ilay fitokonana.

Taratra avy amin'ilay fitokonana sy ireo fifampiresaahana ny olana iray goavana kokoa iainan'ny tontolon'ny media any amina firenena marobe izay misy fihenjanana eo amin'ny fanaovana izay hahazoana tombony ho an'ny efitrano famoaham-baovao sy ny fiantohana karama ary fiarovana ara-drariny ho an'ireo mpanao gazety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.