[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mitondra mankany amina pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato]
Ny sambany nahenoako ny fomba fiteny hoe FOMO, izay ho an'ireo sahirana amin'ilay fanafohezanteny dia midika hoe «Fear Of Missing Out» (tahotra ny ho diso/tara amin'ny zavatra iray), dia fony aho niverina nody tao amin'ny tanibe taorian'ny nandaniako ny faran'ny herinandro tany amin'ireo nosy, vondrona nosy kely maromaro any akaikin'ny morontsiraka avaratr'i Trinidad&Tobago fantatra amin'ny maha-fialofam-piadanana azy, hialàna sasatra sy hitsotsorana. Efa hariva tamin'izay, ary tafaraka taminay teo an-tsambo, nisy zazakely iray reraka, saingy tapa-kevitra nandresy ny torimaso tamim-pahaizana tsy nisy toy izany, azony atao mihitsy angamba ny mampianatra zavatra iray na roa an'i Muhammad Ali momba ny teknika fiarovantena. Ny ray aman-dreniny, izay nahafantatra tsara hoe fotoana toy inona no hilavoana lefona, dia nanondro ny FOMO ho anton'ny fiaretany.
Azoko tsara, ho an'ireo ankizy. Voajanahary ho azy ireny ny te-hahafanta-javatra, vaovao sy manentanentana daholo ny zavatra rehetra, ary mivoatra amina hafainganam-pandeha faran'izay haingana tokoa ny atidohan-dry zareo, mametraka karazana fifandrohizana nerôlôjika isankarazany izay manampy an-dry zareo hahatakatra ny fomba fiasan'ny tontolo sy ny hoe aiza ry zareo no hitsofoka. Ho an'ny olondehibe, anefa, heverin'ireo manampahaizana momba ny fahasalamana fa ny trangana FOMO dia mifamatotra akaiky amin'ny fomba fijery hoe mahita fafiny kokoa ny olona sasany raha miohatra amin'ny tenanao. Noho ny antony lalim-paka, miteraka fahatsapàna tebiteby izy io hoe mba tsy ho voahilikilika an-jorom-bàla ianao dia mety ho tafiditra amina fanaovana zavatra tsy noeritreretina. YOLO (You Only Live Once) (in-dray mandeha ihany ianao no miaina), sady izao, jereo daholo ireo LYBLs rehetra (Live Your Best Lifers) (Iaino Izay Tsara Indrindra amin'ny Fiainanao) ao amin'ny Instagram.
Tamin'ny Alatsinainy 9 Janoary, tao anatin'ny firotorotoany hanatrika ny fandevenana nasiônaly natao ho an'ilay praiminisitra taloha Basdeo Panday, i Karen Nunez-Tesheira, ramatoa minisitra fahiny nitantana ny toebola dia nandingana arofanina iray tao amin'ny SAPA ( Akademia Tatsimo ho an'ny taokanton'ny fampisehoana), na rehefa izy manamarina ny antony tsy maintsy “nandinganany” ireo mpiasan'ny fampahalalam-baovao aza, izay nanohana io fihetsika io: «Ny minisitra, izay mpiaramiasa tamiko, dia nisafidy ny mody tsy hahalàla ny fahatongavako. […] Tsy noraharahianareo aho, ankehitriny nahita ahy ianareo rehetra. Ary ankehitriny, tsy maintsy hatosik'izy ireo hanao toy izany ilay filoha fahiny tao amin'ny antenimieran-doholona, satria tsy nahazo fanasàna izy.» Avy eo dia hita amin'ilay ampahany i Timothy Hamel-Smith nanaraka ny ohatra nomen'i Nunez-Tesheira tamin'ny alàlan'ny fanongànana ny sakana.
Amin-kitsimpo, tsy maintsy naveriko nojerena im-betsaka ilay lahatsary mba hahatakarana ny antony, na dia hoe efa mpirona amin'ny tsy fanarahan-dalàna aza ry zareo, toy ny fanao tsy tapaka ho an'ny maro ao Trinité-&-Tobago — raha amin'ny maha-mpitantana, tokony ho ry zareo no nanome ohatra — tsy misy tahotra no nanaovan-dry zareo izany nanoloana ireo fakantsary, narahana fanamarinana nambara na dia nitsambikina ny fefy aza ry zareo. Samy toy ny tsy nahitàna alahelo na ny iray, na ny iray, na dia afaka aseho amin'ny fomba marobe samihafa, toy ny FOMO, aza ny alahelo.
Koa satria tamin'ny Desambra 2022, nandritra ny fifidianana anatiny iray, Nunez-Tesheira dia nifaninana, saingy tsy nahita vokany, tamin'i Keith Rowley, praiminisitra amperinasa, ho amin'ny fitarihana ny PNM (Hetsika nasiônalim-bahoaka) dia nametraka fialàna tao amin'ny antoko tamin'ny Aogositra 2023 tamin'ny fanamafisana hoe « tandindonin-doza » ny demaokrasian'ny firenena ary lasa nanatevina laharana ilay antoko pôlitika vao misandratra, Hamel-Smith, tsy mitombina ny fiheverana hoe ireo mpiaramiasa aminy ao anivon'ny governemanta no mety mbola hitahiry lolompo. Kanefa, toy ny vazivazy nolazain'ny iray tamin'ireo namako tao amin'ny Facebook momba izany: « Efa 2024 isika izao…mbola hanakorontana fampakarambady sy fandevenana foana ve isika ? »
Toa “eny” no valiny. Tsy tian'ireo Trinidadiàna ny hihevitra ny ho tara, na amin'inona na inona — ny misaika vao avy mifoha, hatrany am-boalohany ka hatramin'ny farany, tianay ny mahita sy ho hita — ary raha ilaina ny hanozongozonanay ny tranon'ohabolana mba hialàna amin'ireo fihetsehampo goavana ateraky ny FOMO amintsika, dia hatao izany. Raha nisy Joes tsotra roa manafika ny lampihazo avaratry ny Panorama, anefa, dia afaka miloka ianao fa mety hikisaka avy hatrany any amina fitantaràna maizina sy manambany ny fitantaràna — saingy arakaraky ny fisondrotanao ao anivon'ny fiarahamonina, no maha-azo leferina ny FOMO; andrandraina mihitsy aza.
Amiko dia hadalàna izany — fa avy eo, tsy ampijalian'ny FOMO aho. Izaho koa dia TTTB (Trini To The Bone) (Trinidadiàna hatramin'ny tsinay maintiko aho) lavitra noho ny rehetra, fa ireo rehetra mahafantatra ahy dia hilaza fa amin'ny ankapobeny aho dia manalavitra ireo vahoaka misafoaka. Ny mifanohitra amin'izay, izaho no ilay ankizy malazan'ny JOMO (The Joy Of Missing Out) (ny fahafinaretana tsy nahafantatra na inona na inona). Izany dia mety misy ifandraisany amin'ny fety iray fankalazana tsingerintaona izay nanasàna ahy nandritra ireo taona naha-tany amin'ny ambaratonga voalohany ahy. Fito na valo taona teo ho eo aho tamin'izany satria ny zava-nitranga dia mampiseho fa efa tao anatin'ny taonan'ny fahatongavan-tsaina sahady aho.
Oran'ny fakàna mpianatra tamin'izay, dia nisy mpiara-mianatra iray — izay tsoriko fa tsy tsaroako na ny anarany na ny endriny, na tsaroako tsara aza fa tena nanàna ny fahatsapàna ny resaka zo izy ary vitsy nàmana — nihazakazaka nanatona ahy hanolotra fanasàna iray, narahana fehezanteny fanambaniana momba ny hoe nila ankizivavy maromaro ilay fety. Tsy ilaina angamba ny miteny hoe tsy nasiako sira[fr], nataoko tao anaty kitapo ilay zavatra, nody aho ary vetivety dia adinoko. Taty aoriana kely dia hitan'ny reniko ilay fanasàna ary nanontaniany ahy ny antony tsy nitenenako na inona na inona. – Satria tsy handeha any aho. Rehefa nanontany ahy ny antony izy dia nambarako azy ilay fihaonana, ary dia niara-niaiky izy fa tsy alefa etsy sy eroa hamoronana tarehimarika fotsiny ny zanany, na iray aza. (Izaho aza nieritreritra mihitsy hoe somary gaga izy.)
Mitoetra ao anatiko mandraka ankehitriny io toetra io. Manana izay miaraka amiko manokana aho; raha tsy mahatsapa ny zavatra toy izany ianao, mety amiko tsara, saingy aza manantena ny hahita ahy hisisika ho anatin'ny kliobanao, ny kaonseritrao, na fety na fampakarambadinao na fandevenana. Tsy raisiko ho raharaha manokana ihany koa ilay izy — takatro tsara hoe mety ho lany tapakila ianao ho an'ilay fetinao, nifantina ireo olona akaiky kokoa mba hanatrika ny fampakarambadinao na namandrika be loatra ny efitrano fisakafoanana.
Amin'ilay trangana fandinganana roa, mety niniana natao ny fanadinoana na korontana tsotra fotsiny. Na ahoana na ahoana, rehefa tsy manana fanasàna ianao amina lanonam-panjakana iray manetriketrika — izay angamba efa nifandinihana sy/na nankatoavin'ny fianakavian'ny maty ny lisitr'ireo olona nasaina — tokony hisolantsolana any ve ianao? Dia hanao inona? Mba hanamarika teboka politika iray ve ? Mba hampisehoana fa ratsy ireo mpikarakara, ny metimety kokoa, na ny ratsy indrindra hoe tsy mahay ve ? Na angamba, mba hahafahana miteny fa tonga teo ianao. Farafahakeliny, nahazoantsika sary manàla azy (mèmes) mampiala voly bobaka be tamin'io “fiasco” io.
Ao anatina firenena iray izay mbola sosotra foana isika amin'ny sata sy ny antanan-tohatra, izany hoe ny « fampiatiana ny rehetra » dia mbola hita ho fanilihana, izay saika ny hetsika tsirairay mihitsy no, tsy hoe fotsiny manana lafy VIP fa mbola misy lafy iray VVIP (Very Very Importany People – olona tena mbola manankaja noho izay manankaja) — toa tsy ampy foana ny rivotra ao anatin'ny tontolon'ny FOMO — adinon'ny olona fa manana safidy ry zareo ary ny IMHO (In My Humble Opinion – Raha ny Hevitro Am-Panetrentena), afaka nanararaotra izany ireto “duo” navitrika ireto. Ny safidy tsotra kokoa sy mendrika kokoa dia angamba ny niala ary nandefa taratasy fanehoam-piarahamiory. Kanefa, raha ny marina dia tsiambaratelo izany, izay tazonintsika olona ianjadian'ny JOMO ao an-tratrantsika ao : mahatonga ny fo ho tia kokoa ny tsy fahitàna.