
Sarin'ny mpikambana sasany ao amin'ny vondrom-piarahamonina Wikimedia Madagasikara. Nahazoana alalana.
Manomboka ny vanim-potoana vaovao ho fampiroboroboana ny vakoka ara-kolontsaina eto Madagasikara noho ny fankatoavana ofisialy ny vondrom-piarahamonina Wikimedia Madagasikara avy amin'ny Fondation Wikimédia.
Tamin'ny 5 Jolay 2024, nankatoavin'ny Wikimedia Foundation tamin'ny fomba ofisialy ny vondrom-piarahamonina Wikimedia Madagasikara, mankasitraka ny ezaka nataon'ny vondrom-piarahamonina hanatsara ny Wikipédia sy ireo hetsika hafa fanapariahana fahalalana eto Madagasikara. Fizarana vaovao ahafahantsika manitatra ny fanaparitahana ny vakoka eto Madagasikara amin'ny alalan'ny aterineto.
Vakio [mg]: Fantaro ireo nahandro Malagasy
Ny vondrom-piarahamonina Wikimedia Madagasikara dia naorin'ny tovovavy efatra avy amin'ny faritra telo miavaka eto Madagasikara tamin'ny faran'ny taona 2022 – Analamanga (ao amin'ny faritanin'Antananarivo, ao afovoan'ny firenena), Boeny (faritra ao amin'ny faritanin'i Mahajanga, any andrefan'i Madagasikara) sy Diana (faritra ao amin'ny Diego-Suarez, any amin'ny farany avaratry ny firenena). Nahazo fanohanana voalohany avy amin'ny hetsika Wiki Wake Up Africa (WWUA), izay mikarakara atrikasa ao amin'ny Wikipedia sy manamory tetikasa isan-karazany mifandray, natao ho an'ireo taranaka Afrikanina sy ireo mpankafy an'i Afrika, na inona na inona fiaviany na zom-pireneny ity vondrom-piarahamonina mavitrika ity. Ny tanjona dia ny hamorona na hanome hery ireo vondrom-piarahamonina mifandray amin'ny Wikipedia ao amin'ny kaontinanta Afrikana sy any am-pielezana, indrindra any amin'ireo faritra izay tsy fahita firy ny hetsika tahaka izao.
Misandrahaka ny vondrona
Nahafahana nampivondrona mpandray anjara mavitrika manodidina ny dimampolo miparitaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara ny ezaky ny vondrom-piarahamonina Wikimedia, izay mikasa ny hanitatra ny asany amin'ny fikarakarana atrikasa fanofanana manerana ny nosy. Mikatsaka ny hiarahiasa amin'ireo tranombakoka sy trano famakiam-boky mba handrakitra anjotra ireo antontan-taratasy ara-tantara ihany koa ity hetsika ity.
Vakio [mg]: Manana anarana vehivavy ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana ao Madagasikara: Damy Govina
Hatreto, dia nanatsara lahatsoratra efa misy maherin'ny 950 ao amin'ny Wikipedia ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ary namorona lahatsoratra vaovao 380 amin'ny teny malagasy, frantsay, ary anglisy raha namoaka sary maherin'ny 2000 tao amin'ny Wikimedia Commons. Mifantoka amin'ny lafiny miavaka amin'ny kolontsaina malagasy toy ny fomban-drazana am-bava ao an-tanàna, ny zavamananaina tsy manam-paharoa ary ny fetibe eo an-toerana ireo fandraisana anjara. Manampy amin'ny famenoana ny banga amin'ireo raki-tsoratra azo idirana momba an'i Madagasikara ireo ezaka ireo, ka ahafahan'ny mpamaky maneran-tany hahita ny harenan'ny nosy.
Ahitana tanora mpirotsaka an-tsitrapo ny vondrona mpandray anjara antsoina hoe Wikimédia Community User Group Madagascar.

Mpikambana ao amin'ny Wikimedia Madagascar. Sary: Wikimedia
Tamin'ny famoahana an-gazety nalefa tamin'ny mailaka ho an'ny Global Voices, Andriah Laingo Rakotomavo, mpitantana ny vondrom-piarahamonina Wikimedia Madagascar, naneho ny fireharehany tamin'ity fankasitrahana ity:
Nous sommes extrêmement fiers de la reconnaissance officielle de notre communauté par la Wikimedia Foundation. Cela nous motive encore plus à poursuivre notre mission d’enrichir et de partager la richesse culturelle et historique de Madagascar avec le monde entier.
Mirehareha fatratra amin'ny fankatoavana ofisialy ny vondrom-piarahamoninay avy amin'ny Wikimedia Foundation izahay. Vao mainka mandrisika anay hanohy ny iraka hanatsara sy hizara ny harena ara-kolontsaina sy ara-tantaran’i Madagasikara amin’izao tontolo izao izany.
Mbola tao anatin'ny famoahana an-gazety ihany, nilaza i Mermoze Adodo, mpikambana mpanorina ny vondrona mpandray anjara ao amin'ny Wikimédiens du Bénin User group sady mpikambana ao amin'ny Wiki Wake Up Africa hoe:
C'est un vrai plaisir d'avoir pris part à la création de la Communauté Wikimedia Madagascar dans le cadre de l'initiative Wiki Wake Up Afrique, une initiative qui active les communautés wikimedia en Afrique !
Cette expérience a été incroyablement enrichissante. L'énergie et la détermination de ces jeunes femmes sont remarquables et pleines d'espoir pour l'avenir. Je suis convaincu qu'elles continueront à faire des merveilles pour une Afrique dynamique au sein du mouvement Wikimedia, contribuant ainsi au partage libre des connaissances…
Fahafinaretana tokoa ny nandray anjara tamin'ny fananganana vondrom-piarahamonina Wikimedia Madagascar ao anatin'ny hetsika Wiki Wake Up Africa, hetsika iray izay manetsika ny vondrom-piarahamonina wikimedia aty Afrika!
Tena nampitombo fahaizana tokoa io traikefa io. Miavaka sy feno fanantenana ny amin’ny hoavy ny hery sy ny fahavononan’ireo zatovovavy ireo. Resy lahatra aho fa hanohy hanao zava-mahagaga ho an'i Afrika mavitrika ao anatin'ny hetsika Wikimedia izy ireo, ka handray anjara amin'ny fifampizaràna fahalalana malalaka…
Vakio [mg]: Fisondrotan’ny vidin’ny aterineto ao Madagasikara: tafa sy dinika tamin’i Harinjaka Andriankoto Ratozamanana
Hita tao amin'ny media sosialy ihany ny vaovao, tahaka ity lahatsoratra tao amin'ny famoahana tao amin'ny pejy Facebookn'ny Wikimédia Madagascar ity:
NewsMada Les Actus, gazety nasionaly mpivoaka isan'andro nizara ny vaovao tao amin'ny kaontiny X:
Composée de jeunes bénévoles, la communauté”Wikimedia Madagascar” vient d'obtenir une reconnaissance officielle de la “Wikimedia foundation”, une organisation internationale qui lutte pour le savoir libre, ainsi que sa distribution publique et gratuite
Vao avy nahazo fankatoavana ofisialy avy amin'ny “Wikimedia foundation” ny vondrom-piarahamonina “Wikimedia Madagascar”, fikambanana iraisam-pirenena miady ho amin'ny fahalalàna malalaka, ary koa ny fizarana maimaim-poana ho an'ny daholobe.
Fizaràna fahalalàna
Ampahany amin'ny hetsika midadasika kokoa ho an'ny fanalalahana ny fahalalàna ity fankatoavana ity, mikendry ny hahatonga ny fahalalana sy ny fanabeazana ho azo idiran'ny mpihaino midadasika kokoa, na inona na inona sakana ara-jeografika, toekarena, sosialy na kolontsaina. Foto-kevitra iray izay manohana ny hevitra hoe tokony hanana fahafahana hahazo fanabeazana sy fahalalàna ny tsirairay, ka hitondra anjara biriky ho amin'ny fiarahamonina mahatakatra kokoa sy mampiaty.
Vakio [mg]: Manome sehatra tantara mampientam-po ny #MeToo (Za koa) Malagasy nosoratan'i Hary Rabary
Maneho tanteraka ny mety ho vitan'ny teknolojia nomerika hitahiry sy hanaparitaka ny kolontsaina ny traikefan'ny vondrom-piarahamonina Wikimedia Madagascar . Mampiseho ny fomba ahafahan'ny vondron'olona mazoto afaka hampisy fiantraikany lehibe amin'ny fisoloan-tenan'ny fireneny eo amin'ny sehatra nomerika manerantany izany.
Faly ireo mpiserasera Malagasy mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina noho ny fankatoavana ofisialy ny vondrom-piarahamonina misy azy avy amin'ny Wikimedia Foundation. Mandray izany ho hirika ahafahana mitahiry sy mizara ny lova ara-kolotsaina sy voajanahary amin'ny aterineto izany, mba hampitomboana ny fahitana an'i Madagasikara amin'ny sehatra manerantany, ary hampiroborobo ny fiarahamiasa sy fifanakalozana fahalalana eo anivon'ny fiarahamonina eo an-toerana sy iraisampirenena.