Nangasihasy ry zareo Belarosiàna any am-pielezana nony nahita fa tsy nisy tamingana Belarosiàna tamin'ilay fifanakalozana gadra

Ankizivavy kely nandritra ilay diabe ho an'ny Andron'ny Fanafahana an'i Belarosia, tamin'ny 2023 tao Varsôvia.  Saripika an'i Andrew Keymaster tao amin'ny Unsplash.

Ny alakamisy 1 Aogositra, nisy fifankalozana gadra nifanaovan'i Rosia sy firenena Tandrefana maro. Araka ireo tatitry ny media, olona 24 no voakasika, isan'izany i Rico Krieger, ilay Alemàna nahazo famelànkeloka tao Belarosia. Na izany aza anefa, tsy nahitàna Belarosiàna nogadraina noho ny pôlitika, na iray aza,   tamin'ilay fifanakalozana. 

Marobe ireo Belarosiàna mpampiasa media sôsialy no naneho ny fahatsapàny sy ny alahelon-dry zareo ary ny fahaverezan'ny fanantenany, nisy iray niteny hoe “Nanantena izahay hoe – ary raha – i Masha koa? […] Saingy tsy nisy olona, na iray aza, nanapaka ilay hazo ‘birch’ (fanamarihan'ny mpandika: karazana hazo kininina).”

Ny hoe Masha, fanafohezana ny hoe Maria, dia natao hanondroana ilay mpikatroka pôlitika sady mozisiàna Maria Kalesnikava, izay voaheloka tamin'ny 2021 higadra 11 taona noho ireo hetsika pôlitika nataony.

Saripikan'i Maria Kalesnikava, Avy amin'ny GomelTube –  Wikimedia Commons, CC BY 3.0.

Ny hoe ‘hazo birch‘ indray dia anondroana hira iray mampalahelo nosoratan'i Alexander Bashlachev, pôeta sôvietika iray, mpihira-mpanoratra tononkira ary mpitendry gitara, izay noraisina ho iray amin'ireo olomalaza tena mahataona ho an'ny gadona rock rosiàna. Naka ainganmpanahy avy amina hira iray nentindrazana miresaka ny ‘hazo birch’ iray, ny dika nataon'i Bashlachev, voasoratra tamin'ny 1986, dia mitaraina momba ireo olona hidiana toy ny gadra.

Maria Kalesnikava dia nitàna anjara toerana goavana tao anatin'ilay fampielezankevitra fampiraisana nataon'i Sviatlana Tsikhanouskaya, ilay kandidà avy amin'ny fanoherana, nijoro hifanandrina tamin'i Alexander Lukashenka, ilay mpanao jadona ao Belarosia, tamin'ny 2020. Izy dia mpikambana ao anatin'ny birao mpitantana ny Filankevitry ny Fandrindràna, rantsana iray tsy miankina amin'ny fanjakàna najoron'i Tsikhanouskaya  nandritra ireo hetsipanoherana belarosiàna tamin'ny 2020 nanoherana ny fitondràn'i Lukashenka. Tanjony ny famindram-pitantànana ara-pomba demaokratika ao Belarosia, saingy ny vokatry ny fifidianana natao tamin'izay taona izay dia namoaka fa nahazo fandresena niezinezina i Lukashenka, filazàna izay notoherin'i Tsikhanouskaya.

Tamin'ny 7 Septambra 2020, nisy mpitandro filaminana niafin'endrika naka an-kery an'i Kalesnikava. Ny ampitso marainan'io, nentina an-tery izy hamonjy ny sisintany okrainiàna. Na norahonana sy niharana tsindry aza mba handaozany an'i Belarosia, norovitin'i Kalesnikava ny pasipaorony na dia tao anaty faritra tsy an'ny atsy na ny aroa aza izy, nivoaka ny fiara avy amin'ny fitaratra aoriana izy ary niverina tamin'ny faritanin'i Belarosia, toerana izay nisamborana azy avy hatrany. 

Tamin'ny 11 Septambra 2020, ny Amnesty International dia manaiky an'i Kalesnikavany ho toy ny olona gadra noho ny fomba fiheverany. Nahazo ny Loka Iraisampirenena fanome ireo Vehivavy Mahery fo izy tamin'ny 2021.

Ny 12 Febroary 2023 no fotoana farany mba nisy olona nandre vaovao avy amin'i Kalesnikava, nahatonga ny sasany hiahiahy hoe mety mefa maty izy. Ny mpifandray amin'ny Radio Liberty, Sergei Medvedev, dia nanoratra tao amin'ny Facebook, “Nanantena hatramin'ny farany aho, saingy toa an'i Poutine ihany izay tsy afaka ny namela an'i Navalny ho velona, tsy afaka ny hamotsotra an'i Kalesnikava  i Lukashenka — resaka manokana io. Atahorako ihany koa hoe efa tsy isan'ny miaina intsony izy.”

Araka an'i Hanna Liubakova, Belarosiàna iray mpanao gazety miaina an-tsesitany, izay nanoratra ho an'ny Filankevitr'i Atlantika, raha toa i Rosia mety nahatafaverina ireo olony sasany tamin'ny alàlan'ilay fifanakalozan'i Krieger, toa sahàla amin'ny mametraka ny fifandraisany amin'i Alemaina ho amoron-tevana i Lukashenka ka hilahatra amin'ireo tombontsoan'i Poutine.

Hoy ny fihevitr'i Liubakova, io dia azo itarafana ny fifanarahana nataon'i Lukashenka tany aloha tamin'i Rosia, toy ny famelàna ny faritany belarosiàna ho azo ampiasaina amin'ilay fananihambohitra atao any Okraina na teo aza ny fanoheran'ny vahoakany, ary ny fampiantranoana ireo andian-tarika Wagner ao Belarosia.

Anivon'ireny fifampiresahana avo lenta ireny, mazàna no tsy raharahaina ny fijalian'ireo Belarosiàna gadra pôlitika, ary na 18 aza ireo gadra pôlitika no navotsotra tamin'ny volana lasa iny, tombanana ho mbola misy 1.400 any am-ponja, ahitàna marobe tena mila fikarakaràna ara-pahasalamàna maika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.