Dera ivelan'ny firenena fa tsikera anatin'i Mongolia no azon'ny fanamiana olaimpikan'ny firenena

Môdely manao fanamiana olaimpika fianjaika an-danonan'i Mongolia. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Fanamian'ny Ekipan'i Mongolia ho an'ny Olaimpika Paris 2024” avy amin'ny fantsona YouTube an'i Michel Amazonka. Fampiasana ara-drariny.

Nasehon'ny marika lamaody Môngôl Michel&Amazonka tamin'ny 3 Jolay lasa teo ny fanamiana olaimpika fanao an-danonana, izay hotafian'ireo atleta Môngôl amin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2024 any Paris. In'efatra miova ny fanamiana, roa ho an’ny mpanao fanatanjahantena lehilahy sy vehivavy ary roa ho an’ny lahy sy vavy mpitondra ny fanevam-pirenena.

Ity misy lahatsary YouTube ahitana fanamiana Olaimpika fianjaikan'i Mongolia.

Aingam-panahy avy amin'ny akanjo nentim-paharazana Môngôl antsoina hoe deel, raoby (akanjo) tsimitohitra (asymetrika) hatreny ankitrokely lava tanana ny karazany rehetra. Manasongadina bemirain'ny marika nasionaly sy olaimpika ilay akanjo, izay ivon'akanjo fianjaika, anisan'izany ny Gua Maral (serfa mistika), ny Faneva Fotsy Sivy, ary ny fanilo olaimpika.

Indreto misy ranty Instagram ahitana ny fanamian'ny vehivavy sy lehilahy mitondra saina.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Michel&Amazonka (@michelamazonka)

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Michel&Amazonka (@michelamazonka)

Hatramin'ny nivoahan'ireo fanamiana ireo, dia nalaza haingana anjotra ireo, nahazo dera avy amin'ny olona maneran-tany. Raha jerena amin'ny fihetsiky ny olona amin'ny aterineto, ny bilaogera, ary ny fampitam-baovao miompana amin'ny lamaody, efa nandresy tamin'ny Lalao Olaimpika hoavy sahady i Mongolia eo amin'ny famoronana fanamiana tsara tarehy indrindra. Ohatra, nandahatra ny fanamiana Môngôl ho eo an-tampon'ny lisitry ny fanamiana olaimpika tsara indrindra ny gazetiboky amerikana malaza Vogue. Nahatonga ny fanamiana ho iray amin'ireo lohahevitra be resaka indrindra amin'ny fiatrehana ny Lalao Olaimpika ity domberina tena miabo avy amin'ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ity.

Mpirahavavy, antsoina hoe Yanjindulam (Michel) sy Nyamkhand (Amazonka) Choigaalaa, no tao ambadik'ireto fanamiana ireto izay ary nampitsambikina ny voninahitry ny fahaiza-mamorona mampitolagaga azon'ilay marika lamaody Môngôl somary vaovao sy tsy fantatra izay natomboka  tamin'ny taona 2015. Fantatra amin'ny fampidirana kasika maoderina amin'ny akanjo nentim-paharazana Mongoliana ny marika, fanao miharihary amin'ny fanamiana izany, izay “maneho ny maha-zava-dehibe ny fomban-drazana sy ny kolontsaina Môngôl amin'ny hazavana ankehitriny”.

Teo aloha ity marika ity nanamboatra sy namokatra fanamiana olaimpika an'i Mongolia ho an'ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2020 Tokyo sy ny Lalao Olaimpika Ririnina 2022 tany Beijing. Nahazo dera ihany koa ny fanamiana natao tamin'ny Lalao Olaimpika Tokyo, saingy tamin'ny ambaratonga kely kokoa ary taorian'ny nahitan'ireo vahiny vahiny azy ireo tamin'ny lanonam-panokafana.

Mifangarika tanteraka amin'ny dera iraisan'ny rehetra avy any ivelany kosa anefa ny fanehoan-kevitra voalohany tao an-toerana momba ny fanamiana olaimpika izay miiba amin'ny ankamaroany. Notsikerain‘ny Môngôl ny Michel&Amazonka ho tsy manana fahaiza-mamorona ary nomeny tsiny ilay marika ho namerina ny fitafy Manchu an'ny vahoaka Manchu, foko vitsy an'isa avy any Shina. Tena nahery vaika ny fanakianana ka nahatonga ny marika haneho hevitra momba izany tamin'ny lahatsary iray izay nahitana ny iray tamin'ireo mpanorina nitomany mihitsy aza ho setrin'ny fankahalana avy amin'ny vahoaka.

Ity misy ranty iray ao amin'ny Facebook manakiana ny fitovian'ny fanamiana amin'ny fitafian'ny vahoaka Manchu any Shina.

“Парис-2024” Олимпын наадамд оролцох баг тамирчдын хувцас нийт 104.4 саяаарMichel&Amazonka брэнд урласан гэдэгМонгол…

Posted by Yura Darkhaa on Friday, July 5, 2024

Miorina ao amin'ny tantaran'ny firenena ny fanazavana amin'ny tsikera. Tamin'ny taona 1691, teo ambany fifehezan'ny fitondra-taranaka Qing notarihin'i Manchu i Mongolia ary nijanona voaziogan‘ny fahefana Shinoa nandritra ny 200 taona mahery mandra-pahatongan'ny fanambaràna ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1911. Nanararaotra ny harena voajanaharin'i Mongolia io fanapahana imperialy lava dia lava io, ary niezaka hitelina ny mponina ho ao amin'ny kolontsaina Shinoa, sy namotipotika ireo ezaka hamerenana ny fahaleovantena. Izany no mahatonga ireo singa ao amin'ny kolontsaina Môngôl ahitana fitovitoviana amin'ny kolontsaina Manchu, toy ny fanamiana Olaimpika, miasa ho fanapihana ao amin'ny Môngôl hampahatsiahy ny vakoka imperialy sy ny vanim-potoana mampalahelo teo amin'ny tantaram-pireneny.

Mampionona an'i Michel&Amazonka ny fitomboan'ny fiderana iraisampirenena ary mety hanampy ny Môngôl hanavaka ny fanamiana amin'ireo vakoka nitondra ratram-panahy ara-tantara sy hankafy ny hakanton'izy ireny izay nitondra valalanina sy fahalianana ho an'ny fireneny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.