
Sorabaventy misy teny filamatra manohitra ny Governemanta Daniel Noboa nandritra ny hetsika tao Quito, Ekoadaoro, tamin'ny 4 Jolay 2024 mivaky hoe “Hanoanana i Noboa” ary “Tsy fampihorohoroana ny fiarovana ny aina.” Ny hoe “miaro ny aina” dia midika hoe miaro ny filaminana ao anatin'ny tsy fandriampahalemana misy ao amin'ny firenena. Tamin'ny 9 Janoary 2024, nanambara tamin'ny alàlan'ny didim-panjakana laharana 110 sy 111 ny “toetr'ady” amin'ny fampihorohoroana ny filoha Daniel Noboa. Ankoatra izay, nambarany fa “mpampihorohoro” ny vondron-jiolahy miisa 22, ho lasibatra vonjy ranovakin'ny miaramila. Nantsoin'i Noboa hoe “mpampihorohoro” ireo nanohitra ny hetsika Fakan-kevitra ny Vahoaka izay nitaky fanavaozana ny lalàna momba ny filaminana, ny asa ary ny olana ara-pitsarana iraisam-pirenena. Fanontaniana 9 amin'ny 11 ihany no azony momba ny olana ara-pilaminana. Sary avy amin'i Gina Yauri, nahazoana alalana.
Ny alakamisy 4 jolay 2024, nivory tao Quito ireo fikambanana sosialy mba hanao diabe manohitra ny fiakaran'ny vidin-tsolika.
Notarihin'ny Sendikà Nasionalin'ny Mpanabe (UNE), ny Mandan'ny Mpiasa Onitera (FUT), ny Mandan'ny Vahoaka, ny Federasion'ny Mpianatra ao Ekoadaoro (FEUE), ny Federasionan'ny Mpianatra Ambaratonga Faharoa ao Ekoadaoro (FESE), ny Sendikà Nasionalin'ny mpiasa, ny mpiasa miahy tena, ny Vaomieran'ny vondrom-piarahamonina ao Ekoadaoro, ny olona retirety, ny fiahiana ara-tsosialy ho an'ny tantsaha, ny dokotera, ny mpiasa amin'ny indostrian'ny solika, ny vehivavy ho an'ny fanovana, ny Komity malaza 15 Novambra, ny kaonfederasiona Ara-paritry ny mpiasa tena (FERETRAL), ary ny Kaonfederasiona Ekoadaoreana an'ny fikambanana sendikaly liberaly (Ceosl) ny fihetsiketsehana.
#Quito | Imágenes de la movilización en contra del aumento de la gasolina. pic.twitter.com/tqUn2Ou0Dj
— Gina Yauri (@ginayauca) July 4, 2024
#Quito | Sarin'ny diabe manohitra ny fiakaram-bidin'ny lasantsy.
Namakivaky ny araben'ny renivohitra ireo fikambanana ara-tsosialy niaraka tamin'ny hiaka, hira, afisy ary sora-baventy mitabataba hoe “Mivondròna ianareo vahoaka, mivondròna hiady amin'ity governemanta neoliberaly ity”, noho ny fampiharana ny tolo-kevitry ny Tahirim-bola iraisampirenena tamin'ny governemanta telo farany an'i Lenin Moreno, Guillermo Lasso, ary Daniel Noboa. Tsy nisaraka tamin'ny fitsipika neoliberaly ny filoha ankehitriny Daniel Noboa fa nanaraka ny politikan'ny FMI: fampitomboana ny hetra sy fampihenana ny fandaniana ho faran'izay kely indrindra.
Tamin’ny 26 jona 2024 no namoaka ny didim-panjakana laharana faha-308 momba ny fampiakarana ny vidin-dasantsy octane i Noboa. Araka izany, nanomboka ny 28 jona lasa teo, nanomboka nanan-kery ny vidin-tsolika vaovao tsy misy fanampiana avy amin’ny fanjakana.
Avy amin'ny 2,465 dolara ny vidin'ny lasantsy no niakatra 2,722 ny gallon, izany hoe niakatra 0,26 dolara nanomboka tamin'ny volana Jolay. Taorian’izay dia nampanarahan'ny fanjakana araka ny sandan’ny solika iraisampirenena ny vidin-tsolika. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny vidin'ny lasantsy dia mety hiakatra hatramin'ny 5 isanjato na hidina hatramin'ny 10 isanjato isam-bolana.
Ankoatra izany, ny 1 aprily 2024, namoaka didy fampiakarana 12 isanjato ka hatramin’ny 15 isanjaton’ny tataon-ketra (TVA) ho “vonjimaika” i Noboa. Ny fanamarinana an'io fisondrotana io, araka ny didim-panjakana, dia ny “hiatrehana ny ady mitam-piadiana anatiny”, didy ny 9 janoary 2024 lasa teo.
Niaro ny fepetra ara-toekarena mifototra amin'ny Lalàna Organika hiatrehana ny fifandonana mitam-piadiana anatiny, ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena, izay manome alalana ny Mpanatanteraka hanova ny tahan'ny Tataon-ketra araka ny tatitra tsara avy amin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola i Noboa. Ny 12 martsa tamin’ity taona ity, namoaka fanapahan-kevitra tsara ity minisitera ity.
Nangataka tamin'ny governemantan'i Daniel Noboa ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanafoana ny fiakaran'ny vidintsolika. Tonga tao amin'ny Plaza de Santo Domingo ny diabe izay nifanehatra tamin'ny polisy matanjaka iray. Tsy navela hanohy hatrany amin'ny lapan’i Carondelet izy ireo.
Tany ivelan’ny firenena anefa ny filoha. Nandeha tany Però izy hanatrika fivorian'ny filoham-pirenena.
Tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany hariva, tsy nisy mpanao fihetsiketsehana ny Plaza de Santo Domingo rehefa niditra an-tsehatra nanaparitaka ireo mpanao diabe ny Polisim-pirenena.
Ny fihetsiky ny mpanao fihetsiketsehana
Ho an'ny vondrona Acción Antifacista, misy fiantraikany amin'ny rehetra ny fepetra ara-toekarena. Hoy izy ireo:
Así que en ese sentido, creemos que esta es una convocatoria amplia para todos los sectores y en todos los sentidos, a gente y a población que nos afecta desde distintas maneras todas las políticas que este gobierno, a continuidad de los dos gobiernos previos, ha tenido en tanto que priorizar el pago de la deuda externa antes que invertir en política pública y dedicarse a pensar mejor la inversión social.
Noho izany, amin'io lafiny io, mino izahay fa antso ho an'ny sehatra rehetra sy amin'ny lafiny rehetra, ho an'ny olona sy ny mponina izay voakasika amin'ny fomba samihafa amin'ny politika rehetra izay nataon'ity governemanta ity, sy ireo governemanta roa teo aloha izany, izay nanana ny laharam-pahamehana amin'ny fandoavana ny trosa any ivelany fa tsy ny fampiasam-bola amin'ny politikam-panjakana na nanokan-tena hieritreritra tsara kokoa momba ny fampiasam-bola ara-tsosialy.
Ho an’i Andrés Quisphe, filohan’ny sendika nasionalin’ny mpanabe, mampiakatra ny vidim-piainana ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Hoy izy:
Sube la gasolina, sube todo. El Banco Central ha señalado que al momento que se quitan los subsidios, más de 900 mil personas ingresarán a la pobreza. Como el presidente no va a los mercados, no sabe que ya subió la papa, el arroz y las carnes. Por lo cual, toda la cadena productiva se carece al momento en que suben los combustibles.
[Raha] miakatra ny lasantsy dia miakatra avokoa ny vidin-javatra rehetra. Nambaran’ny Banky Foibe fa rehefa esorina ny fanampiana dia olona maherin’ny 900.000 no ho latsaka anaty fahantrana. Satria tsy mba mandeha eny an-tsena ny filoha, dia tsy fantany fa efa niakatra ny vidin’ny ovy sy vary ary hena. Vokany, voakitika avokoa ny rojom-pamokarana rehefa miakatra ny vidin-tsolika.
Tetsy ankilany, tsy nanatevin-daharana ny hetsika nasionaly nantsoin’ny UNE sy ny FUT ny indostrian’ny entana satria efa nahazo fifanarahana tamin’ny fanjakana. Taorian’ny resaka nifanaovana tamin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny Asa vaventy Roberto Luque, ny minisitry ny Governemanta Micheli Sensi-Contugi, ny Talen’ny Sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ANT) Alejandro Lascano, nanaiky ny hisian’ny filankevitry ny filaminana maharitra sy ny fanafoanana ny tataon-ketra amin’ny entana ireo mpitatitra ho tombotsoan'ny sehatry ny fitaterana.
Ankoatra izay, tsy nanatevin-daharana ny fanentanana ny hetsika indizeny matanjaka (CONAIE). Handray fanapahan-kevitra miaraka amin’ireo mpikambana ifotony ao anatin’ny filankevitra naitatra izy ireo amin’ny andro ho avy, araka ny nambaran’ny filohany Leonidas Iza.
Tamin'ny governemanta teo aloha, niteraka fanakatonana lalana sy hetsika mahery vaika tao amin'ny firenena izay notarihan'ny CONAIE ny fikasana hanafoana amin'ny ampahany na manontolo amin'ny famatsiam-bola amin'ny solika. Nitarika an'i Lenin Moreno (2017–2021) sy Guillermo Lasso (2021–2023) hihemotra amin'ny fepetra ara-toekaren'izy ireo izany.