
Saripika: Notapahin'i Maxim Bouev avy amin'ny amboaran-torohay navoaka ho amin'ny tsingerintaona fahafolon'ny Oniversite Eoropeana ao St Petersburg. European University at St. Petersburg, FAL, tao amin'ny Wikimedia Commons. Nampiasaina araka ny Free Art License.
Nandika sy navoakan'ny Global Voices indray ny lahatsoratry ny Gazetiboky Holod, mitatitra ny fikatonan'ny Fakiolten'ny Siansa Politika ao amin'ny Oniversite Eoropeana ao Saint-Pétersbourg. Ny sojabeny Grigory Golosov, no nanambara ity hetsika tsy nampoizina ity izay nanamarihany fa ny filankevitra akademika ao amin'ny oniversite no nandray ny fanapahan-kevitra tamin'ny faran'ny volana Jona.
Efa niaro ny asakaroka nataony ireo mpianatra farany avy amin’ny programa Masters (MA), ka ireo no nahazo diplaoma farany tao amin’ny fakiolte. Ireo mpianatra manana Doctorat (PhD) sy Masters izay mila manohy ny fianarany kosa tsy maintsy mamita izany amin'ny fifindrana mankany amin'ny Fakiolten'ny Tantara ao amin'ny oniversite. Tsy handray anjara amin'ny fandaharana vaovao i Golosov, izay miala sasatra, fa hijanona ho profesora ao amin'ny Fakiolten'ny Toekarena.
Mbola tsy naneho hevitra ofisialy ny Oniversite Eoropeana ao Saint-Pétersbourg, ary mbola voalisitra ao amin'ny tranokalany ny Fakiolten'ny Siansa Politika.
Hita ao amin'ny tantaran'ny Oniversite Eoropeana ny fiverimberenan'ny fifandirana amin'ny manampahefana. Tamin'ny faran'ny taona 2023, nandoa lamandy ny oniversite noho ny fitahirizana boky notohanan'ny fikambanana lazaina ho “tsy irìna” toa ny Open Society Institute sy ny Kennan Institute. Nesorina tao amin'ny tranombokin'ny oniversite ireo boky nahazo ny fanohanan'ireo fikambanana ireo.
Araka ny nambaran'ny Radio Liberty tamin'ny Febroary 2024, rehefa nanondro fikambanana ho “tsy irìna” ny Minisiteran'ny Fitsarana Rosiana, dia lazainy fa mampidi-doza amin'ny filaminam-pirenena ny fikambanana. Na izany aza, miady hevitra ireo manampahaizana fa tetika ataon'ny manampahefana Rosiana izany mba hanakanana izay feo tsy mitovy hevitra sy tsy mifanaraka amin'ny hevitry ny Kremlin.
Tsy maintsy atsahatry ny fikambanana ny asany rehetra ao Rosia raha tsy izany miatrika onitra mafaitra sy sazin-keloka bevava. Fanampin'izany, izay olom-pirenena na sampan-draharaha miara-miasa amin'ny fikambanana “tsy irìna” dia mety handoa lamandy noho ny fandikan-dalàna voalohany nataony. Raha mitohy ny fiaraha-miasa aorian'ny fampitandremana ara-pitantanan-draharaha, dia mety hiatrika fiampangana heloka bevava faratampony ny olona tsirairay ka sazy an-tranomaizina miakatra hatramin'ny dimy taona.
Nisy izao, tamin'ny febroary 2024, fikambanana 140 mahery no tao anaty lisitra “tsy irìna” ao Rosia. Hita ao amin'ity lisitra ity ny fampahalalam-baovao, sy izay rehetra fikambanana mandray anjara hetsika politika, kolontsaina ary fanabeazana, manohana ireo andrim-panjakana demôkratika, sy vondrona ara-pivavahana.
Niorina tamin'ny taona 1994 ny Oniversite Eoropeana, ary tamin'ny voalohany nahazo famatsiam-bola avy amin'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) Amerikana sy Eoropeana. Na izany aza, taorian'ny niantsoana ny maro tamin'ireo fikambanana ireo ho “tsy irìna”, dia nijanona tsy nandray vola avy amin'izy ireo ny oniversite, izay niantraika tamin'ny fitoniana ara-bolany ary mety hisy fiantraikany tamin'ny fanapahan-kevitra hanakatona ny Fakiolten'ny Siansa Politika.
Taorian'ny fananiham-bohitra feno an'i Okraina nataon'i Rosia, izay nanomboka tamin'ny Febroary 2022, dia maro ireo anjerimanontolo afaka sy liam-pandrosoana teo aloha no nahita ny tenany ho tsy maintsy nanao politika mandala nentin-drazana, izay na noho ny faneren'ny fanjakana na tamin'ny alalan'ny fisantaran'andraikitra nataon-dry zareo ihany, ary maro ny Rosiana mpampianatra oniversitera no nandao ny firenena.
Anaovan'ny tetikasa T-Invariant randram-pitantarana ny fomba nanenjehan'ny fanjakana rosiana ireo mpampianatra oniversitera rosiana, ny fomba anerena ireo oniversite sy ny fandrarana ireo fikambanana iraisampirenena maro izay nanohana ireo Rosiana mpahay siansa. Anisan'ireo tranga ireo ny sazy an-tranomaizina noho ny fanoherana ny ady, ny fampitsaharana ny fifanarahana asa amin'ireo ekipan'ny mpampianatra oniversitera manohitra ny ady, ary ny fanakatonana ireo fikambanana siantifika izay miara-miasa amin'ny firenena hafa. Ohatra iray ny Tambajotran’ Akademisiana Eoropa Atsinanana (Akademisches Netzwerk Osteuropa). Manampy ireo mpahay siansa sy mpianatra avy any Rosia, Belarosia ary Okraina hifindra any Alemaina mba hisoratra anarana any amin'ny oniversite alemà na hitady asa any amin'ny toeram-pampianarana ny fikambanana. Fikambanana iray hafa, anisan'ireo am-polony hafa, ao amin'ny Oniversite Eoropeana Afovoany, izay ahitana mpianatra an'aliny avy amin'ireo firenena sovietika teo aloha no nahazo fampianarana diplaoma ambony voasahan'ny vatsim-pianarana avy amin'ny Open Society Foundation nanomboka tamin'ny tapak'andian-taona 1990s.
Iray amin'ireo tranga farany amin'ny famoretana ireo mpianatra mpikatroka ny fampitandreman'ny The Higher School of Economics any Saint-Pétersbourg ireo mpitarika mpianatra vao haingana fa azo enjehina izy ireo noho ny fampielezana “propagandy LGBT” taorian'ny nampiasan'ny vondrom-pianatra iray ny “feminitive” amin'ny iray amin'ireo ranty media sosialy navoakany.
Ny feminitives dia solon'anarana manondro ny vehivavy amin'ny teny Rosiana, Okrainiana, Belarosiana, Poloney ary fiteny slavy hafa. Hita ao amin'ny dingan'ny famadihana ho vavy ny fanasokajiana indray ny anarana sy ny mpamaritoetra manondro ny an-dahiny — ao anatin'izany ny voambolana momba ny asa — ho am-baviny ny Feminitives. Ny voambolana ampiasain'ny vondrona mpianatra tamin'ity tranga ity dia кураторка ( vehivavy mpikarakara) fa tsy куратор ( lehilahy mpikarakara). Heverina ho loza mitatao ho an'ireo antsoina hoe “soatoavina nentin-drazana” izay napetraky ny fanjakana ho foto-pisainana ofisialy, ny LGBTQ+ amin'ny maha-fikambanana sy mari-panondroana, ny feminisma.