Enjehina ao amin'ny media sosialy i Chidimma Adetshina mpilatro, ary ity ny antony

Pikantsarin'ny Chidimma Adetshina tao amin'ny YouTube, ‘Miss SA 2024 Finalist Chidimma Adetshina’s Participation Sparks Debate‘ avy amin'i Skai Cole Podcast. Fampiasana ara-drariny.

Tafakatra top 13 amin'ny fifaninanana hatsaran-tarehy Oliravina Afrikana Tatsimo (Miss South Africa) ny mpilatro iray Afrikana Tatsimo, Chidimma Vanessa Owen Adetshina,  hiatrika fanoherana tao amin'ny media sosialy amin'ny fahafahany mifaninana noho ny zom-pireneny.

Hoy ny mpampiasa iray ao amin'ny X (Twitter taloha) hoe:

Mety manana karapanondro roa izy, saingy tsy izany no mahatonga azy Afrikana Tatsimo. Mbola Nizeriana 100% izy.

Nisy hafa nanampy hoe:

Tsy mpilatro Afrikana Tatsimo izany, tsy fantatray izany mpisandoka izany

Ny sasany nitaky azy hiala tamin'ny fifaninanana ary nanangon-tsonia mihitsy aza.

Manana 3 andro hialana amin'ny Miss SA izy na tsy hisy Miss Afrika Atsimo amin'ny herinandro ho avy, efa vonona ny taratasin'ny fitsarana

Araka ny nasongadin'ny vaovao Times Live, nafana ny adihevitr'ireo mpisera media sosialy tamin'ity herinandro ity taorian'ny nivoahan'ny lahatsary anjotra iray mampiseho an'i Adetshina miaraka amin'ny fianakaviany, ny sasany manao akanjo nentim-paharazana Nizeriana, nankalaza ny fahombiazany tamin'ny fifaninanana. Ity lahatsary eto amin'ny sioka ambany ity no nanosika ny hevitra fa tsy “tena Afrikana Tatsimo” izy hifaninana amin'ilay anaram-boninahitra.

Ry @Official_MissSA, efa nilaza taminay ireo pan-afrikanista fa mahatonga anao ho iray ny fananana karapanondro Afrikana Tatsimo. Eny ary, ahoana ny amin'ny fitiavan-tanindrazana, ahoana ny fankalazana ny olony sy ny kolontsainy. Tsy mahita rehareha Afrikana Tatsimo aho amin'ity horonan-tsary ity, mahita Nizeriana mirehareha aho. Manala baraka.

Nisy mpanao politika malaza nandray anjara tamin’ny adihevitra. Nilaza tao amin'ny X ny mpitarika ny ActionSA Party, Herman Mashaba, “Nampidi-kizo ny tenany ity tovovavy ity manondro ny tenany amin'ireo famantarana heverina ho tsy ara-dalàna eto Afrika Atsimo. Hevitra ratsy.”

Niresaka ny raharaha nandritra ny tafatafa podcast nataon'ny antoko tamin'ny herinandro lasa i Julius Malema, mpitarika ny Economic Freedom Fighters, dia niresaka momba izany, niteny hoe: “Voafaritry ny toerana nahaterahanao ny maha-olom-pirenena anao, ka raha teraka eto izy dia Afrikana Tatsimo. Tsy maninona izany. Tsy (mitovy amin'ny) ray aman-dreniny izy, fa (mijoro amin’)ny tenany. Ka maninona no lazaina fa avy any Nizeria na Mozambika izy? Teto izy no teraka.”

Naneho ny ahiahiny amin'ny fandraisan'i Adetshina anjara i Gayton McKenzie, minisitry ny fanatanjahantena, ny zavakanto ary ny kolontsaina Afrikana Tatsimo, ary nilaza fa hijery an'io raharaha io izy.

Araka ny Sowetan Live, teraka tao Soweto avy amin'ny reny Afrikana Tatsimo sy ny ray Nizeriana i Adetshina; manana fiaviana mozambikana koa ny reniny. Nobeazina tao Soweto ilay mpianatra lalàna 23 taona sady mpilatro, saingy nifindra tany Cape Town tatỳ aoriana, ary nilaza izy fa nandany ny fiainany manontolo tao Afrika Atsimo.

Niteny toa izao i Adetshina tamin'ny Sowetan Live nandritra ny antsafa iray,” Tsy noraharahaiko izany tamin'ny voalohany, saingy rehefa nandroso kokoa aho tamin'ny fifaninanana dia nitombo ny fanakianana. Nanontany ny tenako aho, misolo tena firenena aho, saingy tsy tsapako ny fitiavana avy amin'ireo vahoaka isoloako tena. Nanontany tena mihitsy aza aho hoe, mbola ilaina ve (ny manohy)?”

Nanampy izy hoe: “Raha ny marina, tsapako fotsiny fa fifankahalan'ny samy mainty hoditra izany rehetra izany satria tsy izaho irery no manana anaram-bosotra tsy Afrikana Tatsimo amin'ity fifaninanana ity. Tsapako fotsiny fa mitodika amiko ny saina noho ny volon-koditro izay heveriko ho fahavoazana… zavatra tsy maintsy noreseko nandritra ny nitomboako ihany koa izany. “

Araka ny News Live, nanamafy ny fikambanana mampanao fifaninanana Miss SA fa mahafeno ny fepetra rehetra i Adetshina handraisany anjara. Ny fepetra takiana amin'ny fidirana, araka ny nasongadin'ny TRT Afrika, no milaza fa tsy maintsy olom-pirenena Afrikana Tatsimo ary manana taratasy fanamarinana na pasipaoro Afrikana Tatsimo manan-kery ny mpifaninana. Raha manana zom-pirenena roa ilay mpangataka dia tsy maintsy omena ny antsipiriany momba ny zom-pireneny roa.

Mandritra izany fotoana izany, nahazo fanehoan-kevitra ratsy ny mpifaninana iray hafa, Sherry Wang, izay mifaninana fanintelony, saingy tsy mitovy amin'ny azon'i Adetshina sy mbola mihatra aminy.

Mpilatro Afrikana Tatsimo, lahatsarin'i Sherry Wang ho an'ny Miss Afrika Atsimo 2024.

Nahazo ny Vaton'ny Mpiondana izay nametraka azy ho isan'ireo mpifaninana Top 25.

Ity no fanintelony nifaninanana tamin'ny Miss Afrika Atsimo.

Manamarika ity lahatsary TikTok avy amin'ny TRT Afrika ity fa nandresy tamin'ny fifaninanana Miss South Africa tamin'ny taona 2001 i Vanessa Do Céu Carreira na dia nanana fiaviana Portiogey sy Angoley aza ny ray aman-dreniny.

Misy mihevitra fa fankahalam-bahiny ny fanakianana an'i Adetshina, satria niatrika fanavakavahana sy ny fitomboan-kerisetra ao Afrika Atsimo nanomboka tamin'ny taona 1994 ny mpifindra monina, ary ny vao haingana indrindra dia ny fananganana ny vondrona Operation Dudula.

Araka ny misongadina ao amin'io lahatsary TikTok io, misy ny tahotra eo amin'ny olom-pirenena Afrikana Tatsimo fa miditra hangalatra ny asany sy hanao heloka bevava, izay tsy tohanan'ny zava-misy na angon-drakitra mihitsy, ny vahiny, Afrikana mpifindra monina ny ankamaroany. Araka ny lahatsary TikTok, ireo mpanao politika no manao izay hampitarazoka ity olana ity, anararaotana ireo mpifindra monina, anilihana olana amin'ny fahasahiranana atrehan'ny Afrikana Tatsimo maro. Manome tsiny ireo mpifindra monina vahiny izy ireo tsy handraisany andraikitra amin'ny tsy fahombiazany manokana ary hamindra ny fahatezerana amin'ireo marefo indrindra, izay matetika dia mpifindra monina mitady fiainana ao amin'io firenena io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.