Fiainana ambany fifehezan'ny tafika any amin'ny tanàna lehibe indrindra ao Myanmar

Yangon

Ny 19 Jolay, teo am-pankalazàna ny faha-77 andron'ireo maritiora, nohenjanin'ny fitondrà-miaramila ao Myanmar ny fiarovana ao afovoan-tanànan'i Yangon. Saripika sy maribolana avy amin'ny The Irrawaddy – amin'ny fiteny anglisy, mpiaramiasa iray manome votoaty ho an'ny Global Voices.

Ity lahatsoratra nosoratan'i Yazar Aung ity dia navoaka voalohany tao amin'ny The Irrawaddy, tranonkalam-baovao tsy miankina ao Myanmar. Ity dika nasiana fanovàna ity dia naverin'ny Global Voices navoaka, ho ampahany amin'ny fiarahamiasa mifampizara votoaty.

Ny sondro-bidim-piainana mihazakazaka miakatra tao anatin'ny volana vitsivitsy dia nanosika ny vahoakan'i Myanmar hitodika amin'Andriamanitra. Ny fifandraisan'ny fivavahana sy ny vidin-javatra ve? “Andriamanitra ô” no valinteny mazàna re rehefa sendra ny vidin-javatra, miainga avy amin'ny sakafo ka hatramin'ny solika sy ny fanafody, miakatra isaky ny efatra na dimy andro.

360 kyats (USD 0.11) izao ny atody akoho iray izay nosandaina 120 kyats (USD 0.037) talohan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2021. Tafakatra ho 500 kyats (USD 0.15) ny atodin-gana iray raha 200 kyats (USD 0.062). Tsy misy hafa amin'izany ny solika fandrehitra, ny vary, ny voatabia, ny laisoa, ny radia fotsy, ny akoho,  ny kisoa ary ny patsabe. Tsy misy sakafo ka hoe tsy niakatra ny vidiny.

Ao Yangon, ireo filaharamben'ny mponina mividy menaka voanio dia ahatsiarovana ny vanim-potoana “Ne Win”, fony notsinjaraina ny zavatra ilaina andavanandro, toy ny vary. Tsy maintsy mitondra karapanondro ireo teratany, teo ambany fitondràna diktat iray, mba hanakànana ny olona tsy hilahatra fanindroany ka hividy fanampina menaka fanendasana. Tototra olona ary vetivety dia lany entana ireo toeram-pivarotana mitety tanàna mpivarotra menaka tohanan'ny fanjakàna, amin'ny vidiny 6,000 kyats (USD 1.85) ny viss iray (eo amin'ny 1,6 kilao eo), antsasaky ny vidiny eny an-tsena.

Tsy manitatra mihitsy ireo sariitatra maneso eny anaty tambajotra sôsialy raha mampiseho ireo olona mandroba laisoa eny an-tsena.

Ny laisoa , epinaran-drano ary ny atody no zavatra fahita matetika teny an-databatry ny tokantrano kely fidiram-bola. Saingy teo ambany fitondràn'i (jeneraly) Min Aung Hlaing, na ireo ankohonana amin'ny saranga antonony aza dia misento lalina manoloana ny vidin'izy ireny.

Any an-kafa dia mety ho fanalàna andro mahafinaritra ny fandehanana miantsena, fa tsy ho an'ny vahoaka ao Myanmar. Ho an'ny ankamaroan'ny ankohonana dia fijaliana isanandro ny fihazakazahana manangona sakafo ho an'ny tokantrano.

Ny vary ratsy kalitao, izay 2.000 kyats (USD 0.62) ny viss iray (eo amin'ny 2,13 kilao) talohan'ny fanonganam-panjakàna dia tafakatra ho maherin'ny 5.000 kyats (USD 1,54). Ireo voamaina tsara kalitao dia ny fianakaviana manam-bola sisa no afaka manjifa azy amin'izao fotoana izao. Tena tsy nahita notenenina aho rehefa injay nilaza ny filohan'ny jubta, Min Aung Hlaing, nandritra ny fotoanan'ny filazam-baovao tamin'ny 8 ora alina, andro vitsy lasa izay, fa nanondrana ny voka-bariny tafahoatra i Myanmar.

Nitaraina noho ny fiakaran'ny vidin'ny trondron-dranomasina ny iray tamin'ireo nenitoako, izay fividiny ho an'ireo alika mpirenireny an-dàlambe. Vao mainka nampitombo ny fahasahiranana, eny fa na ho an'ireo biby mpirenireny aza, ny fanonganam-panjakana nataon'i Min Aung Hlaing.

Mponina iray ao Yangon no mamaritra ny fidàngan'ny vidin-tsakafo, ny tsy fisian'ny entana, ny fiharatsian'ny onjana heloka bevava ary ny tahotra tsy miato ny hosamborin'ny miaramila.#InonaNoMitrangaAoMyanmar
Ampio ny The Irrawaddy hitatitra ny marina avy ao Myanmarhttps://t.co/PaJUd0yQhXhttps://t.co/cepHSPkwgR

— The Irrawaddy (Eng) (@IrrawaddyNews) 15 Jolay 2024

Mandritra izany fotoana izany, ny fahatapahan'ny herinaratra dia manery ahy hampiasa entona fandrehitra mba hahandroana ny sakafo antoandron'ireo zanako. Tsy ela akory izay dia niakatra ihany koa ny vidin'ny entona fandrehitra, nefa ny vidin'ny arina tsy mora ihany koa. Dia nimenomenona ihany koa aho nanao hoe “Andriamanitra ô!”

Tsy ny sondro-bidy  ihany anefa no olana. Lasa tsy fahita ihany koa ny entana sasantsasany.

Niditra toeram-pivarotana iray aho mba hividy vovoka tsiron'akoho, andro roa lasa izay, saingy tsy nahita na iray aza teo ambony talantalana. Tamin'ny feo iva, nilaza tamiko ilay ankizivavy mpivarotra, izay efa nahafatatra ahy ho mpanjifa tsy tapaka, mba hiandry mandra-pàkany vitsivitsy avy any an'efitrano fitahirizana. Rehefa nolazaiko am-badiko ny momba izany, tamim-pahagagàna no nilazàny tamiko hoe efa herinandro vitsivitsy no tsy nisy ny vovoka tsiron'akoho.

Tao amin'ny toeram-pivarotana iray City Mart,  nahita aho zava-pisotro Ovaltine, notsinjaraina ho roa isaky ny mpanjifa. Rehefa niteny aho hoe mila telo ho an'ireo raiamandrenibeko, tamim-pitiavana no nanomezan'ilay mpandray ny fonosana roa ho ahy ary ny fanintelony kosa nanaovany tapakila mitokana. Azoko an-tsaina fa mety ho lany koa ny tahirina Ovaltine.

Taorian'ny volana maro nitadiavana feta Gillette fampiasa rehefa miharatra, tany amin'ireo toeram-pivarotana malaza, dia nahita tavoahangy roa ihany aho nony farany, tao amin'ny farmasia iray. Ny lôjika no nibaiko ahy hividy roa, nefa ny filàna ho an'ireo zanako roa tanora no lohalaharako. Nisondrotra ihany koa ny vidin'ny salàka.

Nanaka-danitra ihany koa ny vidin'ny fanafody. Mety hiharam-pahavoazana ihany koa ny fahasalaman'ireo marary rehefa ho ren'izy ireny ny fiakaran'ny vidin'ireo pilina ilainy. Tato ho ato dia ny hoe “Lany ny tahiry amin'izay fanafody izay” no fiverimberenana mahazatra re rehefa eo anoloan'ny latabatry ny farmasia. Tsy maintsy nizatra niaritra ny fanaintainan'ny vavoniny ny vadiko, satria matetika lany ny Kremil-S antacid.

Tsy vitako ny tsy hanozona an'i Min Aung Hlaing. Na izany aza,  mba mahazo tombony kely ihany izahay mponina an-tanàndehibe raha oharina amin'ireo mpiray tanindrazana any an-toerana hafa any, izay voatery mandao ny fananany sy ny fandraharahàny handositra ny daroka avy any an'habakabaka ataon'ny junta sy ireo sakàna ataon'ny fitaovam-piadiana mavesatra.

Lasa ampahan'ny amin'ny fiainana andavanandro any amin'ireo tanàndehibe ny sondro-bidim-piainana, ny tsy fahampian'ny entana ilain'ny mpanjifa, ny olana henjana ateraky ny fahatapahana herinaratra, ary ny onjana heloka bevava arahana halatra, herisetra sy sinto-mahery. Manampy ilay fikororosiana ankapobeny ny fisian'ireo fiarabe mpitatitra nefa tsy manana fahazoandàlana eny an'arabe ao Yangon. Fantatra amin'ny fomba fitondra mampididoza ataony ireo fiara tsy mendrika ireo, ilay izy mihazakazaka misisika haka mpandeha.

Ao Yangon, tsy tony intsony ireo vehivavy misampina pôketra eny an-tsorony. Lasibatry ny aretin'ny fanendahana ihany koa ny telefôna finday, bisikilety na tsotra na ny mandeha herinaratra. Matetika ireo mpamily fiarabe fitateram-bahoaka no mampitandrina ireo mpandeha mba “hitandrina tsara ny findainy sy ny pôketrany” – marika fa misy mpangarom-paosy ao anaty fiara.

Asain'ireo jiolahimboto mpampily fiara fitaterana ny mpandeha aminy mba hivavaka amin'Andriamanitra rehefa mampitombo hafainganam-pandreha ry zareo hisongona ireo fiarabe fitateram-bahoaka. Lasa loharanom-bola fanampiny ho an'ireo miaramila sy pôlisy mpandamina fifamoivoizana ihany koa izy ireny, noho ireo “tsolotra ataon'ny mpitatitra” efa zary lasa zava-mahazatra ao Yangon.

Eny an'arabe, tsy tapaka ireo Yangonita no matahotra ny hosakanan'ireo miaramilan'ny junta hitsikilovana ny telefônan-dry zareo. Afaka hisamborana anao ny fampiasanao virtual private network (VPN) na fitahirizana sary lazaina fa saropady ara-pôlitika na manohintohina ny mpitondra.

Raha mitetitety ny afovoan-tanànan'i Yangon ianao, ny tabataban'ireo milina mpihary herinaratra no manovitrovitra ny sofinao, ary mankarary ny lohanao ny fofona masison'ireo daba fanariana fako efa mitobaka.

Hatramin'ny nisian'ilay fanonganam-panjakàna dia nikatona ireo toeram-pisakafoanana raitra, toy ilay trano fisakafoanana japôney Gekko, izay nahasarika ny teo an-toerana sy ireo mpanjifa avy any ivelany.

Nanamafy ny fitondràna fa hoe nitombo ny isan'ireo vahiny avy any ivelany, nefa zara raha ahitàna mpizahatany ao Yangon. Tantara sisa ireo andiana vahiny tazanao tao amin'ny Shwedagon Pagoda, ao ivelan'ny Yangon City Hall, ao Chinatown, sy anatin'ireo fiarabe fitaterana avy any na mankany amin'ny seranam-piaramanidina .

Na ny faritra andrenivohitra, na ny ambanivohitra ao Myanmar dia samy miaina korontana daholo hatramin'ny nisian'ilay fanonganam-panjakàna.

Tsy hisy mihitsy vahiny haniry hiantrano amina tokantrano misy korontana.

Isaky ny maraina, hoy ny vadiko amiko, “Maninona ianao no tsy mandefa Paritta [hira bodista heverina ho mandroaka ny loza sy ny antambo] eo amin'ny solosainao?”

Nefa fantatro fa mila mihoatra lavitra noho ny fihiràna aho mba hanalàna ny ozon'ny fitondrà-miaramila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.