Voasariky ny vidin-javatra mora kokoa, ny safidy maro sy tolotra tsaratsara kokoa, mihamitombo hatrany ireo mpanjifa ao Hong Kong manao fitsangatsanganana mandingana sisintany mankany Shina mba handany ny volany any amin'ny tanàna toa an'i Shenzhen, ka mamadika ny fironana efa hatry ny ela an'ireo mpiantsena Shinoa ao amin'ny tanibe mirohotra mankany Hong Kong.
Nisokatra indray ny sisin-tanin'i Hong Kong sy Shina tanibe tamin'ny fiandohan'ny taona 2023 taorian'ny fameperana henjana naharitra telo taona noho ny COVID ka nametra ny fivezivezena. Tamin'io taona io dia 53 tapitrisa eo ho eo ny fiaingana an-tanety avy any Hong Kong mankany Shenzhen voarakitra, izay manandanja ho an'ny tanàna iray ahitana mponina 7 tapitrisa monja. Mankany Shenzhen ny mpitsidika mba hiantsena, hisakafo, ary hiala-voly, izay matetika mora kokoa noho ny any Hong Kong, tanàna malaza amin'ny vidim-piainana midangana.
Tsy vitany mitady vidiny mora fotsiny ny olona – ho an'ny sasany, ny karazan-tsakafo shinoa eo an-toerana no manintona indrindra. Vondrona maro ao amin'ny Facebook no mizara toro-hevitra momba ny fisakafoana ao amin'ny Greater Bay Area, megalopole mahafaoka tanàna akaikin'ny Vinanin-drenirano Pearl, anisan'izany i Hong Kong, Macao, Shenzhen, Zhuhai, Zhongshan, Guangzhou, sns. Ohatra, manana mpikambana maherin'ny 220.000 ny sakafo Shenzhen sy vondrona fialamboly, ary misy mpikambana 39.000 ny vondrona iray hafa ahitana trano fisakafoana ao Zhuhai sy tanànan'i Zhongshan.
Ny hafa kosa mianavaratra satria leon'ny fomba fiaina sahira-dava ao Hong Kong sy ny serivisy ratsy, toy ny famerana ny fotoam-pisakafoana sy ny fanao ratsy:
🇭🇰🧑🍳
It's going to take a generational shift, but this is one of the big problems Hong Kong tourism faces going forward.
Much like the taxi industry, restaurants continue with terrible service and at the same time complain there are no customers.
Shock. https://t.co/DB5uy3XZTn
— Aaron Busch (@tripperhead) April 16, 2024
Hitondra fiovan-taranaka izany, saingy ity no iray amin'ireo olana lehibe atrehin'ny fizahan-tany any Hong Kong ankehitriny.
Tahaka ny sehatrasa taxi, mbola ratsy hatrany ny serivisy eny amin'ny tranom-pisakafoana no sady mitaraina noho ny tsy fisian'ny mpanjifa.
Tohina.
Sandan'izany, na izany aza, ny hery manosika ao ambadiky ny fironana. Ankoatra ny fahasamihafan'ny vidim-piainana eo amin'i Hong Kong sy ny tanibe, entanin'ny vola matanjaka ao an-toerana ihany koa ny mpitsidika, izay mipetaka amin'ny dolara amerikana. Amin'izao fotoana izao, ny HKD iray dia mitovy amin'ny 0.13 USD ary 0.93 RMB.
Lasa toeram-piatoana lehibe ho an'ireo mpitsangatsangana miampita sisintany isaky ny faran'ny herinandro any Hong Kong ireo trano fanatobiana entana ambongadiny Amerikana toa ny Sam’s Club sy Costco, izay tsy manana fivarotana any Hong Kong noho ny halafosan'ny hofan-trano:
Hongkongers hunt for roast chicken, laundry detergent and other bargains at US warehouse store in Shenzhen
Residents catch cross-border buses and sign up for shopping spree tours to visit Sam’s Club outlet in Qianhai, buoyed by bargain prices and strong Hong Kong dollar. pic.twitter.com/jVSHKIc0Ga
— V.O.H (@Knot73211261) January 7, 2024
Mitady akoho natono, vokatra fanadiovam-damba sy varotra mora vidy hafa any amin'ny trano fanatobiana lasa fivarotana entana Amerikana any Shenzhen ny Hong Kongers.
Mandray fiara fitateram-bahoaka miampita sisintany ny mponina ary misoratra anarana amin'ny fitsangatsanganana miantsena hitsidika ny toeram-pivarotana Sam's Club any Qianhai, atosiky ny vidiny mora sy ny dolara Hong Kong matanjaka.
Maro ireo Hong Konger, indrindra ireo mpanohana ny tobin'ny mpomba ny demokrasia nanana ny maha-izy azy teo an-toerana sy niaro ny fanjifana tao an-toerana. Hatramin'ny nampidirana an'i Hong Kong tamin'ny fomba ara-dalàna tao anatin'i Shina tanibe tamin'ny alalan'ny fanambaràna ny Lalànan'ny Fiarovam-pirenena tamin'ny taona 2022 sy ny Andininy faha-23 tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia vitsy dia vitsy no mbola manaraka ny fomba fijery eo an-toerana.
“Hong Kong used to have freedom,”
“Now it’s lost all that. So why wouldn’t I go to mainland China, where at least things are cheaper?”Democracy is like veganism. One day you realize it doesn't make a difference anyway, so you might as well enjoy yourself.https://t.co/pKuclRu0AT
— Adolf Xi (@AdolfJinping) March 4, 2024
“Nanana fahafahana i Hong Kong taloha,”
“Very izany rehetra izany ankehitriny. Koa nahoana aho no tsy handeha any Shina tanibe , izay misy zavatra mora kokoa farafaharatsiny? ”Toy ny tsy mihinan-kena (veganisma) ny demokrasia. Indray andro ianao mahatsapa fa tsy misy dikany izany, ka hankafy ny tenanao ihany koa ianao.
Mandritra izany fotoana izany, miady mafy ny orinasa any an-toerana. Amin'ny faran'ny herinandro sy ny andro fialan-tsasatra, mandao ny tanàna ny andian'olona handany ny volany any Shina tanibe. Efa hita fa mijanona eo ambanin'ny taha talohan'ny areti-mifindra ny fahatongavan'ireo mpitsidika an'i Hong Kong: tamin'ny volana jona tamin'ity taona ity, 3,13 tapitrisa no voarakitra, raha 5,14 tapitrisa izany tamin'ny volana Jona 2019.
Betsaka ny orinasa eo an-toerana, izay efa voa mafy tamin'ny fitsipiky ny areti-mifindra, no sahirana mafy. Feno magazay mihidy manerana ny araben'ny tanàna, ahitana afisy fanofàna mibahana ny varavarankely.
Local businesses struggle as Hongkongers log almost 1.76 million outbound trips over Easter holiday
🔗 https://t.co/0nRNIEP72e pic.twitter.com/nBTEjra6hP
— Hong Kong Free Press HKFP (@hkfp) April 2, 2024
Miady mafy ny orinasa eo an-toerana kanefa mahatratra 1,76 tapitrisa ny Hong Kongers mivoaka any ivelany mandritra ny fetin'ny Paska
Mba hampiroboroboana ny fizahan-tany sy hanavotana ny toekarena marefo an'i Hong Kong, nifandimby ny fanentanana isankarazany, nanomboka tamin'ny hetsika “Hello Hong Kong” taorian'ny areti-mifindra, ka hatrany amin'ny “Night Vibes Hong Kong”, izay mikendry ny “hampiroborobo ny toekarena amin'ny alina ao [an-tanàna] ”, hatramin'ilay vao haingana indrindra “Let’s Go The Extra Mile”, izay mandrisika ny olom-pirenena hahalala fomba kokoa sy “hitsiky bebe kokoa” amin'ireo mpitsidika mba handavoana ny laza ratsin'ireo Hong Kongers.
Nanokana HKD 1,09 lavitrisa (manodidina ny 139 tapitrisa dolara) ihany koa ny governemanta mba “hanamafisana ny fampandrosoana ny fizahantany” amin'ny alalan'ny hetsika toy ny afomanga isam-bolana sy ny fampisehoana drôna. Na izany aza, tsy nisy vokany firy ireo ezaka ireo, araka ny nasehon'i Ngan Po-kong, tonian-dahatsoratry ny Fitantanam-bola mpanatanteraka teo aloha ao amin'ny i-Cable News:
過去大半年,無論香港政府如何扭盡六壬,搞甚麼夜繽紛、派機票、向中國大陸大開中門,仍然無補於事。
外來人不來港旅遊消費,香港人假日不是去台灣、日本,就是北上消費。
Tapa-taona naninjitra, na dia teo aza ny ezaka nataon'ny governemanta Hong Kong tamin'ny fandefasana ny hetsika Night Vibes, fanomezana tapakila fiaramanidina maimaim-poana, ary fanokafana ny sisintany amin'ny Shina tanibe, dia tsy nihatsara mihitsy ny toe-draharaha.
Tsy tonga any Hong Kong intsony ny vahiny, ary mandritra ny fialantsasatra, na mitsidika an'i Taiwan, Japon, na mianavaratra hiantsena ny HongKongers.
Firenena maromaro, anisan'izany i Etazonia, Kanada, Aostralia, UK ary Taiwan, no namoaka fampitandremana momba ny fitsidihana an'i Hong Kong taorian'ny nandanian'ny tanàna ny Andininy faha-23 momba ny lalàn'ny fiarovana anatiny, tamin'ny fiandohan'ny volana martsa tamin'ity taona ity. Satria mikendry ireo antsoina hoe mpandraharaha vahiny ao Hong Kong ny lalàna ary manasazy ireo fanehoan-kevitra manakiana sy ara-politika ao amin'ny media sosialy, boky ary entana, toy ny t-shirt, natoro hevitra ireo mpandeha mba hitandrina ny mety ho olana momba ny lalàna mety hatrehiny rehefa miditra ao an-tanàna shinoa.
Foreign teacher or tourist: arrives to Hong Kong
Internet: “they are a regime change operative”
Hong Kong govt.: “why tourism to Hong Kong is falling? https://t.co/uiwqwisn3f— Michael Vokabre (@Vokabre) March 23, 2024
Mpampianatra vahiny na mpizahatany: tonga any Hong Kong
Aterineto: “Mpiasan'ny fanovana fitondrana izy ireo”
Governemanta Hong Kong: “Nahoana no mihena ny fizahan-tany mankany Hong Kong?
Satria tsy mahomby ny ezaka amin'ny fitaomana mpizahatany vahiny, dia nanome soso-kevitra mihitsy ireo depiote avy amin'ny Antoko Liberaly mba hampiakatra ny “hetra fiaingana” amin'ireo mponin'i Hong Kong mivoaka any ivelany mba hiatrehana ny tsy fahampian'ny teti-bolan'ny governemanta. Tsy namaly mivantana izany tolo-kevitra izany i John Lee, Lehiben'ny Mpanatanteraka ao an-tanàna, rehefa nanontanian'ny mpanao gazety, fa nilaza kosa fa namporisika ny fampidirana sy ny fifanakalozanaeo amin'i Hong Kong sy ny Faritry ny Helodrano lehibe. Fotokevi-pirenena manakona ny tombontsoa eo an-toerana ny fampidirana an'i Hong Kong ao amin'ny Faritry ny Helodrano lehibe ao Shina tanibe.
Na inona na inona fomba fijery ofisialin'ny governemanta, azo antoka fa mila fiovana lehibe i Hong Kong mba hamerenana indray ny sasany amin'ireo famirapiratany taloha teo imason'ny mponina sy ny mpizaha tany. Mbola ho hita anefa hoe ahoana no hisehoan’ireo fiovana ireo.