Niditra dingana vaovao ny hetsi-panoheran'ny mpianatra ao Bangladesh rehefa nanambara ny “hetsika tsy hiara-miasa”. Nanomboka ny 4 aogositra, mandà tsy hifanerasera amin'ny governemanta ireo mpanao fihetsiketsehana. Nitaky ny fialàn'ny governemanta ny mpianatra manohitra ny fanavakavahana (SAD), ilay vondrona mitarika ny hetsi-panoherana amin'izao fotoana izao raha toa ka tsy mivaly ireo teboka sivy takìn-dry zareo izay ahitana ny fialan-tsinin'ny Praiminisitra Sheikh Hasina, ny fialan'ny minisitra maromaro, ary ny rariny ho an'ireo olona 200 mahery maty vokatry ny herisetran'ny polisy tao anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izay.
Vakio bebe kokoa: Freedom of assembly and freedom of expression curtailed as deadly student protests rock Bangladesh [Notakonana ny fahalalahana mivory sy ny fahalalahana maneho hevitra noho ny fihetsiketsehan'ny mpianatra mahafaty any Bangladesh]
Namoritra ireo mpianatra sy mpanohitra mpikatroka ny governemanta tamin'ny fampiasana fanafihana amin'ny alina, ary nisambotra olona maherin'ny 10.000 manerana ny firenena nanomboka ny 15 Jolay, rehefa nivadika ho herisetra ny fihetsiketsehana. Nampangaina ho nanao fanafihana fandoroana, fanimbana ireo fanorenan'ny governemantan'ny KPI, ary namono olona hafa nandritra ny herisetra izy ireo.
Nandefa sarin'ny fihetsiketsehana ny mpisera Raihan Amin Rana tamin'ny 3 Aogositra 2024.
BREAKING: More than 50 thousands people gathered in capital Dhaka's central Shahid Minar. Even city's rickshaw pullers joined them with their rickshaws chanting #StepDownHasina.protest continue across the country while govt. And their cadres still firing at Comilla & Fazipur. pic.twitter.com/3RQ3joRNKW
— Raihan Amin Rana (@RaihanAminRana1) August 3, 2024
Mafanabe : Olona maherin'ny 50.000 no nivory tao Dhaka renivohitra, tao Shahid Minar. Na dia ny mpitondra posy tao an-tanàna aza dia nanantevin-daharana azy ireo tamin'ny hiaka #StepDownHasina [Miala i Hasina]. mitohy manerana ny firenena ny fihetsiketsehana raha mbola nitifitra an'i Comilla & Fazipur ny fitondrana ny tompon'andraikitra.
Ny lafiny iray miavaka amin'ny hetsi-panoherana ataon'ny mpianatra dia ny fiparitahan'ny sariitatra sy tantara an-tsary amin'ny media sosialy, sy ireo graffiti sy afisy naseho eny an-dalambe. Tsy vao sambany no nampiasana ny kanto tamin'ny hetsi-panoherana, na izany aza: nanomboka nipoitra tamin'ny tapaky ny andian-taona 1970 tany Afrika Atsimo nandritra ny tolona manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ny endrika tsy manam-paharoa amin'ny zavakanto fanoherana.
Nivadika mena i Facebook
Nakatona tanteraka ny fidirana aterineto tao Bangladesh nandritra ny dimy andro, nanomboka ny harivan'ny 18 Jolay ka hatramin'ny 23 Jolay. Niverina tamin'ny laoniny ny fidirana aterineto amin'ny finday tamin'ny 28 Jolay, afaka folo andro, ary novahàna ny ankamaroan'ny sehatra media sosialy tamin'ny 31 Jolay. Nandritra izany fotoana izany, olona maro no niditra tamin'ny sehatra media sosialy tamin'ny alàlan'ny VPN, niezaka ny hahazo vaovao vaovao momba ny fihetsiketsehana.
Bangladeshi Facebook users flood newsfeeds with red https://t.co/E3J0ZXi1cO
— Riton Quiah (@fixerBD) July 30, 2024
Tondrahan'ny mpisera Facebook Bangladeshita mena ny fahambaovao
Nanomboka tamin'ny 30 Jolay, nanova ny sarin'izy ireo tao amin'ny Facebook hidorehitra mena ny mpianatra sy mpanohana maro noho ny fangatahan'ny mpikarakara ny fihetsiketsehana. Ho setrin'izany, novain'ireo mpikatroka mpomba ny governemanta ho mainty ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook, satria nambaran‘ny governemanta ho andro fisaonana ho an'ireo mpianatra maty io daty io.
Tsy ela dia nanomboka nandray ireo fihetsika an'ohatra ireo ho fanohanana ny mpianatra ireo olona avy amin'ny saranga samihafa, ary ho fanoherana ny aina nafoy nandritra ny herisetra:
Yesterday,the whole Facebook turned red by the blood of our martyrs. Those oppressors doesn't have the right to grieve when their hands are full of blood. #SaveBangladeshiStudents #AllEyesonBangladesh #StudentsUnderAttack #StepDownHasina pic.twitter.com/ml61M5o5Kq
— Students Council Bangladesh 🇧🇩🇵🇸 (@studentsofbd) July 31, 2024
Omaly, nivadika mena ny Facebook iray manontolo noho ny ràn'ireo maritiorantsika. Tsy manan-jo halahelo ireo mpampahory ireo raha feno rà ny tanany.
Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny gazety mivoaka isan'andro Prothom Alo, nanamarika i Saiful Alam Chowdhury, mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Dhaka, “Raha ny mainty no mariky ny fisaonana, ny mena kosa dia maneho ny revolisiona sy ny fitiavana. Ny mena dia mariky ny lanja sy ny herim-po.”
Ireo endriky ny fihetsiketsehana
Iray amin'ireo namoy ny ainy voalohany tamin'ny herisetran'ny polisy i Abu Sayed, mpianatra ao amin'ny Oniversite Begum Rokeya ao Rongpur. Notifirin’ny polisy izy, ary nalefa tamin’ny fahitalavitra tao an-toerana ary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny tranga. Mbola nijoro mahitsy izy, nanatsotra ny sandriny, taorian’ny nahazoany ny bala voalohany, ka voatifitra imbetsaka mandra-pahalavo azy. Sary nampalahelo izay lasa voasokitra tao amin'ny tsiaron'ny olona.
Rodoshi mpisera X (Twitter taloha) nahatsapa fa nanandrana nanakorontana ny fanadihadiana momba ny fahafatesan'i Sayed ny polisy:
I should mention that Abu Sayed’s FIR report conveniently skipped over the fact that he was shot by a cop. This was recorded in video. So how will the deaths of others be covered? pic.twitter.com/MhxhYIyKIc
— 🐈⬛ রোদোশি (@mewdoshi) July 29, 2024
Tokony holazaiko fa ny tatitry ny taratasim-pitoriana voalohany an'i Abu Sayed dia tsy nilaza araka ny tokony ho izy hoe notifirin'ny polisy izy. Voarakitra an-tsary izany. Ahoana àry no hanafenana ny fahafatesan’ny hafa?
Nampiasaina ho mariky ny hetsi-panoherana nanerana ny haino aman-jery isan-karazany ny fijoron'i Sayed, araka ny nomarihin'i Munna Hossain, ka anatin'izany ny graffiti:
#RedForJustice#StepDownHasina#Studentsunderttack#StudentsInRed#JusticeInRed#RedForVictims#StandRedForStudents#RedAgainstInjustice#BloodOnTheirHands#RedAgainstOppression#StudentsDeserveJustice#SaveBangladeshiStudents #SaveBangladeshiPeople
Abu Sayed 🚩 pic.twitter.com/zI86SATM7c
— Munna Hossain (@arts_of_munna_) July 31, 2024
Ny soratra graffiti misy ilay sary mivaky hoe: “Mirohondrohona ato anatiko ny tafio-drivotra, manolotra ny tratrako hotifirina aho.”
Olo-malaza iray hafa i Mir Mahfuzur Rahman Mugdho, izay hita farany nizara rano ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana taorian'ny nandatsahana baomba mandatsa-dranomaso azy ireo tao an-tanàna itatr'i Uttara ao Dhaka tamin'ny 18 Jolay. Voatifitra teo amin'ny lohany izy rehefa nandeha ny tifitra. Mpianatra iray, GH Ahsan Habib, no nizara ny iray amin'ireo sanganasan-kanto mampiseho ny herim-pon'i Mugdho:
মুগ্ধ কি ফিরে এসে আর আমাদের বলবে পানি লাগবে.!?💔😔
JULY 🩸#Bangladesh #SaveBangladeshiPeoples #SaveBangladeshiPeople #SaveBangladeshiStudents #Bangladeshstudentprotest #BangladeshBleeding pic.twitter.com/XRctbiAlqv— GH AHSAN HABIB (@GHahsanHabib02) August 2, 2024
Toa izao ny fivakin'ny fehezanteny: “Hverina ve i Mugdho ka hanontany antsika, ‘Rano, mila rano ny rehetra'?”
Sariitatra, sary ary zavakanto nomerika
Tao anatin'ny dimy taona izao dia mpanoratra, mpanao sariitatra ary mpanao gazety maro no nosamborina sy notsaraina araka ny lalàna mifehy ny filaminana nomerika (2018–2023), izay mampilefitra ny fahalalahana maneho hevitra. Mirakitra fepetra manameloka ny fampielezan-kevitra na ny fanentanana hanoherana ny adim-pahaleovantena Bangladeshita ny lalam-piarovana nomerika fanampiny (2023), ary koa ny fizarana sarin'olona mpitondra ambony novaina endrika sy bika, anisan'izany ny praiminisitra.
Na dia teo aza io lalàna io, dia nahitana sariitatra sy sanganasan-kanto nomerika maro izay mampiseho sariitatra momba ny praiminisitra sy ireo mpikambana ao amin'ny kabinetrany ny hetsi-panoheran'ny mpianatra.
Nizara ny sary nanafihana ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana tao amin'ny tobin'Oniversiten'i Dhaka nataon'ireo andian-jiolahimboto ao amin'ny Ligin'ny Chhatra Bangladesh, sampan'ny mpianatra ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana nandritra izany fotoana izany ny mpisera media sosialy Mahjabin :
All Eyes on #BANGLADESH
Drawn by Nayeera Noor#Save_Bangladeshi_students #কোটা_আন্দোলন_২০২৪ pic.twitter.com/uNNWsIRXCd
— ArtRaft Pro by Mahjabin (@ArtRaftPro) July 16, 2024
Mitodika any Bangladesh ny maso rehetra
Nizara zavakanto revolisionera sasantsasany ihany koa ny Perspective Asia:
Revolutionary art from #BANGLADESH pic.twitter.com/TdSIdRdwA5
— Perspective Asia (@PerspectiveAsia) July 30, 2024
More revolutionary art from #Bangladesh pic.twitter.com/DfBsPXcZwF
— Perspective Asia (@PerspectiveAsia) August 1, 2024
Graffiti sy zavakanto an-dalambe
Ao anatin'ny fifintin'ny habaky ny fahalalahana maneho hevitra, manankarena tantaran-javakanto an-dalambe i Bangladesh izay maneho ny krizy ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-politika isan-karazany ao amin'ny firenena.
Nandritra ny hetsi-panoherana, maro ireo sanganasa graffiti nipoitra teny amin'ny rindrina sy ny araben'ireo tanàn-dehibe. Nizara i Fahim Muntasir, matihanina amin'ny teknolojiam-baovao:
When words aren't enough, art speaks volumes. North South University Gate-1 Graffiti showcases the pulse of ongoing movements in Bangladesh.
© Fahim Muntashir#Bangladesh #BangladeshBleeding #SaveBangladeshiStudents pic.twitter.com/qUB8IP2ocH
— Fahim Muntashir (@Fahim_Muntashir) August 2, 2024
Rehefa tsy ampy ny teny dia miteny betsaka ny zavakanto. North South University Gate-1 Graffiti mampiseho ny fitempon'ny hetsika mitohy ao Bangladesh.
Mpisera X iray hafa no nizara ny fanimbazimbana ny graffiti mampiseho ny kapitenin'ny cricket teo aloha sady solombavambahoaka ao amin'ny antokon'ny fitondrana ankehitriny Mashrafe Mortaza, izay nangina nandritra ny fihetsiketsehan'ny mpianatra:
‘Then vs Now’ of that famous graffiti of Mashrafe.
Scenes from BUET today!
📷 Atiqur Rahaman#Bangladesh #BangladeshiStudentsareinDanger #StepDownHasina pic.twitter.com/4gxSu4rKzL
— Candy🇧🇩 (@candyHere__) July 31, 2024
‘Taloha vs Ankehitriny’ an'ilay graffiti malaza an'i Mashrafe.
Seho tao amin'ny BUET androany!
Nikarakara hetsika tselatra graffiti manerana ny renivohitra ihany koa ny mpianatra:
Graffiti & Wall Art Campaign has been Done by the Student Protesters Today, 28 July 2024.#Bangladesh #StepDownHasina #QuotaMovement #Genocide #GenocideInBangladesh #SaveBangladeshiStudents #HumanRights #StudentProtest #Save_Humanity #BangladeshBleeding #Dhaka https://t.co/6iz7gVY8PN pic.twitter.com/PJLSJNN3yy
— The Protester 𓆝 𓆟 𓆞 𓆝 𓆟 (@TheProtesterBD) July 28, 2024
Fanentanana Graffiti & Zavakanto an-drindrina nataon'ny mpianatra manao fihetsiketsehana androany, 28 Jolay 2024.
Nizara ihany koa ireo mpisera X namany:
#Graffiti in #BU#Save_Bangladeshi_students#no_more_quota #bangladeshstudentprotests #BangladeshQuotaMovement #StudentsUnderAttack #focus_on_bangladesh #ProtectTheProtest pic.twitter.com/AeqLWJ8Kyp
— Nitun Krishna (@nitunkrishna) July 29, 2024
Graffiti at Dhaka🇧🇩#BangladeshiStudentsareinDanger #BANGLADESH #Dhaka #graffiti #SaveBangladeshiStudents #step pic.twitter.com/6aNAgTPRyh
— FAIZANINS🇧🇩 (@faizanins) July 28, 2024
Hoy ilay graffiti tamin’ny rindrina: “Nahoana no novonoinareo ny rahalahiko?”
Ilay mpianatra mpikatroka Ahosanuzzaman Roni, nandritra izany, nandefa sary avy amin'ny tantelimby momba ny hetsika ara-javakanto an-dalambe tao an-tanàna itatr'i Banasree ao an-drenivohitra:
Road Graffiti Drone View A Block, Banasree |
🔰34 July 2024
Credit Ankur Roy #SaveBangladesiStudents #QuotaReform #Bangladesh #StepDownHasina pic.twitter.com/goX8inuCeq— Ahosanuzzaman Roni (@ahosanuzzaman85) August 3, 2024
Mozika fanoherana
Hira maro — ahitana ny an'i FACTEM amin'ny আমার ভাই শহিদ কেন? (Nahoana no maty ny rahalahiko?), Parsha amin'ny চলো ভুলে যাই (Ndao adinoina), Shezan amin'ny কথা ক (Speak up), ary আওয়াজ উডা (Asandrato ny feonao) avy amin'ny mpihira rap Hannan Hossain Shimul, izay nahazo jeripejy 1.4 tapitrisa hatramin'izao — no navoaka tao amin'ny YouTube, TikTok, ary sehatra media sosialy hafa, misarika ny saina ho amin'ny hetsi-panoherana ataon'ny mpianatra.
Nosamborina tao Narayanganj anefa i Hannan tamin'ny 25 Jolay ary nogadraina roa andro; tsy mbola voafaritra ny fiampangana azy:
Rapper, Artist – Hannan Hossain was arrested few days back and now in police custody. Court has granted 2 days of Interogation (Police remand)
Hannan recently published a song “Awaaz Utha” for the students and against the oppression.#FreeHannan pic.twitter.com/JGSeVQsGAi
— GHOST.👻 (@Raisethevoice80) July 31, 2024
Mpangaly rap, Mpanakanto – Nosamborina andro vitsy lasa izay i Hannan Hossain ary nogadrain'ny polisy ankehitriny. Nomen'ny Fitsarana 2 andro famotorana (famonjena ny polisy)
Vao haingana i Hannan no namoaka hira “Awaaz Utha” ho an'ny mpianatra sy manohitra ny famoretana.
Mpihira maro ao Bangladesh izao no nosamborina sy/na notsaraina araka ny lalànan'ny fiarovana nomerika tato anatin'ny taona vitsivitsy. Namintina ny toe-draharaha i Adam Shapiro, Mpitantana Zokiolon'ny Fandaharanasa Iraisampirenena ao amin'ny Artists at Risk Connection (ARC) tamin'ny filazana hoe, “Ny fisamborana an-trondromolotra an'i Hannan no vao haingana indrindra tamin'ireo andiana famelezana feno habibiana ny fahalalahana maneho hevitra ao Bangladesh.”