Melohin'ny ‘Faktograf’ mpanamarina tranga ny fikasihan-tànana nataon'ireo sampan-draharaha kroaty tamin'ny mpanao gazety iray

Saripika iray tsy misy daty ahitàna ilay Kroaty mpanao gazety, Melita Vrsaljko, eo am-perinasa tao amin'ny biraon'ny Faktograf. Ny 16 Jolay, niharam-panafihana tany an-tranony ramatoa io noho ny tati-baovao nataony. Saripika: Faktograf, fampiasàna nahazoana alàlana.

Ity lahatsoratra ity dia mifototra amin'ny fandrakofam-baovao nataon'ny Meta.mk. Dika iray nasiam-panovàna no averina avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty nifanaovan'ny Global Voices sy ny Orina Metamorphosis. 

Ireo mpikambana ao anivon'ny European Fact-Checking Standards Network (EFCSN) – tambajotra eorôpeàna mpametraka ireo fenitra fanamarinana tranga – dia namoaka fanambaràna iray momba ilay fikasihan-tànana nanjo ny mpanao gazety kroaty mpanamarina tranga avy ao amin'ny Faktograf , izay nitranga tamin'ny 16 Jolay teny akaikin'i Zadar. Araka ny tatitry ny FaktografMelita Vrsaljko, mpanamarina tranga, ilay mpanao gazety efa nahazo fankasitrahana tamin'ny asany, miasa ao amin'ny tranonkalam-baovaon-dry zareo Climate Portal, dia niharam-bono raha niasa tao amin'ny vohitr'i Nadin.

Tany am-boalohany, nisy lahiantitra iray nidaroka azy teny an-kalamanjàna tao Nadin raha izy nandalo nanoloana ny toeram-panariana fako tsy manara-dalàna vao manomboka, niaraka tamin'ny mpakasariny namita asa momba ny famokarana sarimihetsika fanadihadiana iray. Taoriana kely, mbola nisy nikasi-tànana indray izy, fa tamin'ity indray mandreha ity dia tao an-tranony, tao Nadin ihany koa. Ny zanakavavin'ilay mpanafika tany am-boalohany, taorian'ny nanokafan'i Vrsaljko ny varavarambe, no nanomboka namely azy sy nanandrana ny haka ny telefaona findainy.

Hoy ny tatitry ny departemantan'ny pôlisy ao Zadar:

Policijskim postupanjem je utvrđeno da je 36-godišnjakinja došla na adresu prebivališta oštećene, gdje ju je verbalno, a potom i fizički napala, pri čemu joj je mobitel iz ruke bacila na tlo.

Ny fanadihadian'ny pôlisy no nahafahana namaritra fa nisy vehivavy iray 36 taona tonga tao an-tokantranon'ny niharam-boina, ary nanao rahom-bava sy nidaroka azy, nanipy ny finday teny an-tànany ho eny amin'ny tany.

Ireo mpanafika, Iva Perić sy Ivan Vrsaljko, dia rahavavy sy rain'i Dario Vrsaljko, ilay pôlitisiàna manana ny heriny ao an-toerana. Ny Morski.hr, vavahadim-baovaom-paritra ho an'ny faritra Adriatika, izay namerina namoaka ireo saripika sy lahatsary avy amin'ilay fanafihana izay navoaka tany am-boalohany tao amin'ny Facebook, dia nanamarika fa izy roa ireo dia samy mpanohana sy mpikambana malaza ao anatin'ny HDZ, antoko eo amin'ny fitondràna.

Vanja Jurić, mpisolovava, dia nampitandrina fa “na misy aza ireo vavolombelona sy ny firaketana an-dahatsary, ny pôlisy, araka ny fantatra hatreto, dia manasokajy fahatany ireny fanafihana ireny ho toy ny heloka fanelingelenana filaminam-bahoaka sy fandriampahalemana, izay nandraisan'ilay niharam-boina anjara ihany koa.” Nilaza izy fa hametraka fitoriana ny pôlisy satria tsy noraisin'izy ireo ny fepetra tokony ho vitany sy tokony noraisiny hiarovana ilay mpanao gazety Vrsaljkon, mifanaraka amin'izay voalazan'ny Fepetra Famaizana heloka bevava.

Noraketin'ny Faktograf ao amin'ny tranonkalan-dry zareo ilay fanafihana.

Screnshot of Faktograf story on the attack against journalist of the Climate Portal covering illegal landfill near Zadar, Croatia. Photo: Faktograf.hr.

Pikantsary avy amin'ilay tantaran'ny Faktograf momba ilay fanafihana nanjo ny mpanao gazety, tao amin'ny vavahadin-tserasera Climate Portal, nandrakotra momba ilay fanariam-pako tsy manara-dalàna ao akaikin'i Zadar, Kroasia. Saripika: Faktograf.hr. Fampiasàna nahazoana alàlana

Avy hatrany ny European Fact-Checking Standards Network (EFCSN) dia namoaka fanambaràna an-gazety nanamelohana ilay fanafihana. Said Ana Brakus, mpiara-manorina sady tale mpanatanteraka ao amin'ny Faktograf:

Nandritra ny taona maro, niharana fandrahonana feno herisetra ny Faktograf – Fikambanana ho an'ny Vahoaka Mahara-Baovao. Im-betsaka iharana filàm-baniny sy herisetra ireo mpanao gazety ato aminay. Kanefa ity fikasihan-tànana nanjo an'i Melita Vrsaljko tao an-tranony ity dia manamarika fitomboana herisetra tsy mbola nisy toa azy sy mampivarahontsana. Izy dia mpanao gazety mpamokatra sarimihetsika efa nahazo fankasitrahana, mpiasa mifofotra sy mahitsy, manolo-tena tanteraka ho amin'ny asa fanaovangazety faran'izay avo kalitao ho an'ny vahoaka. Hitondra manontolo ny fanohananay amin'ny fo ho an'i Melita ny Faktograf, ary miantso anareo izahay hanatevina laharana anay hanameloka io fihetsika mampivarahontsana io.

Nasongadin'ny EFCSN hoe, indrisy, io tranga io dia anisan'ny  fironana mampahatahotra amin'ny filàm-baniny sy fandrahonana atao amin'ireo mpanamarina tranga manerana izao tontolo izao. Tao Kroasia, tany aloha ny Faktograf dia miatrika fandrahonana sy filàm-baniny tahaka izany, na tsy nisy aza ny fikasihan-tànana, izay anisan'ny mahatonga ity tranga ity ho tena mampanahy. Nanindry ny EFCSN fa:

Tsy maintsy ataontsika ny miatrika io olan'ny fitomboan'ny herisetra io, ary amim-pahamatorana sahaza azy. Mitàna toerana goavana ho fiarovana ny fanehoankevitry ny daholobe ireo mpanamarina tranga ary amin'ny fiantohana fa hahara-baovao ny vahoaka, ary vaovao marina. Entaninay ireo rehetra mpiara-mitan-tsoroka mba hanohana sy hiaro ireo mpanamarina tranga eny am-panohizan-dry zareo ny iraka masina ataony manoloana ny fahasarotana.

Ny  International Fact-Checking Network (IFCN) dia nanatevina laharana ireo mpiara-miasa avy ao Eorôpa tamin'ny fanamelohana ilay fanafihana ny mpanao gazetin'ny Faktograf. Faktograf dia mpanasonia voamarina ao anatin'ny Fitsipika ijoroan'ny IFCN.

Ny mpikambana EFCSN sy IFCN avy amin'ny Orina Metamorphosis ao Makedonia Avaratra dia nanatevina laharana an'ilay fanamelohana, niaraka tamin'ny efitrano famoaham-baovaon'ny sampana mpanamarina tranga Truthmeter.mk, ny masoivohom-baovao Meta.mk ary ny vavahadim-baovao amin'ny fiteny albaney PortAlb.mk.

Метаморфозис ги повикува хрватските државни институции експедитивно и недвосмилено да го истражат нападот на новинарите на Фактограф на кои им е потребна заштита од вакви напади бидејќи проверувачите на факти кои ги адресираат клучните прашања што ги засегаат нашите општества.

Antsoin'ny Metamorphosis ireo andrim-panjakana ao amin'ny Repoblikan'i Kroasia mba hanadihady haingana sy tsy misy fisalasalàna momba ilay fanafihana nanjo ny mpanao gazetin'ny Faktograf, izay mitaky fiarovana manoloana ireo fanafihana tahaka izany satria ireo mpanamarina tranga dia miresaka ireo olana fototra mahakasika ny tombontsoan'ny daholobe momba ny fiarahamonina ao amin'ny faritra Balkàna, manerana an'i Eorôpa, ary eran'izao tontolo izao.

Miombom-po amin'ireo iharan'ny filàm-baniny manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra ny ekipa ao amin'ny Metamorphosis, satria efa niharam-panafihana nitovy tamin'izany ry zareo, anisan'izany ny fampielezankevitra voarindra iray izay nisy efa an-taonany maro. Nihamafy izy io niaraka tamin'ireo onjam-panafihana tena vao haingana kely tamin'ny Febroary tamin'ity taona ity. Ireny fanafihana ireny, toy ireo sasany teo alohany, dia niteraka fampiakaram-peon'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpanao gazety ary nandefasana tatitra tany amin'ny Ministeran'ny Atitany sy ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao amin'ny Repoblikan'i Makedônia Avaratra. Kanefa hatramin'izao dia tsy mbola nandray fepetra ireo tomponandraikitra mahefa.

Tanaty lahatsoratra iray tao amin'ny Twitter/X, tamin'ny fiteny pôlôney sy Anglisy, naneho ny fanohanany ny Faktograf sy ny fanambarana nataon'ny EFCN ihany koa ny Demagog, fampahalalam-baovao pôlôney mpanamarina tranga.

Ny Committee to Protect Journalists (CPJ) – Kaomity mpiaro ny mpanao gazety- dia namoaka fangatahana iray nalefa ho an'ireo manampahefana kroaty mba “hanadihady haingana momba ireo fanafihana roa nanjo ny mpanao gazety Melita Vrsaljko izay misy ifandraisany amin'ny tatitra nataony momba ny tontolo iainana, ka handray fepetra hiantohana ny fiarovana azy.” Ny International Federation of Journalists (IFJ), sy ny  Center for Democratic Transition (CDT) avy ao Montenegro dia nanambara ampahibemaso ny fanohanany an'ireo gazety tandindonin-doza.

Tamin'ny May 2023 no navoakan'ny Faktograf ireo vokatry ny fikarohany “Filàm-baniny natao an'ireo Media manamarina tranga ao Eorôpa”, maharakotra efitranom-baovao miisa 41. “Matetika ireo mpanamarina tranga no iharam-panafihana ataon'ireo pôlitisiàna sy mpisehatra hafa avy amin'ny vahoaka, ary hatramin'ny filàm-baniny eny anaty tambajotra sôsialy. Goavana be ny mety hahavoan'ny fampitahorana, ny fanalàm-baràka ary ny fampielezankevitra fihantsiana an-tambajotra, saingy tena tsy hitan'ny olona ety ivelan'ny “fiarahamonina”. Somary lasibatr'izany amin'ny taha tsy dia mifandanja loatra ireo vehivavy [ary] henjana kokoa izany any amin'ireo firenena tsy manana demaokrasia matanjaka sy tontolona haino-vaky-jery mavitrika…” hoy ny fanamarihan'ilay fanadihadiana .  

Ireo mpanamarina tranga no lohalaharana amin'ny ady amin'ny fandisoana ny vaovao, izay mazàna no mifanindran-dàlana amin'ny fankahalàna, ny pôlitikam-panilihana sy ireo ideôlôjia manohitra ny demaokrasia, ary ireo mpanao an-tendrony. Efa napetrak'ireo fikarohana tany aloha [nataon'ny ICFJ] fa ny fanaovana tatitra momba ny fandisoana ny vaovao “dia toy ny fanoitra iray manokana mihitsy” ho an'ny filàm-baniny. Ireo mpisehatra ratsy fanahy, izay mampiasa tetikady fanodinkodinana mba hahatratrarany ny tanjona pôlitikany sy/na mitaona ireo mpanaraka azy ho lasa mpanao hiringiriny, dia mametraka sahady ireo mpanamarina tranga ho lasibatra tsy tapaka sy matetika amin'ny fampielezankevitra an-tambajotra ataon’-dry zareo. Marina ihany koa ny mitovitovy amin'izany ho an'ireo mpisehatra izay mampiasa ny vaovao diso sy ny vaovao mamitaka amin'ny fomba feno fanararaotana mba hakàna tombony avy amin'ireo lasitra dokambarotra efa misy,  izay manome vàhana ny fanapotsirana (clickability) raha mitaha amin'ny fahatokisana.

Na izany aza, io faharefoana io, izay tonga ho “mpanohina antso voalohany” ao anatin'ireo tolona fanoherana ny fikorontanan'ny fampahalalam-baovao sy ireo vokadratsiny marobe, dia tsy eken'ireo mpiara-miombona antoka goavana izay manana ny fahafahana hanindry azy. Nofintinin'ilay fanadihadiana fa:

Noho izany, ny filàm-baniny atao amin'ireo mpanamarina tranga dia ilaina hankatoavina ho olana ara-drafitra, arahana fahatsiarovantena tanteraka momba ny fikasàny hanaratsy ireo filazambaovaon'ny isam-batan'olona mpanamarina tranga sy ireo ezaka ankapobeny hiadiana amin'ny fandisoana ny vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.