
Bemiray nataon'i Arzu Geybullayeva, natsangana tao amin'ny Canva Pro. Sary nahazoana alalana.
Eo am-piatrehana ny fifidianana parlemantera mialoha ny fotoana ao Azerbaijan kasaina hatao ny 1 Septambra, dia mandinika ireo kandidà ho solombavambahoaka ny olom-pirenena ary mitabataba amin'ny rafitra iray lazain'izy ireo ho misoroka ny hisian'ny fifidianana malalaka sy ara-drariny ireo mpanohitra mpikatroka. Efa nitazona ny toerany nanomboka tamin'ny taona 1990 ny mpikambana sasany ao amin'ny parlemanta (depiote), toa an'i Eldar Ibrahimov izay voafidy tamin'ny volana septambra an'io taona io ihany ary tsy niala intsony. Mbola mirotsaka hatrany izy eo amin’ny faha-79 taonany ary tsy nieritreritra ny hijanona. Zandriny herintaona i Mikhail Zabelin, 78 taona, solombavambahoaka nanomboka tamin'ny taona 1995. Amin'ny toe-javatra sasany, dia mirotsaka ihany koa ny zanaky ny depiote teo aloha na amin'izao fotoana izao, izay efa mahazatra loatra raha ny filazan'ny mpikambana iray hafa, Elman Nasirov.
Vaovao tsara: Nampitombo ny isan'ny vehivavy kandidà ny Antoko New Azerbaijan (YAP) eo amin'ny fitondrana. Vehivavy depiote miisa 33 no hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ho avy, raha 26 tamin’ny taona 2020. Ary na dia milaza aza ny antoko eo amin’ny fitondrana fa kandidà 66 amin’ny 125 no sambany mirotsaka ho solontenan’ny antoko, dia tsy tena marina izany. Misy amin’ireo kandidà no naka toerana ao amin’ny governemanta toy ny lehiben’ny distrika teo aloha na niasa tamina andrim-panjakana. Ho an'ny manam-pahaizana Azerbaijan, fantatra avy hatrany ho mpikambana ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana ny mpiasa amin'ireo toerana ireo. Misy maningana sasantsasany amin'ny lisitry ny kandidà 66 izay avy amin'ny fampitam-baovao, fitsaboana, akademika ary fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana.
Ny fifidianan'ny taona 2020
Notontosaina tamin’ny taona 2020 ny fifidianana solombavambahoaka farany teo izay nahitana tsy fanarahan-dalàna sy fanitsakitsahana ara-pifidianana. Azon'ireo kandidà hita fa tsy mivadika amin'ny fitondrana an'ny Antoko Azerbaijan Vaovao avokoa ny toerana rehetra afa-tsy ny iray ihany tamin'ireo toerana 125 tao amin'ny Antenimieram-pirenena. Notontosaina sivy volana alohan’ny datim-pifidianana ihany koa ny fifidianana tamin'io. Tao amin'ny tatitra ara-pifidianana savaranonando nataon'izy ireo, nilaza ny Organisation for Security and Cooperation in Europe (OSCE) fa “manakana ny fifaninanana tena izy ny lalàna maneritery sy ny tontolo politika”, ary voarakitra an-tsoratra ny “fanosihosena paika arahina” amin'ny fanisam-bato sy amin'ny fafana.
Sarotra ny milaza fa hiavaka amin'izany ity fifidianana ity. Roa volana monja mialoha ny latsa-bato, nitaraina ny mpanao politika avy amin'ny mpanohitra fa voafetra ny fotoana natokana handaminana. Na izany aza, tsy ny mpanohitra rehetra no nanapa-kevitra hanao ankivy ny fifidianana tahaka ny efa natao teo aloha. Amin'ity indray mitoraka ity, antoko politika telo ihany no mandà tsy handray anjara — ny Mandam-Bahoaka, ny Filankevitra Nasionalin'ny Hery Demaokratika, vondrona mpanohitra izay ahitana ny antoko Mandam-Bahoaka, ary ny Sehatra Repoblika faha-3.
Tao amin'ny fanambaràna nivoaka tamin'ny 13 Jolay, nilaza ny solontena iray avy amin'ny Mandam-bahoaka:
In a country where more than 300 political prisoners remain behind bars, the freedom of free assembly is prohibited, the election commissions are under the full control of the government, the voting and vote counting process is impossible to control, the free press is destroyed, the independent local observers are prevented from monitoring the elections, and total absence of a free and competitive election environment, the extraordinary election to the Milli Majlis scheduled for September 1, 2024 should be boycotted.
Ao amin'ny firenena iray izay ahitana gadra politika maherin'ny 300, voarara ny fahalalahana hivory, eo ambany fifehezan'ny governemanta tanteraka ny komity misahana ny fifidianana, tsy azo fehezina ny fanisam-bato sy ny fanisam-bato, potika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, voasakana tsy hanara-maso ny fifidianana ny mpanara-maso tsy miankina eo an-toerana, ary tsy misy mihitsy ny tontolom-pifidianana malalaka sy ahafaha-mifaninana, tokony hatao ankivy ny fifidianana Milli Majlis kasaina hatao ny 1 Septambra 2024.
Namoaka fanambaràna mitovy amin'izany ny Filankevi-pirenena tamin'ny 16 Jolay:
The National Council considers the September 1 election not an election, but a cheap show, with a predetermined and scripted outcome reflecting [president] Ilham Aliyev's personal wishes, and considers it's participation unnecessary and harmful from the point of view of national interests.
Heverin'ny Filankevi-pirenena ho tsy fifidianana ny fifidianana amin'ny 1 Septambra, fa seho mora vidy, sy vokatra voafaritra mialoha sy voarakitra an-tsoratra araka ny fanirian'ny [filoha] Ilham Aliyev manokana, ary mihevitra fa tsy ilaina sy manimba ny fandraisana anjara amin'ny tombotsoan'ny firenena izany.
Mbola mametraka ny tsiny amin'ny Filoha Ilham Aliyev ho “nanimba mivantana” ny andrim-pifidianana ilay fanambaràna.
Nilaza ny Sehatra Repoblika Fahatelo tamin'ny fanambaràny fa “tsy ara-dalàna” ny fifidianana ary manakana ny mety hisian'ny “fifidianana malalaka sy marina” ny “famoretana ara-politika tsy mbola nisy hatramin'izay.” Mbola voatana am-ponja vonjimaika amin'izao fotoana izao ny roa amin'ireo mpikambana ao amin'ny sehatra — Akif Gurbanov sy Ruslan Izzatli, miatrika fiampangana hosoka manao fanondranana an-tsokosoko izay natao ireo mpikatroka sivily marobe nanomboka tamin'ny Novambra 2023. Noho izany, “voafafa hatry ny ela tamin'ny zava-misy ara-politikan'ny firenena izay ilaina mandritra ny fampielezan-kevitra” ny fahalalahana fototra rehetra, hoy ny tohin'ny fanambaràna.
Tamin'ny 22 Jolay, maherin'ny 1.000 ireo kandidà nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka. Hatramin'izao, 700 no voasoratra ara-panjakana.
Fifidianana ao anatin'ny tontolo tena voafetra
Tamin'ny Septambra 2022 [mg], nanomboka nifanakalo hevitra momba ny lalàna vaovao ny parlemanta nasionaly, izay tsy ahafahan'ny antoko politika vaovao hitsangana ao Azerbaijan. Feno fameperana mahery vaika maromaro ny volavolan-dalàna naroso, manomboka amin'ny isa kely indrindra amin'ny mpikambana ao amin'ny antoko ka hatramin'ny fepetra manodidina ny mpikambana mpanorina ny antoko, ny rafitra famatsiam-bola, sy ny maro hafa. Raha nohalefahana ny sasany amin'ireo sy ny fameperana hafa, dia nankatoavin‘ny parlemanta tokoa ilay volavolan-dalàna nohavaozina tamin'ny Desambra 2022, ary nanomboka nanan-kery ny lalàna tamin'ny Janoary 2023. Volana maromaro taorian'ny nandraisany izany, antoko politika maro no nanjavona tao Azerbaijan.
Efa nitolona hatry ny ela ny antoko politika mpanohitra tao Azerbaijan, niatrika fisamborana, fanagadrana, sakantsakana ara-bola, na fanenjehana, ankoatra ireo fanamby hafa. Nanjaka teo amin'ny sehatra ny YAP nitondra hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1992. Kely monja no novain'ny fifidianana parlemantera notoherina tamin'ny marsa 2020 tamin'ny firafitry ny antenimieram-pirenena.
Raha niresaka tamin'ny parlemanta tamin'izany fotoana izany ny Filoha Ilham Aliyev dia nandidy ireo mpikambana vao voafidy mba hanitsy ny volavolan-dalàna hanampy amin'ny fanavaozana ny firenena. Nanomboka teo, nankatoavin‘ny parlemanta ny volavolan-dalàna mampiady hevitra momba ny fampitam-baovao sy ny antoko politika, nogiazana mafy kokoa ny fanaraha-maso ny votoaty anjotra, ary nampidirina ny fepetra mametra ny zon'ny tena manokana (lalàna vaovao mampiditra fanelanelanana tsy maintsy atao ho an'ny mpivady mitady fisaraham-panambadiana), raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy.
Napetraky ny Freedom House ho “tsy malalaka” hatrany i Azerbaijan tamin'ny taona 2013, tao amin'ny tatitra fanao isan-taona momba ny Fahalalahana teto ambonin'ny tany.
An-taonany maro i Azerbaijan no nanana ny iray amin'ireo firaketana iraisampirenena ratsy indrindra momba ny zon'ny olom-pirenena sy ny fahalalahana. Ny famoretana vao haingana natao tamin'ireo mpanao gazety sy mpikatroka ao amin'ny firenena no fambara fa hisy ny fifidianana mialoha ny fotoana ao amin'ny firenena iray izay mbola fanahiana goavana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana.
Nosamborina tamin'ny famoretana vao haingana ihany koa i Anar Mammadli, talen'ny masoivohon'ny mpanara-maso ny fifidianana malaza ao an-toerana, ny Foibe Fanaraha-maso ny Fifidianana sy ny Demokrasia (EMDC).
Raha maro ireo mpanao gazety mahaleo tena, mpanao politika ary mpikatroka sivika any am-ponja, tsy isalasalana fa tsy azo antoka ny mangarahara amin'ny fifidianana ho avy. Niteraka ahiahy fanampiny ny fanambaràna vao haingana nataon’ny minisitry ny Atitany lefitra nandritra ny fivoriana nokarakarain’ny Vaomieram-pifidianana foibe (CEC) niaraka tamin’ireo filohan’ny vaomieran’ny fifidianana ao amin’ny distrika, sy ireo tompon’andraikitra hafa misolo tena ny Filoham-pirenena, ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana, ny biraon'ny Fampanoavana ary ny Minisitera:
Continuous monitoring of the internet space and social networks will be carried out. Disruptive forces with the intention of preventing the normal conduct of the elections have been identified in time, and action will be taken against them. After the election, the ballots and protocols will be taken by the police. All measures will be taken to prevent illegal actions and violations of public order.
Hotohizana ny fanaraha-maso tsy tapaka ny habaka aterineto sy ny tambajotra sosialy. Efa hita ara-potoana ireo hery mpanakorontana izay mikasa ny hanakana ny fanatanterahana ara-dalàna ny fifidianana, ary hisy ny fandraisana andraikitra hatao azy ireo. Aorian’ny fifidianana dia horaisin’ny polisy ny latsa-bato sy ny arofenitra. Horaisina ny fepetra rehetra hisorohana ny hetsika tsy ara-dalàna sy ny fanitsakitsahana ny filaminam-bahoaka.
Tsy mahagaga ny fihenoana fanaraha-maso ny sehatra media sosialy sy ny fepetra horaisina, raha jerena ny anjara toeran'ny sehatra tamin'ny fandraketana ny hosoka sy ireo fandikan-dalàna tamin'ny fifidianana teo aloha, anisan'izany ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana tamin'ny 7 Febroary 2024.
Na dia amin'ny fotoana tsy isian'ny fifidianana aza, dia betsaka ny tranga nikendrena ireo mpitsikera ny governemanta tamin'ny fizarana ranty tamin'ny sehatra media sosialy. Tsy menatra ny governemanta manakenda ny fidirana amin'ny sehatra media sosialy sy ireo fampiharam-pifandraisana amin'ny finday. Ahafahan'ny fanjakana sy ny andrim-panjakana ao aminy, toy ny Minisiteran'ny Atitany, manara-maso mora foana ireo sehatra ny fitaovana isan-karazany ao amin'ny firongon'ny teknolojian'ny fanaraha-maso manelingelina.
Na inona na inona endrika taloha mbola hijanona ao amin'ny parlemanta, na hosoloin'ny zanany, dia tsy hisy akony firy amin'ny hoavin'ny firenena ny vokatry ny latsa-bato parlemantera ho avy — indrindra fa tsy tafiditra ao anatin'ity ho avy ity ny soatoavin'ny demokrasia sy ny fiantohana ny fahalalahana fototra.