Vehivavy roa atleta vao avy nandrombaka ny medaly ôlaimpika voalohany ho an'i Ste Lucia sy Dôminika

Sary nasongadina noforonina tamin'ny alàlan'ny singa Canva Pro.

Ny andro faha-3 tamin'ireo hazakazaka atletisma nandritra ny Lalao Ôlaimpika, firenena roa avy ao Karaiba no nankalaza ny nahazoan-dry zareo ny medaly ôlaimpika voalohany ho azy ireo teo amin'ny tantaran'ny lalao — ary izy roa ireo dia vehivavy daholo no  atleta nandrombaka azy.

Sabotsy 3 Aogositra, tanaty orambe tao amin'ny Stade de France, nizotra nankany amina fandresena niezinezina sy manantantara teo amin'ny hazakazaka 100 metatra i Julien Alfred, 23 taona, avy ao Ste Lucie, namarana lavitra be tany alohan'ireo mpihazakazaka tamin'ny fetram-potoana 10,72 segondra ary namafa izay rehetra mety ho fanantenana fandresena ho an'ilay vehivavy amerikàna   Sha'Carri Richardson, izay noheverin'ny rehetra ho ny tsara indrindra.

Tsara fanombohana hatreny am-piaingàna i Alfred, ary azo lazaina ho nitarika hatrany amin'ny fiaingàna, tsy niova famindra nandritra ny hazakazaka mba handrombahana ny medaly ôlaimpika volamena  voalohany ho an'ny fireneny – ary mbola volamena, ankoatra izay. Richardson, izay nanitsaka ny tsipika farany tamin'ny fetram-potoana 10,87 seg., no nahazo ny laharana faharoa; ilay mpiray tanindrazana aminy Melissa Jefferson, no nahazo ny medaly alimo tamin'ny 10,92 seg.

Ilay Jamaikàna mpilalao atletisma ary bekotro maroholatra ankamamin'ny rehetra, Shelly-Ann Fraser-Pryce, dia nisintaka tsy nilalao noho ny ratra nahazo azy. Ny fandreseana azon'i Alfred dia mametraka azy ho ny vehivavy fahatelo avy ao Karaiaba nahazo medaly volamena tamin'ny 100 metatra, aorian'i Fraser-Pryce sy Elaine Thompson-Herah, samy avy ao Jamaika avokoa.

Tao anaty antsafa taorian'ny hazakazaka, Alfred nilaza tam-pitiavana momba an-drainy efa nodimandry, izay nino fa ananany izay rehetra ilaina hahatonga azy ho mpilalao ôlaimpika mahomby. Nolazainy ihany koa fa antenainy hitondra fanatsaràna ny fanatanjahantena ao Ste Lucie ny fandreseana azony, izay, araka ny nambarany, “zara raha [manana] fotodrafitrasa sahaza.” Tao amin'ny Anjerimanontolon'i Texas i Alfred no nanao fanazarantena.

Tamina taranja atletisma iray hafa, Thea LaFond avy ao Dôminika ihany koa dia nitondra nody ny volamena, tamin'ny vikina in-telo miantoana sokajy vehivavy, ny medaly ôlaimpika voalohany ho an'ny fireneny. Ilay Jamaikàna, Shanieka Ricketts no nahazo ny volafotsy tamin'ny fitsambikinana tany amin'ny 14,87 m, ny medaly voalohany ho an'ny fireneny tamin'izany taranja izany; ny alimo dia azon'ilay Amerikàna, Jasmine Moore.

Nirakotra ny sainam-pirenena nahaterahany, natolotr'i LaFond ho an'ireo vahoaka ao Dôminika ny fandresena azony, tamin'ny filazàna hoe, “Ho anareo rehetra ity ry akama.” 70.000 any ho any ny fitambaran'ny isan'ny mponina ao Dôminika; in-droa mihoatra kely an'izay ny ao Ste. Lucie, eo ho eo amin'ny 180.000.

LaFond, izay nandrombaka ny anaram-boninahitra Tompondaka Erantany Anaty Efitrano tany am-piandohan'ity taona ity, dia teraka tao Dôminika ary nifindra monina niaraka tamin'ny fianakaviany ho an'ny Etazonia fony izy vao dimy taona monja.

Samy niravoravo  tamin'ny zavabitan-dry zareo ireo firenena roa nahazo medaly ireo – tena ny faritra manontolo mihitsy:

RAVORAVO tanteraka ho azy!! Atleta tena mahatalanjona! #alfred #stlucia #bbcolympics pic.twitter.com/SqUZS0p8E6

— Miss Moz (@missmoz77) 3 Aogositra 2024

🇩🇲🥇🇩🇲🥇Ny medaly #VOLAMENA #VOALOHANY HATRIZAY #LALAOÔLAIMPIKA ! @thealafond #TheaLafond nisolo tena ary nampirehareha an'i #Dôminika! 🇩🇲🥇🇩🇲🥇 pic.twitter.com/j7Nfaw1Dee

— Shane O Raphael (@ShaneORaph) 3 Aogositra 2024

Ravo ireo mpampiasa media sôsialy ao amin'ny faritra fa afaka indray milaza hoe manana ny vehivavy haingam-pandeha indrindra erantany i Karaiba:

#Alfred Vehivavy haingam-pandeha indrindra eto an-tany 🌍 #LalaoÔlaimpikaParisy2024 #100m #Paris2024 #Paris2024Olympic #StLucia medaly voalohany & ary volamena ambonin'izany pic.twitter.com/QFZhWnHAWj

— Rajesh (@topgunRJ) 3 Aogositra 2024

Tsapa ny fireharehan'ireo avy ao Ste Lucie, izay nifamory tao an-drenivohitr'ilay nosy mba hijery ny lalao famaranana teo amina fàfana goavana be iray:

🌟 Arahabaina Julien, nampirehareha ny firenenao ianao!👏🏾 #Brilliant #StLucia #Alfred #Olympics https://t.co/NDT8de4XFx

— Antonio K. Ross Jr. (@FiscalPhenom) 3 Aogositra 2024

St. Lucia News Online dia nanoritsoritra ny zava-niseho ho toy ny “firavoravoana tsy hay fehezina.”

Mandritra izany fotoana izany, niaraka tamin'ny nanambaràn'ny praiminisitra dôminikàna, Roosevelt Skerrit, tamin'ny 2022 — taorian'ny nahazoan'i LaFond medaly nandritra ny Lalaon'ny Commonwealth tamin'izany taona izany sy ny Tompondakan'ny NACAC Senior — fa hanolotra fankasitrahana ara-bola ho azy ny firenena noho ny ezaka nataony, dia ho hita eo aloha ny fomba mety hataon'ny firenena hanomezana voninahitra azy tamin'ny nahazoany ny medaly ôlaimpika voalohany.

Nandritra ny lalao atletisma iray hafa natao ny 3 Aogositra, tafiditra ho laharana fahatelo tamin'ny Decathlon i Linden Victor avy ao Grenada, raha i Rajindra Campbell kosa nitondra nody ny medaly alimo tamin'ny taranja tifitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.