Môldavy roa mpitifitra amin'ny tsipìka no hitondra ny fanevam-pireneny amin'ny lalao Olaimpika

Dan Olaru nandritra ny London 2012. Image “Bubmin Kim Dan Olaru” avy amin'i Andy Rogers tao amin'ny Flickr. CC BY-SA 2.0.

I Dan Olaru sy i Alexandra Mîrca, izay anatin'ny ekipam-pirenen'i Môldavia, ary samy mpitifitra amin'ny tsipìka, no hitondra ny sainan'i Môldavia amin'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika any Paris. Araka ny filazan'ny NewsMaker, ny Komity Olaimpika Nasionaly no nanambara izany tamin'ny 16 Jolay 2024.

Ireo mpanao fanatanjahantena roa ireo ihany no nitondra ny fanevan'ny ekipa Môldavy tamin'ny lalao olaimpikan'i Tokyo, hoy ny komity. Ankoatra izay, efa nitondra ny sainam-pirenen'i Moldavia i Dan Olaru tamin'ny Lalao Olaimpikan'i London 2012 fony izy vao 15 taona.

Notaterin'ny NewsMaker fa efa neken'ny governemantan'i Moldavia mialoha ny habetsaky ny loka handraisana anjara amin'ny Lalao Olaimpika sy Paralaimpika. Hahazo MDL 3 tapitrisa (eo ho eo amin'ny 168.000 dolara amerikana) ireo atleta mahazo medaly volamena, ary hahazo MLD 2,6 tapitrisa (145.600 dolara amerikana eo ho eo) sy MLD 2 tapitrisa (112.000 dolara amerikana eo ho eo) kosa araka ny filaharany ny laharana faharoa sy fahatelo. Hahazo loka mitovy amin’ny atleta ihany koa ny mpanazatra.

Ny 26 jolay ka hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao no hatao any Paris ny lalao olaimpika fahavaratra. Atleta 10 500 no hifaninana amin'ny taranjam-panatanjahantena 32. Ahitana atleta 26 amin'ireto taranjam-panatanjahantena manaraka ireto ny ekipan'i Môldavia : tolona, ​​fivoy lakana sy kayak, fitaingenan-tsoavaly, atletisma, fitifirana,  mitifitra tsipìka ary fibatana fonjamby.    

Efa notaterin'ny NewsMaker teo aloha fa nisy andianà horonantsary fanadihadiana momba ireo atleta hisolo tena an'i Moldavia tany an-toerana, milaza fa nomanina ho amin'ny Lalao Olaimpika any Paris ireo atleta ireo. Iray amin'ireo horonantsary ny momba an'i Serghei Tarnovschi, mpivoy lakana, nahazo medaly alimo tamin'ny Lalao Olaimpika Tokyo 2020.

Ao amin'ny filma “Road to Paris”, i Serghei sy i Oleg rahalahiny miresaka ny fahazazany tany Lviv, ny antony nifindrany tany Moldavia, ny fandreseny, ary ny fahasahiranana natrehiny teny an-dalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.