
Daniil Medvedev dia iray amin'ireo mpilalao tennis manana zom-pirenena rosiàna ary handray anjara amin'ireo Lalao Ôlaimpika 2024 ao Parisy. Saripika an'i Dacoucou tao amin'ny Wikimedia Commons. CC BY-SA 4.0,
Navoakan'ny Kaomity Ôlaimpika (CIO) ny lisitra farany misy ireo Rosiàna 16 sy Belarosiàna 17, atleta handray anjara amin'ireo Lalao Ôlaimpika 2024 ao Parisy.
Ny kaomity manokana avy amin'ny CIO (AINERP) no nanome alàlana ireo Rosiàna sy Belarosiàna atleta mba ho afaka hiditra handray anjara amin'ny Lalao Ôlaimpika. Ireo fepetra takiana hahazoana ny sata maha-tsy miandany dia ahitàna ny tsy fanohanana ny fananihambohitra ataon'i Rosia ao Okraina sy ny tsy fisian'ny fifamatorana amina tafika na sampam-pitsikilovana (tafiditra amin'io ireo kliobam-panatanjahantena toy ny Dynamo sy ny CSKA), ary ny fandraisana anjara amina taranja an'olontokana.
Tany am-boalohany, fanasàna niisa 36 no voarain'ireo Rosiàna atleta avy amin'ilay kaomity, ary 27 ny an'ireo Belarosiàna atleta. Kanefa, ny sasany tamin'ireo nasaina no nandà avy hatrany na nanaiky aloha dia avy eo nandà indray noho ny antony tsy voafehin-dry zareo. Ny federasiuôna rosiàna ho an'ny taranja Judo dia nandà ny fandraisana anjaran'ireo atleta efatra nekena. Ny taranja Judo no iray amin'ireo fanatanjahantena ankafizin'ilay Rosiàna mpitarika tsirefesimandidy, Vladimir Putin. Nitranga ihany koa izany ho an’ireo mpilalao tolona: tamin'ireo 10 nasaina, 9 no nandà avy hatrany, ary ny iray nanaiky tany am-boalohany fa avy eo nandà indray. Araka ny famoahana avy amin'ny Sport Express tamin'ny 19 Jona, ny kaomity mpanatanteraka ao anivon'ny federasiôna rosiàna ho an'ny taranja tolona dia nanosoka hevitra tamin'ireo atleta rehetra nahafeno fepetra handraisana anjara amin'ny Lalao 2024 mba hanaiky ny fanasàna, ary dia nataon-dry zareo izany. Kanefa, roa herinandro sy sasany taty aoriana, niova ny raharaha, ary dia hijanona ao an-tanindrazany ireo Rosiana rehetra mpilalao tolona, izay efa nandalo tamin'ireo fampahafantarana rehetra.
Tsy mahagaga raha tsy nisy nangataka fetr'isa ho an'ny Lalao Ôlaimpika ny ankamaroan'ireo fikambanana mpanao gymnastique. Ny Associated Press dia nitatitra fa ilay mpanazatra amin'ny gymnastique, Valentina Rodionenko, dia nilaza tamin'ireo media rosiàna fa mety tsy handray anjara amin'ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany i Rosia mandra-pahalefak'ireo fepetra. Ankoatra izay, volana enina talohan'ny Lalao Ôlaimpika, navoitran'ireo fikaretana avy amin'ny Federasiôna Erantanin'ny Gymnastique fa nomena ny sata “tsy miandany” ny olona 30 avy ao Belarosia, ahitàna ireo atleta, mpanazatra, manam-pahefana, fa tsy nisy Rosiàna.
Tany aloha, ilay Rosiàna efa nahazo medaly ôlaimpika volamena, Alina Kabaeva dia nilaza fa “tsy ampy” ilay fanapahankevitry ny Federasiona Erantanin'ny Gymnastique hanaisotra tsotra fotsiny izao ny fandraràna ireo atleta, tamin'ny filazàna fa tokony ho eo ambany faneva rosiàna ry zareo no nomena alàlana hifaninana. Ilay mpiangaly gymnastique rythmique fahiny, izay, araka ny tsaho niely be, dia hoe sipakelin'ny filoha Vladimir Putin nandritra ny 20 taona, dia nilaza ihany koa fa “manimba” ny fanatanjahantena ny “fitsabahan'ny pôlitika”.

Saripika : (Havia miankavanana) Alina Kabaeva (alimo), Yulia Barsukova (volamena) ary Yulia Raskina (volafotsy) teny ambony lampihazon'ny Lalao Ôlaimpika 2000. Saripika an'i Tomtheobald tao amin'ny Wikimedia Commons. CC BY 3.0.
Tamin'ireo Rosiàna 13 mpilalao tennis nahafeno ny fepetra hilalaovana, 7 no nandà tsy handray anjara. Nanoratra i Meduza hoe Stanislav Pozdnyakov, filohan'ny Kaomity Ôlaimpika Rosiàna, dia nanakiana mafy an'ireo Rosiàna mpilalao tennis nihevitra ny hifaninana mandritra ireo Lalao Ôlaimpikan-dohataona ao Parisy amin'ny anaran'ny tsy fiandaniana.
Tao anaty hafatra iray nalefany tao amin'ny fantsony Telegram, Pozdnyakov dia nilaza fa “iombonany ary tohanany” ny hevitr'i Irina Viner, filohan'ny federasiôna misahana ny gymnastique rythmique manerana an'i Rosia. Tany aloha tany i Viner dia efa namaritra ireo Rosiàna handray anjara amin'ny Lalao Ôlaimpika ho toy ny “ekipana jiolahimboto.” Tao anatin'ny fotoana nisian'ny adihevitr'i Viner sy ireo mpilalao tennis no nanao ny fanamarihany i Pozdnyakov.
Ny hany teboka iraisako aminy dia ilay fomba fiteny hoe “ekipana jiolahimboto,” indrindra fa raha ireo mpilalao tennis no resahana, izay any ivelany no andaninan-dry zareo betsaka amin'ny fotoanany, any izy ireo no mitady fivelomana, miteny fa “milalao ho an'ny tenany” ry zareo,” ary manakiana ny pôlitikan'ny fireneny sy ny Hetsika Manokan'ny Tafika (SMO) [Ny fananihambohitra rosiàna ao Okraina]. Noho izany, raha ny hevitro, mety kokoa ny hiantsoana an-dry zareo hoe “tariky ny mpitsikilon'ny avy any ivelany,” izay azo antoka fa tsy hisedra olana amin'ny fisoloan-dry zareo ny tenany ihany mandritra ireo Lalao Ôlaimpika.
Tany Belarosia, araka ny ambaran'ny Zerkalo media, i Olga Bondareva mpikatroka ao amin'ny Telegram, mpomba ny rosiàna, dia nanatefotefoka ireo Belarosiàna atleta izay handeha hiatrika ny Lalao ölaimpika miaraka amin'ny sata tsy miandany. Naneho ny hatezerany izy tao amin'ny fantsony Telegram, tezitra tamin'ilay vaovao hoe ilay Belarosiàna mpivoy lakana, Hanna Prakaten, dia nanakalo ny zom-pireneny ara-panatanjahantena (Rosiàna fahiny) talohan'ny Lalao Ôlaimpika ao Parisy ary hifaninana eo ambany fanevan'i Ozbekistàna.
“Olona tsy manana tanindrazana. Tsy manana tsikalakalam-pieritreretana — atleta mamadika. Ireo olona tahaka izany no nandeha hifaninana any amin'ny Lalao Ôlaimpika eo ambany fanevan'ireo nampilavo lefona,” hoy i Bondareva nanoratra.
Ny Moscow Times, raha nitanisa ny sports.ru, dia nanoratra fa sambany tao anatin'ny 40 ny fahitalavitra rosiàna no tsy handefa ireo Lalao Ôlaimpika noho ny azo ambara ho tsy fisiana tanterak'ireo Rosiàna atleta.
Ireo filazam-baovao dia nitatitra ihany koa ny fisian'ny fandefasana mivantana (piraty) ny Lalao Ôlaimpika ataon'ireo vondrona ao amin'ny VKontakte, ilay tambajotra sôsialim-panjakàna rosiàna. Nambaran'ny sampana mpifandray amin'ny gazety avy ao amin'ny VKontakte fa hampiantrano amin'ny fomba ôfisialy votoaty mifandraika amin'ireo Lalao ao Parisy izy, saingy tsy mihevitra ny hividy fahazoandàlana hahafahana mandefa izany.
Amin'ny 26 Jolay hatramin'ny 11 Aogositra 2024 no hatao ny Lalao Ôlaimpika ao Parisy.