Ny toerana manahirana tànan'i Shina ao anatin'ny tetezamita ara-angovo diavin'i Afrika

Ny vala “éoliene Gouda” ao Gouda, any amin'ny tendro andrefan'i Afrika Atsimo. Saripika avy amin'ny lisansa Wikipédia CC BY-SA 4.0 

Rehefa mitsidika ireo firenena sasany any Afrika Atsinanana (EAC), toa an’i Borondi, Ogandà, Sodàna Atsimo, Sômalia, sy ny hafa, dia mahazatra ny mahita sekolim-bohitra, làlana an-tanàndehibe, hopitaly, trano, ary toerana maro hafa tsy misy herinaratra. Amin'ny alalan'ny fanilo ireo mpianatra no tsy maintsy manao famerenan-desona, ny hopitaly sy ny tobim-pitsaboana sasany dia miady mafy amin'ny fitahirizana fanafody tsy mahazaka hafanana, indrindra fa ny vaksiny, ary fiainana andavanandro tsy misy herinaratra azo antoka no iainan'ny olom-pirenena.

Izany dia olana mahazatra manerana an'i Afrika Atsinanana, izay ny tsy fahampian'ny famatsiana herinaratra dia sakana ho an'ny fampandrosoana, ary koa ny kalitaon'ny fanabeazana sy ny fitsaboana. Amin'izao fotoana izao, na iray aza tsy misy firenena any Afrika Atsinanana nahavita fandrakofana herinaratra manontolo, ary misy fahasamihafana lehibe eo amin'ny famatsiana herinaratra amin'ireo firenena ireo. Kenya amin'izao fotoana izao no manana fandrakofana herinaratra avo indrindra (ny tahan'ny fahazoana izany raha oharina amin'ny filàna), nahatratra 75 isanjato tamin'ny taona 2018 raha 10 isanjato monja ho an'i Borondi ny fandrakofana herinaratra tamin'io taona io ihany.

Etsy andanin'izany, manana harena “géothermique” sy masoandro be dia be i Afrika, manome azy tombony voajanahary ho an'ny tetezamitany ara-angovo. Miaraka amin'ny fisian'ireo angovo azo havaozina, ireo firenena manankarena toa an'i Kenya sy Roandà dia tokony hahatratra ny fandrakofana herinaratra manontolo amin'ny 2030.

Kenya no tena mahazo tombony amin'ny tetikasa angovo azo havaozina ataon'ny Shinoa any amin'ireo firenena mpikambana EAC [fr]. Nilaza tamin'ny Global Voices tamin'ny resadresaka nifanaovana taminy i Steve Omondi, mpiaro ny tontolo iainana sady mpikatroka ho an'ny angovo maitso, izay mpisitraka tombontsoa amin'ny angovo azo havaozina amin'ny alalan'ny fiarahamiasa Shina-Kenya ny vondrom-piarahamoniny, hoe: “Namatsy vola sy nanangana vala goavana misy takela-masoandro sy angovo alaina amin'ny rivotra manerana an'i Kenya i Shina, manampy araka izany amin'ny fanitarana ny tetezamita ara-angovo azo havaozina, indrindra any amin'ireo faritra ambanivohitra.” Nampiany hoe ny angovo azo havaozina dia efa ho ny 90 isanjaton'ny famokarana herinaratra ao Kenya hatramin'ny 2022 :

Ny toerana raisin'i Shina amin'ny fanampiana an'i Afrika hahazo angovo azo havaozina

Tato anatin'ireo taompolo farany, i Shina no lasa lehibe indrindra mpamatsy vola amin'ny tsenan'ny angovo vaovao ao Afrika, miaraka amin'ireo tetikasa famokarana angovo azo alaina amin'ny rano, masoandro ary rivotra, mitentina an-davitrisa dôlara izay manandrana mamadika ny angovo madio ao amin'ny kaontinanta ho lasa tena zava-misy.

Vala takela-masoandro ao Roandà. Saripika tao amin'ny Flickr Lisansa

 CC-BY-SA 2.0

Araka ny tatitry ny African Climate Foundation , nanomboka tamin'ny 2010–2020, manana taham-pitomboana isantaona 26 isan-jato eo ho eo ny fampiasambolan'i Shina amin'ny sehatry ny angovo azo havaozina ao Afrika, indrindra amin'ny alalan'ny teknôlôjian'ny masoandro, ny herin'ny rano ary ny rivotra. Miainga avy amin'ny tatitry ny governemanta Shinoa momba ilay hetsika ”  Fehikibo iray Làlana iray “,  tamin'ny 2022, nanao fampiasambola mivantana fanampiny mitentina 3,4 miliara dôlara tao Afrika i Shina. Tamin'ny faran'ny taona 2022, orinasa any ivelany mihoatra ny 3.300 no voatsangan'i Shina tany Afrika, miaraka amin'ny fampiasambola mivantana mihoatra ny 40 miliara dôlara.

Lei Bian , mpikaroka momba ny pôlitika ao amin'ny Sekoly Ambony ao Londona Fianarana ny Siansa Pôlitika sy Toekarena, dia nilaza tamin'ny VOA fa “Ny fampiasambola Shinoa any ampitan-dranomasina amin'ny resaka angovo azo havaozina dia mikendry ny hanaja ny fanolorantena iraisam-pirenena momba ny toetrandro nataon'i Shina ho fanafainganana ny fanovàna ny angovo hiala amin'ny solika fôsily any Afrika, izay mpiara-miombon'antoka ara-barotra lehibe indrindra amin'i Shina.” Eo ankilan'izany, nahazoan'i Shina tombony izany tamin'ny fiarahamiasa ihany amin'ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena sy fiahiana ara-angovo.

Ny ankamaroan'ireo fampiasambola mivantana (FDI) ataon'i Shina any Afrika dia mandalo amin'ny alàlan'ny Bankin'ny fanondranana sy fanafarana ao Shina (CHEXIM) sy ny Banky Fampandrosoana ao Shina (CDB) avokoa. Na izany aza, tsy ilaozan'ny resabe ity fampiasambola ity. Nasehon'ny fanadihadiana fa ny fampiasam-bola mivantana ataon'i Shina any Afrika tato anatin'ireo taompolo farany dia misy fifandraisany ratsy amin'ny fampandrosoana maharitra ao an-toerana. Ny tena betsaka anton'izany dia satria ny fitomboan'ny fampiasambola ataon'i Shina dia nampitombo ny fandotoana tamin'ny alàlan'ireo tetikasa toy ny fanamboaran-dàlana sy ny fitrandrahana harena voajanahary.

Marobe tamin'ireo tetikasa tao anatin'ilay hetsika « Fehikibo iray sy Làlana iray » [fr] no nanao ho laharam-pahamehana ny sehatry ny herinaratra tao Afrika. Ao Kenya, ny orinasam-panjakana shinoa Jiangxi International Economic and Technical Cooperation Co., Ltd. (中国江西国际经济技术合作有限公司) sy ny Rural Energy Authority (REA) ao Kenya dia niaraka nanorina ny iray amin'ireo lehibe indrindra amina toby famokarana herinaratra avy amin'ny masoandro, ao an-tanànan'i Garissa. Io dia tetikasa ampahany amin'ireo tohanan'ny Tahirimbolan'ny Fehikibo iray sy Làlana iray  natsangan'i Shina tamin'ny  2018, izay nanokana vola 6 000 lavitrisa shillings keniàna (KES) ho fanampiana amin'ny fampiakarana ny fahafaha-mamokatr'ireo fotodrafitrasa ao Afrika.

 

Ankoatra ny famatsiambola, mitondra fanohanana teknika bebe kokoa i Shina tato anatin'ny taona vitsivitsy. Ny famatsiambola ny toby famokarana herinaratra avy amin'ny masoandro ao Garissa [fr] dia avy amin'ny fampindramam-bola nankatoavin'ny CHEXIM, fa orinasa shinoa kosa, tomponandraikitra tamin'ny dingana rehetra, no hanatontosa ilay tetikasa, nanomboka tany amin'ny famolavolàna, ny fividianana fitaovana, ny fananganana, ny fametrahana izany sy ny fampiofanana. Ilay toby famokarana herinaratra dia hanana tanjaka   54,66 mégawatts ary afaka hamaly ny filàna herinaratry ny tokantrano miisa 70 000 , izany hoe olona mihoatra ny 380 000 ao Kenya.

Ny fifanoheran'ny fahampiana angovo tafahoatra any amin'ireo firenena afrikàna

Marobe ireo fanadihadiana tsy miankina nampiseho fa miatrika fananana angovo tafahoatra i Shina eo amin'ny sehatry ny angovo. Betsaka loatra ny vokatra atolotr'ilay sehatra raha miohatra amin'izay azon'ny tsena jifaina,  izay ny niafaràny dia ahondrana amin'ny vidiny ambany any amin'ireo tsena hafa. Nampiasa vola nandritra ny ampolo taona maro ary dôlara an-davitrisa i Shina tamin'ny fananganana ireo tambajotram-pamokarany sy ireo teknôlôjiany eo amin'ny sehatry ny herin'ny masoandro, rivotra ary herinaratra avy amin'ny rano. Toa tsena lafatra ho an'ireny vokatra ireny i Afrika. 

Satria ahondran'i Shina manerana izao tontolo izao ny teknôlôjiany momba ny angovo maitso, ary mitombo ny fangatahana voarainy avy amin'i Afrika, sahiran-tsaina ireo mpifaninana sasany ao Etazonia sy ao anivon'ny Fiombonambe Eorôpeàna manoloana ny fanjakazakàn'i Shina amin'io sehatra io. Janet Yellen, sekreteran'ny tahirimbola amerikàna dia nilaza fa ny famokarana tafahoatra ataon'i Shina dia loza mananontanona ireo indostria vao misondrotra ao Etazonia, ary nampitandrina izy hoe mety hanimba ny fifaninanana « ny fanatobahana eny an-tsena ireo entana mora ». Mifanindran-dàlana amin'izany, tamin'ny Jona 2024, nanomboka nametrahan'ny fiombonambe eorôpeàna haban-tseranana fanampiny, tonga hatramin'ny 38 % ireo fiara mandeha herinaratra nafarana avy any Shina mankany amin'ireo firenena ao amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna.

Lavin'ny governemanta shinoa hatrany ireo fiampangàna ho « mamokatra tafahoatra » ary notanisainy ny « Global Electric Vehicle Outlook 2023 » an'ny Masoivoho Erantany momba ny Angovo, izay mihevitra fa ny filàna erantany amin'ny fiara mampiasa angovo azo havaozina dia hahatratra 45 tapirisa isa hatramin'ny 2030. Raha toa i Shina ka mitazona ho 20 isanjato ny fitomboana isantaona amin'ny famokarana, ho tratrany ny isa 34,352 tapitrisa amin'ireo fiara mampiasa angovo azo havaozina mandra-pahatongan'ny 2030, izay mbola ambany ihany mitaha amin'ny filàna erantany.

Araka ny fanadihadian'ny Oxford Economics , misy ireo porofo “macroéconomiques” sava ranonando hanohanana ny fitantaràna ara-jeôpôlitika amin'izao fotoana izao momba ny famokarana tafahoatra ataon'i Shina. Kanefa, tsy misy mihitsy porofo tsy azo lavina hoe i Shina no mampaharefo ireo mpifaninana aminy amin'ny famokarana eran'izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny fampiharana vidiny tsy ara-drariny.

Torak'izany koa, miatrika ny olany manokana momba ny famokarany tafahoatra koa i Afrika. Asehon'ny fanadihadiana ny amin'ireo famokarana tafahoatra henjana be ao Etiôpia, ao Ghana, Kenya ary Roandà. Ireo firenena ireo dia nametraka fotodrafitrasa manana fahafahana mamokatra mihoatra ny 50 isanjaton'ny filàna rehefa amin'ny ora be mpampiasa, nefa marobe ireo tokantrano no mbola tsy manana herinaratra. Miovaova arakaraky ny firenena ireo antony voalohany mahatonga io fifanoherana io, saingy matetika dia avy amin'ny vinavina diso be loatra nataon'ireo ministera misahana ny angovo momba ny filàna marina sy ny faharatsiam-pitantanana any ambony latabatry ny birao misahana ny resaka angovo.

Mety azo ahilika any amn'ireo mpampiasa vola tsy miankina ny antony iray mahatonga ny famokarana tafahoatra ao Afrika. Ohatra, ny Kenya Power, orinasam-panjakàna mpaninjara, dia mividy herinaratra any amin'ireo orinasa tsy miankina amin'ny vidiny lafo izay mihoatra lavitra ny azony amarotana azy, lasa mahatonga ny vidiny ho lafo ho an'ny olompirenena. Vao mainka nahamafy an'io toejavatra io ny fandraisana anjaran'ireo avy amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fanaovana sonia ireo fifanarahana fividianana herinaratra (PPA) ifanaovana amin'ireo orinasa shinoa tsy miankina.

Hirika ho an'i Afrika

Marobe ireo mpitondra afrikàna mihevitra ny fanombanana ny famokarana tafahoatra ataon'i Shina ho toy ny hirika iray ho mety handrisika ireny firenena ireny hamindra ny famokarana ny rojom-pamatsiany ho any Afrika.

Na nampitomboin'i Shina aza ny fampiasàny vola any amin'ireo firenena afrikàna ao anatin'ilay hetsika « Fehikibo iray, Làlana iray »[fr],  mihoatra ny antsasany amin'ireo fanondrànana ataon'i Afrika mankany Shina dia saiky akora fototra hatrany, toy ny solitany, varahina, kôbalta ary ireo akora vy. Ireny vokatra ireny no manome ny antsasany mahery amin'ny fitambaran'ny fanafarana rehetra natao tamin'ny 2022. Amin'izao fotoana izao, ny fampiasàna vola amin'ny sehatry ny famokarana angovo azo havaozina dia mbola mivangongo betsaka any Afrika izay azo ambara ho manan-katao toa an'i Ejipta, Maraoka ary Afrika Atsimo.

Ny sasany amin'ireo Afrikàna manampahaizana ara-bola dia manosoka hevitra hoe tokony heverin'i Shina ny hamindràny toerana ny ampahany amin'ny rojom-pamatsiany io indostria io ho any Afrika, fa tsy hihevitra ilay tanibe ho toy ny loharanon'akora fototra fotsiny.

Toa vonona ny hifameno anaty fiarahana miombona antoka ny tsena shinoa sy afrikàna, saingy mbola misy ireo sàkana sasantsasany. Na azo vahàna amin'ny alàlan'ny fampihenàna ny fahafahana miditra aminy aza ny vokatra angovo tafahoatra, ny fanamby dia ny hiantohana ny haha-mangarahara ary tsy mitanila ireo fifandraisana ara-pamatsiana eo amin'ireo orinasa tsy miankina sy ireo governemanta, sy mba tsy hanohintohina ny rafi-piainana voajanahary tany am-piandohana ilay tetezamita ara-angovo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.