
Saripikan'ireo Maoritaniàna mpanao gazety taorian'ny fiofanana iray. Pikantsary avy ao amin'ny fantsona Youtube le360 Afrique
Tamin'ny 29 Jona 2024, nandeha nandatsa-bato ry zareo Maoritaniàna mba hifidy ny ho filoham-pirenena manaraka hitondra ny firenen-dry zareo, firenena efa lasa lavitra indrindra amin'ny resaka fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao amin'ny tanibe afrikàna.
Araka ny Tondro 2024 fanomezana laharana erantany ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, nataon'ny Mpitatitra Tsy Voafetran-tSisintany (RSF), mitàna ny laharana faha-33 amin'ireo firenena 180 i Maoritania. Tamin'ny 2023, laharana faha-86 tao anatin'io fandalinana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety erantany io no nisy ilay firenena, nahazo isa 59.45 amin'ny 100. Io fiakaran'ny fanakilasiana ka nahazoana toerana 53 io dia mametraka an'i Maoritania ho laharana voalohany ao amin'ny tanibe Afrikàna sy ao amin'ny tontolo arabo, manome araka izany tontolo iray tokamiavaka sy manome tombony ho an'ireo mpanao gazety ao amin'io tanibe io. Io fanomezana laharana io koa dia iray amin'ireo vokatra miabo tamin'ireo fanavaozana marobe nentin'ny filoha Mohamed Ould Ghazouani. Ghazouani, izay eo amin'ny fitondràna nanomboka tamin'ny 2019, dia manohana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety mba hisian'ny fandrosoana demaokratika ao amin'ny firenena.
Vakio: 29 Jona 2024, fihodinana voalohany amin'ny fifidianana izay ho filohampirenena ao Maoritania
Ao Maoritania, izay ny 99 isanjaton'ny vahoaka dia miozolmàna avokoa, ny fiteny arabo no fiteny ôfisialy ao amin'ny firenena. Isan'ireo fiteny nasiônaly hafa ny ny fiteny arabo Hassaniya, Pular, Soninke, sy Wolof. Na tsy fiteny ôfisialy aza ny frantsay, ampiasaina izy io ho fiteny entina miasa amin'ny fisahanan-draharaha. Araka izany dia omen'ireo mpilaza vaovao toerana voalohany ny fiteny arabo ary io fiteny io no entin-dry zareo mamokatra votoaty.
Vakio: Ao Maoritania, tontolo mozikaly iray manintona eo anelanelan'ny fombandrazana sy ny fanavaozana
Fahasamihafan'ireo media mahaleotena
Hita ao Maoritania avokoa ireo karazana media rehetra: gazety an-tsoratra, ny tranonkalam-baovao, ny tobin'ny fahitalavitra, ny tobin-onjampeo, ary ireo tambajotra sôsialy. Ireny media ireny dia miasa eo ambany fanarahamason'ny High Authority for Press and Audiovisual Material (HAPA), sampan-draharaha tsy miankina miantoka ny fampanajàna sy fampiharana ny lalàna sy fitsipika.
Ny Television of Mauritania (TVM) sy ny Radio Mauritanie no toby roa lehibe an'ireo manampahefana ao Maoritania ary mandefa amin'ny fiteny arabo sy frantsay. Isan'ireo filazambaovaom-panjakana ny Mauritanian News Agency (AMI), izay mandefa vaovao amin'ny fiteny arabo, frantsay ary anglisy, sy ny Maurinews, masoivohom-baovao tsy miankina mampiasa ny fiteny arabo.
Hita ao amin'ny firenena ihany koa ny gazety an-tsoratra. Isan'ireny ny Alakhbar, gazety an-tsoratra lehibe ao Maoritania niforona tamin'ny 2003 ary mivoaka amin'ny fiteny arabo sy frantsay; ireo gazety an-tsoratra amin'ny fiteny arabo amin'ny firenena, Chaab sy Al-Mourabit; ny mpivoaka isankerinandro amin'ny fiteny roa Arabo-Frantsay Le Calame (Al-Qalam) ary ny mpiseho isanandro Quotidien de Nouakchott sy ireo gazety an-tsoratra amin'ny fiteny frantsay L'Eveil-Hebdo, Horizons, ary Nouakchott Info.
Toy ny any an-kafa, ny firoboroboan'ny aterineto dia nanery ireo fampahalalam-baovao an-tsoratra hanokatra tranonkala safidy mba hifandraisana amin'ireo mpamaky an-dry zareo. Tetsy ankilany, io revôlisiôna nomerika io koa dia nitondra nankany amin'ny famoronana tranonkalam-baovao toy ny Cridem, Mauriweb, Chezvlane, Bellewarmedia, ary ny Saharamedia. Ny fanalalahana ny tontolon'ny asa fanaovana gazety dia vokatra mivantan'ireo fiovàna miabo natao tamin'ny fanaovan-dalàna anatiny. Hoy ny Mpitatitra Tsy Voafetran-tSisintany (RSF) nanoratra:
En Mauritanie, les délits de presse ont été dépénalisés en 2011. Un texte voté en 2006 et modifié en 2011 renforce la liberté de la presse et intègre les principes généraux sur le droit à l’information et la protection des sources Le président Mohamed Ould Ghazouani s’est engagé, dès son entrée au pouvoir en 2019, à réformer la presse en Mauritanie et à professionnaliser le secteur(…)
Tamin'ny 2011, nesorina tsy ho heloka bevava intsony ny hadisoana amin'ny asa fanaovana gazety ao Maoritania. Lalàna iray nolaniana tamin'ny 2006 ary nasiana fanovàna tamin'ny 2011 no manamafy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy mampiditra ireo fotokevitra ankapobeny momba ny zo hahazo vaovao ary ny fiarovana ireo loharanom-baovao. Nanolo-tena ny filoha Mohamed Ould Ghazouani, nanomboka tamin'ny nandraisany ny fahefana tamin'ny 2019, ny hanavao ny asa fanaovana gazety ao Maoritania sy hanao izay haha-matianina kokoa io sehatra io(…)
Marobe ihany koa ireo mpampahalala vaovao iraisampirenena no miresaka ny fivoaran-draharaha farany ao Maoritania. Isan'ireny mpilaza vaovao ireny ny Voice of America (VOA), Al Jazeera, France 24, Radio France Internationale (RFI), the Guardian, Africanews, BBC Afrique (BBC Africa) ary ny Afrique XXI.
Fampiasàna tambajotra sôsialy
Araka ny voalazan'ny Data Reportal, rakibolana fitanisa ao anaty tambajotra, dia nidina avy amin'ny 58.8 isanjato ny taham-pidirana aterineto tao Maoritania tamin'ny 2023, fony izy nanana mpampiasa 2,82 tapitrisa, lasa 44,4 isanjato monja tamin'ny 2024, raha 2,19 tapitrisa ny isan'ireo mpampiasa aterineto.
Tany am-piandohan'ny 2024, nitatitra ihany koa ny Data Reportal fa nanana mpampiasa media sôsialy niisa 1,24 tapitrisa ilay firenena. TikTok no nibahan-toerana tao anatin'ny tontolo nomerika, nanana mpampiasa niisa 1,24 tapitrisa, narahan'ny Facebook, Meta amin'izao fotoana izao, manana mpampiasa 1,10 tapitrisa. Ny Facebook Messenger indray nanana mpampiasa niisa 376.800, arahan'ny LinkedIn (130.000), Instagram (126.600), ary X (Twitter taloha) manana mpampiasa miisa 5.500.
Biram Dah Abeid, mpitarika ny fanoherana no sady mpikatroka mpanohitra ny fanandevozana, no iray amin'ireo teratany maoritaniàna be mpanaraka indrindra ao amin'ny Facebook, manana mpanjohy miisa 18.000.
Vakio: Fifidianana filoham-pirenena amin'ny 29 Jona any Maoritania: Tafatafa miaraka amin'ilay mpanao politika Khally Diallo
Ahiahy sy tsy fahatokisana mbola mitoetra
Na misy aza ny fandrosoana mankany amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, mbola mitoetra ny ahiahy momba izay fomba hampaharitra ireo zavabita tamin'ny resaka fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Mohamed Ould Ghazouani dia nampiseho ny fanolorantenany hiaro ireo matianina amin'ny media, saingy mbola misy ireo fihetsika ramatahora, fandrahonana, ary famonjàna. Tamin'ny 2021, Abdellahi Mohamed Ould Atigha avy amin'ny gazety tsy miankina Al Hoora dia nosamborina noho ny ranty iray tao amin'ny Facebook. Tamin'ny Desambra 2023, ilay bilaogera Mohamed Vall Abdallah koa dia nohelohina sy notazonina am-ponja noho ny ranty iray tao amin'ny Facebook. Izy dia voampanga ho nitaky ny hanonganana ny filoha Mohamed Ould Ghazouani. Tamin'ny May 2024, telo ny mpanao gazety niharan'ny herisetran'ny pôlisy teny ampandrakofana ny fihetsiketsehana notarihan'ny mpitsabo.
Araka ny tatitra 2023 momba ny Fahalalahana Erantany, ny sampana manaramaso ny fahalalahana sy ny demaokrasia manerana izao tontolo izao, Freedom House, dia namintina fa tsy manana ny fahaleovantenany manontolo ny media ao Maoritania. Nambarany fa:
(…) les journalistes qui couvrent des sujets sensibles ou scrutent l'élite politique peuvent faire l'objet de harcèlement, d'écoutes téléphoniques et d'arrestations occasionnelles. Plusieurs lois répressives restent en droit, y compris celles qui criminalisent la diffamation, la diffusion d'informations « fausses », la cybercriminalité et le blasphème. Les autorités ont régulièrement arrêté des journalistes pour avoir publié des contenus critiques dans le passé.
(…) Ireo mpanao gazety mandrakotra lohahevitra saropady na manara-maso akaiky ireo sangany ara-pôlitika dia mety hiharan'ny filàm-baniny, fihainoana antso an-telefaona, ary fisamborana. Marobe no mbola manakery ireo lalàna famoretana, isan'izany ireo izay mametraka ho heloka bevava ny fanalàm-baràka, ny fanelezana vaovao “diso”, ny heloka an'habaka, ny fitenenan-dratsy fivavahana. Taloha dia imbetsaka ireo manampahefana no nanao fisamborana ireo mpanao gazety noho ny famoahana votoaty manakiana.
Ny fanadihadiana iray izay ny tambajotram-pikarohana Afrobarometer no nanao azy momba ilay votoaty nivoaka tao amin'ny media maoritaniàna, no namboraka ny zavatra andrasan'ny vahoaka amin'ireo matianin'ny fampahalalam-baovao, dia ny mba hanaovana fanadihadiana lalina sy hamoahana ireo hadisoana ary kolikoly ataon'ny governemanta.
Ambonin'izay, olana goavana ny momba ny toebolan'ireo Maoritaniàna mpanao gazety . Araka ity lahatsoratry ny tranonkalam-baovao Kassataya ity, manohintohina ireo mpanao gazety ny fahasahiranana ara-toekarena ary mahatonga azy ireo ho mora andairan'ny karazan-tsindry isankarazany:
(…)la rémunération insuffisante pour les vrais journalistes a contribué à leur érosion dans le secteur médiatique. Être un journaliste honnête et intègre est devenu synonyme de gagner un salaire médiocre, ce qui a conduit de nombreux professionnels du journalisme à chercher d’autres opportunités professionnelles plus lucratives.
(…)Ny karama tsizarizary raisin'ireo tena mpanao gazety marina dia mitarika mankany amin'ny fikororosian'ny sehatry ny media. Ny maha-mpanao gazety mendrika sy mahitsy dia lasa mariky ny fandraisana karama vary masaka, mahatonga ireo marobe matianina amin'ny asa fanaovana gazety hikaroka hirika hafa mampidi-bola kokoa amin'ny asa.