
Pikantsary tamin'ny lahatsary mampiseho an'i Y Quynh Bdap. Loharano: The 88 Project, mpiara-miasa ara-botoaty amin'ny Global Voices. Fampiasana ara-drariny
Na dia teo aza ny maha mpitsoa-ponenana azy, nosamborina tamin'ny 11 Jona tao Thailandy ilay mpikatroka teratany Y Quynh Bdap, mpiaro ny vondrona Vazimba Montagnard sy Ede ary miatrika ny dingana fandroahana azy ankehitriny rehefa nangataka ny fampodiana azy ny governemanta Vietnamiana.
Foko indizeny manodidina ny 30 monina any amin'ny faritra afovoan'i Vietnam ny Montagnard, izay ahitana ny vondrom-poko Ede. Miatrika fanavakavahana sy herisetra mifandray amin'ny ady tany sy ny fanafihana tohanan'ny fanjakana ireo foko vitsy an'isa ireo .
Taorian'ny fanenjehana an-taonany maro amin'ny maha-tanora mpikatroka azy, nandositra tany Thailandy i Y Quynh Bdap tamin'ny taona 2018 ary nahazo ny sata mpitsoa-ponenana avy amin'ny Biraon'ny Kaomisera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana. Tamin'ny taona 2019, nanangana ny Montagnards Stand for Justice (MSFJ) izy izay miaro ny fanavaozana am-pilaminana sy ny fiarovana ny zon'olombelona ho an'ny vondrom-piarahamonina teratany. Na izany aza, tamin'ny martsa 2024, notondroin'ny ny manampahefana Vietnamiana ho vondrona mpampihorohoro ny MSFJ.
Tamin'ny volana Jona 2023, nipoaka ny rotaka tao amin'ny faritanin'i Dak Lak izay nitarika fanafihana biraom-panjakana. Vazimba teratany Montagnard enina no voampanga tamin'ny fampihorohoroana mifandraika amin'ity tranga ity, ka anisan'izany i Y Quynh Bdap izay notsaraina tsy natrehany (in absentia). Tamin'ny volana Janoary 2024, voaheloka i Y Quynh Bdap sy ireo voampanga niaraka taminy ary voasazy higadra folo taona an-tranomaizina.
Nofaritan'ny MSFJ ho “fiampangana tsy mitombina sy tsy ara-drariny” ny fampidirana azy ao amin'ny lisitr'ireo mpampihorohoro ary nilaza ny manampahefana ho nampiasa “fiampangana diso hanakanana ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny hetsika am-pilaminana”. Nohamafisiny fa mijoro amin’ny fanavaozana am-pilaminana izy ireo.
…from the outset, MSFJ has set clear objectives to struggle through peaceful means, in accordance with the law. This is evidenced by hundreds of violation reports sent to the United Nations. It is a vivid testimony to the peaceful, compassionate spirit of this group. They dare to fight for the truth, for the rights of prisoners of conscience and oppressed people, even sacrificing themselves to cross the border to Thailand and continue to speak up for their compatriots.
…Hatrany am-boalohany, efa nametraka tanjona mazava ny MSFJ hiady amin'ny fomba milamina, araka ny lalàna. Manaporofo izany ny tatitra fanitsakitsahana an-jatony nalefa tany amin’ny Firenena Mikambana. Porofo mivaingana ny amin’ny toe-tsaina tia fihavanana sy fangoraham-po ao amin’ity vondrona ity izany. Sahin’izy ireo ny miady ho an’ny fahamarinana, ho an’ny zon’ny voafonja noho ny feon’ny fieritreretana sy ny vahoaka voageja, ka manao sorona ny tenany mihitsy mba hiampita ny sisin-tany mankany Thailandy sy hanohy hiteny ho an’ny mpiray tanindrazana aminy.
Taorian'ny fanasaziana azy tamin'ny volana Janoary, voatery nametra ny hetsiny tao Thailandy i Y Quynh Bdap noho ny tahotra ny hosamborina sy haverina any Vietnam.
Tao amin'ny lahatsary noraketina tamin'ny 7 Jona, nanizingizina ny tsy maha manan-tsiny azy i Y Quynh Bdap ary niaro ny firotsahany ho an'ny fiarovana ny zon'ny teratany.
Shocked by the arrest of Montagnard HRD Y Quynh Bdap in Bangkok, who is at risk of refoulement to #Vietnam. If #Thailand extradites him to certain imprisonment, in violation of its domestic & int. obligations, it is not fit to be elected to the @UN_HRC later this year @MFAThai pic.twitter.com/p1mwPN6l87
— Mary Lawlor UN Special Rapporteur HRDs (@MaryLawlorhrds) June 12, 2024
Tohina tamin'ny fisamborana an'i Y Quynh Bdap, talen'ny Zon'olombelona Montagnard tao Bangkok, izay atahorana horoahina any #Vietnam. Raha ampodian'i #Thailand ho any am-ponja izy, dia manitsakitsaka ny lalàna ao an-toerana & iraisampirenena, ka tsy mendrika ny hofidiana ao amin'ny @UN_HRC amin'ity taona ity
Tao amin'ny lahatsary iray hafa, namintina ny toe-javatra nahazo azy izy: “Matahotra hisy haka an-keriny aho; Mivoaka minitra vitsivitsy isan’andro fotsiny aho ary tsy afaka mifandray amin’ny fianakaviako.”
Nosamborin'ny manampahefana Thailandey i Y Quynh Bdap noho ny filazana fanitsakitsahana momba ny visa. Nangataka ny fampodiana azy i Vietnam ary niantso azy ho “mpanakorontana” izay manohintohina ny fiainan'ny sivily any amin'ny faritra avo afovoany.
Saingy niloa-bava ho an'ny fiarovana azy ny ivontoerana sy ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona manerantany ary nandrisika ny governemanta Thailandey handà ny fangatahan'i Vietnam.
Nampitandrina ireo manam-pahaizana avy amin'ny Firenena Mikambana fa mety hiteraka herisetra bebe kokoa amin'i Y Quynh Bdap ny fampodiana azy. “Mino izahay fa, raha ampodiana, mety hiharan'ny fanjavonana an-keriny sy fampahoriana na fampijaliana na sazy hafa i Y Quynh Bdap.”
Nanakiana an'i Vietnam noho ny famoretana ny tsy fitovian-kevitra ao an-toerana sy any ivelany i Chanatip Tatiyakaroonwong, mpikaroka ao amin'ny Amnesty International. “Ny raharaha Y Quynh Bdap dia maneho mazava tsara ny ezak'ireo manampahefana Vietnamiana hampihatra ny famoretany lava-tanana amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona any ivelan'ny sisintaniny manokana.”
Mandritra izany fotoana izany, nanamarika ny “modelim-pamoretana ivelan'ny firenena” ny Human Rights Watch izay idiran'ny manampahefana Thailandey amin'ny “swap mart (tsenam-pifanakalozana)” mpitsoa-ponenana sy mpanohitra amin'ireo firenena manodidina. Notanisainy ny fisamborana ireo Thailandey mpitsikera monina any Laos, Vietnam ary Kambodza.
Nokasaina hatao ny 15 Jolay ny raharaham-pitsarana momba ny fampodiana an'i Y Quynh Bdap tamin'ny voalohany saingy nahemotra ny 1 aogositra. Nanantitrantitra ny mpisolovava azy fa misy ambadika politika ny raharaha ary mitaky ny zo hanana fitsarana ara-drariny ny voampanga.