Nihen-danja ny rivo-doza Beryl rehefa avy nandravarava an'i Karaiba, saingy mety mbola hitondra faharavana

Sary nasongadina tamin'ny Canva Pro.

Mizotra ho any Amerika Afovoany amin'izao fotoana izao ny Rivo-doza Beryl, ilay tafio-drivotra lehibe voalohany amin'ny vanim-potoanan'ny rivo-doza Atlantika taona 2024, izay efa nihena hery ho ambaratonga faha-2 ankehitriny, rehefa saika avy namongotra ny Nosy Windward maromaro fony sokajy faha-4 tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Avy eo izy nandravarava an'i Jamaika tamin'ny 3 Jolay, ary taorian'izay nandalo tao amin'ny Nosy Cayman ihany koa.

Tombanana ho fito farafahakeliny ny isan'ny maty nandritra ny fandalovan'ny Beryl hatreto, mahagaga raha jerena ny haben'ny faharavan'ny fotodrafitrasa, ny tranobe ary ny tontolo voajanahary any amin'ny toerana toa an'i Carriacou, Nosy Union, Mayreau, ary Petit Martinique any Grenadines. Mahavariana ny fahasamihafan'ny haavon'ny zavamaniry raha tsy hilaza afa-tsy ao Carriacou irery ihany, taloha sy taorian'ny Beryl.

Na dia eo efa nihen-danja aza, manizingizina ireo mpaminavina fa mbola tokony  heverina ho tafio-drivotra mampidi-doza izay mety hiteraka fahavoazana lehibe i Beryl; manahy indrindra izy ireo ny amin'ny fiantraikan'ny “onja mandravarava” ateraky ny onjan'ny tafio-drivotra, izay mety hampiakatra ny haavon'ny rano telo ka hatramin'ny dimy metatra ambonin'ny tany.

Eo ambany fampitandremana amin'ny rivo-doza ny Saikinosy Yucatán; raha vao tafavoaka ao i Beryl ary tonga any amin'ny Hoalan'i Meksika, dia mety hisy indray ny “fitomboan-kery tsikelikely”. Arahi-maso manoloana ny tafiotra tropikaly ihany koa  ny ampahany amin'i Belize.

Vokatry ny oram-be sy ny rivotra mifofofofo, niharan'ny fahatapahan'herinaratra miely patrana ny Jamaikana, ary nisy tondra-drano be tany amin'ny faritra sasany, ka maro ny lalana lasa tsy azo naleha sy ny olona tafahitsoka. Mbola tsy fantatra mazava ny halehiben'ny fahasimbana, na dia nitatitra aza ny nosy fa olona roa farafahakeliny no namoy ny ainy noho ny tafiotra.

Tahaka ny any amin'ny faritra hafa ao amin'ny vondronosy, maro ny olona very tafo, na dia tapa-kevitra mafy hihazona ny azy aza ity vehivavy any Jamaika ity:

VEHIVAVY IRAY AO JAMAIKA TAPA-KEVITRA HITAZONA NY TAFONY AMIN'NY FOMBA REHETRA NANDRITRA NY RIVODOZA BERYL!

Ramatoa iray any Jamaika no azo sary mipetraka eo ambonin'ny tafon-tranony ary mihazona izany tao anatin'ny rivo-doza sokajy faha-4.

Saika hitsoaka ny tafo, saingy tsy nanaiky ilay ramatoa…

Gaga ny mponina iray ao Mandeville, any an-kavoana, atsimo-afovoan'i Jamaika, noho ny fahatapahan'ny hazo tsotra izao sy ny fil (caténaires) eny ambony. Na dia nihozongozona aza, dia nilaza izy ireo fa hanorina indray:

“Manontany tena izahay raha ho tafavoaka velona tamin'ny alina, noho ny rivotra nampianjera hazo, ireo hazo mavesatra!”

Toy izany no nitantaran’ny mponina iray tao Mandeville, Manchester ny zavatra niainany taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Beryl.

Niharan'ny faharavana ihany koa ny vondrom-piarahamonina amorontsirak'i Treasure, saingy nanambara ihany koa ny faharetany sy ny fikasany hanorina indray:

Betsaka ny fahasimbam-pananana tao amin’ny Morontsiraka Treasure sy ny manodidina saingy tsy nisy ny aina nafoy izay henonay ka mampisaotra.
Hanorina indray isika. Vondrom-piarahamonina tena miaritra ny MT

Nitatitra ny gazety Jamaica Observer fa mihatra amin'ny faritra lavitra ny faharavana:

Lehibe ny faharavana. Mampiseho faharavàna goavana feno fako ny lalana tany St James. Mandritra izany fotoana izany, misy hazo lehibe iray manakana ny Arabe Lehibe Frome any Westmoreland, efa miasa ny mpamono afo sy ny miaramila mba hanadio ny toerana. Hazo iray hafa nianjera tamin'ny toeram-pisotroana toaka iray teo amin'ny Arabe Lehibe Frome sy ny fanasana fiara…

Na izany aza, nihazakazaka ny olona nanampy sy nanamaivana ny fijalian'ny hafa  tamin'ny fomba rehetra azon'izy ireo natao:

Miara-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka eo an-toerana ao Jamaika ny WCK mba hanome sakafo ho an'ireo fianakaviana tratran'ny rivo-doza Beryl. Tany Kingston, nanome akoho natòno sy henan-kisoa nendasina niaraka tamin'ny vary amin'anana ny Mark Chong's Catering. Nandrava vondrom-piarahamonina manamorona ny morontsiraka atsimon'ny firenena ny tafiotra…

Na dia nakaton'i Jamaika aza ny seranam-piaramanidina ary nanoro hevitra ny praiminisitra Andrew Holness fa olona an-jatony no mialokaloka any amin'ny toeram-pialofana manerana ny nosy, nahazo tsikera tao amin'ny X (Twitter taloha) ny filoham-panjakana noho ny fanehoan-kevitra nataony momba ny krizin'ny toetrandro:

Diso adala. Mandritra izany fotoana izay ihany, avelan'ny fitondram-panjakany ny fananganana trano fandraisam-bahiny goavana ary potika ny ala honko eto amintsika. Mametraka ny vahoaka Jamaikana ho tratran'ny loza ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro ny politikan'ny governemanta.

Namaly ny mpaneho hevitra iray tao amin'ilay lohahevitra hoe: “Tunnel vision. Tsy tsapany fa tsy ny fahalotoan'ny indostria irery ihany no antony mahatonga ny fiovaovan'ny toetr'andro. Fa ny fanimbana [ny] toeram-ponenana voajanahary sns.” Voatsikera ny fitantanan'i Holness noho ny fanomezan-dalana ireo tetikasam-panorenana sy indostrialy izay manohintohina ny tontolo iainana .

Mandritra izany fotoana izany, nitaraina ilay mpanoratra Trinidadiana Ingrid Persaud:

Firenena nosy kely mizaka (indray) ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Ao Caymans – mifanakaiky habe kokoa amin'i Windwards noho i Jamaika, ary mbola mahatadidy ny loza nateraky ny Rivo-doza Ivan nandrava ireo nosy roapolo taona lasa izay – nitahiry entana ireo mponina ary niezaka niaro tena araka izay tratrany. Soa ihany i Beryl fa tsy niditra an-tanety mihitsy.

Na izany aza, nametraka firaketana maro ho toy ny rivo-doza mahery vaika indrindra, aloha indrindra amin'ny vanim-potoana isan-taona ny tafio-drivotra, izay noheverina feno fa vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.