
Ny hetsika SummerFest@Central mampiseho zavamahatalanjona goavam-be nabontsina novolavolain'ny teknolojia FaVO (IA) famoronana eo amin'ny Central Harbourfront tamin'ny 4 Jolay 2024. Saripika: Kyle Lam/HKFP. Nahazoana alalana.
Ao anatin'ny “Night Vibes campaign”, fanentanana ao Hong Kong handrisihana ny olom-pirenena sy ny mpizahatany hamelona indray ny fiainana andavanalina ao an-tanàna, dia nisy ireo andian-java-mahatalanjona eran-tany goavana dia goavana, anisan'izany ny Stonehenge any Angletera, ny Nosy Paska any Shily, ny Piramidan'i Gize any Egipta, ny Tilikambon'i Pisa ao Italia, ary ny Arc de Triomphe any Frantsa, aseho ao amin'ny Central Harbour Front ao an-tanàna eo anelanelan'ny 5 Jolay–11 Aogositra 2024.
Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny Central Venue Management (CVM), mpikarakara ny hetsika, fa aingam-panahy avy amin'ny asakanto Armeniana AI Studio Joann ny fampirantiana, “Inflatable Wonders” [Zavamahatalanjona Abontsina], ka amoahan'ny artista iray famariparitana amin'ny antsipiriany ny zavamahatalanjon'izao tontolo izao abontsina tamin'ny alalan'ny fampiasana FaVO (IA).
Fanehoan-kevitry ny media sosialy
Miloko fotsy ireo zava-mahatalanjona nabontsina ao Hong Kong ireo amin'ny antoandro, raha ravahan'ny jiro sy loko marevaka kosa amin'ny alina. Feno fanesoana tao amin'ny media sosialy rehefa nieli-patrana ny sarin'ilay fampirantiana tamin'ny 5 Jolay 2024. Maro no nilaza fa toy ny vato fasana ilay “Stonehenge nabontsina” miloko fotsy ary toy ny lay maitso ampiasain'ny polisy hanaronana faty aorian'ny lozam-pifamoivoizana ireo “Pyramide nabontsina” mirehitra maitso :
Netizens are continuing to mock the new “Inflatable Wonders” art installation at Central Harbourfront, with some comparing the green-lit Pyramid of Giza to the green tents police use to cover dead bodies.
😬 https://t.co/Q42dT96I7L pic.twitter.com/cBTDRtVynn
— Aaron Busch (@tripperhead) July 8, 2024
Manohy amin'ny fanesoana ny fametrahana ireo zavakanto vaovao “Zavamahatalanjona nabontsina” ao amin'ny Central Harbourfront ny mpiserasera, amin'ny fampitahan'ny sasany ny Piramidan'i Gize misy jiro maitso ho tahaka ny tranolay maitso ampiasain'ny polisy hanaronana faty.
Misy ireo mihevitra fa ninian'ny mpikarakara fampirantiana nosorohina ny fampiasana jiro mavo tamin'ny piramida noho ny sivana ara-politika. Mazàna ampiasaina ny loko mavo hanehoana ny vondron'ny mpomba ny demokrasia ao Hong Kong, ka nisoroka ny fampiasana ilay loko ny mpanaingo ao an-toerana. Nanamafy ny fiheverana ny fanaovana sivana amin'ny loko amin'ny zava-kanto ho an'ny daholobe ny fisian'ny tarehimarika mavo roa amin'ny afisy goavam-be amin'ny zavakanto napetraka, ‘Linning Up’, nosaronana takelaka volondavenona tamin'ny volana lasa teo.
Nanasongadina ny famerana ny safidin-doko ao an-tanàna ilay mpanao sariitatra ara-politika Ah To:
阿塗’s cartoon today…
“Full of air, full of big heads, full of art”
1- Ugly!
2- Wrong proportions!
3- And the Pyramids are yellow!
4- There is no yellow in Hong Kong… pic.twitter.com/UutBWTM5tR— Cindy Wan (@CindyWan19) July 7, 2024
Sariitatra an'i 阿塗 androany…
“Feno rivotra, feno beloha, feno zava-kanto”
1- Ratsy!
2- Diso bika!
3- Ary mavo ny Piramida!
4- Tsy misy mavo eto Hong Kong…
Tafiditra ao anatin'ny SummerFest@Central ireo napetraka ireo, hetsika karakarain'ny Central Venue Management (CVM), mpandraharahan'ny tahala misahana hetsika ao amin'ny Central Water Front. Nambaran’ny CVM fa nahazo alalana tamin’i Joann izy ireo hamorona zava-mahatalanjona abontsina, na dia tsy nandray anjara tamin’ilay tetikasa aza ilay artista ary tsy nahazo onitra noho ilay tsiri-kevitra.
Nampiasa FaVO (IA) i Joann hanoloana ny zava-mahatalanjon'izao tontolo izao amin'ny zava-mahatalanjona abontsina. Maro no mahita fa manintona ny sary FaVO surreal, ary nalaza haingana tao amin'ny Instagram izany tamin'ny taona 2023.
‘Inflatable Wonders’ by @/joooo.ann pic.twitter.com/5chxb48F0i
— highsnobiety (@highsnobiety) June 2, 2023
“Mahatalanjona abontsina’ avy amin'i @/joooo.ann
Mahavalalanina ireo sary vokarin'ny FaVO satria sarotra tanterahana ara-java-misy ny hevitr'ilay mpanakanto. Raha tsy afaka mametraka zava-mahatalanjona amin'ny tena halehibeny ny mpikarakara fampirantiana, dia tsy mety hitovy amin'ireo zava-mahatalanjona navoakan'ny FaVO ny kopia. Ny tena ratsy, maro no mahita, ary anisan'izany i Joann, fa ratsy ny kopian'i Hong Kong.
Koa satria nalaza anjotra haingana ny sarin'ny “zava-mahatalanjona abontsina” ao Hong Kong, dia nilaza tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny Yahoo News ilay mpanakanto fa “tena ratsy” sy “tsy bikàna tsara” ireo novokarina:
The only thing is, I don’t like my name on this ugly exhibition. But the concept is mine. So I would love it to be stopped.
Ny zavatra tokana, tsy tiako hipetaka amin'ity fampirantiana ratsy ity ny anarako. Fa ahy ny hevitra. Ka tiako ny hanajanonana azy.
Nanoratra tao amin'ny Instagram ihany koa i Joann fa sahala amin'ny fasana ilay fampisehoana, ary nanaratsy kokoa ny fampisehoana ny jiro:
Hong Kong art installation organiser and creator clash over “very ugly” pieces
Artist Joann says “Inflatable Wonders” exhibition inspired by her resembles “inflatable graveyard”, but organiser vows to press on https://t.co/eXfPUSpY2c pic.twitter.com/zGThY5DAcP
— Bien Perez (@BienPerez) July 7, 2024
Nifandona tamin'ny sanganasa “tena ratsy” ny mpikarakara ny fametrahana zavakanto ao Hong Kong sy ny mpamorona
Nilaza ny mpanakanto Joann fa mitovitovy amin'ny “fasana abontsina” ilay aingam-panahy avy amin'ny fampirantiana “Zavamahatalanjona Abontsina” , saingy nivoady ny mpikarakara fa hanohy
Nandritra izany fotoana izany, namaly ny CVM fa nanolana ny sarin'ny fampirantiana ny sary malaza anjotra. Nilaza mihitsy aza ilay mpiandraikitra, Grace Au, fa noforonina ilay sarin'ny piramida miloko maitso, saingy niaiky taty aoriana fa nalain'ny mpanao gazety nandritra ny andrana ny jiron'ny fampirantiana.
Tsy nanampy tamin'ny fijerin’ny besinimaro ny fampirantiana ny valin-kafatra nataon’ny mpikarakara. Na ny fampahalalam-baovao mpomba ny mpitondra vatsian'ny fanjakana, Wen Wei Po, aza namoaka tantara iray maneso ilay fampisehoana.
Paikadim-pisarihana mpizahatany manahiran-tsaina
Tsy sambany ny zava-napetraka teto an-tanàna no nahazo fanesoana. Teo aloha, noheverina ho tsy ampy famoronana sy ny novidin'ny mpandoa hetra lafo ny fampirantiana balaonina Chubby Hearts, tetika natao hisarihana mpizahatany.
1/ Authorities refused to tell @HKFP how much taxpayer money was given to the Chubby Hearts #HongKong art installation.
Not long after we submitted an access to info request, they finally said the project had received around HK$7.8 million. https://t.co/SubSGKZrqV https://t.co/7BednMaVQV pic.twitter.com/4Vs6QpWsdl
— Tom Grundy (@tomgrundy) February 17, 2024
1/ Tsy nety nilaza tamin'ny HKFP ny manam-pahefana hoe ohatrinona ny volan'ny mpandoa hetra nomena ny fametrahana zavakanto Chubby Hearts #HongKong.
Fotoana fohy taorian'ny nandefasanay fidirana amin'ny fangatahana torohay, dia nilaza izy ireo tamin'ny farany fa nahazo manodidina ny 7,8 tapitrisa HK$ ny tetikasa.
Nahita ny zava-nitranga ny mpanoratra malaza Fung Hei Gon fa fanoharana ny amin'i Hong Kong izao, zava-mahatalanjon'izao tontolo izao mihamanjavona:
在AI圖像中,充氣版巴黎鐵塔可以像實物那樣大,若無其事矗立在正常建築物之間,彼此對照,如幻似真,營造出強烈的超現實感。但中環的充氣山寨貨,最高一件只有13米,一看就知是假,不倫不類,根本不可能重現AI的異世風情。…今天的世界潮流都是AI模仿現實,秒速生成圖片,但香港卻反過來在現實中複製AI世界,還複製得四不像,這個假大空的「充氣奇蹟」,是否已預兆了一個城市的未來?更令人感慨的是,以前香港本身就是奇蹟,可是現在,卻只剩下吹出來的「奇蹟」。
Ao amin'ny sarin'ny FaVO, ny tilikambon'i Eiffel nabontsina dia mitovy habe amin'ny ena tilikambo ary naorina ao amin'ireo tranobe simenitra mahazatra. Miteraka fiavahana mahagaga sy fahatsapana mahery vaika amin'ny surrealisme izany. Fa ny dika mitovin'ny nabontsina ao Central indray, ny avo indrindra, dia 13 metatra monja. Toa mahatsikaiky tokoa ireo dika mitovy ka mametraka fa tsy mety adika ny tontolo hafakely novokarin'ny FaVO… Mampiasa FaVO isika handika sy hamoronana tontolo tena izy, ary tonga sary ao anatin'ny segondra vitsy monja. Manao ny mifamadika amin'izany kosa i Hong Kong: manao kopia ny tontolon'ny FaVo ho amin'ny tontolo tena izy, ka diso toerana ny fanaovan-dika mitovy. Haneho ny hoavin’ny tanàna ve ireo “Zavamahagaga abontsina” ireo? Ny tena mahonena dia ny hoe “mahatalanjona” no nahafantarana an'i Hong Kong taloha, saingy ankehitriny, lasa zava-mahagaga nabontsina izany.
Misalasala koa ny mpitsikera sasany avy amin'ny mpomba ny mpitondra, toa an'i Regina Ip, ny Convenor of the Executive Council ary mpikambana ao amin'ny Filankevitra mpanao lalàna ao Hong Kong, momba ireo “fisarihana nabontsina”:
Inflatable Wonders and Doraemon drone shows, irrelevant to local heritage, overshadow natural wonders and cultural legacy https://t.co/z3dEAksm4F
— Dimsumdaily Hong Kong (@dimsumdaily_hk) July 7, 20241
Zavamahagaga nabontsina sy show drone Doraemon, tsy misy ifandraisany amin'ny vakoka eto an-toerana, manamaloka ny zava-mahatalanjona voajanahary sy ny lova ara-kolontsaina