Iza i Aya Nakamura, ilay mpanakanto nambara fa hanokatra ny Lalao Ôlaimpika Parisy 2024?

Saripikan'i Aya Nakamura, mpanakanto safiotra frantsay-maliàna; pikantsary avy ao amin'ny fantsona  YouTube-n'ilay mpanakanto

Ny 26 Jolay 2024 ireo Lalao ÔLaimpikan-dohantaona (JO) 2024 no hanomboka amin'ny fomba ôfisialy ialohavan'ny lanonam-panokafana ahitàna kaonseritra fitokanana. Anisan'ireo mpanakanto voalahatra i Aya Nakamura, vehivavy frantsay mpanakanto manam-piaviana maliàna, izay ny nisafidianana azy dia niteraka adihevitra nafampàna tao Frantsa izay efa mifandrirotra vokatr'ireo olàna ara-pifindràmonina.

Amin'ny tena anarany, Aya Coco Danioko, i Aya Nakamura dia mpanakanto iray, mpihira sady mpamoron-kira. Teraka tamin'ny 10 May 1995 tao Bamako, renivohitr'i Mali, ny talentany dia nolovain'i Aya avy tamin'ny reniny, izay mpihira ihany koa tany aloha, no sady mpitantara angano nentindrazana tao Mali.

Fiantombohana nahavelom-panantenana

Fony izy vao 19 taona i Aya Nakamura no niseho teo anoloan'ireo mpankafy mozika nanomboka tamin'ny 2014 niaraka tamin'ilay hirany hoe “Karma”. Araka izany dia niditra tamina asa iray nahitam-pahombiazana ilay mpankanto ary nanipy azy ho eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Marobe ireo fisehoana hafa taorian'io andrana io izay tena voaray tsara tokoa teny anivon'ireo frantsay mpankafy mozika. Avy any amin'ny “Love d'un voyou” niarahany niasa tamin'i Fababy ; hatrany amin'ny “Super héros” niarahana tamin'ilay mpanakanto Gradur ; nandalo tamin'ny hirany hoe “Oumou Sangéré” ho fanomezana voninahitra an'ilay mpankanato sy olomalaza maliàna Oumou Sangaré, nametraka ny anarany i Aya.  Tamin'ny alàlan'iray rakikirany voalohany  “Journal intime“, nivoaka tamin'ny Aogositra 2017, no nanombohany tanteraka ny asany.

Indro ny rakitsarin'ilay hirany “Oumou Sangaré”  avy amin'ilay rakikirany voalohany :

Ny fisidinana ho amin'ny sehatra iraisampirenena

Ny rakikira faharoan'i Aya Nakamura nomeny anarana hoe “Nakamura” dia ny Novambra 2018 no nivoaka. Anatin'io rakikira faharoa io no ahitàna hira miisa 19, toy ireo lohateny malaza La dot, Dadja, Copines, Pookie, 40 pourcent.

Indro ny lahatsarin'ny hira Dadja:

Tamin'ny Novambra 2020, namoaka ny “Aya“, rakikirany fahatelo ilay mpanakanto. Ao anatin'io dia ahitàna hira 17, ka isan'izany ny Jolie nana, Doudou, Fly, Plus jamais niarahany niasa tamin'ilay mpanakanto Stormzy, sy ireo hira marobe hafa izay nahazo jery an-tapitrisa tao amin'ny Youtube.

Ity manaraka ity ny lahatsarin'ny hira Fly:

 

Fanamafisana ny talentany

Ho hosotra ho an'ireny taom-pahombiazana ireny, navoakan'i Aya Nakamura tamin'ny Janoary 2023 ny rakikira iray fahefatra nomeny lohateny hoe DNK izay manamafy ny fahombiazany sy mametraka azy ho toy ny kintana erantany.  Ahitàna hira 18 ao anatin'ilay rakikira, toy ny SMS, Haut niveau, Baby, Dady,…

Tamin'ny alàlan'ny fahavononany sy ny fanolorantenany, voatohitr'i Aya daholo ireo vinavina rehetra ary amin'izao fotoana izao izy dia mipetraka ho ny mpankanto frantsay malaza indrindra eo amin'ny sehatra irasampirenena sy be mpihaino indrindra erantany. Ao amin'ny YouTube, ny fantson'ilay mpanakanto dia manana 7,56 tapitrisa mpanjohy azy ary ireo lahatsariny rehetra navoaka tao amin'ny Youtube dia nahangona jery mihoatra ny efatra lavitrisa. Ao amin'ny Spotify, isambolana i Aya Nakamura dia mahahetsika mpihaino efa ho 10 tapitrisa.

Iharan'ny resabe manodidina ny Lalao Ôlaimpika 2024

Raha toa ny asany ka tsy nisedra fanoherana, na kely aza, teny anivon'ny sehatra iraisampirenena sy ireo frantsay mpankafy, dia niharam-panafihana noho ny resa-piaviana ihany i Aya Nakamura. Taorian'ny nanambaràna ny nisafidianana azy hanao ny lanonam-panokafana ny Lalao Ôlaimpika, am-polony ireo Frantsay, mpikambana avy amin'ny hetsika antsoina hoe Les Natifs no naneho ny fankahalàny an'ilay mpanakanto, tamin'ny alàlan'ny sorabaventy iray izay mazava tsara ny hafatra. Tao amin'ny kaontiny X (Twitter taloha), azontsika vakiana ny hoe:

🔵Ts'isy fika ry Aya a, Parisy eto fa tsy tsenan'i Bamako !

Taorian'ny nanambaràna ny mety hahitàna ilay vehivavy mpihira, Aya Nakamura, mandritra ny lanonam-panokafana ny Lalao Ôlaimpika Parisy, nisy dimiambinifolo tany ho any ireo Natifs nanao fihetsiketsehana tao amin'ny boriborintany faha-IV mba hiampangàna safidy nataon'ny filohantsika: soloina zava-tsy manjary ny hakanton'ny frantsay, avadika ho loko afrikàna ireo hira malazantsika ary akimpily ireo olona teratany mba hanomezana toerana ny mpifindra monina avy any ivelan'i Eorôpa.

Manoloana ny tsy fandriampahalemana, afaka mahazo antoka ireo mpizahatany fa ho afaka handre ny feo malefak'i Aya hanakoako manerana an'i Parisy, hamerina ilay Hira Fanevan'ny Fitiavana an'i Édith Piaf, hatao gadona “afrobeat”. Dia inona no dingana manaraka? Fihiran'i Magic System ny Hiran'ireo Partisana ve?

Toy ny mahazatra azy, asehon'i Emmanuel Macron indray ny fanamavoany ny vahoaka Frantsay sy ny kolontsainy.

Toherin'ny Natifs io hadalàna io ary takianay mba ho mpanakanto mampiseho ny lovany no hisolo tena an'i Frantsa, haneho ny soatoaviny sy ny maripamantarana azy!

pic.twitter.com/9825VJAlA1

— Les Natifs (@LNatifs) 9 Martsa 2024

Idiran'ireo mpisehatra pôlitika ihany koa ilay resabe. Toy izany no nataon'i Marine Le Pen, vehivavy mpanao pôlitika, filohan'ireo solombavambahoakan'ny Rassemblement national (RN) izay manararaotra io tataka io hanakianana an'i Emmanuel Macron. Hoy izy:

Tsy marika tsara izany. Fihantsiana amboniny ataon'i Emmanuel Macron, izay toa mifoha isaky ny maraina miaraka amin'ny tanjona hanao izay hanàla baràka ny vahoaka frantsay. Izaho tsy handeha hiresaka momba ny manodidina azy. Fa fotsiny hitanisa ny fombany, ny maha-tsy manjary azy ary ny zavamisy hoe izy tsy mihira amin'ny fiteny frantsay na tenim-pirenena hafa azo fantarina. Lavitra azy ny ho ohatra amin'ny fahasamihafàna, fa fotsiny hadalàna mirarak'ompana.

Mazava ny valintenin'i Aya Nakamura tamin'ireny teny feno fankahalàna natao azy ireny. Ao amin'ny kaontiny X (Twitter taloha), manoratra izy hoe:

Afaka ny ho mpanavakavaka ianareo fa tsy marenina. 🧏.. Izany no mankarary fo anareo ! Lasa lohahevi-panjakana laharana 1 aho, sns… saingy anananareo trosa inona moa aho raha ny marina? Kedal https://t.co/rgnGeAAOfD

— Aya Nakamura (@AyaNakamuraa) 10 Martsa 2024

Dadju, frantsay mpanakanto iray hafa no tsy nampiseho halemem-panahy nanoloana ireny hafatra feno fanavakavahana ireny, izay natao ho an'ilay manandratra avo ny sainam-pirenena frantsay amin'ny resaka mozika iraisampirenena. Ao amin'ny kaontiny X, hoy izy :

Izany no antony mbola mahataraiky eto.
Anaovanareo fitsarambahoaka ny mpanakanto goavana indrindra eto amin'ny firenena, miaraka amina fanehoankevitra toy ny an'ny kilasy CM1…
Tsy ady akory izany, nefa ankehitriny tsy maintsy mihira izy, izahay hanohana azy.
Tsy Bamako, tsy Bamako. Lelika maty ireto! pic.twitter.com/YNhfnldGKR

— DADJU (@Dadju) 10 Martsa 2024

Nitondra ny fanohanany an'i Aya i Rachida Dati, minisitry ny kolontsaina. Araka ny lahatsoratra iray ao amin'ny gazety LeMonde, nampitandrina ireo mpanao fanehoankevitra feno fanavakavahana izy:

Heloka bevava ny fanafihana mpanakanto iray amin'ny hoe tsy azo ekena.

Mbola araka ny gazety Le Monde hatrany, Thomas Jolly, mpandrindra an-tsehatra nasaina hiandraikitra ny lanonam-panokanana ny JO dia naneho ny hatezerany manoloana ireny fihetsika feno fanavakavahana ireny. Tao amin'ny kaontiny X, hoy i Jolly:

Tohina mafy aho amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra atao an'i Aya Nakamura. Hijoro hanohitra ireo rehetra endrika fanavakavahana ny lanonana fanokafana. Frantsa, amin'ny alàlan'ireo mpanan-talenta maroloko, dia hankalaza ny hatsaràna sy ny haren'ny fahasamihafàny. https://t.co/mvyAWQvxk8

— Thomas JOlly (@Thomajolly) 11 Martsa 2024

Amin'ity raharaha fanavakavaham-bolonkoditra ity, misy fanadihadiana iray nosokafan'ny Fampanoavana ao Parisy ho valin'ny fangatahana nataon'ny Ligy Erantany manohitra ny Fanavakavaham-bolonkoditra sy ny fankahalàna jiosy (LICRA) ho fanohanana ilay mpanakanto.

Arakaraky ny maha-akaiky ny andro-A, tsy misy mahafantatra raha toa i Aya Nakamura ka voatàna na tsia hihira ny hiran'i Edith Piaf ny andron'ny 26 Jolay.

Jereo misimisy kokoa ireo hiran'i Aya Nakamura ao anatin'ity playlist feno ity. Misy playlists hafa ahitàna ireo mozika erantany azo idirana amin'ny alàlan'ny kaonty Spotify an'ny Global Voices.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.