
100 m final men at the World Championships Athletics DOHA 2019. Image by filip bossuyt on Flickr (CC BY 4.0 ).100 m fifanintsanana farany lehilahy amin'ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany Athletisma DOHA 2019. Sary avy amin'i filip bossuyt tao amin'ny Flickr (CC BY 4.0 )
The 2024 Summer Olympics in Paris, France, commencing on July 26, will draw the best athletes from across the globe. Unlike in the Winter Olympics, Africa will be well-represented among the competitors.
Hisarika ireo atleta tsara indrindra maneran-tany ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2024 any Paris, Frantsa, manomboka amin'ny 26 Jolay. Tsy mitovy ny tamin’ny lalao olaimpika Ririnina [mg], ho voasolo tena tsara eo amin’ireo mpifaninana i Afrika.
Araka ny nomarihin'i Okay Africa, fantatra amin'ny fanjakazany amin'ny hazakazaka lavitr'ezaka ny firenena Afrikana Atsinanana Etiopia sy Kenya. Amin'ity taona ity, samy mikendry ny hahazo medaly volamena sy ny zo hirehareha manerantany ny firenena roa tonta. Vonona koa i Nizeria, Afrika Atsimo, Ogandà, Botswana, Liberia, Côte d'Ivoire, ary Ghana hametraka marika amin'ny Lalao Olaimpika any Paris, satria samy tafita tamin'ny lalao mifampitohy sy fanatanjahantena maro izy ireo.
Andeha hojerentsika ny dimy amin'ireo atleta Afrikanina mailaka indrindra izay hanao akom-baovao sy mety hanandratra ny sainam-pireneny amin'ny lalao amin'ity taona ity.
Ferdinand Omanyala: Lehilahy faingam-pandeha indrindra eto Afrika
Na dia eo aza ny fanjakazakan'i Kenya amin'ny hazakazaka lavitr'ezaka, Ferdinand Omanyala, izay nahazo ny anaram-boninahitra lehilahy mailaka indrindra eto Afrika 2021, no handeha amin'ny Lalao Olaimpika any Paris mba hanaporofo fa fonenan'ireo Afrikana mpihazakazaka haingam-pandeha indrindra ihany koa ny firenena Afrikana Atsinanana.
Manome aingam-panahy tsotra izao ny zava-bitan'i Omanyala ho any an-tampon'ny tontolon'ny hazakazaka (athlétisme). Tamin'ny zava-bita manokana 9,77 segondra tsara indrindra teo amin'ny hazakazaka 100 metatra, azony ny zavabita tsara indrindra Afrikana ary nisy fiantraikany lehibe teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
Nanomboka ny fisongadinan'i Omanyala raha niala tamin'ny rugby izy ary nifindra tamin'ny atletisma, fihetsika izay hita fa nahitam-bokany. Ny fanoloran-tenany sy ny fanazaran-tena mahery vaika no nahatonga azy ho lasa malaza, ka nahazoany toerana tao amin'ny horonantsary fanadihadiana Sprint: The World’s Fastest Humans. Manasongadina ny zava-bitan'i Omanyala ny sarimihetsika ary mametraka azy miaraka amin'ireo atleta malaza toa an'i Noah Lyles, tompondaka olaimpika Amerikana sy tompondaka eran-tany, Lamont Marcel Jacobs, tompon-daka olaimpika Italiana, ary Usain Bolt, tompon-daka eran-tany Jamaikana.
Tany am-piandohan'ity taona ity, hoy i Omanyala tamin'ny Sports Eye hoe “Te hanova ny zava-drehetra momba ny hazakazaka eto amin'ity firenena ity aho. Tsy hoe tsy manana talenta izahay. Eo ny talenta satria tena mahay rugby izahay. Ny hany tsy nanananay dia ilay toe-tsaina matanjaka hoe ‘afaka mahavita izany ianao.’ Izany no valin-drihana nanakana ny olona maro tsy hanao izany.”
Ny zava-bitan'i Omanyala tamin'ny African Athletic Championships sy Commonwealth Games no nanamafy ny maha-mpifanandrina ambony azy amin'ny lalao Olaimpika any Paris. Amin'izao ankatoky ny lalao izao, dia hitodika any amin'i Omanyala ny maso rehetra hijery raha afaka handresy ny tsara indrindra eran-tany izy ary hitondra volamena hody.
Akani Simbine: kintan'ny hazakazaka any Afrika Atsimo
According to Durban-based radio station, Gagasi FM, South African sprinter Akani Simbine has been the undisputed king of African sprinting for the last decade. He has consistently ranked among the world’s best in the 100 meters. Simbine placed fifth in the men's 100 meters at the 2016 Summer Olympics and held the African record for the 100 meters with a time of 9.84 seconds set in July 2021, until it was broken by Ferdinand Omanyala in September 2021.
Araka ny fampielezam-peo Gagasi FM ao Durban, ilay mpihazakazaka Afrikana Tatsimo Akani Simbine no mpanjaka tsy iadian-kevitra amin'ny hazakazaka afrikanina tao anatin'ny folo taona farany. Nitana hatrany ny laharana tsara indrindra eran-tany amin'ny 100 metatra izy. Nitana ny laharana fahadimy teo amin’ny 100 metatra lehilahy tamin’ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2016 i Simbine ary nitana ny zavabita tsara indrindra afrikanina teo amin’ny 100 metatra tamin’ny fe-potoana 9,84 segondra natao tamin’ny volana Jolay 2021, mandra-pandresen'i Ferdinand Omanyala tamin’ny volana Septambra 2021.
Manana lisitry ny mari-pankasitrahana mahavariana i Simbine, anisan'izany ny maha-finalista azy amin'ny 100 metatra lehilahy tamin'ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany tamin'ny taona 2017 (toerana fahadimy) sy 2019 (toerana fahefatra). Nandrombaka ny 100 metatra tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2018 sy ny lalao Commonwealth 2018 izy. Teo amin’ny 4 × 100 metatra, nanampy an’i Afrika Atsimo handresy tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika tamin’ny taona 2016 sy 2018 izy ary nahazo ny laharana faharoa tamin’ny lalao Commonwealth 2018 tamin’ny zava-bita Afrika Tatsimo tamin’ny fotoana 38,24 segondra. Nahatonga an'i Afrika Atsimo hahazo volamena tamin'ny 2021 World Relays ihany koa izy.
Nampiseho ny zava-bita vao haingana nataon’i Simbine fa tonga tamin’ny fara-tampony tamin'ny fotoana mety izy. Nahavita hafaingana indrindra tamin'ny 9,93 segondra mialoha ny Lalao Olaimpika, nametraka ny tenany ho mpifaninana matanjaka hibata medaly any Paris izy. Mahatonga azy ho atleta mampientam-po hojerena ny hafainganam-pandehany mipoaka eny am-piaingana sy ny fahaizany mitazona ny hafainganam-pandeha ambony indrindra.
Faith Kipyegon: Mpanjakavavin'ny lavitra ezaka
Faith Kipyegon no Kenyana matanjaka iray hafa malaza amin'ny fanjakazany amin'ny hazakazaka lavitr'ezaka. Vao haingana izy no nanamontsana ny zava-bitany manokana manerantany teo amin'ny 1.500 metatra vehivavy tao amin'ny Ligy Paris Diamond, tamin'ny 3:49.04. Mikendry handrombaka medaly volamena Olaimpika in-telo mifanesy amin'ny halavirana tiany indrindra izy.
Voatendry hiaro ny anaram-boninahitra olympika 1.500 metatra any Paris i Kipyegon, 30 taona rehefa avy nahafeno fepetra tamin'ny hazakazaka 1.500 metatra sy 5.000 metatra tamin'ny andrana olaimpika Kenya tamin'ny volana Jona. Tamin'ny Lalao Olaimpika Rio De Janeiro tamin'ny taona 2016 sy ny Lalao Olaimpika Tokyo 2020 (notontosaina tamin'ny taona 2021), nitondra volamena nody izy. Manasongadina ny fahaizany sy ny fahavononany miavaka ny zava-bitany vao haingana, ary naneho ny fankasitrahany tao amin'ny lahatsoratra Instagram izy hoe: “” Faly be aho nanamontsana indray ny zava-bita tsara indrindra manerantany tamin'ny halavirana tiako indrindra. Misaotra anareo rehetra tamin'ny fanohanana ary misaotra an'i Paris. Tsy andriko ny hiverina hiaro ny anaram-boninahitra Olaimpika!”
View this post on Instagram
Nanjary mariky ny aingam-panahy ho an'ny atleta vehivavy ihany koa i Kipyegon, mampifandanja ny asany amin'ny maha-reny azy taorian'ny niterahany an'i Alyn zanany vavy, tamin'ny taona 2018. “Te-hanentana ireo tanora reny aho, mba hahafahan'izy ireo miala amin'ny fialan-tsasatra mitaiza zaza ary miverina miasa, ” hoy izy tamin'ny Citizen TV.
Eliud Kipchoge: Ny andrarezin'ny hazakazaka (marathon)
Manohy manosika ny fetran'ny zakan'ny olombelona i Eliud Kipchoge any Kenya, izay heverina indrindra fa mpihazakazaka goavana hatramin'izay. Tompondakan'ny marathon olaimpika tamin'ny taona 2016 sy 2020 izy ary nitana ny zava-bita maneran-tany tamin'ny hazakazaka nanomboka tamin'ny taona 2018 ka hatramin'ny taona 2023 tamin'ny fe-potoana 2:01:09 napetraka tamin'ny Marathon Berlin 2022. Resin'i Kelvin Kiptum tamin'ny Marathon Chicago taona 2023 io zava-bita io, izay nahavita tamin'ny fe-potoana 2:00:35. Fanampin'izany, nahavita ny efatra tamin'ireo fe-potoana marathon folo haingana indrindra teo amin'ny tantara izy.
Hikatsaka ny hahazo medaly volamena fanintelony any Paris ihany koa ity tompon-daka amin'ny hazakazaka olaimpika indroa ity.
Niditra tao amin'ny Instagram i Kipchoge naneho ny hafaliany mialoha ny Lalao, ary nilaza hoe: “Milaza foana aho fa nofinofy manokana ny nofinofy olaimpika. Ny Lalao Olaimpika no nofinofin'ny ankizy kely manomboka amin'ny fanatanjahantenantsika izany no tena mandrisika antsika ankehitriny. Tena mirehareha aho fa voafantina fanindiminy ho an'ny ekipa Kenyana teo amin'ny fiainako. Rehefa avy nahazo ny medaly volamena marathon tany Rio de Janeiro sy Tokyo, dia hifantoka amin’i Paris aho izao!”
View this post on Instagram
Joshua Cheptegei: Dinamo mahavita lavitra an'i Afrika
Joshua Cheptegei, Ogandey mpihazakazaka lavitr'ezaka, amin'izao fotoana izao no mitazona ny zava-bita eran-tany ho an'ny 5.000 metatra sy 10.000 metatra ary koa ny fotoana tsara indrindra eran-tany amin'ny halavirana 15 kilometatra. Tamin'ny taona 2020, izy no voalohany nihazakazaka tamin'ny halavirana 5 kilometatra tao anatin'ny 13 minitra latsaka, ka nametraka ny zava-bita manerantany tamin'io halavirana io tamin'ny 12:51.
Ankoatra ny maha tompondaka olaimpika amin'izao fotoana izao amin'ny 5.000 metatra, nahazo ny tompondaka eran-tany intelo teo amin'ny 10.000 metatra ihany koa i Cheptegei. Izy ihany no lehilahy fahafolo teo amin'ny tantara manana ihany koa ny zava-bita manerantany ho an'ny 5.000 metatra sy 10.000 metatra, izay samy azony tamin'ny taona 2020. Nahazo medaly volamena tamin'ireo halavirana ireo ihany koa izy tamin'ny lalao Commonwealth 2018 sy ny Tompon-dakan'ny World Cross Country IAAF 2019.
Ny zava-bitan'i Cheptegei tamin'ny fiadiana ny Tompondaka Maneran-tany sy ny Ligy Diamond no nampiavaka azy tamin'ireo namany. Eo am-piatrehana ny lalao olaimpika any Paris, mikendry ny hanampy volamena Olaimpika bebe kokoa amin'ny lisitry ny zava-bitany izy. Ny hazakazaka stratejika ataony sy ny daka famaranana mahery vaika no mahatonga azy ho mpifaninana matanjaka amin'ny hazakaza-davitra rehetra.
Satria mijery ireo atleta mpifaninana ireo izao tontolo izao, tsy isalasalana fa hanentana ny olona an-tapitrisany izy ireo ary mety hampiditra ny anarany ao amin'ny tantaran'ny Olaimpika.