
Kgothatso Montjane tamin'ny US Open 2017. Sary avy amin'i Anna Vasalaki avy amin'ny Wikimedia Commons(CC BY-SA 4.0 Deed).
Niditra tao anatin'ny tantara i Kgothatso Montjane avy any Afrika Atsimo, tamin'ny 14 Jolay 2024, rehefa nandrombaka ny anaram-boninahitra Wimbledon Women's Wheelchair Doubles niaraka tamin'ny namany, Yui Kamiji avy any Japana rehefa teo an-tampon'ny fahavononana, ny fikirizana ary ny talenta miavaka.
South African Tennis Player, Kgothatso Montjane and Yui Kamiji have won the Wimbledon Ladies’ Wheelchair Doubles title.
This is their third Grand Slam title together. pic.twitter.com/FgkmZeSeNz
— Africa Facts Zone (@AfricaFactsZone) July 14, 2024
Mpilalao tenisy afrikanina tatsimo, Kgothatso Montjane sy Yui Kamiji no nandrombaka ny anaram-boninahitra Wimbledon ho an'ny vehivavy ambony seza misy kodiarana.
Ity no anaram-boninahitra Grand Slam fahatelo niarahan-dry zareo.
Montjane, tia antsoina hoe “KG”, dia avy any Seshego, Polokwane, any amin’ny faritanin’i Limpopo, any Afrika Atsimo. Teraka nanana fahasembanana ara-boajanahary nitarika ho amin'ny fanapahana ny tongony teo ambany lohalika i Montjane teo amin'ny faha-12 taonany, ary niatrika fanamby hatramin'ny fahazazany. Nanoritsoritra ny fahazazany izy nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin'ny International Tennis Federation (ITF) :
When I was a kid a lot of people would stare at me. I didn’t know what they were staring at and sometimes they refused to play with me and I didn’t understand why, but as I grew up I began to understand why they didn’t want to play with me—because I wasn’t fast enough. And I have come to understand why they were staring at me, simply because I was differently abled. It was quite a tough childhood to grow up with a disability.
Fony aho mbola kely dia maro ny olona nibanjina ahy. Tsy fantatro izay nibanjinan'izy ireo ahy ary indraindray tsy nety nilalao tamiko izy ireo ary tsy azoko ny antony, saingy rehefa nihalehibe aho dia nanomboka azoko ny antony tsy tiany hilalaovany miaraka amiko – satria tsy maila-panaovan-javatra aho. Ary nanjary azoko ny antony nibanjinan'izy ireo ahy, satria hafa ny fahafahako manao zavatra. Tena sarotra ny nitombo miaraka amin'ny fahasembanana.
Mbola tany an-tsekoly ny reniny no teraka izy, ka ny renibeny no nanana anjara lehibe tamin’ny fitaizana azy. “Mazava ho azy fa hitolona mafy aho hianatra any amin'ny sekoly mahazatra noho ny fahasembanana nananako hatramin'ny fahaterahana. Ka nanapa-kevitra ny ray aman-dreniko hitondra ahy tany amin’ny sekoly manokana nahitako olona hafa manana fahasembanana. Toerana tena mora idirana sy tontolo mahafinaritra ilehibeazako, ” hoy ny tsiarony.
Araka ny tatitra nataon'ny Dunlop Sports, nanomboka ny fandratoany tenisy i Montjane tamin'ny faha-19 taonany, nandritra ny taona famaranana nianarany tany amin'ny lisea, raha nanatrika tenisy an-tseza misy kodiarana tao amin'ny toeram-pitsaboana iray tany Pretoria, Afrika Atsimo. Noho ny mbola tsy nanatrehany tenisy teo aloha, dia azony haingana ny fototra, azo inoana fa noho ny traikefany tamin'ny tenisy ambony latabatra. Tamin'ny taona 2011, nanana fahafahana hilalao tenisy iray andro manontolo tamin'ny fitetezam-paritra izy, izay nanentana azy hanatsara sy hiezaka hifaninana amin'ny sehatra mitovy amin'ireo mpilalao ankafiziny.
Nivadika ho matihanina i Montjane tamin'ny taona 2005 ary lasa olo-malaza teo amin'ny tenisy amin'ny seza misy kodiarana, intelo voatonona ho vehivavy sembana mpanao fanatanjahantena ao Afrika Atsimo izy tamin'ny taona 2005, 2011, ary taona 2015.
Tamin'ny taona 2018 izy tafiditra tantara ho vehivavy mainty hoditra Afrikana Tatsimo voalohany nifaninana tao Wimbledon, dingana iray nanasongadina ny andraikiny amin'ny mpamakilay azy amin'ny fanatanjahantena. Nandritra ny taona maro izy naneho tsy tapaka ny fahaizany teo amin'ny sehatra iraisampirenena, nahatratra ny ampahefany sy ny famaranana tamin'ny 3 amin'ireo fifaninanana Grand Slam 4, Australian Open, Roland Garros ary US Open. Manana anaram-boninahitra tokana 29 izy ary efa nandresy tamin'ny fifanintsanana toa ny ambony sezan-kodiarana Open Belza sy Open Soisa.Tafiditra ao anatin’ny laharana faha-10 ambony indrindra amin’ny laharana ITF izy, ka ny laharana faha-5 maneran-tany no azony tamin’ny taona 2005.
Araka ny filazan'ny Dunlop Sports, entina sy etsehin'ny faniriany hanatsara, hitoetra ho mavitrika ary ho salama i Montjane. Tia fifaninanana izy ary mankafy mametraka sy manatratra tanjona, maniry mandrakariva hiatrika fanamby manaraka. Mino izy fa tsy fanasoavana ny tenany fotsiny ny fahazoana ny kinova tsara indrindra amin'ny tenany fa hanome fanantenana ho an'ny hafa, indrindra eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.
Araka ny navoitran'ny Tennis South Africa, natsangan'ny vondrona mpilalao iray, ahitana an'i Craig Fairall sy Kevin Smith tany Afrika Atsimo tamin'ny taona 2005 ny tenisy an-tseza misy kodiarana, ikendrena hamolavola sy hampivelatra ny fanatanjahantena ho eo amin'ny daholobe.
Hitan'ny ITF i Afrika Atsimo fa ho tantaram-pahombiazana maneran-tany noho ny fahombiazany mampiditra sy mampiroborobo fanatanjahantena. Noho izany, mampiantrano fifaninanana iraisampirenena maro isan-taona i Afrika Atsimo ary nampiantrano hetsika malaza toy ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny tenisy ambony sezan-kodiarana tamin'ny taona 2011 sy ireo andiany SA Open nandritra ny taona maro.
Nanamarika ihany koa ny Tennis South Africa fa nampihatra programam-panatanjahantena maharitra any amin'ny faritany sivy ny ao amin'ny firenena mba hampidirana ny tenisy an-tsezankodiarana ho an'ireo olona sy vondrom-piarahamonina sembana ara-batana. Manome hirika ho an'ireo manana fahasembanana ireo programa ireo hianarana sy hisongadinana amin'ny fanatanjahantena, hampivelarana ireo mpilalao hatramin'ny vao manomboka ka mandra-pisoloan-tenan-dry zareo an'i Afrika Atsimo eo amin'ny sehatra iraisampirenena.
Ankoatra an'i Kgothatso Montjane, atsasa-dalana mamarana ny Wimbledon, amin'izao fotoana izao, dia mirehareha i Afrika Atsimo amin'ireo mpilalao sangany eran-tany, anisan'izany i Lucas Sithole, tompondakan'i Grand Slam indroa, sy Donald Ramphadi, mpilalao tenisy ambony seza misy kodiarana mitana ny laharana voalohany ao amin'ny firenena, ary laharana faha-4 maneran-tany amin'izao fotoana izao.
Nandrombaka voalohany ny anaram-boninahitra Grand Slam tao Roland Garros i Ramphadi tamin'ny herintaona, ka izy no lehilahy afrikanina tatsimo voalohany, na amin'ny tsy sembana ara-batana na amin'ny seza misy kodiarana, nahazo ny anaram-boninahitra frantsay Open hatramin'ny nandresen'i Johan Kriek tamin'ny taona 1981.
Ankoatra izany, tamin’ny fiandohan’ity taona ity koa, ny 14 febroary lasa teo, samy tompon-daka tamin’ny lalaon'olon-tokana misy azy avy ny ekipa lehilahy sy ny ekipa vehivavy, ahitana an'i Kgothatso Montjane, Mariska Venter, Alwande Sikhosana, ary Evans Maripa, nandritra ny fiadiana ny ho solontenan'i Afrika amin'ny mondialy isaky ny ekipa BNP Paribas notontosaina tao Abuja, Nizeria.
Zava-bita isaloran-tsatroboninahitra ho an'i Montjane ny fandreseny vao haingana tao Wimbledon, satria nandany taona maro izy nanandratana ny fahaizany sy nifaninanana tamin'ireo tsara indrindra eran-tany. Tsy misy dikany ireo zava-bitany teo amin'ny lalao famaranana raha tsy nisy ireo fampisehoana manao servisy mahery vaika, ny kapoka manitsy any amin'ny kinendriny ary ny fahaiza-manao ara-tetipanorona mahatonga ny mpifanandrina aminy ho sahirana amin'ny fanarahana azy. Tsy fandresena ho an'ny tena manokana ihany ny fandreseny fa fotoana manan-danja ihany koa ho an'ny tenisy an-tsezankodiarana ao Afrika, manome aingam-panahy ho an'olona tsy tambo isaina miatrika fanamby mitovy aminy ao Afrika Atsimo sy manerana ny kaontinanta amin'ny ankapobeny.