Ny mety sy ny tsy mety amin'ny fampiasam-bola shinoa eo amin'ny sehatry ny fitrandraham-bolamenan'i Tajikistan

Gold nuggets in front of a mining operation.

Sary avy amin'ny Canva Pro.

Fehezin'i Shina ny maherin'ny 75 isanjaton'ny volamenan'i Tajikistan tao anatin'ny 30 taona, ary mbola izy no vahiny mpamatsy vola lehibe indrindra amin'ny toe-karena sahiran‘ny firenena.

40 ny tahirim-bolamena ao amin'ny firenena fantatra amin'izao fotoana izao izay tombanana ho 500 taonina ny fitambarany — ny ankamaroany dia mbola tsy notrandrahana.

Nifantoka ara-stratejika tamin'ny fampitomboana ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany ny governemantan'i Tajikistan nandritra ny telopolo taona hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1991. Izany no izy satria faritra be tendrombohitra ny 93 isanjaton'ny faritaniny izay misy karazana mineraly mihoatra ny 50, anisan'izany ny volafotsy, volamena, vifotsy, ary molybdène.

Tendrombohitra Pamir ao Tajikistan, mizotra mankany amin'ny lalan'i Khargush any Tajikistan. Sary avy amin'ny Lisansa Flickr CC BY 2.0

Na izany aza, amin'ny maha-firenena mahantra indrindra ao Azia Afovoany raha jerena ny harin-karena isan'olona, ​​amin'ny ankapobeny i Tajikistan dia tsy ampy fitaovana hamolavolana toeram-pitrandrahana vaovao na hanitarana ny any amin'ireo efa misy. Izany no mahamety indrindra an'i Tajikistan ny fahalianan'i Shina amin'ny fitrandrahana volamena. Saingy sabatra roa lela ny fidiran'ny renivola shinoa ao amin'ny sehatry ny fitrandrahana volamena ao Tajikistan, miteraka olana goavana maro, indrindra mikasika ny loza mitatao sy ny fahasimbana ara-tontolo iainana, ary ny zon'ny mpiasa.

Ny olana ara-tontolo iainana

Raha misy ireo ezaka hampihenana ny fiantraikan'ny fitrandrahana volamena amin'ny tontolo iainana any amin'ny firenena sasany, amin'ny ankamaroan'ny fari-pitsarana, dia mijanona ho iray amin'ireo sehatrasa manapoizina indrindra eran-tany izany. Manampy trotraka amin'ny fandripahana ala, fahapotehan'ny tany, ary fandotoana ny loharano amin'ny akora simika mampidi-doza toy ny cyanide sy volavelona (merkiora), izay ampiasaina amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany matetika ny fitrandrahana volamena. Tsy vitan'ny hoe manohintohina ny tontolon-javamiaina eo an-toerana ireo fiantraikany amin'ny tontolo iainana ireo fa manohintohina ny fahasalamana sy ny fiveloman'ireo vondrom-piarahamonina miankina amin'ireo rohivoary ireo.

Nampitombo ny fitrandrahany volamena mihoatra ny folo heny i Tajikistan tao anatin'ny efa ho 20 taona, avy amin'ny 1 taonina tamin'ny taona 1995 mankamin'ny efa ho 12 taonina tamin'ny taona 2022, ka mitana anjara toerana lehibe amin'izany ny orinasa sy ny fiaraha-miombon'antoka shinoa.

Amin'ny ankapobeny, i Shina no mpampiasa vola mivantana voalohany avy any ivelany any Tajikistan. Tamin'ny taona 2021, nampiasa vola maherin'ny 211 tapitrisa dolara ny orinasa avy any Shina tao Tajikistan, izay mahasahana ny 62 isanjaton'ny fampiasam-bola vahiny ho an'ny taona iray. Mankany amin'ny fitrandrahana sy fanodinana ny firaka, ny vifotsy ary ny akora fanitso, sy ny fitrandrahana vatosoa sy metaly sarobidy sy fandravahana indrindra indrindra ity fampiasam-bola.

Ny Zijin Mining Group, mpamokatra volamena voalohany ao Shina no miaraka tompon'ny “Zarafshon,” ilay mpamokatra volamena sangany ao Tajikistan izay mamoaka ny 70 isanjaton'ny vokatra volamena Tajik. Na izany aza, sarotra ny milaza ny “Zarafshon” ho fiaraha-miasa mitovy lenta eo amin'ny fanjakana Tajik manana 25 isanjato sy ny Zijin Mining mitana ny 75 isanjaton'ny orinasa.

Miala 300 metatra amin'ny tanànan'i Khumgaron any avaratr'i Tajikistan ny tahirim-bolamena novolavolain'ny fiaraha-miasa. Toerana be tendrombohitra io ary ny fiompiana omby no tena ahazoany vola. Tsaroan’ny mponina teny an-toerana fa tsara tarehy sy tsy tratran'ny poizina ny tanànany, 25 taona lasa izay, mahazo rivotra madio sy rano madio. Rehefa nanomboka ny asany tao ny Zarafshon tamin’ny taona 1997, dia tsy nisy fiovana firy tamin’ny voalohany, fa noho ny fanitarana ny asa fitrandrahana tao anatin’ny taona maro, dia nihamaro ny tany nalaina hitrandrahana volamena, ka nanakely ny kijàna hiandrasan'ny mponina omby. Hoy i Firuza Kakhkhorova, mponina ao amin’ny vohitr’i Khumgaron: “Nalain’izy ireo ny taninay, izay niambenanay ny ombinay taloha, ary tsy manana toerana hanaovana izany intsony izahay ankehitriny.”

Tamin'ny taona 2023, nanangana orinasan-taovy (metallurgique) hitrandrahana volamena sy varahina ao Penjikent, any avaratr'i Tajikistan ny Zarafshon. Ahafahan'ilay orinasa manodina volamena-varahina 165 arivo taonina isan-taona izany. Na dia azo inoana aza fa mitondra tombony ho an'ny tompon'orinasa (anisan'izany ny fanjakana Tajik) sy asa ho an'ny sasany ity tetikasa ity, dia misy voka-ratsy miharihary ho an'ny mponina ao an-toerana. Mpanao gazety iray ao an-toerana, nitsidika ny faritra ary niresaka tamin'ny Global Voices sy mba tsy hotononina anarana, no mitatitra fa “mahery be ny setroka mivoaka avy amin'ity orinasa ity ka mamela vovoka miloko volondavenona amin'ny ravinkazo. Amin'ny farany, miteraka olana ara-pahasalamana ho an'ny mponina eo an-toerana izany ary mitaraina ho manana olana ara-pisefoana ny olona. ” Araka ny nambaran’ity mpanao gazety ity dia efa folo taona izay no niangavy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana ny mponina any an-toerana mba hamindra toerana azy ireo ho lavidavitra kokoa ny fitrandrahana volamena. Na dia teo aza ny fanomezan-toky imbetsaka, dia tsy nisy na inona na inona natao, ary “saika tsy misy ny fieritreretana famindran-toerana.”

Face excavator sy UAZ-469 ao Tajikistan. Via Wikipedia Creative Commons license CC BY-SA 2.0

Manahy fatratra amin'ny fahalotoan’ny rano koa ny mponina ao an-toerana. Ao amin'ny lahatsary iray navoakan'ny Radio Free Europe/Radio Liberty (RFE/RL) amin'ny teny Rosiana, milaza ny iray amin'ireo mponina ao an-toerana fa “mampiasa cyanide izy ireo [Zarafshon] mba hamolavolana sy hitrandrahana volamena. Miteraka fahavoazana lehibe ho an’ny olona izany. Efa ratsy ny nanorenana ny ozinina voalohany tany amin’ny faritra iva amin’ny tanàna, ary ankehitriny izy ireo dia manangana orinasa vaovao any amin’ny faritra ambony akaikin’ny loharanonay. Efa tsy azo sotroina ny ranonay ary raha manomboka miasa akaikin'ny min’ny loharanon’ny ireo dia vao mainka ho poizina kokoa izany”.

Mavitrika amin'ny fitrandrahana volamena sy mineraly hafa ao an-tanànan'i Zarnisor any avaratr'i Tajikistan ny Fiaraha-miasa iray hafa antsoina hoe Tajik-Shino Mining Company. Efa nivoaka tamin’ny taona 2006 ny fahazoan-dalana hitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany ireo ary tamin'ny taona 2016 no namoahany volamena voalohany. Araka ny fanazavan’ny mpanao gazety iray nitsidika an’iny faritra iny, izay naleony tsy nitonona anarana noho ny antony ara-pilaminana dia misedra olana ara-drano ihany koa ny mponina ao an-toerana. Satria faritra be tendrombohitra izy io, dia miantehitra amin'ny rano avy any an-tendrombohitra ny olona, ​​saingy tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, rehefa nanitatra ny asany ny Tajik-China Mining Company, dia nafindra lalana ny rano azo mba hamaly ny filan'ny asa fitrandrahana, ka na 30 minitra isan'andro ny vohitra eo an-toerana no mahazo rano na tsy mahazo mihitsy.

Asa sy olana ara-tsosialy

Efa niteraka resabe tao Tajikistan ny fomba fanao mifandraika amin'ny asa fitrandrahana harena ankibon'ny tany miaraka amin'ny fampiasam-bola Shinoa. Matetika ny fitarainana momba ny faharatsian'ny asa, ny karama kely, ary ny fahamaroan'ny shinoa miasa mihoatra noho ny mpiasa eo an-toerana. Tamin'ny taona 2021, nanomboka nitokona ny mpiasa Tajik ao amin'ny toeram-pitrandrahana volamena ao Kumarg ambony, an'ny Shinoa TBEA, noho ny sakafo ratsy tao amin'ny toeram-pisakafoana. Any an-tendrombohitra no misy ity toeram-pitrandrahana ity ary nitaraina ireo mpiasa tsy nitonona anarana fa “tsy misy otrikaina sy ambany kalitao” ny sakafo nomena, araka ny filazan’ny mpiasa.

Ambonin'izany, misy ny tsy fitoviana goavana eo amin'ny karaman'ny Shinoa mpiasa  sy ny Tajik mpiasa. Araka ny filazan'ny mpanao gazety ao an-toerana izay niresaka tamin'ny Global Voices nametra tsy hotononina anarana, dia 300-400 dolara ny tahan-karaman'ny Tajik mpiasa isam-bolana, fa ny Shinoa mpiasa kosa mahazo 5.000 dolara amerikana sy tombontsoa hafa. Mponina ao an-toerana avokoa ny Tajiks miasa ao amin'ny toeram-pitrandrahana Zarnisor ary io no hany asa azon'izy ireo atao ao amin'ilay faritra.

Tamin'ny taona 2018, nahazo fahazoan-dàlana hamolavola toeram-pitrandrahana Tajik goavana ao Upper Kumarg izay lazain'ireo mpahay jeolojia ao an-toerana ho manana tahirim-bolamena 30 taonina ny orinasa shinoa TBEA. Ho setrin'izany, nanaiky ny hanangana tobin-jiro “Dushanbe-2” i Shina. Vatsian'ny Shinoa Eksimbank hatramin'ny 95 isanjato ny fanorenana ity toby famokarana herinaratra ity. Milaza ny voambolana sy ny fepetran'ny fifanarahana teo amin'ny roa tonta fa afaka maka volamena mandra-pandoan'i Tajikistan ny trosa ny TBEA. Raisin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana Shinoa People's Daily ho fandraisana anjara amin'ny toekarena ao an-toerana ity tetikasa ity. Na izany aza, tsy misy torohay azo momba ny fotoana sy ny fomba famerenana io vola io.

Nahoana i Shina no mampiasa vola ao Tajikistan?

I Shina no mpamokatra volamena lehibe indrindra eran-tany, mahasahana ny 11 isanjaton'ny famokarana volamena manerantany, koa nahoana i Shina no mila mampiasa vola ao Tajikistan? Iray amin'ireo antony ny tsy fananan'i Shina volamena betsaka. Nihena ny famokarana volamena ao an-toerana nandritra ny taona maro. Miankina betsaka amin’ny akora avy any ivelany ny indostrian’ny volamena ao amin’ny firenena.

Ny tsy fihenjanan'ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny fampiharana azy ao Tajikistan no ahafahan'ny orinasa Shinoa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany miasa amin-tamberin'andraikitra kely indrindra, mampitombo ny fahasimban'ny tontolo iainana.

Raha mitondra ny renivola tena ilaina sy ahafahana mampandroso ny fampiasam-bola Shinoa eo amin'ny sehatra fitrandraham-bolamena ao Tajikistan, dia miteraka fanamby maro ihany koa ireny. Ny fahapotehan'ny tontolo iainana, ny fiankinan-doha ara-toekarena, ny fifanolanana arakasa, ary ny fiantraikany ara-jeopolitika dia olana lehibe mila vahana mba hahazoana antoka fa mandray soa maharitra sy ara-drariny i Tajikistan amin'ireo fampiasam-bola ireo .

Raha misy ireo Tajik sasany manery ny governemanta hampihatra rafi-pitantanana matanjaka sy hiroso amin'ny fifampiraharahana mangarahara sy ara-drariny miaraka amin'ireo mpampiasa vola Shinoa, raha jerena anefa ny tantaran'ny governemanta Tajik momba ny tranga toy izany, dia tsy azo inoana fa ho voavaha haingana ireo fepetra ireo. Amin'izao fotoana izao, mifantoka kokoa amin'ny fanitarana ny fitrandrahana volamena sy ny fahazoana fampiasam-bola ny governemanta Tajik, fa tsy amin'ny fahasimban'ny tontolo iainana amin'ny faritra fitrandrahana volamena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.