
2021, olona iray mpampiasa smartphone ao Myanmar mitsikilo Facebook. Saripika tao amin'i The Irrawaddy, fampiasàna nahazoana alàlana
Ity lahatsoratra nosoratan'i Mi Ei Thinzar Myint ity dia navoaka voalohany tao amin'ny The Irrawaddy, tranonkalam-baovao iray tsy miankina ao Myanmar. Ity dika nasiam-panovàna ity dia naverin'ny Global Voices navoaka ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.
Taorian'ilay fanonganam-panjakàna tamin'ny 2021, mba hamerana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fifandraisana, izay heveriny fa manohintohina ny fitondràny, dia nobahanan'ny fitondrà-miaramila ao Myanmar ny Facebook sy ireo fampiasa hafa fandefasana hafatra.
Nampiasa VPN ny olona tao Myanmar, na andoavam-bola izany na maimaimpoana, mba handinganana ireo fameperana.
Na izany aza, tsy ela akory izay dia noraràn'ny mpitondra ireo tolotra VPN ao amin'ny firenena, ka ankehitriny dia miatrika fahasahiranana ny mponina raha hiditra amin'ny Facebook sy ireo sehatra media sôsialy hafa.
Vao haingana i Ma Wai Phyo Myint, mpandalina ny pôlitika ao Azia sy Psaifika ao anivon'ny Access Now, izay mapiroborobo ny zo nomerika manerana izao tontolo izao, no nitafa tamin'ny The Irrawaddy momba ny ho fiantraikan'ny fandraràna ny VPN amin'ny fahafahan'ny vahoaka mahazo vaovao sy ny fahafahan'ireo vondrona mpanohitra handrindra ny hetsika ataon-dry zareo.
The Irrawaddy (TI): Mitatitra fahasahiranana amin'ny fidirana amina tolotra VPN ny vahoaka. Inona no zava-mitranga?
Ma Wai Phyo Myint (MWPM): Tamin'ny 2021 sy 2022, nobahanan'ny fitondràna ny fidirana amin'ireo tranonkala, Facebook, WhatsApp sy ireo sehatra hafa fandefasana hafatra. Nampiasain-dry zareo ny fampidirana ho lisitra mainty sy fotsy an'ireo tranonkala, ny fanolorana ny lisitr'ireo tranonkala tiany hobahanana any amin'ireo orinasa mpanome tolotra fifandraisan-davitra sy aterineto. Hafa ny tamin'ity indray mitoraka ity. Nodinganin-dry zareo ireo orinasa mpanome tolotra fifandraisan-davitra sy aterineto fa avy dia nofeheziny mivantana avy ao Naypyitaw [renivohitra] [ny aterineto]. Ho hitantsika eo raha toa ry zareo ka hemetraka rindrinafo toa an'i Shina.
TI: Lazain'ny olona fa tsy azon'izy ireo ampiasaina ny VPN sasantsasany. Iza avy?
MWPM: Efa manara-maso izany ireo fikambanana ao an-toerana. Mbola afaka ampiasaina ny VPN sasany. Ambaran'ireo fikambanana ao an-toerana fa tany amin'ny faramparan'ny 2023 sy fiandohan'ny 2024 no nametraka lisitra VPN ny fitondrana. Nobahanany ireo VPN tena be mpampiasa toy ny Psiphon. Tafiditra amin'izany ny VPN andoavana vola [hatramin'ny maimaimpoana ihany koa]. Ny tanjona amin'ny fampiasàna VPN dia ny mba tsy hahitàn'ny tafika sy ireo rantsan'ny governemanta ny toerana misy anao sy ny tantaran'ny fitetezana aterineto nataonao. Tsy azo antoka ny angondrakitrao raha tsy mampiasa VPN tsara aro ianao. Araka izany, nahoana no mbola tsy nosakanan-dry zareo ny fampiasàna ireo VPNs tena ampiasaina betsaka? Angamba mbola te-hanohy ny fanarahamaso ry zareo, izay antony iray mampanahy.
TI: Mbola azon'ny olona ao Shina hidirana ireo tranonkala voasakana na eo aza ny fibahanana VPNs? Misy fomba ve handinganana ireo fameperana ao Myanmar?
MWPM: Olana ara-teknika io, ary mbola ezahanay andramana ny mijery izay tena fihetsikiny ny fitondràna. Avy eo, hiresaka amin'ireo mpanome tolotra VPN izahay momba izay fomba azon-dry zareo hamerenana ny fidirana amin'ny VPN ao Myanmar. Na ireo fikambanana ao an-toerana na ireo mpanome tolotra VPN dia samy tsy mbola misy afaka manazava amin'ny antsipirihany.
TI: Fa maninona no bahanan'ny ‘junta’ ny VPNs?
MWPM: Amin'ny ankapobeny dia te-hametra ny zon'ny olona hahazo vaovao ry zareo. Hatramin'ny nisian'ilay fanonganam-panjakàna, nametraka fepetra isankarazany izy haneriterena ny fivezivezen'ny vaovao. Napetrany ireo fameperana hifehezana ny kiana miely patrana anaty tranonkala sy [ ireo pejy media sôsialy] amin'ny famoaham-baovao, ny fizaràna vaovao momba ny fitondràna, ary ny fandrindràna ireo ezaka manohitra ny fitondràna. Nohamafisiny io vahohony io rehefa nandeha ny fotoana.
Mandritra izany fotoana izany, iniany atao fotsiny izao ny manao ny VPNs ho azo ampiasaina mba hanarahany maso sy hanangonany vaovao [momba ireo hetsika manohitra ny fitondràna]. Tato ho ato, anefa, tsy voafehiny intsony. Na misy aza ireo femeperana ny aterineto, mbola vitan'ny olona hatrany ny mizara vaovao amin'ny alàlan'ireo fantsona fifandraisan-davitra hafa fanolo.
Mba hisian'ny tahotra dia nanao fandrahonana sy fisamborana ny fitondràna. Fa mbola mahita fomba hifandraisana mandrakariva ny olona. Rehefa tsy vitany ny mamepetra ny fikorianan'ny vaovao, nanapaka hevitra ny fitondràna ny hanakatona ny aterineto mba hitazonana ny vahoaka ho ao anaty haizin'ny tsy fahalalàna.
Mandona ny ‘junta’ ihany koa ilay fandraràna ny VPN, na mety ho manan-tsafidy amina fantsom-pifandraisan-davitra hafa ihany aza izy. Manohintohina ny fanaovany afera sy ny rafitra fitsikilovany ilay fandraràna. Na ny vahoaka aza no lasibatr'ilay fandraràna, tsy azo ihodivorana fa voakasika ny fitondràna. Araka izany, midika tsy fahombiazany ny zavamisy hoe niditra tamin'izany fepetra izany izy.
Vakio misimisy kokoa: Unfreedom Monitor Report: Myanmar [angl.]
TI: Misy ve fomba hafa azon'ny olona ampiasaina hizaràna vaovao?
MWPM: Renay fa nihena be ny fampiasàna Facebook noho ny olana amin'ny resana VPN.
Noho ny fandrosoan'ny teknôlôjia, na ny governemantan'i Shina aza tsy afaka ny hibahana tanteraka ny VPNs. Afaka mifindra mankamina VPNs hafa ny olona, ary tsy ho vitan'ny fitondràna ny hibahana ireo teknôlôjia vaovao rehetra. Hisy fiantraikany, saingy ho vitan'ny olona foana ny hahita làlana [handingànana ny fandraràna VPN] rehefa mandeha ny fotoana.
Tena lafo be ny fananganana rindrinafo. Tsy ananan'ny fitondrana ny loharanom-bola sahaza hametrahana rindrinafo ho an'ny fotoana maharitra. Tsy tokony hataon'ny olona ho ambanin-javatra ny zavatra ataon'ny fitondràna. Etsy ankilan'izay, tsy tokony ho resin-tahotra amin'ny tsy misy antony ry zareo. Tsy ho vitan'ny fitondràna ny hanara-maso ny zavatra rehetra.
Ezahan'ireo hery mpanohitra ny fitondrana ny hampiasa ireo mpanome tolotra aterineto tsy voafehin'ny fitondrana na manana fifandraisana amin'ny fitondrana. Miezaka ny hahazo telefaona sy aterineto mampiasa zanabolana ry zareo, izay lasa azo idirana na ara-teknika izany na ara-bola. Tsy ho vitan'ny fitondràna ny hanidy ireo fantsona rehetra.
TI: Mampiroborobo ny fampiasana ilay fampiharana anaty media sôsialy ny ‘junta’, antsoina hoe MySpace. Hatraiza no mety ho tongan'io?
MWPM: Teo aloha izy dia efa namorona fampiharana hafa ho solon'ny YouTube sy Facebook. Tsy misy fampiharana anaty media sôsialy ka hahomby rehefa tsy ny vahoaka no manaiky azy, na MySpace io na zavatra hafa. Ataon'ny olona ankivy ireo vokatra misy fifandraisana amin'ny tafika. Ary fatatr'izy ireo fa ny teknôlôjia rehetra ataon'ny tafika dia ikendrena ny hanarahana maso ny vahoaka. Araka izany, kely ny vintana hoe hahomby izay fampiharana foronin'ny fitondrana.
Fa entaninay ny Apple Store sy Google Play Store mba tsy hanolotra ireny fampiharana ireny. Tsy maintsy tohizanay ny fanosehana ireo orinasa iraisam-pirenena tsy hanaiky ireny fampiharana ireny ao amin'ny sehatr'izy ireo.
TI: Misy ve zavatra hafa tianao hambara?
MWPM: Hatreto dia i Shina no firenena tokana mandràra ny fampiasàna VPNs, araka izany dia somary mampanahy ity toejavatra ity. Manentana ireo rantsana iraisam-pirenena sy ireo governemanta aho mba hijery amin'ny fomba matotra an'io ary hanome teknika sy loharano hahafahan'ny vahoaka ao anatin'i Myanmar mampiasa ny aterineto hanarahany maso ny toe-draharaha ara-miaramila sy hahafahan'ireo hery mpanohitra ny fitondrana mampiasa ireo fantsom-pifandraisan-davitra izay tsy voafehin'ny fitondrana. Taona roa lasa izay, nampandrenesinay ny fiombonambe iraisampirenena hoe mety hanao an'io ny fitondrana, saingy azo lazaina ho tsy nisy setriny na fiomanana. Tohizanay ny fanosehana mba hisian'ny fanohanana iraisam-pirenena ao anatin'ity raharaha maika ity.